MILA TOROHEVITRA SY VAVAKA

1. soleil ( 23/07/2007 07:07)

Faly miarahaba antsika rehetra eto @ forum ary dia manantena indrindra ny torohevitra sy fitondrana am-bavaka ny olana
Vao tsy ela akory aho de nijoro ho vavalombelon'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahasoavana nomeny ahy sy ny fianakaviako , anio aho de te hanontany hevitra sy fitondrana am-bavaka anareo rehetra

Efa fikasako hatry ny ela ny handeha hamonjy ny fotoam-bavaka any Karimalaza Manakara ,ary efa nangataka mafy ta@ Tompo aho hoe te -ho any fa Ianao no handamina ny fotoana sy ny ho enti-manana rehetra , androany avt 14 H ny valin-teniko farany no omena hoe andeha ihany ve zahay 3 mianaka sa tsia , ny frais n'olona iray aminay dia efa nisy mpiantoka fa ny sakafo sy ny ambiny zany sisa no olana

Nanontany ahy ary ny mamako androany hoe handeha ihany ve ianareo sa tsia ?de namaly ny zanako hoe eny , avy @zay izy niteny fa ny anao hoy izy refa sitraponao ny te handeha sy hanao zavatra rehetra zao de mahita vola foana ianao sy ny sisa , satria zany de tena miankina tanteraka aminy zahay ara-bola ,de efa fifamalina be aloha , de nitohy hatramin'ny resaka fivavahana satria izaho de lazainy fa tsy matotra sy tsy manana conviction mihitsy fa vonjena daholo hono zao fivavahana rehetra zao , zahay mantsy notaizana tamin'ny finoana Katolika ary mbola miaina sy manaraka io finoana hatreto

misy fotoana aho mamonjy reny fotoam-bavaka ireny na cellules de prière de voatery mandainga sy miafina aho satria tsy te hahazo le vava sy hanome fo indray , de tonga zao ny fotoana anapahana hevitra hoe andeha de olana ny mitranga , te andeha aho nefa tsy misy frais , tsy andeha aho malahelo ihany satria efa fikasana ary fotoana efa nandrasana hatry ny ela ihany le izy , de miteny izy hoe fa maninona hono raha mijanona fa isan-taona misy foana ne fa zà tsy te hihemotra intsony , tena mila fanampiana aho reto satria te andeha mafy de mba ento am-bavaka , inona no ho ataoko
répondu par niryna le 29/07/2007 07:19
2. xxx ( 23/07/2007 07:43)
Raha handeha ianao dia mety hifamaly sy hanome alahelo ny mamanao, dia asa ianao no mandinika.
Ny fiderana sy ny fanatanterahana an'Andriamanitra amiko tsy mifidy toerana ary ny zava-dehibe voalohany takiana amintsika dia ny tsy anomezantsika alahelo ny hafa.Takiana amintsika koa ny fahaiza-mihaino ka aza dia teren'ny hevitrao fotsiny fa raha sahirana ara-bola izany ianao nefa mikiribiby ho any, asa!!!
3. diamondra27 ( 23/07/2007 08:09)
Raha Araka ny resakao ireo aloha raha teo @ toeranao aho dia nivavaka tena nitakaho mafy t@ Atra tokoa, nasehoko Azy fa tsy hanao fety na zavatra filan'ny nofo no alehako fa hanao ny sitrapon'Atra ary @izany zavatra izany dia ho fantanao ny vokany fa hahazo fifohazam-panahy be de be tokoa iaanao. Efa projet-nao ilay hatry ny ela, na de we misy isan-taona aza io ny aina tsy mifametra , tandremo sao tara , de zay indrindra no lazao @ Atra we: anio we za no vonona nefa aoka ny sitraponao no ho atao fa tsy ny ahy. Ianao nilaza fa raha mangataka zavatra araka ny sitrapoano aho dia hanome valiny ianao. Koa na inona na inona valiny azoko eo dia ifaliako izany.Ianao no nametrahako ny fiainako sy hitantana azy ka dia izay mahasoa no aoka ho tanteraka. Fantatrao fa misy ny olana mipetraka: ara-bola sy eo @ mamako , mila valiny daholo izany dia apetrako eo ampelatananao izany ahiahiko izany. Etc etc...

Hiara-hivavaka aminao aho saingy ekeo izay valinteny omen'i Tompo anao.

Minoa dia manantenà ...

