Fanontaniana maintikitika

21. ikaretsaka ( 25/07/2007 13:05)
ka ny tena tsy azoko amin'io... dia io theoreme misy fankamasinana sy finoana fa vatana sy ran'i kristy io no notsipahany tanteraka, izay no naha loteranina azy ary voasorany any @ zavatra no posteny eraky ny fiangonana

dia avy eo izany indray!

dia tsy haiko!

samihafa ny mitsikera sy mitondra fanamarihana
ari.malala atsy ambadika atsy :
matetika refa tsy te hovoatohintohina @ tsy mety ataony ny olona iray dia io "aza mitsara mba tsy hotsaraina" io arosony mba tsy itenenanana azy...


tsy izay voasoratra ihany ny sitrapon'Andriamanitra... raha izany dia tsy miteny intsony izy mandrak'izao!
22. xxx ( 25/07/2007 13:25)


boraingy
Mila mitandrina isika Kristiana amin'io resaka fahasamihafana io satria ny fombafomba fanatanterahana ny Fanasana izany no mety tsy mitovy dia hilaza isika hoe "tsy mifanaraka amin'ny Fototra Voalohany ny an'ny sasany".

Tsy ny fombafomba ihany no tsy mitovy fa na ny vokatra azo avy aminy aza. Ny Katolika dia tena mino fa ny mofo sy ny divay ao aorinan'ny fankamasinana dia tena lasa vatana sy ràn'i Krity tokoa, fa ho an'ny fiangonana sasany dia fahatsiarovana fotsiny ihany iny. Mofo sy divay toy ny mofo sy divay rehetra, saingy toy ny nofon-kena mitam-pihavanana eo amin'ny samy kristiana kosa. Ataoko fa misy foto-pinoana tsy mitovy ao.

Ny Teny tonga Nofo ka niara-nonina tamintsika.
Ary ny Nofo tonga Mofo mba ho zary sakafom-panahintsika.
Ho velona ao amintsika anie i Kristy noho ny tenany nomeny antsika, ary hampiray antsika hatrany aminy sy amin'ny zava-boary rehetra ny teniny. Amen!
23. ikaretsaka ( 25/07/2007 13:33)
misaotra an'i Salut
24. boraingy ( 25/07/2007 14:27)
Ny Fanasan'ny Tompo no anisan'ny stade supreme anankiray nanehoana ny fahafahan'ny olona hahatakatra ny tian'Andriamanitra ho anjarantsika olona izay tiany hovonjena. Fanehoana ny fampitoerana ny Fanahy ao anaty izany ho tonga iray Toetra sy Tena amin'i Jesoa. Izany rahateo no Faniriany sy Iraka Lehibe indrindra nampanaovina Azy.

Izay no Hevi-dehibe indrindra mitondra ny Kristiana sy iainany ara-panahy.

Koa sarotra ihany ny milaza hoe ny fototra niaingan'ny fiangonana izatsy na izaroa dia tsy ao anatin'io cadre voalaza io.
25. ikaretsaka ( 25/07/2007 15:23)
boraingy. ko efa io ambony io ny valiny koa
Tsy ny fombafomba ihany no tsy mitovy fa na ny vokatra azo avy aminy aza. Ny Katolika dia tena mino fa ny mofo sy ny divay ao aorinan'ny fankamasinana dia tena lasa vatana sy ràn'i Krity tokoa, fa ho an'ny fiangonana sasany dia fahatsiarovana fotsiny ihany iny. Mofo sy divay toy ny mofo sy divay rehetra, saingy toy ny nofon-kena mitam-pihavanana eo amin'ny samy kristiana kosa. Ataoko fa misy foto-pinoana tsy mitovy ao.

