Fanontaniana maintikitika

41. boraingy ( 27/07/2007 09:00)
ikaretsaka:

dia koa anefa:
"Rehefa Izay tianao ao anaty Vaovao Mahafaly ihany no inoanao, fa arianao sy tsy raisinao ny tsy tianao, dia lasa tsy ny Vaovao Mahafaly no inoanao fa ny tenanao"
If you believe what you like in the gospels, and reject what you don't like, it is not the gospel you believe, but yourself.
(Md Thomas d'Aquin)


Aoka kosa angamba heverina hoe raha mamaky ny Vaovao ianao dia mba mijery izay Vontoatiny sy ny Fahazavany. Mazava ve ny fandaharan-kevitra ary mirona eo amin'ny inona? Inona no no-developpe-na tao ary mila tsiahivina mandrakariva tsy hahavery ny tadin-kevitra? Inona no manamafy ary inona no manipaka ilay hevitra? Inona amin'izay ny Tsoa-kevitra? tsy ny tianao na ny tsy tianao izany no mibahana fa ny saina nomena anao sy ny Fanahy nomena anao ary ny fisedranao ilay Tsoa-kevitrao.

Lojika ara-tsiansa io nefa io no mahomby kokoa noho ny filazana hoe "misitery io zanako ka ekeo arak'izay fotsiny ihany!" na hoe "hevitra ara-panahy io anaka ka sarotra hazavaina!"

tsy misy hidiran'ny fitiavan-tena izy amin'izay. OK!

Samy ho afaka hitana ny Hazavany anie ny tsirairay. Amen.


42. ari.malala ( 27/07/2007 11:54)
boraingy, samy hafa ny vaovao resahinao sy ny Vaovao Mahafaly. Ka raha manaraka vaovao ianao dia mety tsara io lojikanao io, fa raha ny Vaovao Mahafaly kosa no hotsongatsongainao araka izay mahafalifaly ny fonao sy ny mahafinaritra ahao dia ts mety kosa angamba!!

T@ alahady lasa teo dia namonjy recollection izahay ary isan\'ny fanontaniana nipetraka tao ny momba ny fandraisan\'ny katolika any @ Fiangonana hafa, sy ny mpino hafa finoana aty @ Katolika, dia izao no fanazavan\'ilay pretra, \"hoantsika Katolika dia ny pretra no nahazo fahefana hanamasina ny mofo sy ny divay ho tonga Vatana aman-dRan\'i Kristy t@ fotoana nanamasinana azy ireo no nosorana menaka ny tanany, dia iny fanosorana iny ilay fahefana. Noho izany, hoantsika dia Tenan\'i Jesoa velona no eo manoloana antsika rehefa avy manonona ilay hoe \"koa arotsahy ny Fanahinao hanamasina ireto fanomezana ireto ho zary Vatana sy Ràn\'i Kristy Zanakao... sns\" ny pretra. Ka nanontany aho mantsy hoe efa mitovy anie ny teny tenenina refa misy fotoana fandraisana any @ protestant, ary raha mino sy resy lahatra ve aho fa Vatana aman-dRàn\'i Kristy tokoa ilay raisina dia mety ve, dia io ny valiny hoe ny pretra no nahazo fahefana @ fankamasinana. Ho an\'ny protestanta mantsy, dia fahatsiarovana fotsiny iany iny araka ilay hoe manaova izao ho fahatsiarovana Ahy...
43. boraingy ( 27/07/2007 12:48)
ari.malala> hoy ianao hoe:

Vaovao Mahafaly kosa no hotsongatsongainao araka izay mahafalifaly ny fonao sy ny mahafinaritra ahao dia ts mety kosa angamba!!

Miala tsiny raha tsy nazava taminao ny tiana nambara. Ezahiko ampiana ny fanazavako: tsy miresaka fanongontsongoana ny Vaovao Mahafaly aho ry ary tsy miteny hoe araka izay hitiavako azy no anaovako azy. Raha mamaky ny Vaovao Mahafaly dia toe-tsaina sy toe-panahy entina mamaky azy no nofaritako teo satria nomen'Andriamanitra izany fahefana izany aho toy ny nanomezan'Andriamanitra zo antsika olombelona rehetra hisafidy na hampandrosoa Azy na tsia ao ampontsika. Nomeny ny Teny hodinihina sy hotsakotsakoina alohan'ny haharesy lahatra ny tena fa tsy nanery mihitsy ny Tompo. I Satana no miditra amboletra ao anatintsika olombelona ary manapaka avy hatrany izay tokony hataontsika fa tsy Andriamanitra velively. Mila mitandrina isika eto.