Marina fa we: misy isantaona ilay izy fa rehefa izao no niantsoana anao de lasa foana ianao.
Tadidio fa ny Tompo no miantso anao fa tsy isika no nifidy Azy.

Asany no tianao aleha dia mino aho fa raha tena ngetaheta tokoa ianao ka tena izay no fotoana dia lasa foana ianapo na iza hanakana na iza.

Izany resaka sakafo izany tsy olana sy frais fa hain'Atra foana ny mahita izany ho anao raha izay no tendrin'Atra.

Mahereza ary mijoroa hatrany na inona ny valinteny na inona. Aza atao mampiova ny fiombonanao @Tompo mihintsy.
Tandremo fa misy ady atrehanao sahady manoloana anao, de tokony entinao ambavaka izany. Safidinao ny hiaraka @ Tompo sy hanompo Azy, tadidio fa hoy Izy: ary ho halan'ny olona ianareo noho ny Amiko... fa isika tsy hanome fahafahampo olona mihintsy fa matoa ianao nanolotra ny fiainanao ho Azy de Jesosy no namonjy anao sy mbola hamonjy anao ary hiaro anao @ ratsy rehetra
... lavabe fa aleo aloha handeha fa refa aveo
:-*:-*
4. booboo ( 23/07/2007 08:15)
Raha handeha ianao dia mety hifamaly sy hanome alahelo ny mamanao, dia asa ianao no mandinika.
Ny fiderana sy ny fanatanterahana an'Andriamanitra amiko tsy mifidy toerana ary ny zava-dehibe voalohany takiana amintsika dia ny tsy anomezantsika alahelo ny hafa.Takiana amintsika koa ny fahaiza-mihaino ka aza dia teren'ny hevitrao fotsiny fa raha sahirana ara-bola izany ianao nefa mikiribiby ho any, asa!!!

miombon-kevitra
5. diamondra27 ( 23/07/2007 08:53)
ny fanompoana an'Atra amiko dia izay itarihany ahy ihany.
Ny fanompoana an'Atra dia tsy moramora:misy ady atrehana
Ny fanompoana an'Atra dia tsy tokony atao @ hafanampo sy zay mahafinaritra ny tena no atao satria misy ambiance etc fa mila fahendrena...
Noho izany dia tokony apetraka @ Atra ny zavatra rehetra ataonao: ny projet eny fa na dia ny madinika indrindra aza.
Isika ange ho halan'ny olona rehefa tafiditra lalina ao @ i Tompo e! ihomehezan'ny olona, hahazo latsa, fanaratsiana , insulte etc efa voalaza ao @ SM izany
JEsosy aza niteny hoe: ny zanaka tsy ho tia RAD na vice versa...
ny efa hita ihany koa dia ny vadinao mihintsy no manakana anao tsy handeha hanompo ny Tompo, misy aza maty vono @ vadiny fa hoe: tsy mila mamonjy zany fivoriam-bavaka izany. De nijanona ve ilay ramatoa? TSIA ny valiny , nitohy hatrany mamonjy fivoriana izy ary farany niova ihany io vadiny nikapoka azy io taty aoriana nohon'ny fiasan'ny vavaka.

ny fanompoana an'Atra dia mila faharetana , finoana, fanantenana, fitiavana.

Ilaina ny mahafantara hoe: iza no omenao voninahitra : ny Tompo sa ny manodidina anao.
Fantaro fotsiny we: inona ny sitrapon'Atra

Samy manana ny asa natolotr'Atra ho azy avy isika.

Ento ambavaka koa ireto ankizy efa nanantena ny handeha hamonjy izany dianareo izany mb hahay hi-accepter izay valinteny
6. deric ( 23/07/2007 09:59)
Faly mifandray aminao ry Solei.
miankina aminao ny zavatra rehetra. ny tsy nety taminao dia ilay lainga (amin'ny foko tsotra no ilazako izany azafady)
Heveriko fa tsy tokony ho ny namana no ho ambinin' ny Tomponao, ka rehefa vonona ianao ka ampy ny ho enti-manana dia tokony handeha ianao, hazavao aminy ny marina. na eo aza ny fanomezan-tsiny ataony amin'ny famonjena fivavahana amin'ny fiangonana hafa tsy nitaizana anao dia aza atao ho olana fa tsy miova Andriamanitra ianao akory.
mivavaka ho anao aho. Mba intantarao vaovao rehefa miverina e! Namana avy aty Fianar. "randrideric@yahoo.fr"
7. todisoa2 ( 23/07/2007 10:08)

Todisoa aloha ny anarako. 21 taona aho ary miomana ho mpiandry.

