Sao dia mba Ianao ???

1. majesty ( 21/05/2007 10:16)
Mahalasa eritreritra ka tiako ho ampitaina amin-tsika: "Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe:Tompoko,Tompoko,tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay?ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe tamin'ny anaranao va izahay?Ary dia hambarako aminy marimarina hoe:tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay,mialà amiko hianareo mpanao meloka" (Matio 7 :22-23)

Raha amin'zao androntsika izao dia azo lazaina ho Kristiana ireo olona ireo fa saingy diso fanantenana izy ireo satria nilaza fa niaraka tamin'i Jesosy nefa mazava ilay valinteny eo hoe "tsy fantatro akory ianareo"

Fanontaniana:

Misy marika ahafantaran'i Kristy ny olony ve,raha misy,inona io marika io? (asio toko sy andininy raha azo atao)

Misaotra antsika rehetra!
2. diamondra27 ( 21/05/2007 10:33)
araka ny voalazan'io matio io izany de tsy tokony hahay hionona hoe: za manao asa soa sy mino sy nanao an'izao sy izao... Fa tokony hanolo-tena isanandro ary miambina. Amin'ny maha-olombelona manko dia sarotrarotra ihany ilay manome ny zavatra rehetra ho an'i Tompo fa somary tia kely ny tena.Mbola te hanao an'izao kely aloha

la fanolora-tena aloha de atao ihany fa ny pratika no tena mazana be, indraindray lasa ho azy ny fihetsika sy fiteny mahatafitohina olona.

Ny ahafantaran'i Kristy ny mpianany dia ny fanarahany ny dia nalehany (asa nataony ...)
Kristy no modely , naneho ny maha-olombelona azy Izy teto an-tany , nandia ady sarotra, azon'ny fakampanahy,
de efa nomeny fampaherezana be de be isika ao anaty baiboly ao hoe: toy inona ny fiarova-tena sns efa nampitandremana fa sarotra ny fidirana @ fanjakan'ny lanitra

Iza ny olon'i Kristy?

Voalaza ao @ baiboly io; fa mbola maika za fa @ manaraka omena

Raha misy olona ao @ Kristy dia olombaovao izy , efa lasa ny zavatra taloha ....


3. diamondra27 ( 21/05/2007 10:43)
izay no mahasarotra ny lalantsika satria na de efa nahavita mission aza ianao taloha ka tsy miambina de tonga @iny ny Tompo de mety anisan'ny ho very ihany ianao.

I Kort5:17 Koa raha misy olona ao @ Kristy dia olombaovao izy, efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.

Io no hitako famantarana fa olon'i Kristy ilay olona.

Raha tsy nanana faharetana ianao dia ekeo Kristy hanova ny fiainanao fa hanampaharetana ianao
raha colérique de toraka izany koa

toy izay le lazainy ao @io versets io
izany hoe: tena afaka taneraka fa tsy misy hoe: tapatapany na misy 1% mandehandeha any sisa tavela t@ haratsianao taloha
ohatra hoe: tena mpilalao be le olona taloha ohatra (mpiloka izany an! de rehefa mandray an'i Kristy izy dia resy lahatra ho azy hoe: tsy mahasoa ity loka ity dia tsy ataony mandrakizay intsony io loka io°

Zay fa samia miezaka manatratra ny loka e! de zay ahatongavana any @ le paradisa nampanantenaina antsika akaikin'JK
4. andry44 ( 21/05/2007 11:18)
Diamondra>Ka ireo olona voalaza fa tsy fatany @ andro iray ireo anie niteny sy nihevitra fa nanao ny asan'i Kristy sy nanaradia azy e!Ary maro izy ireo no nanao ary mbola manao ary mbola hanao ny asan'i Kristy reo: hamoaka demonia @anarany,hanasitra ny marary @ anarany, milaza fa maminany @ anarany .... nefa!!!!! tsy fatany @ andro farany...
Mahavariana io ary mila alalinina tsara sao de voafitaka daholo eto isika zay manaraka ireny "olona" ireny
5. ravatorano ( 21/05/2007 11:26)
izy irery ihany no mahalala an'izay razandry reefa tonga ny andro itsarany anao ah fa manao ny faranizay rariny sy hitsiny amin 'ny fiainana amndalo tiy sao d tratran io tenin i Matio io kle:-P:-P:-P:-P
6. diamondra27 ( 21/05/2007 11:27)
andry44: ka zay mihintsy ange!
na de za zao aza tena mbola mila mitandrina foana e!
sao de @ le fotoana @ fandehanana ara-nofo ahy no tonga izy de zay no vita ny ahy

