Sao dia mba Ianao ???

41. ikaretsaka ( 22/05/2007 19:23)
xxx> ekena!
42. Zina ( 22/05/2007 21:44)
oy i xxx
xxx [ Valio ] 22-05-2007 13:46:38
Lohateny : Re : Sao dia mba Ianao ???

lazaDaddy sy ry mpahay soratra masina: Mba vakio kely ny Baiboly hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, alalino dia ho fantatrareo fa Andriamanitra dia FITIAVANA. Izay miaina io FITIAVANA io no momba azy tokoa ka horaisiny, fa izay tsy miaina an'io kosa dia efa nanda azy hatrety an-tany ka holaviny.


Tena marina mihitsy io lazainao io
Ao @ matio 22: 37-40 dia milaza an'io mihitsy
Dia hoy Jesosy taminy: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" ( Deo.6.5).

38 Izany no didy lehibe sady voalohany.

39 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" ( Lev.19.18).

40 Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.

dia oy ko xxx oe
Zanak'Andriamanitra isika raha mandeha am-pitiavana toa azy Fitiavana. Zanak'Andriamanitra isika raha tia toa an'i Kristy. Mamela azy hivelona ao amintsika ka hilaza toa an'i Md Paoly hoe: tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko[/quote]

Ahona hoy i Jesosy ; Raha tia ahy ianareo dia tandremo ny didiko.Jaona14:15
"If you love me keep my commandements"
Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny
I jaona 2;3,4
43. Zina ( 22/05/2007 21:56)

oy i xxx oe:
1- Navaozin'i Jesoa ny zavatra rehetra, indrindra ny lalana efa nisy. Tsy nofoanany akory fa nolavorariny.

Io ambany io no tianao ho lazaina?

Matio 5: 17-18

17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.

18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.

dia avy eo xxx nilaza oe:
Isan'izany ny Sabata. Ka mba te hanontany anao ary aho hoe: inona ny Sabata raha ny fampianaran'i Jesoa no jerena.


Ny sabata ve ry xxx tsy ao anatin'ny didy folon'Andriamanitra?

Amiko ny raha ny fampianaran'i jesosy no lazaina dia mangataka antsika izy mba HIEZAKA hanatanteraka ny didiny amin'ny alalan'ny Fanahy masina

44. Zina ( 22/05/2007 22:01)
oy i xxx oe:

lazaDaddy sy ry mpahay soratra masina: Mba vakio kely ny Baiboly hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany
.

Tsara mihitsy izany ianao ko anie mahay soratra masina:-*
45. cutie ( 22/05/2007 22:34)
theorie be daholo koa ny eto zany lol
46. majesty ( 23/05/2007 05:37)
Hoy cutie:
theorie be daholo koa ny eto zany lol


Théorie ny eto fa ny fampiharana miankina amin'ny tsirairay,raha ara-baiboly io voalaza io dia tanteraho fa raha tsy ara-baiboly dia adinoy tanteraka ôtran'ny tsy nisy:D


Hoy mits:
kay kay! mafana eto zany an!
otrany mba mafinaritra ahy ty resaka sabata ty!
majesty: mba omeo kely hoe ny dikany hoe:sabata, dia i jesus ve nitadrina ny atao hoe sabata?
misaotra anao mialoha


"Dia tonga tao Nazareta,izay nahabe Azy Izy;ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga (fiangonana)tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny" LIOKA 4:16

Efa fanaon'i Jesosy ny mandeha mivavaka any am-piangonana isan-tsabata fony izy tety an-tany.

Prime:Ireo Apostoly lazainao ireo ange ka nitandrina ny Sabata koa e,

ohatra i Paoly:"Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony;ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin'ny Soratra Masina tamin'ny olona tao" Asa 17:2

Mandeha manao asa misionera i Paoly ka na any amin'ny tany izay alehany aza izy dia mitandrina ny Sabata foana.
47. majesty ( 23/05/2007 05:49)
prime:hanampiko kely an'ireo toko sy andininy milaza fa ny Apostoly koa dia nitandrina ny Sabata:

"Ary rehefa niala tany Perga izy ireo,dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia,dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ..." Asa 13:14

"Ary rehefa nivoaka izy ,dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka" Asa 13:42

"Aty tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ny ony,izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana..."Asa 17:2


Ary farany ry namako malala isany:

"Koa dia mbola misy Sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra" Hebreo 4:9

Raha ara_baiboly ireo voalaza rehetra ireo dia raiso fa raha tsy mifanaraka amin'ny soratra masina kosa dia esory tsy eo anoloanareo akory:D

