Sao dia mba Ianao ???

21. diamondra27 ( 22/05/2007 06:22)
xxx: tena marina izany lazainao izany

raha tsy manampitiavana de zava-poana zany rehetra izany

"ary ny fitiavana no lehibe indrindra" IKorintiana13:13 verset farany

na inona na inona atao dia tokony atao @ fitiavana fa tsy arahina hasosorana na kitakita...

xxx: merci nampahatsiahy :-*:-*
22. LazaDaddy ( 22/05/2007 06:33)
ikaretsaka:
.... sao lahy "Isika" no tiany lazaina fa tsy izahay?! (mitovy ihany=samy "nous" na "we" ireo manko @ fiteny sasany)
Aoka omeko eto ny fampitahana tsotsotra ahafahana milaza na "isika" tokoa na "izahay" ny tiany lazaina fa sao dia heverin'ikaretsaka fa andoavam-bola be ny misaina :)

Izao ny voasoratra:
Tompoko,Tompoko,tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay?ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe tamin'ny anaranao va izahay?Ary dia hambarako aminy marimarina hoe:tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay,mialà amiko hianareo mpanao meloka" (Matio 7 :22-23)

Izao kosa ny soso-kevitr'ikaretsaka:
[/i]Tompoko,Tompoko,tsy efa naminany tamin'ny anaranao va isika? Ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va isika? ary tsy efa nanao asa lehibe tamin'ny anaranao va isika?Ary dia hambarako aminy marimarina hoe:tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay,mialà amiko hianareo mpanao meloka" [/i](Matio 7 :22-23)
23. niryna ( 22/05/2007 06:50)
hery:

Ny Marika lehibe?

Ny famantarana fa mpianatro ianareo dia noho ianareo mifankatia

Io ihany no hamantarana ny tena mpianatra. Izay feno fitiavana.

Jereo ao anaty baiboly ao :-)





Dia mbola mianmpy ihany koa ,ny fanarahana ny didiny.
24. andry44 ( 22/05/2007 08:50)
Jesosy Kristy ve de vendrana @nareo tsy hanao marika ho an'zay olony??ary mino aho fa io aza no nalain'ny devoly tahaka.
I

Isika olombelona aza mahalala manao marika ny ombitsika
sy ny fiaratsika sy ny fananatsika maro isankarazany fa maika fa Izy Tompo Andriamanitra???

Amiko misy marina tokoa io marika io.
Tsy ny "fitiavana" io raha ny fandinihako azy satria ireo olona voalaza fa tsy fatany ireo, raha nanao ireo asa ireo,zay azo lazaina fa "asa soa" de nanana fitiavan'ny mpiara-belona.
25. Imahaka ( 22/05/2007 08:56)
andry44> efa voafaritra mialoha izany ny olony? aie aie aie toy ny mpanao cinéma izany ny mpokona eto an-tany raha izany dia " ireo mpanisy marika" no metteur en scène 8-) :{
26. majesty ( 22/05/2007 09:27)
Ahoana ny mba eritreritrareo ary mikasika an'ity voalaza eto ity e:

Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an'efitra,dia nomeko azy ny didiko,ary nampahafantariko azy ny fitsipiko,izay mahavelona ny olona manaraka izany.Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa izaho Jehovah no manamasina azy.Kanjo niodina tamiko tany an'efitra ihany ny taranak'Isiraely,ka tsy nandeha aryaka ny didiko izy,fa nanamavo ny fitsipiko,izay mahavelona ny olona manaraka izany,ary nandoto dia nandoto ny sabatako izy,dia hoy Izaho:Haidiko aminy any an'efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy (...)satria nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko,fa nandoto ny Sabatako,fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.Nefa niantra azy ihany ny masoko,ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an'efitra izy,fa hoy izaho tamin'ny zanany tany an'efitra:Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo inareo,na mitandrina ny fitsipiny,na mandoto ny tena amin'ny sampiny;fa izaho no Jehovah Andrimanitrareo,koa mandehana araka ny didiko,ary mitandrema ny fitsipiko,ka araho izany.Ary manamasina ny Sabatako,mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo,ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.Kanjo niodina tamiko koa ny zanany:tsy nandeha araka ny didiko izy,na nitandrina hanaraka ny fitsipiko,izay mahavelona ny olona manaraka izany,fa nandoto ny Sabatako izy,ka dia hoy Izaho:Haidiko aminy ny fahavinirako,ary hotanterahiko aminy any an'efitra ny fahatezerako". EZEKIELA 20:11-21