Mitovitovy @ fiainana lazainao io ko ny ahy. Lazaiko etoana anefa fa tsy misy azonao atao afa-tsy ny mangataka Aminy, dia Izy Jesosy niantso anao hanao ny asany. Tsy anao koa ny fanapahan- kevitra hoe handeha sa tsia, satria Izy no nifidy anao fa tsy hianao no nifidy Azy. Ka raha fantany fa hahasoa anao ny handeha hoany, dia tsy maintsy lasa hianao. Io tsy resaka ara-bola na zavatra hafa avy @zao Tontolo Izao no hipetraka ho sakana. Fa hain'i Jesosy foana ny mandamina ny zavatra rehetra. '' Fais-Lui confiance'', dia Azy ny sisa. '' Fa raha ny Zanako sy ny asan'ny tanako, hoy Atra, dia aoka hoadidiko ihany''.
Eto koa anefa dia tsy vitan'ny hoe mijanona fotsiny tsy hanao na inona na inona hianao, satria ny finoana tsy arahin'asa dia zava-poana ihany. Miezaha miresaka sy mandresy lahatra Azy ara-tsoratra masina. Raha toa ka tsy manaiky Izy dia ento am-bavaka @ Jesosy.
Manaova vavaka toy izao:'' Jesosy ô, tsy safidiko ity. Ianao no nifidy Ahy. Ianao efa nilaza fa adidinao feno aho. Manana alalana feno @ fiainako hianao. Kanefa aza avela irery aho, ary aza atao mahare mangirifiry akory, satria ianao efa vonon-kitondra ny enta-mavesatra eo @ fiainako.mAtoky Anao aho Jesosy. Amen''.
Tano @ Teniny Izy. Izany no finoana velona ao amintsika, antintsika, dia ny hitanantsika ny Teny fikasany.

Mahereza fa onjam-piainana daholo izany. Ny Devoly koa tsy kely lalana @ zava-misy rehetra. Hoy Paoly hoe:''...Miareta @ fahoriana, mahareta @ fivavahana...''. Aoka tsy hataonao sakana @ fanompoana Azy ny olona manodidina anao. Izy koa efa niteny fa na iza na iza ta-hanaraka ahy, dia tsy maintsy manda..... izy. Ny fandavanao ny vadinao na ny manodidina anao eto dia midika fijoroana, fijoroan ho mpanara-dia an'i Jesosy Kristy. Vakio ny Matio 9. Ao ny laklé-n'ny fiantsoana.Ity ny numero-ko raha te-hifandray amiko: 032 07 949 12. Mirary soa ary mitondra am-bavaka hoanao sy ny ankohonanao.

soleil:
Faly miarahaba antsika rehetra eto @ forum ary dia manantena indrindra ny torohevitra sy fitondrana am-bavaka ny olana
Vao tsy ela akory aho de nijoro ho vavalombelon'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahasoavana nomeny ahy sy ny fianakaviako , anio aho de te hanontany hevitra sy fitondrana am-bavaka anareo rehetra

Efa fikasako hatry ny ela ny handeha hamonjy ny fotoam-bavaka any Karimalaza Manakara ,ary efa nangataka mafy ta@ Tompo aho hoe te -ho any fa Ianao no handamina ny fotoana sy ny ho enti-manana rehetra , androany avt 14 H ny valin-teniko farany no omena hoe andeha ihany ve zahay 3 mianaka sa tsia , ny frais n'olona iray aminay dia efa nisy mpiantoka fa ny sakafo sy ny ambiny zany sisa no olana

Nanontany ahy ary ny mamako androany hoe handeha ihany ve ianareo sa tsia ?de namaly ny zanako hoe eny , avy @zay izy niteny fa ny anao hoy izy refa sitraponao ny te handeha sy hanao zavatra rehetra zao de mahita vola foana ianao sy ny sisa , satria zany de tena miankina tanteraka aminy zahay ara-bola ,de efa fifamalina be aloha , de nitohy hatramin'ny resaka fivavahana satria izaho de lazainy fa tsy matotra sy tsy manana conviction mihitsy fa vonjena daholo hono zao fivavahana rehetra zao , zahay mantsy notaizana tamin'ny finoana Katolika ary mbola miaina sy manaraka io finoana hatreto