Misaotra tompoko!
48. Mandefitra ( 23/05/2007 07:49)
Majesty, ary raha Alahady no Sabata hajaiko, tsy tafa ve?
49. sonwin ( 23/05/2007 08:32)
ary resaka fanandroana izany eto izany!:^)
50. mits ( 23/05/2007 10:53)
majesty> sotra nao fa tena tsy ampy lay fanazavanao
za aloha tsy dia mahay baiboly toko sy andiny fa mba mpamaky ihany
LIOKA 4:16 hoy ianao
i jesoa dia mamonjy synagoga tokoa manaiky aho, fa kosa izy dia miezaka mandresy lahatra reo jiosy reo ampianatra ny tena lalana marina.
omeko ohatra ianao: t@ andro sabata i jesoa dia nanao fahagagana sy fanasitranana, ary koa miasa izy ( tsy tadidiko ny toko sy andininy)
nioty salohimbary izy @ andro sabata sns
ary maro anefa reo jiosy no tezitra taminy @ zany zavatra ataony zany ka anisany antony iray nanenjehana an i Jesoa ny fandikany ny sabata


ka aminao ve inona no tena atao hoe sabata?
xxx> marina io
51. namanao ( 23/05/2007 11:23)
xxx:

diamondra27: fa mialohan'io izy nanontany hoe: moa tia ahy ve ianao?....
Fitiavana no voalohany, io no marika lehibe.
Izay tia an'Andriamanitra sy tia ny hafa toy ny nitiavan'i Kristy ihany no voavonjy. Izay no marika lehibe hamatarana ny kristiana na ny mpianatr'i Kristy.


ie marina fa fitiavana ny voalohany, fa inona ny atao hoe fitiavana araka ny baiboly. Raha ny fantako dia ny fanantaterahana ny didin'Andriamanitra no fitiavana.

52. Imahaka ( 23/05/2007 12:21)
Sabotsy:o^o:@:miam:
Alahady:^:^^:^

Alahady:o^o:@:miam:
Sabotsy:^:^^:^

Toa mitovy ihany ireo ambony ireo!:roll:

Fa ireto :-*(l)(l):-* ihany no lehibe indrindra.(l)(l)ihany(l):-*hatrany.
53. nathie86 ( 23/05/2007 14:58)
marika aôna lou zany ohatra hoe tandra v sa in.
54. prime ( 23/05/2007 15:06)
Fanamarihana : (tsiafo1 sy majesty)
[list=1]
  • Izaho tsy miteny hoe tsy ilaina ny didy folo na ny fanajàna sabata fa manipika manokana ny mety ho \"dérive\" amin\'ilay itondranareo ny resaka
  • Ny fijeriko manokana dia mifantoka kokoa amin\'ilay hoe \"tsy fantatro\" noho ilay hoe \"mpanao meloka\"...
  • Ny tiako ambara dia tsotra, (vao maika hamarinin\'ireo teny tsongain\'i tsiafo ireo) fa na marina amin\'ny fanajàna sabata aza ny olona nefa diso amin\'ny didy 1 hafa dia mitovy fa samy meloka foana amin\'izy rehetra (dia toy ny diso amin\'ny fanajàna sabata ihany fa tsy hoe lasa marina ihany satria voahaja ny sabata) ka tsy ny fanajàna didy folo loatra no famantaran\'i Kristy ny olony fa ny fanajàna ny didy vaovao nomeny... sa ts\'izany?
  • 55. tsiafoi1 ( 23/05/2007 16:17)
    Prime a : Mazava le izy e Jean 14/15 : Jésus a dit \"Si vous m`aimez, gardez mes commandements\"

    Preuve d\'amour le respect des commandements.

    Ary tenin\'Andriamanitra ireny nomeko rehetra ireny, ary Andriamanitra tsy olombelona ka hiovaova. Ary aoka hotsarovana koa fa Jesoa Kristy anie ka Andriamanitra tonga nofo teto amintsika e! Izy aza efa niteny mihitsy \"Fa dia tompon\'ny Sabata ny Zanak\'olona\". Koa asakasak\'izay tsy te hankato e!!

    Ilay hoe didy vaovao dia fehezina amin\'ny teny iray monja FITIAVANA
    1) FITIAVANA AN\'ANDRIAMANITRA : [b]Tiava an\'i Jehovah Andriamanitrao amin\'ny fonao rehetra, sy ny fanahinao, ary ny sainao rehetra[/b, izany no didy voalohany sady tsara
    [i]- Raha Tia an\'Atra tokoa ianao tsy hampirafy Azy, tsy hanana Andriamanin-kafa fa Izy irery ihany...
    - Raha Tia an\'Atra tokoa ianao tsy hanao sarin-jvt vosikotra hiankohofanao fa hivavaka amin\'AZY tokana irery ihany
    - Raha Tia an\'Atra tokoa ianao tsy ho sahy hanonom-poana ny anarany ho enti-mandainga
    - Raha Tia an\'Atra tokoa ianao dia hahatsiaro mandrakariva ny andro Sabata, ary hanome voninahitra Azy, satria andro notahiany sy nohamasininy izany
    - Raha Tia an\'Atra tokoa ianao dia hanaja ny Ray aman-dreninao satria izy ireo no loharano nipoiranao teto an-tany...