Mahalasa saina!:roll:
27. Imahaka ( 22/05/2007 10:27)
majesty> ilay manaja ny sabata izany no marika e! dia ireo advantista sy ny forongony ihany izany no ho fantatry ny Tompo amin'ny segondra farany fa 'zahay bye bye daholo :-D=)):@
Ikotofetsy ito raika lahy ito ka 8):D
28. xxx ( 22/05/2007 11:46)

lazaDaddy sy ry mpahay soratra masina: Mba vakio kely ny Baiboly hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany, alalino dia ho fantatrareo fa Andriamanitra dia FITIAVANA. Izay miaina io FITIAVANA io no momba azy tokoa ka horaisiny, fa izay tsy miaina an'io kosa dia efa nanda azy hatrety an-tany ka holaviny.

Aza terena hanaraka ny saim-pantatrareo ny Soratra Masina. Fa efa nambaran'i Jesoa hoe: izao no hamataran'ny olona fa mpianatro ianareo dia raha mifankatia. Ny ho fantatry ny olona fotsiny ve no hifankatiavana? Diso be izany. Fisehosehona ivelany fotsiny.

Ny manosika ny olona hitia ny hafa dia hery avy ao anaty, izay tsy iza fa i Kristy ihany. Izay itoeran'i Kristy no hovonjena sy ho fantatr'Andriamanitra satria ireo no tena zanany. Zanak'Andriamanitra isika raha mandeha am-pitiavana toa azy Fitiavana. Zanak'Andriamanitra isika raha tia toa an'i Kristy. Mamela azy hivelona ao amintsika ka hilaza toa an'i Md Paoly hoe: tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko.
Tsy marika ohatra ny marik'omby akory no hahalalan'Andriamanitra antsika, fa ny endrika maha zanak'Andriamanitra antsika no fantany. Dia ilay endriky ny zanaka: FITIAVANA

Misaotra anareo. Mandeha ary ampalalao ny olona i Kristy fa aza ovana ny teniny. Homba anareo anie ny Tompo.
29. bichette ( 22/05/2007 11:47)
Ny fifandraisan'ny tsirairay amin'Andriamanitra manokana na hoe relation strictement personnelle amin'Andriamanitra no zava-dehibe. Eo no tena ahitan'Andriamanitra hoe tena tia Azy na tsia, hoy ny tenin'Andriamanitra : "fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo." 1 Samoela 16 : 7 B marina fa tsy ho voatanteraka avokoa ny tenin'Andriamanitra fa ny FONTSIKA maniry hanakaiky Azy sy tia Azy no tena zava-dehibe aminy.
Tompoko,Tompoko,tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay?ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe tamin'ny anaranao va izahay?Ary dia hambarako aminy marimarina hoe:tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay,mialà amiko hianareo mpanao meloka" (Matio 7 :22-23)

Ireo olona milaza hoe tompoko tompoko ireo dia inoana fa kristiana tokoa kanefa "tsy fantatro" hoy ny tenin'i Jesosy, dia mahagaga tokoa ...