Eo amin'ny momba ny fanamasinana ny Pretra sy ny fanavahana ny Hasin'ny Fanasan'ny Tompo eo amin'ny antokom-pivavahana dia malahelo ihany aho satria ny bitsika ato anatiko dia manda lalandava ny fomba fijery mizara raha Ilay Ray Torian'i Kristy ihany no lazain'ny maro fa arahiny avy eo anefa dia milaza izy fa hafa ny an'ny hafa fa tsy mitovy ny azy ary disoana avy hatrany ny an'ny hafa avy eo. Manongo tena hoy aho aho eo anatrehan'izany. Manontany tena lalandava aho momba io fiheverana iray io hoe "iza marina no miditra amboletra ao ampon'ny Kristiana hanitrikitrika sy hanamarina ny tenany io?"

Mila mitandrina isika indrindra izay tarihina sao dia azontsika ilay diloilo manasitrana ny masontsika mba hahiratra.

eto am-pamaranana dia amin'ny fanetrentena tanteraka sy ny bitika kely mba nomena ahy no mba atsipiko eto fa tsy manana hevitra ambadika velively aho akory.


44. ikaretsaka ( 27/07/2007 16:14)

hoy aho:
"Rehefa Izay tianao ao anaty Vaovao Mahafaly ihany no inoanao, fa arianao sy tsy raisinao ny tsy tianao, dia lasa tsy ny Vaovao Mahafaly no inoanao fa ny tenanao"
If you believe what you like in the gospels, and reject what you don't like, it is not the gospel you believe, but yourself.
(Md Thomas d'Aquin)
Dia
boraingy:


Aoka kosa angamba heverina hoe raha mamaky ny Vaovao ianao dia mba mijery izay Vontoatiny sy ny Fahazavany. Mazava ve ny fandaharan-kevitra ary mirona eo amin'ny inona? Inona no no-developpe-na tao ary mila tsiahivina mandrakariva tsy hahavery ny tadin-kevitra? Inona no manamafy ary inona no manipaka ilay hevitra? Inona amin'izay ny Tsoa-kevitra? tsy ny tianao na ny tsy tianao izany no mibahana fa ny saina nomena anao sy ny Fanahy nomena anao ary ny fisedranao ilay Tsoa-kevitrao.

Lojika ara-tsiansa io nefa io no mahomby kokoa noho ny filazana hoe "misitery io zanako ka ekeo arak'izay fotsiny ihany!" na hoe "hevitra ara-panahy io anaka ka sarotra hazavaina!"

tsy misy hidiran'ny fitiavan-tena izy amin'izay. OK!

Samy ho afaka hitana ny Hazavany anie ny tsirairay. Amen.




Dia ny votoatiny rehetra no mila dinihina amin'izay ka.. fa tsy hoe rehefa tsy voadinika sy tsy takatrra ity dia any izany! dia ny atoroko anao dia inoy aloha na hoe "misitery izany zanako" (ny tian'i mompera lazaina amin'io dia hoe tsy mbola takatry ny sainao ilay izy amin'izao aloha.. fa ho takatrao atsy ho atsy)
Io ilay ohatran'ny lazan'i Jesoa ary @ Joany toko faha 6, faramparany tsy tadidiko ary... ilay lasa ny Jiosy fa tsy nahatakatra

Io ilay ataon'i Maria e! tsy zary ho azony ny zavatra rehetra niseho: miverina foana ny hoe "Ary i Maria nandinika izany rehetra izany tao am-pony"
tsy azon'i Maria eo no ho eo ireny... nefa ninoany fa taty afara dia azony ihany

Raha tsy nana-tsaina "rationaly" agaka mandinika isika, di atsy ho afaka nino:
If we did not have rational souls, we would not be able to believe.

