Fanontaniana maintikitika
1. ari.malala
(
20/07/2007 13:47)
Hono tokoa hoa e, @ katolika dia mila manao fiekem-pinoana ampahibemaso ireo nifindra sectes ka te hiverina @ maha katolika azy indray (izany hoe reciter ny izaho mino ampahibemaso). Ary mba ahoana kosa ny @ ireo protestants mpandray Fanasan'ny Tompo ka nifindra sectes? tsy zany mantsy fa zao, ao am fianakavianay avy any @ ry neninay protestant)misy cas toy izao, protestant ravehivavy ary nanambady jesosy mamonjy. ny mariazy nentina tao am fiangonana protestant. Refa alahady taloha de any am fiangonana protestant zareo no mivavaka fa tato aoriana de lasa any am jesosy mamonjy fona amzay zareo no mivavaka, de refa alahady fandraisana nefa de mandray any am fiangonana protestanat le vehivavy, de eo no ametrahako fanotaniana hoe tsy misy akony v zany am maha mpandray ny Fanasan'ny Tompo anazy? tena fitia te hahalala ry reto no nametrahako ny lohahevitra, ka ifonako raha sanatria ka misy ny tohina na tafintohina! dia isaotr amialoha @ fanazavana!
répondu par fijo le 02/08/2007 21:59
2. boraingy
(
20/07/2007 14:09)
Inona marina moa no tena asan'ny Mpitandrina ny fiangonana iray? Ny manamaro isa ny ambaindainy ve sa ny mizara ny Fahasoavan'Andriamanitra? Ary raha mandray ny Fanasan'ny Tompo isika Kristiana, tena tenan'i Kristy samihafa araka ny fiangonana ve no raisina? Raha ity farany no heverina dia mampiroaroa saina ny maha-Kristiana ka aleo tsy miditra Fiangonana na iza na iza akory.
3. ari.malala
(
20/07/2007 14:14)
boraingy, tsy mamaly ny fanontaiako akory ianao fa vao mainka mametraka fanontaniana!
4. boraingy
(
20/07/2007 14:30)
Miala tsiny raha toa ka tsy nazava ilay valiny. Ny valiny tiako ambara dia hoe Iray ihany izay raisina ka aoka isika Kristiana tsy hiroaroa saina amin'ny toetra asehon'ireo fianakavianao ireo. Amiko dia ny fanamafisana ny Fifandraisana amin'i Jesoa no zava-dehibe fa tsy ny lalana maha-pandray ny Fanasan'ny Tompo. Raha madio fo ny havanao mandeha amin'izay fiangonana alehany dia tsy tokony ho olana izany.
5. kally
(
20/07/2007 15:12)
Raha amiko dia ny Fitiavana te handray an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy no tena zava-dehibe n'aiza na aiza toerana misy anao. Ny finoana sy ny fivavahana amin'Andriamanitra dia fifandraisanao dia ianao irery amin'ny Tompo tsy misy idiran'iza.
6. dadie
(
20/07/2007 17:44)
Mpandefa : ari.malala [ Valio ] 20-07-2007 16:14:18
Lohateny : Re : Fanontaniana maintikitika
boraingy, tsy mamaly ny fanontaiako akory ianao fa vao mainka mametraka fanontaniana!
dry ty aki mampmé ,miome rery mitsy za lol...,ary ( ) akia refa miresaka tsika tany toa tsy misy resaka fivavahana mihintsy nefa dry tena mahalala soratra masina itako matetika ato manko dry
bbanay aki J Mamonjy fa noentiny nivavaka tany izahay 1 fa tsy sahy niverina tany tsony satria nataotra zay ,refa mivavaka ry zareo fa mitabataba d mitomany sns tam 1975 tany an ,mety efa niova angamba ny fataony zareo
NB so misy tezitra am teniko fa tsy manevateva fivavahana aho fa mitantara an ,9 ans aho tam zany :-*
7. ikaretsaka
(
20/07/2007 22:21)
amiko aloha io hoe andriamanitra 1 ihany io sy hoe tsy maninona izany io dia karazan'ny fialana bala fotsiny.
raha 1 ihany, naninona tokoa no nisaratsaraka?
raha sanatria ka latsaka ity kaopiko ity ka vaky eo @ tany eo... dia lasa misy potiny be dia be... dia mbola hoe tsy maninona io fa reveo fa kaopy 1 ihany?:?::wink:

