Sao dia mba Ianao ???

61. ikaretsaka ( 24/05/2007 13:57)
i Jesoa koa nikandra t@ andro sabata
nanasitrana malemy izy (jereo ao @ Jaona ao)

Amiko

NY SABATAKO
Ny atao hoe ny andro sabata amiko dia tsy ilay andro hanaovanao ny anjara na ny adidim-pivavahana voalaza fa tsy maintsy atao. Tsy izany akory, tsy ilay mipetraka mamadibadika baiboly sy soratra masina loatra akory, sy mitoritory izany amin’ny manodidina loatra

Ny atao hoe sabata , dia ilay ianao iny mijanona tsy manao zavatra hafa iny intsony, ka iny ianao toa manongotra ny tenanao sy mamela izay nataonao, mba hiresaka amin’Andriamanitra.

Tsy misaraka amin’ny namana akory no atao hoe miresaka amin'Andriamanitra, tsy ilay manamaivan-tena na miala vonkina, na miala voly amin’izay rehetra atao,. fa ny mijery any amin’Andriamanitra am-pitiavana, ny mijery manatri-tava azy ao amin’ny fanahy sy miteny aminy,. Izany no atao hoe mivavaka amiko. Tsy miamboho na miherikerika akory, tsy hoe mitady olona na mitady Azy.. efa ao Izy.

Tsy sabotsy io tsy alahady...
62. mits ( 24/05/2007 14:53)
majesty> ary lay hoe:izy nioty salohimbary t@ andro sabata nga adinonao!
ikaretsaka> ok! marina io
63. majesty ( 25/05/2007 09:13)
Hoy ikaretsaka:
Ny atao hoe sabata , dia ilay ianao iny mijanona tsy manao zavatra hafa iny intsony, ka iny ianao toa manongotra ny tenanao sy mamela izay nataonao, mba hiresaka amin’Andriamanitra.



Tsy an'ny olombelona ilay Sabata fa an'Andriamanitra,koa tsy aleo izy tompony no avelanao hanambara aminao izay tokony ho atao,(mba tsy hilazako hoe inona avy no nataon'i Jesosy t@ andro Sabata)



hoy i xxx:

1- Ilay tovolahy iray te hahazo ny fanjakan'ny lanitra, nitandrina ny didy rehetra hatramin'ny fahakely dia tena nankasitrahan'i Jesoa tokoa, saingy nolazainy hoe: zavatra iray monja ny tsy ampy aminao: mandehana amidio ny fananao ka omeo ny mahantra dia avy manaraka ahy.
Ampy ve ny fanajana ny didy? Mahavonjy ve? Anjaranao ny mandinika

2- Ilay jiolahy nivalo niaraka nofantsihana tamin'i Jesoa (Isika mahalala ny antsoina hoe jiolahy). Fehezan-teny tokana no nataony tamin'i Jesoa dia izay: mba tsarovy aho rehefa tonga any amin'ny fanjakanao ianao.
Tsy nisy fanontaniana teo hoe: ahoana ny didy, ahoana ny sabata? Anio dia anio ihany dia hiaraka amiko any am-paradisa ianao hoy Jesoa mantsy azy.


1)Tsy amin'ny alalan'ny fitandremana ny didy no ahazoana famonjena,fa amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy irery ihany,kanefa izany tsy midika hoe rehefa mino an'i Jesosy dia lasa tsy ilaina intsony ny lalana ka azo dikaina.