fa tsy tokony hampatahotra izany fa manolotena foana ho'aho , de avelao kristy no hitantana ny fiainana
7. andry44 ( 21/05/2007 11:34)
Io no fitsarana farany raha ny fahafatarako azy ary raisiko ho fampitandremana ho an'ny kristiana maro io.
Azo ampifandraisina ihany koa angamba @zay efa nolazain' i Jesosy Kristy koa izy io angamba raha ny fahitako azy,ilay manao hoe:"hisy hilaza @nareo hoe indro ary Kristy,indro ary Kristy" aza makany hoy Izy fa mpisandoka ireny!

majesty>Fanontaniana:

Misy marika ahafantaran'i Kristy ny olony ve,raha misy,inona io marika io? (asio toko sy andininy raha azo atao)
Mino aho fa misy io marika io ne Izy irery ihany no mahalala azy!!

Mila vakiana ny fanoharana nataon' i Jesosy ny @ fanavahana ny ondry sy ny osy ao @ bokin'i Matio
miampy ny fandalinana ny @ "marikin'ny Bibidia sy ny isany" ary @ bokin'ny Apokalipsy
Ireo angamba mino aho fa mahavaly ny fanontanian'i majesty!!:lol::roll:
8. andry44 ( 21/05/2007 11:47)
Diamondra> eny e! na de mitandrina farak'zay ahoanaza ianao e!!tsarovy ny tenin'i Poly sa Petera moa izy zay (asa misy afaka manomé ny toko sy andininy??): "ny Devoly fahavalonareo de mandede tahaka ny liona mierona mitady zay harapany"!!
Raha zà aloha de tena sahirana ihany e!ao anatin'ny 24h ,indray andro io de zara raha misy 1min hahatsiarovana ny fanoloratena sy ny vavaka zany fa de mandeha @zao eny NEFA ny Devoly de miasa 24h/24 mikendry anao!!

Marina hoe fa ny fametrahana ny fianana eo ampelatanany isan'andro isan'andro no zavadehibe fa tsy ampy io amiko satria zao: nareo ve de tsy mihevitra fa ireo olona zay tsy fatany @ andro farany reo de tsy mba manao toy izany koa isan'andro??mametraka ny fianany @ Kristy zany;mino aho fa be lavitra noho ny ahy ny vavaka sy ny fanoloratenana'ireo olona ireo nefa de lazain'Jesosy Kristy fa tsy fatany!!

Noho izany de zao ny fandinihako azy:mila manana ny marik'i Jesosy Kristy koa zay te hiditra ao @ fanjakany!
Toy ny code @ carte bancaire iray ohatra!na de any @nao aza io carte io raha tsy fatatrao ny code de tsy afaka ny hampiasa io carte io mihitsy ianao!!!!
9. hery ( 21/05/2007 11:58)
Ny Marika lehibe?

Ny famantarana fa mpianatro ianareo dia noho ianareo mifankatia

Io ihany no hamantarana ny tena mpianatra. Izay feno fitiavana.

Jereo ao anaty baiboly ao :-)

10. nikopol ( 21/05/2007 12:21)
raha marina io lazain'i hery io dia mety vitsy kely ny nandoa ekolazy :-D
11. diamondra27 ( 21/05/2007 13:11)
hery:

Ny Marika lehibe?

Ny famantarana fa mpianatro ianareo dia noho ianareo mifankatia

Io ihany no hamantarana ny tena mpianatra. Izay feno fitiavana.

Jereo ao anaty baiboly ao :-)




hoy Jesosy: fahano ary ny ondriko...