misy fotoana aho mamonjy reny fotoam-bavaka ireny na cellules de prière de voatery mandainga sy miafina aho satria tsy te hahazo le vava sy hanome fo indray , de tonga zao ny fotoana anapahana hevitra hoe andeha de olana ny mitranga , te andeha aho nefa tsy misy frais , tsy andeha aho malahelo ihany satria efa fikasana ary fotoana efa nandrasana hatry ny ela ihany le izy , de miteny izy hoe fa maninona hono raha mijanona fa isan-taona misy foana ne fa zà tsy te hihemotra intsony , tena mila fanampiana aho reto satria te andeha mafy de mba ento am-bavaka , inona no ho ataoko

Nahitsin'i hery
répondu par todisoa2 le 23/07/2007 10:58
8. hery ( 23/07/2007 11:00)
Dia rehefa mivavaka dia farano amin'ny hoe "Fa aoka ny sitraponao no atao fa tsy ny ahy."
9. rhina ( 23/07/2007 11:09)
ts mety r reto le mandainga a.
fa tsory amzareo fotsn n marina fa rehefa itany ne nareo hoe mazotoa amzay ts afaka ny anina eo iz e
zanany foana nareo zay d mazotoa mvavaka d mvava koho azy e
10. bozyboleta ( 23/07/2007 12:30)
Ny fahazoako ny nahatonga anao nandainga de tahotra ny ho voaenjika @ le fivavahana satria mety ho tsy mahazatra ny mamanao na tsy mifanaraka @ eritreriny.
Tsy tokony hatahotra ianao ka ho voatery mandainga. Omeo fanazavana ny mamanao fa ny fandehanana mivavaka sy io fanompoana ataonao io dia zava-panahy an\'ny tena samirery,aferanao sy Atra ihany ary ianao ihany no mahalala zay mahavonjy ny fanahinao. Lazao azy fa anisan\'ny heverinao fa hitondra na hanampy aim-panahy ho anao io fandehanana io ka izany no mahatonga anao hikiry andeha.

Ho fanampin\'ny lazain\'ny namana ireo, sady mivavaka no mikaroka hevitra...Mangataha ny Fanahy Masina fa hanampy anao sy hanolo-tsaina anao Izy.
Raha tena resy lahatra tanteraka sy matoky Azy de ho hitanao fa hain\'ny Tompo ny manova ny zavatra rehetra ary tsy ho olana reo olana resahinao reo. Ho lasa vavolombelona eo anatrehan\'ny hafa aza enao, ary hilefitra na hanaraka mora foana ihany koa ireo avy eo.

11. Samoana ( 23/07/2007 13:29)
[quote=soleil ...androany avt 14 H ny valin-teniko farany no omena hoe andeha ihany ve zahay 3 mianaka sa tsia , ny frais n'olona iray aminay dia efa nisy mpiantoka fa ny sakafo sy ny ambiny zany sisa no olana...
[/quote]

Raha ny eritreritro dia efa naka fanapahan-kevitra ny hande ianao na inon-kidoana . Ny hitenenako izany dia satria tsy nomenao fotoana malalaka ny namana hanolotra torohevitra ho anao:wink:
Efa tara train ny tenako @ ilay torohevitra saingy mitondra am-bavaka anareo telo mianaka ho tsara mandroso tsara miverina^:^

12. diamondra27 ( 23/07/2007 14:25)
Samoana::D enga anie!

za koa moa tahaka anao izany ihany, fa naleoko niandry vao niteny an'io satria hoy izy hoe: mila valin-teny aloha.

Soleil sy ny namana hafambola tanora ara-panahy:
ny fiarahana @Atra dia mila voadinika sy mandeha ara-pahendrena fa tsy ny hevitrao no entinao handresena lahatra ny manodidina anao.
Tsy misy afa-tsy ny vavaka ihany sy ny fangatahana ny FM ao aminao mba hanoro hevitra , hitari-dalana anao ...
Ny hita eto anefa dia ohatran'ny hoe: efa tsy nisy vahaolana intsony vao nitaraina ianao.
Fampianarana @ manaraka: raha misy projet tianao ho tanteraka , eny fa na dia heverinao fa sans importance izany dia mivavaha aloha, apetraho @ Tompo Ilay izy ary mangataha @ kristiana namanao mba hiombom-bavaka aminao. N'attends pas à la dernière minute pour tenir les autres au courant fa tsy mety izany . Avy eo raha tsy azonao ilay zavatra dia ny Xna no omena tsiny na koa hoe: Tsy mamaly vavaka ny Tompo.