2)Raha natao hoe novonjena teo @ hazo-fijaliana io Jiolahy io,ka teo izy no nahalala an'i Jesosy dia ho azo antoka fa nanaraka ny fampianaran'i Jesoa izay nampitainy tamin'ny Apostoly izy,ary tsy hoe nitandrina ny Sabata ihany fa natao batisa ihany koa (satria tsy mbola vita batisa izy)



hoy scorpion:
film efa nandeha


tsy hay ny fivadibadiky ny fiainana,mety ho androany no ahafahako manambara an'io farany ,na mety androany koa no farany ahenoanao an'io sanatria :D


Hoy i mits:

majesty> ary lay hoe:izy nioty salohimbary t@ andro sabata nga adinonao


Mianara miaraka aminy dia hatorony anao izay tokony atao sy ny tsy tokony atao rehefa amin'io andro io.
64. Imahaka ( 25/05/2007 09:23)
xxx ;-)
65. xxx ( 25/05/2007 10:11)
majesty:
Mba jereo kely azafady ny namaranako ny zavatra nosoratako: Tsy ny lalana no mahavonjy fa ny Fitiavana. Mbola ilaina ve ny miteny hoe: Sabata e, lalana e,am-pafolon-karena e, sns...

Ny tia tsy mitadrina ny Sabata fotsiny, fa miaraka amin'Andriamanitra isan'andro
Ny tia tsy manaja ny didy fotsiny, fa mikatsaka ny sitrapon'Andriamanitra hatrany hotanterahany, sns...

MITIAVA MARINA TOKOA DIA ATAOVY IZAY TIANAO ATAO

Ho amintsika hatrany anie ny fitiavan'i Kristy!
66. prime ( 25/05/2007 13:22)
Lasa lavitra be ilay resaka ary efa tsinjoko fa hivily any ilay loahahevitra nefa tsy maninona ihany raha izay no tian\'i majesty ahatongavana...

Izaho tehiverina amin\'ilay hoe inona no atao hoe fantatr\'Andriamanitra?

67. Zina ( 25/05/2007 13:29)
oy i Majesty
Mianara miaraka aminy dia hatorony anao izay tokony atao sy ny tsy tokony atao rehefa amin'io andro io.


:wink:
68. sonwin ( 25/05/2007 14:28)
tsara fanombohana ilay adi-hevitra saingy 0/20 ny tian'ny mpamorona ahatongavana. Mahay baiboly loatra angamba ranamana!
69. sonwin ( 25/05/2007 14:29)
tsara fanombohana ilay adi-hevitra saingy 0/20 ny tian'ny mpamorona ahatongavana. Mahay baiboly loatra angamba ranamana!
70. namanao ( 25/05/2007 16:04)
xxx:

Misy tantara kely roa ireto mba handihan'ireo mpamerina lava ity resaka didy sy Sabata ity:

1- Ilay tovolahy iray te hahazo ny fanjakan'ny lanitra, nitandrina ny didy rehetra hatramin'ny fahakely dia tena nankasitrahan'i Jesoa tokoa, saingy nolazainy hoe: zavatra iray monja ny tsy ampy aminao: mandehana amidio ny fananao ka omeo ny mahantra dia avy manaraka ahy.
Ampy ve ny fanajana ny didy? Mahavonjy ve? Anjaranao ny mandinika

2- Ilay jiolahy nivalo niaraka nofantsihana tamin'i Jesoa (Isika mahalala ny antsoina hoe jiolahy). Fehezan-teny tokana no nataony tamin'i Jesoa dia izay: mba tsarovy aho rehefa tonga any amin'ny fanjakanao ianao.
Tsy nisy fanontaniana teo hoe: ahoana ny didy, ahoana ny sabata? Anio dia anio ihany dia hiaraka amiko any am-paradisa ianao hoy Jesoa mantsy azy.

NY FIRAISANTSIKA AINA AMINY NO TADIAVIN'ANDRIAMANITRA. NY FITIAVANA IHANY NO AFAKA HAMPIRAY ANTSIKA AMINY. NY LALANA MAMATOTRA SY MANGEJA ANTSIKA KA TSY HAHITANA AZY MATETIKA.

NOHO IZANY:

" TIAVA MARINA TOKOA DIA ATAOVY IZAY TIANAO ATAO "

Ho amintsika lalandava anie ny fitiavan'Andriamanitra!