Maro ny manao ny asan'Andriamanitra, dekona, sns kanefa tsy midika akory izany fa tafiditra automatiquement amin'ny fanjakan'Andriamanitra. NY FO no tena jeren'Andriamanitra, ny fitiavantsika Azy, ny fatahorantsika Azy ka na dia tafanota tsy nahy aza isika, ny ao ampo no zava-dehibe

Ohatra, raha manolotra anareo zvatra rehetra ny adinao, omeny anareo ny rehetra, trano sns anefa tsy vokatry ny fo dia tsy hahafampo anareo izany, raha manome singan-draozy fotsiny iray izy anefa amin'ny fo sy fitiavana dia izay no tena mahafinaritra

sa ahoana hoy ianareo ???
30. ravatorano ( 22/05/2007 11:59)
d ahoana zany za less zandry majesty
za tsy mahalala izany sabata izany kle
very ah mama an !
ikaretsaka< izay ary ny anao ! kay zany sabata ilay famatarana !!!!!
31. tsiafoi1 ( 22/05/2007 13:29)
Versets bibliques nodinihiko ity Isaie 56 / 1 - 7 :
"Heureux l'homme qui fait cela, Et le fils de l'homme qui y demeure ferme, Gardant le sabbat pour ne point le profaner, Et veillant sur sa main, pour ne commettre aucun mal!

Que l'étranger qui s'attache à l'Éternel ne dise pas: L'Éternel me séparera de son peuple! Et que l'eunuque ne dise pas: Voici, je suis un arbre sec!
Car ainsi parle l'Éternel: Aux eunuques qui garderont mes sabbats, Qui choisiront ce qui m'est agréable, Et qui persévéreront dans mon alliance,

Je donnerai dans ma maison et dans mes murs une place et un nom Préférables à des fils et à des filles; Je leur donnerai un nom éternel, Qui ne périra pas.

Et les étrangers qui s'attacheront à l'Éternel pour le servir, Pour aimer le nom de l'Éternel, Pour être ses serviteurs, Tous ceux qui garderont le sabbat, pour ne point le profaner, Et qui persévéreront dans mon alliance,

Je les amènerai sur ma montagne sainte, Et je les réjouirai dans ma maison de prière; ...; Car ma maison sera appelée une maison de prière pour tous les peuple"

Hébreux 4 : 9-10
Il y a donc un repos de sabbat réservé au peuple de Dieu.
Car celui qui entre dans le repos de Dieu se repose de ses oeuvres, comme Dieu s'est reposé des siennes


Eto izany
Sabbat = Alliance, entre Dieu et son peuple, ohatran'ny mpivady io, fa na eo aza le alliance sy le contrat de mariage, ny zava-debibe de le FITIAVANA mampifamatotra ny roa tonta.
Conclusion : Marque le Sabbat, fa Marque koa le Fitiavana
32. xxx ( 22/05/2007 13:36)
De hoy Kristy: ny Sabata no natao ho an'ny olona fa tsy ny olona no natao ho an'ny Sabata.

De anjarantsika ny mandinika e! Fa ho ahy tsy ny sabata no maha zanak'Andriamanitra antsika sy hahavoavonjy antsika fa ny FITIAVANA raisintsika avy amin'i Kristy ka iezahantsika iainana isan'andro koa.

Homba antsika hatrany anie ny Tompo. Misaotra e!
33. ikaretsaka ( 22/05/2007 13:43)
LazaDaddy:

[Izao ny voasoratra:
Tompoko,Tompoko,tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay?ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe tamin'ny anaranao va izahay?Ary dia hambarako aminy marimarina hoe:tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay,mialà amiko hianareo mpanao meloka" (Matio 7 :22-23)


Fanitsiana kely!
tsy io no voasoratra fa IO NO NANDIKANA AZY tamin'ny teny gasy avy any @ teny voalohany izay nanoratana azy tany!


34. ikaretsaka ( 22/05/2007 13:51)
tsy raisin'ny serasera sy tsy manana ordinatera mandika alphabet grika fa raha latinina dia izao:

22 Multi dicent mihi in illa die: Domine, Domine, nonne in nomine tuo prophetavimus, et in nomine tuo dæmonia ejecimus, et in nomine tuo virtutes multas fecimus?