_____________________________

Momba ny resaka hoe: lainga indray, mety tsy te-handratra ny fon'i mamanao ianao kanefa jereo ny vokany ankehitriny lazainy fa fivavahana rehetra izao ny ataonao satria mahatsiaro trahie izy.
Fa tena mifindrafindra fivavahana tokoa ve aloha i soleil, mbola eo ampitadiavana hoe: inona le identité ny finoana arahinao? iZany izao amiko dia mila fangatahana @i Tompo hoe: atoroy ahy hoe: aiza ny mahasoa sy aiza @ finoana inona no tianao ampiasaina aho.

Ahatsiarovako ilay namana1 fahiny izay ity zava-miseho ity satria t@izany moa dia vao tonga tany @ province itony atao hoe: FAAK "Fiainana ao @ Kristy", dia nisy vhv tanora mbola mpianatra sady chorale izy , protestanta di aresy lahatra tany.Inona no nataony hoy ianareo: nialanianatra izy fa hanao plein temps tany @ le FAAK hoe. Mazava ho azy fa ny reniny tsy d'accord @izany fanapahan-kevitra izany satria tsy ampahendrena ilay izy fa ny fanompoana ny Tompo amiko dia tsy midika hoe: tsy hiasa na tsy hianatra intsony ianao afa-tsy hoe angaha ka tena misionera ny zavatra ataonao.
Dia inona moa ny zava-miseho fa lasa nampiditra fahavalo ho an'ilay fiangonana izany toetra izany satria mihanaka ny vaovao hoe: lasa ao @ FAAK ao hono ny zanak'i ranona de tsy nianatra intsony , tena sekta io etc...
Koa mba tandremo ihany ry ireto ny fitondra-tena fa aza entina @ hafanampo ny fanarahana ny Tompo a!
13. todisoa2 ( 23/07/2007 15:09)
soleil:

Faly miarahaba anao aloha ny tenako. Todisoa ny anarako, 21 taona aho, ary miomana ho MPiandry tahaka anao koa.
Ny fiantsoana. Io no resako aminao. Hoy Jesosy:'' Izaho no nifidy anareo.'' Ny fiantsoana dia tsy misy avy aminao na ny namanao na koa ny manodidina anao. Izy no miantso. Ny fahatanterahany sisa andrasana Aminy. Ny fotoana iantsoana no samy manana ny Azy. Ao anatin'io koa anefa no ahitana ny atao hoe Teny fikasana. '' Raha manao ity ianao, dia....'' Hoy Izy. Hoatr'izany no ataony @ izay rehetra tsy manda Azy. Tahak'izany ny Teny fikasana azon'I Abrahama ao @ Gen 12. Raha mandà anefa hianao dia tadidio fa mandà ny asan'ny Fanahy izay araky ny Romana. Fahotana lehibe indrindra izay mety tsy hahazoanao fiainana mandrakizay ny fiantsoana ao aminao. Noho izany, dia tsy misy tokony hatao sakana ny manodidina anao na iza na iza. Eto da tsindrian'i Matio mazava tsara fa na iza na iza ta-hanaraka Azy dia tsy maintsy manda ny....(havana, IZTZ...). K ny fandavana dia midika fijoroana. Mila anao mijoro @ finoana an'i Jesosy Tompo sy Mpamonjy Anao @ lafiny reheta Izy.

Ny hany tokony hataonao dia ny fahatokianao Azy @lafin rehetra. Mijoroa fa Azy ny fandaminana rehetra. Ekeo fa tsy vitan'ny herin'ny sainao ity ka dia tsy maintsy apetrakao Aminy ny antso. ''Antsoy Aho, dia hovaliako hianao '',hoy Jehovah Atra). ''Raha ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. Azy y sisa fa tsy Anao intsony. Eto koa ny fiantsoana dia tsy voatery hoany @ toby ihany fa maro samihafa koa io: mety ho Pastora, ho Diakona...Asa tsara ny asan'Atra. Mahereza fa hivavaka hoanao aho. Ty ny numero-ko rah mila fanazavana. 032 07 94912. Teny ao @ Hosea 6.6 no teny vatsy atolotro anao. Mivavaha mafy fa mila olona hiasa hoAzy Jesosy, ar tsarovy fa ''tsy hofoana akory ny fikelezanareo aina ao Amiko. ''