Lay exemple 1 dia ahitana taratra fa ankasitrahan'i Kristy tokoa ny fanarahana ny didy folo, fa ny olana teto nataon'ilay olona fanao hoe fombafomba le izy fa tsy noho ny fitiavana an'Andriamanitra no nanaovany azy !! tsy avy ao ampo, ny azy tsy mbola voasoratra ao ampo le didy.

Lay exemple 2 dia mampiseho fa rehefa mibebaka alohan'ny hahafatesana ny olona dia voaray raha toaka ka tsy manota intsony. Ary satria izy tonga dia maty avy hatrany taorian'ny nibebahany dia tsy misy intsony ny fanotana (= fandikandalana) vitany. Fantatsika anefa fa rehefa avelan'i Kristy ny heloka dia toy ny tsisy fahotana indray isika !!! zany hoe départ à zéro.
Ary satria voavela ny heloka ( = tsisy fahotana sahala @ zaza/ankizy kely ...) dia sur fa tody @ vie eternelle izy.

ILAY teny kely namaranan'ny xxx azy teo manao hoe
" TIAVA MARINA TOKOA DIA ATAOVY IZAY TIANAO ATAO "
dia tsara fa tsy hitanao ve mamoaka bebe kokoa ny sitrapon'Andriamanitra izy raha atao hoe
" TIAVA MARINA AN'ANDRIAMANITRA DIA ATAOVY IZAY TIANAO ATAO ARAKA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA "

de horaisiko sy haveriko koa lay hoe
Ho amintsika lalandava anie ny fitiavan'Andriamanitra!



71. xxx ( 25/05/2007 16:23)
mits:

majesty> ary lay hoe:izy nioty salohimbary t@ andro sabata nga adinonao!
ikaretsaka> ok! marina io


teto ry Kristy sy ny mpianatra de nitodidoha hamonjy sinagoga (zany hoe hivavaka andro sabata). Noana anefa ry zareo, ary tsy nisy sakafo noentina avy tany amin'izay niangany. De nioty izy mba hihinana, no sady manohy/mandeha tongotra ny famonjena ny fotoampivavahana ihany. Azonao atao zany (selon l'exemple de Christ) ny mahandro sakafo andro sabata (implique, maka kitay, mampirehitra afo, mioty, mividy laoka) RAHA TOA KA TSY AFAKA MIHINTSY IANAO NANOMANA AN'IO MIALOHA, fa ianao anefa na dia izany manatrika/na manao ny fotoampivavahana foana.
Misy exemple sasany toy ny fanasitranana natao andro Sabata izay nohamarinina tamin'ny hoe manao soa andro Sabata; diniho fa teto dia mbola manao ny fotoampivavahana hatrany i Kristy !!
fa ny kestion ho an'izay te handalina dia hoe inona ny atao hoe soa? izay azo atao amin'ny andro Sabata.
72. niryna ( 26/05/2007 02:52)
prime:

Lasa lavitra be ilay resaka ary efa tsinjoko fa hivily any ilay loahahevitra nefa tsy maninona ihany raha izay no tian\'i majesty ahatongavana...

Izaho tehiverina amin\'ilay hoe inona no atao hoe fantatr\'Andriamanitra?



kefa hoe hovain-dry zareo foana hoy aho ny sujet-ko=))=))

73. andry44 ( 28/05/2007 10:38)
Raha ny fandinihiko azy de io voalazan'i Majesty io ilay "Marika"!!

Safidy io ry akama isany a!!
Olombelona misaina isika ary noforonin'Atra ho mitovy aminy ka afaka misafidy zay lalana tiatsika aleha!!
Hoy Imahaka>ilay manaja ny sabata izany no marika e! dia ireo advantista sy ny forongony ihany izany no ho fantatry ny Tompo amin'ny segondra farany fa 'zahay bye bye daholo
Ny fanekena io @ saina no handraisana io marika io @ andrina ary ny fanataterahana azy @ fianana no handraisana azy @ tanàna!! :!::arrow:mitsimbadika @io ny mariky ny bibidia!