Ny Teny tonga Nofo ka niara-nonina tamintsika.
Ary ny Nofo tonga Mofo mba ho zary sakafom-panahintsika.
Ho velona ao amintsika anie i Kristy noho ny tenany nomeny antsika, ary hampiray antsika hatrany aminy sy amin'ny zava-boary rehetra ny teniny. Amen!


tsy eo @ Staden'ny Teny fotsiny ihany ange ry boraingy e.. ! tsy mifarana @ toko voalohany ny tantara
26. boraingy ( 25/07/2007 15:45)
Sarotra amiko hoy aho ny manakiana ny hafa satria tsy mety ny miteny hoe ny an'ny antoko izao dia tena lalim-paka tokoa na ny antoko izatsy marivorivo kokoa ny fandraisany ny Tenan'i Kristy.
Fototra Iray ihany no iaingana ary arakaraka ny fahalalinan'ny Fanahy miaina ao anaty no maha-voatana na tsia ny Hafatra Fototra.
27. xxx ( 25/07/2007 19:07)


Boraingy: Tsy manakina velively raha milaza kosa hoe: izao ny an'ny fiangonana sasany ary izao kosa ny an'ny sasany. Filazana ny marina io, ary raha misy diso dia aoka izay mahita ny hadisoana ao aminy hilaza.

Ataoko fa tsy misy resaka fitsarana na fijerena ny fahalalinan'ny fahatakarana ny hevitra fonosin'ny Fanasan'ny Tompo eto. Satria samy afaka manamasin-tena aby, ao amin'ny fiangonana misy azy avy ny tsirairay, na ilay mihevitra fa mofo sy divay ihany ny mofo sy divay amin'ny fanasan'ny Tompo, na ilay mino fa vatan'i Kristy sy Ràn'i Kristy no raisiny amin'ny Eokaristia. Ny tiako marihana kosa dia izao: tsy vitsy ny protestanta mino fa tena vatan'i Kristy sy tena Ràn'i Kristy tokoa ny Eokaristia.

"Izay mihinana ny vatako sy misotro ny Rà no hanana ny fiainana mandrakizay" hoy i Kristy. Dia hoy koa izy: "Raiso ary hano fa vatako ity... Samy mandray sy misotro amin'ity ianareo fa kalisy misy ny rako ity alatsaka ho anareo sy ho an'ny besinimaro..."

Anampy antsika hahazo ny tenin'i Kristy anie ny Fanahy Masina. Amen!
28. ikaretsaka ( 26/07/2007 00:16)
izay manko..
1-tsy "fanasana" fa "sorona"
2-tsy "fiombonan-databatra masina" ihany "fa fiainana, fitsahona, a.k.a reverence,fifandraisana lalina ..karazana yin sy yang.. na tamenaka sy tapotsin'atody raha tsy azonao ilay yinyang"
3-tsy "fahatsiarovana" fa "fandraisana anjara"
4-tsy "sento" fa "tolona"
29. Mandefitra ( 26/07/2007 07:53)
Ka eo le fahasamihafana.@ Loterianina ny sorona de efa vitan'iKristy indray mandeha t@ nanolorany ny Tenany sy Rany teo @ hazo fijaliana, araky ny hebreo 9:
24 Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
25 ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;
26 fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.
27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.

Ka ny fanasan'i Tomp zany de fiombonana sy fandraisana ary fanekena ny fahasoavana sy ny fanadiovan-keloka vitan'i Kristy t@ nanolorany ny tenany.
Ary zay no mahatsara ny fanadihahadiana sy ny fahalalana fototra ny fomban'ny fiangonana iray, mba tsy handray ho fanamelohana ny tena.
30. boraingy ( 26/07/2007 08:49)
mandefitra> Rehefa fantatra mazava ny tanjona eo amin'izay atao dia tsy tokony hisy intsony ny fanamelohana ny tena.

Ny fisafidianana ny antokom-pivavahana ankehitriny dia efa mahavalalanina tokoa. Amiko anefa ny antony dia raha vao tsy lalim-paka ny fandalinana eo amin'ny tsirairay izay mirotsaka hitobian'i Kristy dia fombafomba ivelany avokoa ny zava-drehetra fa tsy iainana araka ny hitsim-po maha-Kristiana Marina.
31. Mandefitra ( 26/07/2007 09:01)
hoy boraingy:
Rehefa fantatra mazava ny tanjona eo amin'izay atao dia tsy tokony hisy intsony ny fanamelohana ny tena.