    2) FITIAVANA NY NAMANA : [b]Tiava ny namanao tahaka ny tenanao[/b, izany no didy faharoa izay tahaka azy ihany
    - Raha Tia ny namanao (mpiara-belona) ianao tsy hamono azy
    - Raha Tia ny namanao (mpiara-belona) ianao tsy hijangajanga amin\'izy ireo
    - Raha Tia ny namanao (mpiara-belona) ianao tsy hangalatra ny fananan\'izy ireo
    - Raha Tia ny namanao (mpiara-belona) ianao tsy handainga aminy na hanao vavolombelona mpandainga
    - Raha Tia ny namanao (mpiara-belona) ianao tsy hitsiriritra ny zavany satria toy ny anao ihany izany

    Ny FITIAVANA no hery manosika ny zava-drehetra ataon\'ny kristianina. Ny FITIAVANA no fehin\'ny lalàna rehetra
    56. tsiafoi1 ( 23/05/2007 16:37)
    Marina tokoa le we FITIAVANA no lehibe indrindra :

    Fa dévéloppé-o araka ny sitrapon'Andriamanitra(voasoritry ny didiny) le we FITIAVANA, de hiaino arak'izay koa le izy, fa aza atao bango tokana e!

    Tsy we hitandrina ny Sabata za, fa hijangajanga, na koa we tsy hamono olona za fa handainga sns...

    10 - 1 = 0 amin'Andriamanitra
    57. majesty ( 24/05/2007 05:17)
    Hoy i mits:

    majesty> sotra nao fa tena tsy ampy lay fanazavanao
    za aloha tsy dia mahay baiboly toko sy andiny fa mba mpamaky ihany
    LIOKA 4:16 hoy ianao
    i jesoa dia mamonjy synagoga tokoa manaiky aho, fa kosa izy dia miezaka mandresy lahatra reo jiosy reo ampianatra ny tena lalana marina.
    omeko ohatra ianao: t@ andro sabata i jesoa dia nanao fahagagana sy fanasitranana, ary koa miasa izy ( tsy tadidiko ny toko sy andininy)
    nioty salohimbary izy @ andro sabata sns
    ary maro anefa reo jiosy no tezitra taminy @ zany zavatra ataony zany ka anisany antony iray nanenjehana an i Jesoa ny fandikany ny sabata


    ka aminao ve inona no tena atao hoe sabata?




    Ny an'ny Jiosy dia nampiany fitsipika sy didy maro isan-karazany ny fitandremana ny Sabata,ka nanjary lasa zioga indray ilay izy,izay fomba fijery izay no nahitsin'i Jesosy,ka nanomezany fianarana ho an'ny mpanaraka azy ny amin'izay tokony atao rehefa sabata.

    ohatra: "ary indro,nisy lehilahy maty tanana teo,ary ny olona nanontany Azy hoe:Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata?mba hiampangany Azy.Ary hoy izy taminy:iza moa no olona ao aminareo,raha manana ondry anakiray,ka latsaka any an-kady amin'ny sabata,no tsy handray azy sy hampakatra azy? Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata" Matio 12:10-12
    58. scorpion ( 24/05/2007 08:01)
    film efa nandeha!
    59. ikaretsaka ( 24/05/2007 12:28)
    io foana tokoa ve no atao diska goka sy averina foana?
    60. xxx ( 24/05/2007 13:25)
    Misy tantara kely roa ireto mba handihan'ireo mpamerina lava ity resaka didy sy Sabata ity:

    1- Ilay tovolahy iray te hahazo ny fanjakan'ny lanitra, nitandrina ny didy rehetra hatramin'ny fahakely dia tena nankasitrahan'i Jesoa tokoa, saingy nolazainy hoe: zavatra iray monja ny tsy ampy aminao: mandehana amidio ny fananao ka omeo ny mahantra dia avy manaraka ahy.
    Ampy ve ny fanajana ny didy? Mahavonjy ve? Anjaranao ny mandinika

    2- Ilay jiolahy nivalo niaraka nofantsihana tamin'i Jesoa (Isika mahalala ny antsoina hoe jiolahy). Fehezan-teny tokana no nataony tamin'i Jesoa dia izay: mba tsarovy aho rehefa tonga any amin'ny fanjakanao ianao.
    Tsy nisy fanontaniana teo hoe: ahoana ny didy, ahoana ny sabata? Anio dia anio ihany dia hiaraka amiko any am-paradisa ianao hoy Jesoa mantsy azy.

    NY FIRAISANTSIKA AINA AMINY NO TADIAVIN'ANDRIAMANITRA. NY FITIAVANA IHANY NO AFAKA HAMPIRAY ANTSIKA AMINY. NY LALANA MAMATOTRA SY MANGEJA ANTSIKA KA TSY HAHITANA AZY MATETIKA.

    NOHO IZANY:

    " TIAVA MARINA TOKOA DIA ATAOVY IZAY TIANAO ATAO "

    Ho amintsika lalandava anie ny fitiavan'Andriamanitra!

    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0837