Rehefa manaiky hianao

Faly miarahaba antsika rehetra eto @ forum ary dia manantena indrindra ny torohevitra sy fitondrana am-bavaka ny olana
Vao tsy ela akory aho de nijoro ho vavalombelon'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahasoavana nomeny ahy sy ny fianakaviako , anio aho de te hanontany hevitra sy fitondrana am-bavaka anareo rehetra

Efa fikasako hatry ny ela ny handeha hamonjy ny fotoam-bavaka any Karimalaza Manakara ,ary efa nangataka mafy ta@ Tompo aho hoe te -ho any fa Ianao no handamina ny fotoana sy ny ho enti-manana rehetra , androany avt 14 H ny valin-teniko farany no omena hoe andeha ihany ve zahay 3 mianaka sa tsia , ny frais n'olona iray aminay dia efa nisy mpiantoka fa ny sakafo sy ny ambiny zany sisa no olana

Nanontany ahy ary ny mamako androany hoe handeha ihany ve ianareo sa tsia ?de namaly ny zanako hoe eny , avy @zay izy niteny fa ny anao hoy izy refa sitraponao ny te handeha sy hanao zavatra rehetra zao de mahita vola foana ianao sy ny sisa , satria zany de tena miankina tanteraka aminy zahay ara-bola ,de efa fifamalina be aloha , de nitohy hatramin'ny resaka fivavahana satria izaho de lazainy fa tsy matotra sy tsy manana conviction mihitsy fa vonjena daholo hono zao fivavahana rehetra zao , zahay mantsy notaizana tamin'ny finoana Katolika ary mbola miaina sy manaraka io finoana hatreto

misy fotoana aho mamonjy reny fotoam-bavaka ireny na cellules de prière de voatery mandainga sy miafina aho satria tsy te hahazo le vava sy hanome fo indray , de tonga zao ny fotoana anapahana hevitra hoe andeha de olana ny mitranga , te andeha aho nefa tsy misy frais , tsy andeha aho malahelo ihany satria efa fikasana ary fotoana efa nandrasana hatry ny ela ihany le izy , de miteny izy hoe fa maninona hono raha mijanona fa isan-taona misy foana ne fa zà tsy te hihemotra intsony , tena mila fanampiana aho reto satria te andeha mafy de mba ento am-bavaka , inona no ho ataoko

14. ikaretsaka ( 23/07/2007 15:37)
Ny ahy ny atoroko ny olona rehefa mivavaka dia ilay manao hoe "tsy Voatery izay tiako no omenao ahy Andriamanitra fa Izay fantatrao fa hahasoa ahy"

raha mampiady izany dia sur fa misy raha tsy milamina ao...

fa na izany na tsy iznay dia efa tara train aho fa efa lasa ianareo
15. xxx ( 23/07/2007 20:48)

Teny atsipy kely: na tara aho na tonga ara-potoana dia izao:

1 - Raha ao anatin'ny fisavorovorona dia aza atao ny mandray fanapahan-kevitra.

2 - Aoka ho tony sy tsy hanana fihoronana na amin'inona na amin'inona ianao eo am-pandanjalanjana izay fanapahan-kevitra ho raisina. Jereo daholo ireo zavatra rehetra manodidina, ary fantaro izay sitra-pon'Andriamanitra.

3 - Aza maika, fa aleo milamina.

Ho an'i soleil manokana:
Na ny zavatra tsara aza dia fantaro fa hain'ny demony ny manova azy ho ratsy ka mety manimba antsika. Tsara ny vavaka, saingy navelanao hiditra tao anatin'izany ny demony ka nahita hirika tamin'ny alalan'ny lainga kely madinidinika. Ankehitriny dia efa tafiditra lalina izy ka tsy mitsahatra ny manakorotana anao personel sy ny fianakavinao. Raha tsy milamina ny raharaha diavinao ankehitriny dia fantaro fa tsy hoe: fitsapana io na sedra, fa tena vokatry ny safidinao tsy ara-dalana tary aloha. Ny safidinao nampiditra an'i satana.

