Inona no atao hoe finoana sy fiainana ao amin'ny kristy?

41. todisoa2 ( 10/08/2007 15:09)
tywa68:

Todisoa :
Angamba hoy aho ny tokony hotenenina dia ny hoe fiainana ao @ Kristy


F'angaha moa tsy efa zany h@ voalohany no resahina teto ? i niryna koa efa nanoratra an'ilay sujet hoe fiainana ao @i Kristy :wink:



Izao no voasoratra ambanin'ny lohateny:''Raha miteny isika hoe mino sy miaina mitovy ny nataon'i Kristy,ahoana izany fiainana kristiana izany?. Io no tsy tokony hotenenenina satria ny pasiona (passion) an'i Kristy ihany no atao hoe ''Fiainan'i Kristy'' na fiainana mitovy ny (@) nataony. Izany no hevitra systematika, raha taranja dogmatika, no resahina. Ny fiainana mitovy @ nataon'i Kristy, dia ny ''fijaliany, ny fahafatesany ary ny fitsanganany t@ maty, izay tsisy nahavita an'io asam-pamonjena io raha tsy izy irery ihany. Tsy azo atao ny miteny hoe ''fiainana mitovy @ nataon'i Kristy fa fiainana ao @ Kristy irery ihany no fiteny.
42. tywa68 ( 10/08/2007 15:17)
Io no loha-teny nosoratan'i niryna :
Inona no atao hoe finoana sy fiainana ao amin'ny kristy?


Tsoriko @ i Todisoa aloha fa ny loha-teny ny ahy no novaliako fa tsy ilay misoratra teo ambany, satria mazava ho azy amiko ny tena tokony hifantohana raha ny mombantsika olombelona : satria tsy hisy hahavita na hahatanty ny fiainan'i Kristy isika (manjary tsy misy maha-mesia azy intsony raha izany manko !):lol:
43. niryna ( 15/08/2007 21:57)
todisoa2:

ikaretsaka:

ka ny fanontaniana ange hoe miaina mitovy amin'ny fiainan'i kristy fa tsy hoe miaina ao amin'i kiristy!
eo no misangojy fa aoka ny mpametraka fanontaniana hanazava

miaina mitovy @ nataon'i Kristy izany ara-téolojia tompoko, "dia manatanteraka ny asa misiona tahaky ny nataon'i Jesosy tety an-tany". ny asa misiona dia ''ny nijaliany ,ny nahafatesany ary ny nitsanganany tena t@ maty''.Izany no asa Famonjena. Diso ny fomba fiteny azy ary dia ahitsiko etoana. Noho izany dia ny fiainana mitovy @ nataon'i Kristy dia tsy midika mihitsy ho fiainana ao @ Kristy.





Izany ihany koa no fahalalako azy ry tody 8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0458