8. tywa68
(
21/07/2007 07:26)
Ari.malala : efa imbetsaka no voateny tato @ sera² fa ny fomba fanao no tena nampisy ny fisarahana, fa ny fototra itambarana ho an'ny kristiana dia ilay hoe zay mino an'i Jesoa dia tsy ho very ary hahazo ny fiainana mandrakizay, raha manaraka ny sitrapòny. Tsy misy olona tokony ho tafitohina ka ! :lol::-*
Ika : :-D
Ika : :-D
9. votavmout
(
21/07/2007 14:45)
ilay fampitoviana @ kôpy no hafakely sa izà no tsy kôpy ? mivavaka @ kôpy angamba no nahatonga ireo hoe koptes any etiopia ohatra ?
Ny infini ve mety ho dilué ?
Ny infini ve mety ho dilué ?
10. ikaretsaka
(
21/07/2007 15:01)
ovay lakroa vita @ bakoly indray ary ilay kaopy rehefa izany no mankararirary ny lohanao e,
na soloy hoe saple perle dia tapaka ny tadiny!
na soloy hoe saple perle dia tapaka ny tadiny!
11. xxx
(
21/07/2007 15:18)
Tsy protestanta aho ary tsy Jesosy Mamonjy koa, fa Katolika.
1 - Ny tiako marihana voalohany aloha dia izao: Ho an'ny katolika sy ny Anglikana irery ihany no hafa ny fanasan'ny Tompo. Ho an'ny katolika mantsy dia tsy fahatsiarovana na famerenana fotsiny izay nataon'i Kristy izy io, fa tena Vatan'i Kristy sy Ràn'i Kristy no raisina rehefa mandray ny Mofo sy ny Divay. Ho an'ireo fiangonana sasany dia tsy toy izany.
Izay no antony tsy hamelan'ny Fiangonana katolika ny protestanta (sy ny avy amin'ny fiangonana sasany)handray ao aminy. Raha tsy mino izy fa tena Vatan'i Kristy sy Ràn'i Kristy ny Eokaristia dia tsy tokony handray.
2 - Raha momba ny fanontanian'i ari.malala dia izao: raha fampianarana iray ihany no ao amin'ny Jesosy mamonjy sy ny protestanta mikasika ny fanasan'ny Tompo dia ataoko fa tsy misy ny olana. Raha samihafa kosa dia tokony hijery akaiky izay tena harahiny izy ireo fa tsy hisabaka. Sa ve tsy misy fanasan'ny Tompo any amin'ny Jesosy Mamonjy ka izay no andehanany any amin'ny Protestanta? Sa tsy mahay mitory teny ilay pastera any amin'ny protestanata dia izay no antony handaozany azy isaky ny alahady, fa rehefa mizara mofo izy vao makany? Tsy fanaovako havako raha misy patsa ve izany (na amin'ny andaniny na amin'ny ankilany)?
Ialana tsiny raha somary mivatravatra ny teny atao satria tena manimba ny taraka ny cas sahala amin'ity lazain'i ari.malala ity.
Tsy mety ny mivavaka amin'ny fiangonana roa samihafa: tokony hisafidy ny iray izy mivady: na protestanta na Jesosy mamonjy. Efa betsaka mantsy ny diso hevitra ny mpivady samy te hihazona ny finoany ka manao mariage mixte. Misy ny tafavoaka nefa betsaka ny sahirana satria misaratsaraka be ihany ny ao an-trano. Ny ankizy tsy hita izay tena alehany avy eo, fa mievaeva eo am-povoany dia very an-javony ny finoany.
Raha misy tsy mety izay nolazaiko dia ialana tsiny indrindra fa teny tsy tana noho ny fahasahiranana diavin'ny fianakavina kristiana ankehitriny io.
Homba antsika hatrany anie ny fahasoavan'Andriamanitra. Amen!
12. bozyboleta
(
23/07/2007 13:16)
Tsy olana @ Protestanta ny hoe efa tao no niala de te-hiverina indray. Raisina antanandroa mitsy aza toy ilay hoe zanaka very nefa hita indray.
Raha hoe efa mpandray ianao de afaka mandray ihany fa tsy hoe miverina manao fanekena akory.
Ianao sy ny eritreritrao ihany no miatrika ny Tompo satria matoa moa ianao niverina rehefa avy nandehandeha tany rehetra tany de nahatsapa ianao izany hoe aiza no toerana tena tianao hisy anao ary efa nidinika t@ Tompo ianao t@ zany.
Fa raha olona avy @ antokom-pivavahana hafa ndray ohatra hoe ireny vehivahy na lehilahy manara-bady ireny, ka te-hivadika Protestanta de mianatra katekomena sy raisina mpandray aloha vao afaka mandray.