... Ary ny fiandrasana no naman'ny fahendrena


45. boraingy ( 27/07/2007 16:31)
ikaretsaka:


Io ilay ataon'i Maria e! tsy zary ho azony ny zavatra rehetra niseho: miverina foana ny hoe "Ary i Maria nandinika izany rehetra izany tao am-pony"
tsy azon'i Maria eo no ho eo ireny... nefa ninoany fa taty afara dia azony ihany




Ireo resak'i Maria lazainao aloha tsy mbola ao anatin'ny cadre-ko mihitsy izao fa mbola eo amin'i Jesoa Zanak'Andriamanitra aloha aho fa angamba efa lasa lavitra be Ikaretsaka.

Raha io taranja momb ny renin'Andriamanitra io manko dia mazava fa tsy ho aiko loatra ny mamindra ao fa angamba tena hifandipatra ny tongotro raha mandeha ao!
46. ikaretsaka ( 27/07/2007 17:21)
dia sokafy ny Cadre, sokafy ny saina handalina, hamakafaka ... 1 ihany ny goal !
tsy maintsy mifandipatra foana aloha amin'ny voalohany fa tsy tonga dia nahay nandeha, ohatran'ny zavatra tsy hay ihany io... fa asiana fanandramana, fikirizana, indrindra finoana fa ho vita io... dia vitaaaaa!
Tsy mampaninona ny mamakafaka sy mandinika lalina aloha...noho ilay mandeha anjambany ka tsy mahay akory ny ataony sy ny inoany!
47. fijo ( 27/07/2007 20:56)
fa hoanareo mino ve tsy izay finoan ano zavadehibe,sa ny toerana hiangonana?
48. ikaretsaka ( 28/07/2007 14:08)
finoana no zava-dehibe
fa ilaina koa ny toerana mampivelatra kokoa ny finoana. hahafahanao mandalina misimisy kokoa an' azy io.
ireny mba marim-pototra ireny sy mikolokolo azy kokoa, na ara batana na fo na fanahy na ara tsaina
fa tsy ireny ny manao cassette efa nandeha be fotsiny sy be toriteny sy vavolombelona, lasa tsy mikolokolo fa vao mainka maha jambena sy manidy ny maha izy ilay olona
49. ari.malala ( 30/07/2007 06:43)
Borangy:
Eo amin'ny momba ny fanamasinana ny Pretra sy ny fanavahana ny Hasin'ny Fanasan'ny Tompo eo amin'ny antokom-pivavahana dia malahelo ihany aho satria ny bitsika ato anatiko dia manda lalandava ny fomba fijery mizara raha Ilay Ray Torian'i Kristy ihany no lazain'ny maro fa arahiny avy eo anefa dia milaza izy fa hafa ny an'ny hafa fa tsy mitovy ny azy ary disoana avy hatrany ny an'ny hafa avy eo. Manongo tena hoy aho aho eo anatrehan'izany. Manontany tena lalandava aho momba io fiheverana iray io hoe "iza marina no miditra amboletra ao ampon'ny Kristiana hanitrikitrika sy hanamarina ny tenany io?"

Mila mitandrina isika indrindra izay tarihina sao dia azontsika ilay diloilo manasitrana ny masontsika mba hahiratra.


Ka iray iany anie io ry boraingy tany amboalohany e, saingy nisy ireo ts nanaiky hatrany amboalohany ka nanala tena sy nandà ankitsirano izay nekena sy ninoan'ny be sy ny maro... ary dia io izy miraha mandrak'ankehitriny io...
50. tywa68 ( 30/07/2007 07:08)
ari.malala : tsy hamerina ny efa voalazako t@ 21 jolay aho fa tsiky dia ampy :lol:
51. ari.malala ( 30/07/2007 07:33)
tywa, itako fa misaotra e! tsiky d ampy :D
52. tywa68 ( 30/07/2007 08:37)
:-*
53. boraingy ( 30/07/2007 09:18)
miarahahba ny rehetra indray aloha. Izao Alatsinainy izao vao afaka mamaly anareo indray o!