23 Et tunc confitebor illis: Quia numquam novi vos: discedite a me, qui operamini iniquitatem.


ny "mus" eto sady mety ho "izahay" no mety ho "isika"
35. prime ( 22/05/2007 14:07)
Misaotra ry zareo a... tohizo fa mahasoa...
majesty> Mila mitandrina amin'io tianao itarihana ny lohahevitra io fa raha tohizana io ambaranao io dia toa milaza hoe, ny sabatan'ny zanak'Israely no famantarana ny olon'i Kristy... ary izay mpitandrina ny sabata jiosy no tafiditra any an-danitra... io fampianarana io no efa nahatonga adihevitra lehibe t@ ireo Apostoly 12 satria nisy ampahany toa an-dry Petera sy Matio tena saropiaro t@ famonjena fa ny jiosy no nanaovana izany ary ny fampianarana rehetra nifandraika t@ fivavahana jiosy dia tokony hazonina mafy... dia hoy ny ampahany toa an-dry Paoly sy Lioka hoe "tsia", natao ho an'ny rehetra ny famonjena, ho an'ny jentilisa (grika sy hafa firenena ankoatry ny jiosy) ary indrindra aza ho an'izao tontolo izao...

Tsy mankaleo ny mamerina ity tenin'Andriamanitra ity manao toy izao amin'ny anaran'i Jesosy :

"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay" Jaona 3:16... nitiavany izao tontolo izao fa tsy izay mpitandrina ny sabata ihany na izay jiosy ihany...
36. mits ( 22/05/2007 14:25)
kay kay! mafana eto zany an!
otrany mba mafinaritra ahy ty resaka sabata ty!
majesty: mba omeo kely hoe ny dikany hoe:sabata, dia i jesus ve nitadrina ny atao hoe sabata?
misaotra anao mialoha:lol:
37. ikaretsaka ( 22/05/2007 14:28)
Dia izao koa.. aza adino ilay Reny nanaiky izay fitiavana an'Andriamanitra izay voalohany ho tanteraka tao aminy!
"Andriamanitra no nanome fa i sika olombelona no tsy nety nandray, raha sanatria ka tsy nanaiky i Maria"
38. tsiafoi1 ( 22/05/2007 15:05)
prime : Tia ny mpiara-belona @\'ny tokoa anie le antokon\'olona ataon\'ny Tompo hoe \"Miala amiko ianareo\" matoa izy ireo nihevitra sy nikarakara ary nanasitra ny hafa e!
Fa nahoana kosa no ataon\'i Tompo an\'izany izy ireo ???; Jereo anie ny fitarainan\'izy ireo : \"Tompoko,Tompoko,tsy efa naminany tamin\'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin\'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe tamin\'ny anaranao va izahay?Ary dia hambarako aminy marimarina hoe:tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay,mialà amiko hianareo mpanao meloka\" (Matio 7 :22-23)

Valiny : Satria MPANAO MELOKA. Inona le ELOK\'izy ireo (eloka = pêché), nefa izy ireo sady be fitiavana, mpaminany, mpanasitrana sy mpamoaka demonia, mpanao asa soa lehibe??
Valiny : 1 Jn 3 : 4 \"Quiconque pèche transgresse la loi, et le péché est la transgression de la loi.\"
ELOKA = FANDIKAN-DALANA
Ireo antokon\'olona ireo izany de voailika @\'ny andro farany satria Mpanao meloka = Mpandika Làlana.
Ary le Sabbat dia ao anatin\'ny didy folon\'Andriamanitra (la loi royale ou la loi de liberté). Mba diniho ny ratsan-tananao fa nataon\'Andriamanitra folo izany mba hisaintsainano ny didiny isan\'andro, isan\'ora fa tsy izay tianao atao no atao.
Fa io :
Jac 2 : 8 -13
\"Si vous accomplissez la loi royale, selon l\'Écriture: Tu aimeras ton prochain comme toi-même, vous faites bien.
Mais si vous faites acception de personnes, vous commettez un péché, vous êtes condamnés par la loi comme des transgresseurs.
Car quiconque observe toute la loi, mais pèche contre un seul commandement, devient coupable de tous.
En effet, Celui qui a dit: Tu ne commettras point d\'adultère, a dit aussi: Tu ne tueras point. Or, si tu ne commets point d\'adultère, mais que tu commettes un meurtre, tu deviens transgresseur de la loi... On peut dire aussi, Celui qui a dit :\"
Tu n\'auras pas d\'autres dieux devant ma face, a dit aussi : Souviens-toi du jour du Sabbat, pour le sanctifier.
Jac 2 : 12
Parlez et agissez comme devant être jugés par une loi de liberté,
Jac 2 : 13
car le jugement est sans miséricorde pour qui n\'a pas fait miséricorde. La miséricorde triomphe du jugement.