14. ikaretsaka
(
23/07/2007 16:26)
fa ilay misabaka double no tsy azoko tokoa amin'io
misy namako izao mivavaka any @ Temoins izy no sady mivavaka any @ loteranina
ny antony dia hoe any @ loteranina le misy asa asa ireny sy hoe mandray loteranina izy rehefa alahady voalohany!
moa ny any @ Temoins hoe tsara tory teny sns...
fijeriny io fa tsy mitsara azy aho an
Fa raha ny fahalalako azy:
1) samihafa tanteraka aloha le finoana. ny iray mino fa Andriamanitra i Jesoa.. ny
iray tsia
2) raha misy hevitra 2 samihafa hoe azo atao /tsy azo atao, ohatra ny manao pataloha.. dia azo atao ve izany hoe rehefa te hanao pataloha izany dia mankary dia rehefa tsy te dia hankary?

15. bozyboleta
(
24/07/2007 06:37)
Ika>> Ka misy de misy tokoa le mbola tsy mahita ze toerana tena tiany hisy azy eo @ lafiny finoana, de ireny le mandeha mitady etsy sy eroa.
Misy koa aza tsy mahalala akory ze tadiaviny ka tsy olana @ ary mety ho tsy azony mitsy hoe mifanohitra ange ny foto-kevitr'ireo fiangonana alehany.
Fa raha resy lahatra @ ze inoana de mihazona tsara ny azy, tsy manana eritreritra akory ze ho atsy na aroa.

16. Mandefitra
(
24/07/2007 08:59)
@ Loterianina ny Fanasan'ny Tompo, de Tena sy Ran'i Kristy tokoa,fa tsy symbole fotsiny.Ary ny Tenin'Andriamanitra no manova ny mofo sy divay raisina eo hoe Tena sy Ran'i Kristy (fa tsy pasitera).
Rehefa vita ny fandraisana, de mitovy @ mofo sy divay tsotra ireny.
Ny tombony raha mandray ny fanasan'i Tompo @ finoana ianao, de mandray ny famelankeloka sy fiainana atolotr'i Kristy :"Ity ny fanekena vaovao @ Rako zay alatsaka ho anareo ho famelan-keloka".
Ny loza kosa anefa, ary tokony hitandrina ny Kristianina, de fanamelohana ho anao zany raha @ fo tsy mendrika, na andrankandrana no hiraisanao latabatra @ Tompo :
IKorintianina 11:
27 Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy.
28 Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka.
29 Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.