Inona ny vahaolana: raha amiko manokana dia izao: mba tsy hahalatsaka anao fanindroany amin'ny fandriky ny ratsy manaraka dia izao:

- Raha mbola tsy lasa ianao dia aoka hiandry amin'ny taona manaraka ny fandehanana. Aza atao mahakivy ny filazan'ny sasany hoe tsy matotra amin'ny fanapahan-kevitra

- Raha efa by an-dalana kosa dia soava dia. Mivavaka ho anao izahay mba hahitanao ny sitrapon'Andriamanitra hatrany.

Homba anao sy ny fianakavinao anie ny Tompo. Amen!
16. rrgmt ( 23/07/2007 23:54)
Efa maro ieo torohevitra.
Ny hamafisiko dia ny lainga ataonao (tsy misy izany lainga masina izany ho an'ny tena kristiana). Ifony @ Tompo izany ary aza atao fanao intsony. Efa mivavaka ho anao ny maro. Raha lasa ianao, zarao @ ny reninao izay asan'A/tra hitanao tany. Aza mitompo teny fantatra anefa hoe ny anao ihany no marina. Raha tsy lasa ianao, aza kivy fa miankina @ Tompo Jesoa foana fa tsy manary anao izy ary tsarovy fa tsy ianao ihany no tiany fa ny mamanao koa. Mahereza!:D
17. niryna ( 24/07/2007 04:51)
rrgmt:

=D=D
Marina izany,tsy miankina amin'ny olon-kafa ny antso izay ataon'ny Tompo anao.Raha manana faniriana tokoa ianao dia tsy misy afatsy ny mivavaka sy mangataka aminy raha mahasoa anao ny andehananao any.Moa misy zavatra tsy hainy va?Mivavaha ary farano hatreo ny lainga fa vao maika misavoritaka ny sainao sady tsy tokony atao.Mifona,mivavava ary mangata amin'ny Tompo ny fanirianao fa raha anjaranao ny mandeha dia ataony ho tanteraka izany
18. soleil ( 24/07/2007 09:06)

Misaotra antsika rehetra ta@ torohevitra ,fantatro tokoa fa tsy mety ny mandainga ary tena efa nifona ta@ny Tompo aho , hatreto aloha tsy mbola lasa izahay fa ny valin-teny amandrihana ny fiara ny tokony nomena omaly fa tsy kivy akory fa apetraka amin'ny Tompo daholo ny fanantanterahana ny dia sy fandaminana ny ho enti-manana rehetra , raha sitrapon'ny Tompo ka tena ho lasa izahay de Asabotsy izao no manainga

diamondra27 > Finoana Katolika no nitaizana sy nanabezana ahy ary tsy nieritreritra ny hiova mihitsy aho akory fa ny fotoam-bavaka hafa aleha de fotoana toy ny fotoana rehetra ihany , fifampitondrana am-bavaka sy ny sisa ,

Maro ireo soso-kevitra sy lesona azo fa de misaotra antsika rehetra fa misaotra eram-po eran-tsaina fa misaotra sy midera ny Tompo foana fa Izy tokoa no mahay mandamina sy mandrindra ny zavatra rehetra

Dia VOninahitra ho Azy IRERY ihany
19. ikaretsaka ( 24/07/2007 14:07)
ny fanompoana ny Tompo amiko dia tsy midika hoe: tsy hiasa na tsy hianatra intsony ianao afa-tsy hoe angaha ka tena misionera ny zavatra ataonao.

mianatra sy miasa ny missionera ko! (Cf pere Pedro)

soleil> dia aza adino ilay hira katolika hoe "vitan'ny Tompo izay tiany atao e"
fa aza adino koa anefa:
2 - Aoka ho tony sy tsy hanana fihoronana na amin'inona na amin'inona ianao eo am-pandanjalanjana izay fanapahan-kevitra ho raisina. Jereo daholo ireo zavatra rehetra manodidina, ary fantaro izay sitra-pon'Andriamanitra.

3 - Aza maika, fa aleo milamina.
20. soleil ( 27/07/2007 09:28)

faly miarahaba antsika rehetra

ny vaovao farany azoko lazaina anareo zany de tsy lasa ihany zahay telo mianaka , eny manana ny fandaharany tokoa ny Tompo ary tsy takatry ny saina zany fa dia ny taona manaraka indray zany raha sitrapony ny hamonjy ny fotoana any Karimalaza , ny olana teo @ fiomanana rehetra teo ihany fa tsy nahazo alalana handeha koa teo anivon'ny orinasa

zay fa misaotra antsika rehetra ta@vavaka sy ny hevitra
Ho tahian'ny Tompo daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1464