Iray ihany tany amboalohany hoy ianao ary neken'ny besinimaro avy eo nisy niala.
Araho tsara ny tantara rehetra raha tianao ho fantatra ny tian'i Jesoa ambara. Jereo antsipirihany ny Apokalypsy. Aza manaraka ny feo etsy sy eroa aloha dia ho hitanao ao fa I Jesoa dia lohan'ny fiangonana rehetra efa ho 7 tamin'izany fotoana izany koa no ianao no milaza fa iray io taloha?
54. ikaretsaka ( 30/07/2007 13:29)
de iza no important kokoa! ny evanjely sa ny apokalipsa?
ao @ evanjely mantsy 1 ihany no natsangan'i jesoa

dia iza no inoana?
55. boraingy ( 30/07/2007 16:55)
Important avokoa ny rehetra.

Identifieo ny tenanao fa io no tantara misy.

Miaina ankehitriny ianao fa tsy tamin'ny andron'i Jesoa sy ny razambenao taloha.

Vavolombelona Marina ny Teny rehetra. Ary manisy famantarana iainana ankehitriny fa tsy tamin'izany andro izany. Ny Baiboly dia programan'Andriamanitra. Jereo ny Programany dia araho tsara ao anatin'io Baiboly io dia ho hitanao ny Lalany sy ny sitrapony amin'ny tenanao.

Fitiavany anao no nanomezany io Programa io hodinihinao sy hofakakainao ka raha ekenao fa Izy no Rainao dia raisinao ny programany sy ny toro-heviny. Raha tsy ekenao dia lavo fotsiny fa tsy Izy izany no Rainao. Baiboly en bloc io Programa io. Antenainy ianao fa manana saina sy fanahy mankato sy mandala Azy satria zanany tiany.

Hoy aho tamin'ny resaka iray raha hanadihady hevitra na fanazavana iray ianao: Jereo tsara ny lohateny, inona ny sujet tiana ambara. Fanazavana feno no omeny momba Azy ho anao hiainoanao ny feony.

56. ikaretsaka ( 30/07/2007 18:39)
dia ny apokalipsa izany ankehitriny?

Ny baiboly no programan'andriamanitra, fa raha tsy fantatrao akory hoe aiza ho aiza ny misy anao eto an-tany.. tsy misy signe, tsy misy n'inoninona dia ahoana?

Raha apetraka any @ tany very ianao, ka tsy misy repere , na omena carte sy programa aza very ...

57. ari.malala ( 31/07/2007 06:47)
euh... fa nahoana no any @ apokalipsa no haka referansy??? fa tany angaha i Jesoa no nanambara ny tenany??? inona no tianao tenenina amle hoe
boraingy:
Aza manaraka ny feo etsy sy eroa aloha
58. piste ( 01/08/2007 00:55)
Iray ihany tany amboalohany hoy ianao ary neken'ny besinimaro avy eo nisy niala.
Araho tsara ny tantara rehetra raha tianao ho fantatra ny tian'i Jesoa ambara. Jereo antsipirihany ny Apokalypsy. Aza manaraka ny feo etsy sy eroa aloha dia ho hitanao ao fa I Jesoa dia lohan'ny fiangonana rehetra efa ho 7 tamin'izany fotoana izany koa no ianao no milaza fa iray io taloha?

Izany dia tsy fahaizana Ecclesiologie mihitsy. Fa angah samy hafa ireo Fiangonana fito notanisain`ny Joany @ Apokalipsa. Ary t@ andron`i Jesoa dia mbola tsy nisy ireo Fiangonana 7 lazainao ireo. Ny Apostoly taty aoriana no namorona azy. Ary raha mbola tianao fantatra dia tsy ireo 7 ireo ihany no nisy fa efa nanangana maro2 ihany koa i Paoly sy Piera ary ny ireo Apostoly sasany t@ izany andro izany( vers 90 apres Jesus Christ). Fa na maro toy izany aza ny Fiangonana dia iray ihany ny lohany dia i Piera izay nanankinan`i Jesoa an`izany.
59. Rasiligaoma ( 01/08/2007 05:06)
ohatran'ny noforoporoniny fotsiny io ko.
ny fahitako azy ireo dia ireo Fiangonana 7 ireo samy Apostolika daholo.
Universel: Catholika, ary Apostoly no nanorina azy: apostolika!
60. ari.malala ( 01/08/2007 12:19)
izay ao @ fiekem-pinoana katolika manao hoe "Izaho mino ny Eglizy masina Katolika, Apostolika"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079