17. boraingy
(
24/07/2007 14:30)
Raha arahana tsara ny adi-hevitra eto dia hita fa mihevitra tokoa isika fa samihafa ny fandraisan'ny antokom-pivavahna isan-karazany ny Teny raha ny fombafomba anehoany ny fomba fandraisana ny Fanasan'ny Tompo no jerena.
Araka ny Soratra anefa dia tokana ihany ny zava-boalaza ao. Raha nanoratra ny mombamomba ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo ireo Kristiana Voalohany dia nihevitra fa mazava ny resaka nataony. Raha nanoratra ny tantaran'i Jesoa ireo izay nanoratra ny Evanjely dia mazava ny resaka rehetra.
Ny olana dia maro loatra ireo izay tsy mahazo ny hevitra fonosin'ny Teny na minia tsy te-handray izany fotsiny izao ka mitady fahamarinana etsy sy eroa izay ambaran'ny hafa. Ny olona tsy te-hamaky Baiboly fa manara-drian-drano fotsiny no tena tafiditra ao anatin'ity fandrika ity matetika. raha tsaratsara resaka ny Mompera na ny Pasitera dia roboka izy ary tsy mandinika intsony ny vontoatin'ny resaka voalohany sy ny niandohan'izany hevitra rehetra izany.
Indraindray aho te-hihevitra hoe raha misy mangetaheta ny fanahiny dia tsy ny kabariko momba ny fahalalana ny Tenin'Andriamanitra no handaitra kokoa fa ny miteny aminy hoe "Jereo ka vakio sy diniho ny Tenin'Andriamanitra" (Io ilay hoe raha misy mangataka hanina dia omeo angady izy fa raha hanina no omenao dia tsy hiezaka ny hamokatra mihitsy izy fa miandry ho fahananao eo foana).

18. ikaretsaka
(
24/07/2007 14:37)
Fa ny loterana tsy manao ilay heo ..ra-ko ity... vatako ity... rehefa manolotra sorona. ary Tenin'ny soratra masina ihany anie no tenenin'i mompera rehefa manao ny sorona masina e
Mandefitra: ny an'ny katolika tsy hoe "miray latabatra" na hoe "fanasana" mihitsy no andraisany azy, fa hoe "firaisana am-po" , "vatana sy fanahy"... "Komonio"(communion)
Mandefitra: ny an'ny katolika tsy hoe "miray latabatra" na hoe "fanasana" mihitsy no andraisany azy, fa hoe "firaisana am-po" , "vatana sy fanahy"... "Komonio"(communion)
19. Mandefitra
(
25/07/2007 09:53)
Raha ny nanorenana ny fanasan'i Tompo aloha araky ny voalaza ao @ Matio 26 : 26-28 Marka 14 : 22-24 Lioka 22 : 19.20 IKoritianina 11 : 23-26.
Ho an'ny Loterianina, ny Fanasan'ny Tompo dia:
1/Vatsin-dalana ho an'ny kristianina andrampiverin'ny Tompo no mampatanjaka ny finoana, sady santatra sahady ny fanasana lehibe @ fampakarambadin'ny Zanak'Ondry.
Matio 26:29 "Ary lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin'ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin'ny fanjakan'ny Raiko"
2/Fijoroana vavolombelona fa efa maty Hamonjy antsika Kristy :
IKorintianina 11:26 "Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo hianareo mandra-pihaviny."
3/Fahazoana antoka ny fitsangan'ny tena @ maty, nohon'ny fiombonana @ Tenan'i Kristy.
Jaona 17:24"Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy"
4/Mampiray tanteraka @ Kristy, satria hoy Izy hoe
Jaona 6 :56 "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy."
5/Ahazoana famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay.
"Ity no fanekena vaovao @ Rako zay alatsaka ho anareo ho famelan-keloka"
Ary rehefa mandray ny Fanasan'ny Tompo ny Loterianina, de mandohalika eo ampototry ny Hazo fijalian'i Kristy, ary ny Pasitera mizara ny mofo sy ny Divay dia miteny tsara hoe "Ty no tenan'iJesosy, Ty no Ran'i Jesosy"

20. boraingy
(
25/07/2007 10:49)
Izay indrindra no ilazana hoe: "efa ampy izay voalaza ao anatin'ny Baiboly momba ny Fanasan'ny Tompo ka tsy tokony hisy adi-hevitra amin'ny hoe samihafa".
Mila mitandrina isika Kristiana amin'io resaka fahasamihafana io satria ny fombafomba fanatanterahana ny Fanasana izany no mety tsy mitovy dia hilaza isika hoe "tsy mifanaraka amin'ny Fototra Voalohany ny an'ny sasany".
Ny fanontaniana tena tokony ho tonga ao an-tsaina hatrany dia ny hoe "izaho ve tena mahazo izay sitrapon'Andriamanitra voasoratra? sa manara-driandrano fotsiny, sa variana mitsikera ny fisainan'ny hafa fotsiny?