12. xxx ( 21/05/2007 14:11)
diamondra27: fa mialohan'io izy nanontany hoe: moa tia ahy ve ianao?....
Fitiavana no voalohany, io no marika lehibe.
Izay tia an'Andriamanitra sy tia ny hafa toy ny nitiavan'i Kristy ihany no voavonjy. Izay no marika lehibe hamatarana ny kristiana na ny mpianatr'i Kristy.
13. ikaretsaka ( 21/05/2007 14:22)
majesty:
Sao dia mba Ianao?

ary raha averiko aminao ny fanontaniana? sao dia mba Ianao kosa

ny marika lehibe?
Izay anjakan\'ny fitiavana no anjakan\'Andriamanitra. (Matio 5.46)
Bobaka be mihitsy ao.


diams> fahanana ny ondry. fa jerena koa hoe inona no amahahana azy fa tsy fahanana be fahatany!:-D (atao voky maraina ohatran\'ny ondry amidy)
14. Fiffi ( 21/05/2007 14:46)

Didy vaovao
No omeko anarao
Dia ny mba hifankatiavanareo
Eny , aoka ho tahakan'ny nitiavako anareo
Ny mba hifankatiavanareo koa
Izany no ahafantaran'ny olona rehetra
Fa mpianatro ianareo
Raha mifankatia
15. cutie ( 21/05/2007 22:56)
Mpandefa : hery [ Valio ] 21-05-2007 13:58:27
Lohateny : Re : Sao dia mba Ianao ???
Ny Marika lehibe?

Ny famantarana fa mpianatro ianareo dia noho ianareo mifankatia

Io ihany no hamantarana ny tena mpianatra. Izay feno fitiavana.

Jereo ao anaty baiboly ao

porofoy @zava misy @zao fotoana zao we zany:lol:
16. cutie ( 21/05/2007 23:47)
http://www.youtube.com/watch?v=PJV9EMkv0u4
17. Zina ( 22/05/2007 00:25)
diamondra27 [ Valio ] 21-05-2007 12:43:26
Lohateny : Re : Sao dia mba Ianao ???
izay no mahasarotra ny lalantsika satria na de efa nahavita mission aza ianao taloha ka tsy miambina de tonga @iny ny Tompo de mety anisan'ny ho very ihany ianao.


diams a mila mihezaka mihitsy isika rehetra tsisy ankanavaka mba tsy ho tratran'io.:wink:

majesty:wink:
18. LazaDaddy ( 22/05/2007 04:12)
majesty:
Sao dia mba Ianao ???
Enga anie ka tsia!

majesty:
Misy marika ahafantaran'i Kristy ny olony ve,raha misy,inona io marika io?
"izy irery ihany no mahalala an'izay" hoy i Ravatorano. I Kristy angamba tsy mila marika satria Izy mahalala ny zava-drehetra.

hery:
Ny famantarana fa mpianatro ianareo dia noho ianareo mifankatia
marika natao ahafantaran'ny olombelona io fa tsy natao ahafantaran'i Kristy. "Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia." Jaona 13:35
19. LazaDaddy ( 22/05/2007 04:17)
majesty> hidirako lalindalina kely ilay andalan-dahatsoratra narosonao.



Izahay, izahay, izahay => fahamatesa-kambo eo anatrehan'i Kristy.
20. ikaretsaka ( 22/05/2007 04:32)
mampatsiaro ahy ny alakamisy masina t@ i jesoa niteny azy fa hisy hamadika azy ity!
"sao mba ianao?"
"tsy za!"
"mbo marina mafy raha mba za!"
"za ve zany tompoko?"
"enga anie ka tsy ho za"


.... sao lahy "Isika" no tiany lazaina fa tsy izahay?! (mitovy ihany=samy "nous" na "we" ireo manko @ fiteny sasany):!::roll:

marika natao ahafantaran'ny olombelona io fa tsy natao ahafantaran'i Kristy. "Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia." Jaona 13:35

ka i "Kristy eo anivontsika lalandava" sady "Zanak'olona" hono izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2144