Marina zany, zay no antony hitondrana fanazavana kely, ny @ fandraisana ny fanasan'ny Tompo @ protestanta ...
Ny fahasamihafana ange tsy de hoe hifanenjehana, fa anjaranao no mandray zay tandrify, araky ny fiantsoan'ny Tompo anao, sy zay bitsiky ny Fanahy ao anatinao e.Ary eo no ilaina ilay maha olondehibe @ finoana, mahafantatra zay inoany ary mitombo @ fahalalana tsara an'Andriamanitra mandrakariva.
32. hery ( 26/07/2007 10:12)
@ Loterianina ny sorona de efa vitan'iKristy indray mandeha t@ nanolorany ny Tenany sy Rany teo @ hazo fijaliana, araky ny hebreo 9:


Eo izany no tena mipetraka ny fahasamihafana, satria ho an'ny Katolika dia actualisation, izany hoe mbola présent eo hatrany i Jesoa ary mbola manao hatrany ilay sorona tokana izay efa nataony indray mandeha. Isaky ny mihinana izao mofo izao sy misotro izao divay izao izahay dia manambara ny nahafatesanao, mihoby ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra. Araka ny konsily vatikana II dia ny sorona masina dia « le sacrifice de la croix qui se perpétue au long des siècles » (Sacrosanctum Concilium, n. 11) Sorona tokana sady mandrakizay
Ny fanasan'ny Tompo (fiombonana na communion) dia tsy fandraisana fotsiny fa fandraisana anjara. Manao sorona ny tenany i KRisty dia miaraka manao sorona aminy ihany koa ny kristianina izay manatrika.
33. Mandefitra ( 26/07/2007 11:05)
Hery> misaotra fa mazava. :)
34. boraingy ( 26/07/2007 12:03)
hery:

@ Loterianina ny sorona de efa vitan'iKristy indray mandeha t@ nanolorany ny Tenany sy Rany teo @ hazo fijaliana, araky ny hebreo 9:


Eo izany no tena mipetraka ny fahasamihafana, satria ho an'ny Katolika dia actualisation, izany hoe mbola présent eo hatrany i Jesoa ary mbola manao hatrany ilay sorona tokana izay efa nataony indray mandeha. Isaky ny mihinana izao mofo izao sy misotro izao divay izao izahay dia manambara ny nahafatesanao, mihoby ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra. Araka ny konsily vatikana II dia ny sorona masina dia « le sacrifice de la croix qui se perpétue au long des siècles » (Sacrosanctum Concilium, n. 11) Sorona tokana sady mandrakizay
Ny fanasan'ny Tompo (fiombonana na communion) dia tsy fandraisana fotsiny fa fandraisana anjara. Manao sorona ny tenany i KRisty dia miaraka manao sorona aminy ihany koa ny kristianina izay manatrika.



Raha dinihiko indray ny fandehany dia tsy misy maha-samihafa azy mihitsy ireo satria samy Communion ireo fa tsy hoe rehefa indray mandeha ny Sorona dia hoe tsy actualisation no ataon'ny Loteriana. Hafatr'i Jesoa ilay hoe "Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy" izay iraisan'ny rehetra izay manao Komonio na Fandraisana (mitovy hevitra ireo).

Ny fahasamihafana hita ivelany dia ny fombafomba fanatanterahana ny hafatr'i Jesoa. Eto dia miverina kely amin'ilay hoe "iray ny zavatra jerena fa samihafa ny zorony hijeren'ny tsirairay azy" isika. Io toe-javatra io anefa dia mampiditra ny olona anaty fandrika raha tsy mifototra amin'ny vontoatin'ilay zavatra izy. Toy ny vatana jerena ivelany io saingy ny zavatra hitan'ny olon-tsotra tsy hitovy amin'ny zavatra hitan'ny Dokotera ohatra. Ary izany no mahatonga ny fitoriana ny Filazan-tsara naely.
35. tywa68 ( 26/07/2007 12:39)
boraingy : io nazavain'i Hery io ny fandraisan'ny katolika ny communion (tena rà sy vatan'i Kristy no raisina).