SAFIDY io nefa TSAROVY lay ary @ FARANY sao de TSY FANTANY ISIKA!!


74. xxx ( 28/05/2007 15:46)

andry44: raha nanao fanoharana Kristy dia hoy izy: ny Tompo mahalala ny ondriny, ary ny ondriny mahalala ny Tompony.

Tsy misy resaka sabata izany. Tsarovy fa izay mifandray matetika ihany no afaka mifankalala bebe kokoa hatrany. Izay mifankatia no tena mifankalala.

Ho aminao hatrany anie ny Tompo. Amen
75. Zina ( 28/05/2007 16:05)
xxx a
asa na ianao daholo no nanoratra an'ireo resaka momban'ny fitiavana ireo (ny fahitako azy aloha dia olona iray ihany ireo).ilay xxx moa dia betsaka ato.
marina izay nilaza an'ireo fa ny fitiavana no tena zava-dehibe indrindra.
Izay mifankatia no tena mifankalala

oy i Jesosy oe: Raha tia ahy ianareo dia tandremo ny didiko jaona 14:15
Ny sabata dia ao anatin'ny lalan'Andriamanitra misy folo izy ireo. ary ny lalan'Andriamanitra dia mampiseho ny caracterany. Ary ny caracteran'Andriamanitra dia tsy miova mihitsy.
ka izaho no fijeriko ny rehetra

Andriamanitra:arrow:fitiavana:arrow:fankatoavana:arrow:didy:arrow:Andriamanitra - cercle io

Izany oe mino an'Andrimanitra isika, mampiseho fitiavana azy sy ny namana isika dikan'izany dia mankato ny didiny izay toetran'Andrimanitra
76. majesty ( 29/05/2007 04:30)
Rehefa narahana izay rehetra voalaza teo dia hita fa samy manana ny heviny ny tsirairay avy,ka ny hamintinako izay rehetra voalaza ary dia ity e:

"Izay manetsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna,na ny fivavahany aza dia fahavetavetana." Ohab 28:9

"Indro ny faharetan'ny olona masina,dia izay mitandrina ny didin'Atra sy ny filazana an'i Jesosy" Apok 14:12



Tsy ny hevitro ireo ary tsy izaho no nilaza azy fa ny soratra masina:D
77. José Randrianolisoa ( 15/05/2015 16:07)

ikaretsaka:

i Jesoa koa nikandra t@ andro sabata
nanasitrana malemy izy (jereo ao @ Jaona ao)

Amiko

NY SABATAKO
Ny atao hoe ny andro sabata amiko dia tsy ilay andro hanaovanao ny anjara na ny adidim-pivavahana voalaza fa tsy maintsy atao. Tsy izany akory, tsy ilay mipetraka mamadibadika baiboly sy soratra masina loatra akory, sy mitoritory izany amin’ny manodidina loatra

Ny atao hoe sabata , dia ilay ianao iny mijanona tsy manao zavatra hafa iny intsony, ka iny ianao toa manongotra ny tenanao sy mamela izay nataonao, mba hiresaka amin’Andriamanitra.

Tsy misaraka amin’ny namana akory no atao hoe miresaka amin'Andriamanitra, tsy ilay manamaivan-tena na miala vonkina, na miala voly amin’izay rehetra atao,. fa ny mijery any amin’Andriamanitra am-pitiavana, ny mijery manatri-tava azy ao amin’ny fanahy sy miteny aminy,. Izany no atao hoe mivavaka amiko. Tsy miamboho na miherikerika akory, tsy hoe mitady olona na mitady Azy.. efa ao Izy.

Tsy sabotsy io tsy alahady...


Ny sabatan ny baiboly dia voafaritra tsara:
-andro aloha izy
-andro nohamasinin Andriamanitra ary asainy tandremantsika
-Andriamanitra tenany mihitsy no nitandrina azy voalohany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0916