Inona no atao hoe finoana sy fiainana ao amin'ny kristy?

1. niryna ( 02/08/2007 07:12)
Raha miteny isika hoe mino sy miaina mitovy ny nataon'i Kristy,ahoana izany fiainana kristiana izany?
répondu par niryna le 15/08/2007 21:57
2. ikaretsaka ( 02/08/2007 07:29)
tsotra! WWJD, na JET
What woud jesus do? na i hoe raha Jesoa no eto amin'ny toerako>!

ny ahy dia io foana no anontaniako ny tenako amin'ny zavatra rehetra ataoko ! satria "manaova toy izany koa" ho'zy
3. tywa68 ( 02/08/2007 07:36)
Tsotra d tsotra = mahalala ny tantarany, miankina Aminy tanteraka ary miezaka manaraka ny didy 10 foana @ fiainana andavanandro (toetra sy fihetsika mifanaraka @izany no ezahina atao, na dia tsy mora aza izany).
4. ikaretsaka ( 02/08/2007 07:40)
mahalala ny tantarany sy ny fomba fisainany.. oooay saika adiso! io koa ilaina
5. todisoa2 ( 02/08/2007 08:12)
niryna:

Raha miteny isika hoe mino sy miaina mitovy ny nataon'i Kristy,ahoana izany fiainana kristiana izany?


Angamba hoy aho ny tokony hotenenina dia ny hoe fiainana ao @ Kristy fa tsy hoe fiainana nataon'ny Kristy. Ny fiainana nataon'i Kristy izany mantsy dia ilay asam-pamonjena nataony, izay tsisy nahavita izany raha tsy Izy irery ihany. Ny fiainana ao @ Kristy kosa dia io ilay fiainana masina takian'ny Epistily araky ny Romana. Ny fanamarinana maimaim-poana azontsika araky ny Rom 6 no miteraka izany. Tsisy marina isika na dia iray aza eo anoloan'Atra (Telo izay iray) sy ny lalàna. Samy mpanota isika. Nohamarinina, izany hoe nisaina ho marina ao @ Jesosy Kristy isika, rehef voavela heloka ka mandray izany @ alalany finoana. Ny finoana kosa dia azo avy @ Teny sy ny Sakramenta (Batisa sy Fanasan'ny Tompo)izay zaraina marina any @ Fiangonana. Ny fanamarinana maimaim-poana izany dia miteraka finoana. Izany dia mahatonga ny fiainana ao @ Kristy. Hany ka tsy miverina @ ota fanao intsony isika fa misy fiovam-penitra (réforme). Rehefa tonga ny fitsarana farany dia Jesosy Kristy Tompo no misolo vava antsika, mihatra Aminy ny fiampangana rehetra antsika.
Ny fiainana @ Kristy izany dia midika ho firaisana monina tanteraka @ Jesosy Krity, izay miteraka ny fanaronany ny fahotantsika (izany hoe fanisana antsika ho isan'ny marina). Izany fanamarinana maimaim-poana azontsika izany, @ alalan'ny finoana, no miterak ilay fiainana masina. Izany no fiainana ao @ Kristy, fa tsy fiainana araky ny mitovy @ nataon'i Kristy. :wink:
6. ikaretsaka ( 02/08/2007 08:15)
ka ny fanontaniana ange hoe miaina mitovy amin'ny fiainan'i kristy fa tsy hoe miaina ao amin'i kiristy!
eo no misangojy fa aoka ny mpametraka fanontaniana hanazava
7. ari.malala ( 02/08/2007 13:52)
miombon-kevitra @ ika sy tywa amle mahalala Azy sy ny tantarany. Fa hahatongavana @zany dia manao toa an'i Maria izay nihaino lalandava ny teniny ka nahazo ny anjara tsra tsy halàna aminy.
8. cutie ( 03/08/2007 01:03)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 02-08-2007 09:12:21
Lohateny : Inona no atao hoe finoana sy fiainana ao amin'ny kristy?
Raha miteny isika hoe mino sy miaina mitovy ny nataon'i Kristy,ahoana izany fiainana kristiana izany?