Ka tsy tokony atao hoe mitovy @ry sy ry satria matoa niala tao @ katolika ny fiangonana hafa niforona taty aoriana dia efa an'isany mahasamy hafa azy io.

Fa soa f'ilay fanantenàna andrasantsika rehetra no tena imasohana, satria mila mendrika izany fanomezana fiainambaovao izany isika mandra-pahatongan'ilay fotoana hitsaràny antsika ; ny sisa ambiny dia fomban'olombelona. :wink:
36. boraingy ( 26/07/2007 13:37)
"Ho Iray ihany anie izy rehetra" no anisan'ny Teny mihezinezina nambaran'i Jesoa ary na ny Jiosy izay nandefona Azy aza dia notsofiny rano hoe "Ray o! avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony!" talohan'ny nialany aina teo ambony hazo fijaliana.

Ny tian'i Jesoa aparitaka dia ny fahazoan'ny rehetra ny Hafany ary izaho dia mihevitra fa mampalahelo ny fisian'ny fanavahan-tena. Toetra tsy tokony harangaranga izany satria mila manana fanetren-tena eo ampanarahana ny Tompo sy eo ampanaovana ny Sitrapon'Andriamanitra.

Ny hany fomba ahazoana izany toetra izany dia ny tsy manisy lokony izay finoana isalorana ary miezaka mahazo ny hafa satria samy manana ny endrika fahitany ny zavatra iray hoy aho saingy Iray ihany no loharano nanovozana izany.

37. ikaretsaka ( 26/07/2007 14:29)
dia miverena ho 1 @ izay ary araka ilay vavaka io amin'izay ary rehefa "avy nahalalana ny heloka sy nangata pamelana " sy "nahafantatra ny ataony" e!

1 ihany no fiangonana natsangan'i Jesoa anie hatrany amboaloooohany ela be tany e!
38. boraingy ( 26/07/2007 14:44)
Raha manaraka tsara isika ny lojikan'ny faminaniana rehetra ao anaty Baiboly manontolo dia ny conclusion azo raisina dia ny Vaovao Mahafaly. Maninona moa no hoe Mahafaly? satria Andriamanitra mitoetra ao anatin'izay manaiky mampandroso Azy. Olon'afaka izany ary raha nitory Teny tetsy sy teroa Jesoa sy ny Apostoly momba ny Fanjakan'Andriamanitra dia ho an'ny olombelona rehetra fa tsy ho an'ny fiangonana izatsy na izaroa fotsiny. Tandremo fa ny fiangonana tamin'izany fotoana izany dia maro satria olombelona samy nanana ny fari-taniny avy saingy Iray ny resaka notoriana dia ny Fanjakan'Andriamanitra. Tsy misy lokony io fitoriana io fa Fahazavana ho an'izay mandray Azy. Avy eo vao nivory isaky ny faritra ny olona ka nanome anarana ny Fiangonany avy dia io hitanao ao anatin'ny boky Fanambarana na Apokalypsy io ny hafatra ho an'ny Fiangonana isan-karazany.
39. ikaretsaka ( 26/07/2007 18:40)
dia koa anefa:
"Rehefa Izay tianao ao anaty Vaovao Mahafaly ihany no inoanao, fa arianao sy tsy raisinao ny tsy tianao, dia lasa tsy ny Vaovao Mahafaly no inoanao fa ny tenanao"
If you believe what you like in the gospels, and reject what you don't like, it is not the gospel you believe, but yourself.
(Md Thomas d'Aquin)
40. piste ( 27/07/2007 02:49)
Boraingy : aza fangaro ny hoe: Fanjakan`Andriamanitra sy ny Sakramenta.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008