Conclusion : ilaina le Fankatoavana ny didin\'Andriamanitra. Satria anisan\'ny hahavoailika ny tsy fankatovana donc Marque koa zany ny fankatoavana ny didy folo
39. tsiafoi1 ( 22/05/2007 16:07)
Apoc 14/12 : C`est ici la persévérance des saints, qui gardent les lois de Dieu et la foi de Jésus
Jean 14/15 : Jésus a dit "Si vous m`aimez, gardez mes commandements"
Mat. 19/17 : Il lui répondit: Pourquoi m`interroges-tu sur ce qui est bon? Un seul est le bon. Si tu veux entrer dans la vie, observe les commandements. Lesquels? lui dit-il.
Rom 13/9 : En effet, les commandements: Tu ne commettras point d`adultère, tu ne tueras point, tu ne déroberas point, tu ne convoiteras point, et ceux qu`il peut encore y avoir, se résument dans cette parole: Tu aimeras ton prochain comme toi-même.
On peut citer aussi , les commandements : Tu n'auras pas d'autres dieux,Tu ne te feras point d'image taillée,Tu ne prendras point le nom de l'Éternel, ton Dieu, en vain, Souviens-toi du jour du repos, pour le sanctifier, se résument dans cette parole : Tu aimeras le Seigneur, ton Dieu, de tout ton coeur, de toute ton âme, et de toute ta pensée.

Conclusion : Marque koa zany
1)Finoana an'i Jesoa,
2)Fankatoavana ny didy (y compris le sabbat)

Fa ny Fitiavana no lehibe idd, zany hoe ny Fitiavana no hery manetsika ireo rehetra ireo(Finona baikon'ny fitiavana, Fankatoavana ny didy noho ny fitiavana)
40. xxx ( 22/05/2007 16:58)
tsiafoi1:
De zendana aminao aho ry namana. Tsy mahay Tenin'Andriamanitra aho saingy mamaky azy isan'andro kosa. Ny ahy tsy mba fahaizana fa fahalalana. Tsy avy amiko anefa fa nomena ahy. Ka ireto ary mba misy fanontaniana kely:

1- Navaozin'i Jesoa ny zavatra rehetra, indrindra ny lalana efa nisy. Tsy nofoanany akory fa nolavorariny. Isan'izany ny Sabata. Ka mba te hanontany anao ary aho hoe: inona ny Sabata raha ny fampianaran'i Jesoa no jerena.

2- Ilay jiolahy nivalo niara-nofatsihana tamin'i Jesoa, nilaza fotsiny taminy hoe: mba tsarovy aho rehefa tonga any amin'ny fanjakanao ianao. Ny navaln'i Jesoa azy dia hoe: anio ihany dia hiaraka amiko any am-paradisa ianao.
Misy resaka sabata ve izany? Hazavao kely hoe...

Misaotra e! Izay lazain'i Kristy no ampalalao ny olona fa tsy izay saim-pantatrareo. Tsy hoe izaho no tena mahay fa mba mahalala kely ihany.
Homba anao hatrany anie ny Tompo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5076