manara-dia an'i kristy:lol:
9. niryna ( 03/08/2007 05:33)
Inona izany no ataon'ireo kristiana raha milaza izy fa manara-dia an'i Kristy.Raha tsy mitovy ny hafatr'i kristy ve ny ataony dia azo lazaina izy fa miaina sy mino an'i Kristy?
10. rakaroka ( 03/08/2007 05:51)
Raha jerena @ ny zava-misy marina ity fanontaniana ity dia:
1- Samy manana ny antsoiny hoe "Kristy" ny sokajin'olona maro, ary na dia ny iray fiangonana notezaina miaraka t@ torinteny isan-karazany aza:
samy manana ny andraisany an'i Kristy.
Mampatsiahy ahy ilay teny izay hoe "ataonao ho iza moa Aho?"....
2- Ny resaka finoana koa dia samy manana ny hiheverany sy andraisany izany. Mampitandrina ahy io teny io noho ny fiheverana nataon'i Jesoa :
"ry kely finoana"..."raha manana finoana toa ny voatsinapy aza ianareo dia ahafindra tendrombohitra".
"Aiza ny finoanareo?". "Ary raha hiverina ny zanak'olona moa mbola hahita olona manana finoana Izy?".:-w:-w:-w:roll:
Teniny avokoa ireo:wink:
3- Ny teny hoe "fiainana" koa dia samy manana ny handrirotany izany na dia ireo samy atao hoe "ao am-balan'i Kristy?" hono?...
Misy mahatsapa miaina @ fandehanana any am-piangonana,dia mikonfesy kely dia manohy ny fanaony
maharevo azy izay heveriny fa fiainana.
Misy ny miaina @ fibanjinana ny lanitra sy fanantenana an'i Kristy hatrany!...
Misy ny tsy mety raha tsy manonona an'i Jesoa @ atao rehetra satria izany no finoany ho tena "fiainana".
Misy ny mba nihevitra ireo teny voasoratra tahaka ny hoe:"Izay mino Ahy ny asa ataoko no hataony koa ARYHANAO ASA LEHIBE NOHO IZANY AZA izy.
Misy ny mivavaka mandrakariva satria izany no fiainana ao @ Kristy aminy.
Izany hoe samy manana ny "style sy mode de vie"-ny.
11. diamondra27 ( 03/08/2007 06:43)
vakio ny bokin'ny hebreo , ho hitanao ao ny resaka momban'ny finoana


ny fiainana ao @ Kristy VE ?
Misy fiangonana mitondra io anarana io any dago, sao de zay le tianao fantatra?




12. ikaretsaka ( 03/08/2007 08:18)
rakaroka: hmmm tsy manao aho hoe matina tanteraka ny anao na diso tanteraka... fa tena tsy nanan-kalahatra aho fa ny zava misy no nolazainao!
13. ikaretsaka ( 03/08/2007 08:20)
diamondra27:

ny fiainana ao @ Kristy VE ?
Misy fiangonana mitondra io anarana io any dago, sao de zay le tianao fantatra?

izany?
dia tsotra ny valiny raha izany..denomination io ko!

anarana "fiangonana evanjelika madinidika niforona tetsy sy teroa"


14. tywa68 ( 03/08/2007 09:22)
Izany hoe samy manana ny "style sy mode de vie"-ny.


Miombo-kevitra tanteraka aminao :wink:
15. diamondra27 ( 03/08/2007 09:29)
ikaretsaka:

diamondra27:

ny fiainana ao @ Kristy VE ?
Misy fiangonana mitondra io anarana io any dago, sao de zay le tianao fantatra?

izany?
dia tsotra ny valiny raha izany..denomination io ko!

anarana "fiangonana evanjelika madinidika niforona tetsy sy teroa"




_______________________________


fanontaniana apetrako @ nyrina io ka?

sao de io le tiany lazaina


16. rakaroka ( 03/08/2007 16:01)
[quote=diamondra27]
vakio ny bokin'ny hebreo , ho hitanao ao ny resaka momban'ny finoana

Hay tsianjery fahakely ny hebreo11 saingy tsy ampy ahy hatry ny ela ny famaritana ny finoana voalaza ao.
Fiheverako tahaka ny hoe misy vatana à pluridimension
dia ny ampahany no voalazan'ny Hebreo,raha tsy handeha lavitra isika fa hitodika @ izay voalazan'i Jesoa en perso: "izay mino Ahy ny asa ataoko no ataony koa ary nandrandrainy MIHOATRA aza raha ny marina! Izany hoe tsy "simple intuition" fotsiny ny finoana, ary tsy afaka hianina @ izany koa fa misy "base de connaissance" marim-pototra mba ipetrahan'ilay "intuition" . Raha toa tsy marim-pototra ilay "connaissance de base" io, dia handiso ny anjeri-manontolon'ny fiainana izany.
Ny "Finoana" ho @ fiainana dia miaraka @ asa, fitiavana, zotom-po, sns.
Mety manana endrika maro sy vanim-potoana samihafa angamba ny fisehon'ny "Kristy" isan-karazany fa misy toetra iombonan-drizareo sy toa takiany @ ireo mpanaraka azy, tsy inona akory fa ny fizorana ho @ fahatanterahana tahaka ny "endrik'Atra Ray" na ho an'ny tena na manoloana ny manodidina.
Ohatrohatr'izay no fijeriko azy:wink:



17. ikaretsaka ( 03/08/2007 16:21)
"Raha izay tianao amin'ny tantaram-pinoana ihany no inoanao, fa arianao izay tsy tianao, dia tsy ny finoana intsony no inoanao fa ny tenanao ihany"
(Md Augustin)
18. fijo ( 03/08/2007 21:25)
ô ry zalahy an,raha hiaina hitovy amin'ny fiainan'i lery anie nareo ka ,handrava tsena sy hiaina samy bandy e.ary ny tena loza dia hanohitra lava izay lalana misy eo amin'ny tanana
19. rakaroka ( 03/08/2007 21:34)
Fanampi-panazavana ity: Ny hoe "tsy ampy" voalazako etsy ambony dia tsy midika hoe "manilika". Tahaka ny "puzzle" angamba no andraisana ny karazana "éléments" samihafan'ny finoana. Dia puzzle mbola à pluridimension koa.
Fitazana @ lafiny isan-karazany.
Sahala am ny "compliqué"-ko loatra lé izy. Dia nohalaviriko mihitsy ilay hoe:"minoa fotsiny ihany!".
satria betsaka ny filaza voafantoky ny saina koa. Tahaka ny hoe "ady tsaran'ny finoana" ,sns.
Fiheverako misy "atrika" atao izany!:roll:
20. rakaroka ( 03/08/2007 21:51)
fijo:

ô ry zalahy an,raha hiaina hitovy amin'ny fiainan'i lery anie nareo ka ,handrava tsena sy hiaina samy bandy e.ary ny tena loza dia hanohitra lava izay lalana misy eo amin'ny tanana


Possible sur le fond mitovy ny asa: ohatra fanasoavana ny tena sy ny fiaraha-monina en même temps, fa sur "la forme sy style" samihafa ny fisehony.
Ohatra "soeur Théresa" niezaka nanala ny fahasahiranan'ny olona sy nanasitrana koa.
Exemple hafa iray: I Amma sady nampianatra tahaka an'i Jesoa , no nanangana hopitaly sy fitoeram-pitsaboana ary mankahery olona maro...sns.
Ohatra concret hafa: i Fijo tsy mandry saina fa miezaka mampafantatra ny marina inoany mba :-w:-w
hanasitranana ny heveriny fa aretin-tsain'ny namana.
Ny fiezahan'ny namana maro ato @ sera ny antsoina hoe:
"Ny tavan'ny rahalahy no mandranitra ny... (ovaiko) mpiara-misera"...
Samy manana ny "style" sady hay ihany anie ny "izy" sy ny "tsia" sa indray nisy niangarana tsy nomena feon'ny fieritreretana?...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2321