Aiza Ianao ry Tompo o!

1. linarako2 ( 05/05/2007 17:59)
Fantatro fa Andriamanitra daholo no tompon'andraikitra amin'ny fiainanako,ny anao koa fa mety tsy mino Azy ianao.Fantany ny lalana hizorako, na vao mifoha aza aho dia efa fantany ny ho ataoko.
Saingy indraindray dia misy olana mianjady aho na misy halemem-panahy ihany koa.Izao no ato an-tsaiko:Aiza ianao ry Tompo o! Fa maninona no avelany hiantra amiko ity kapoaka mangidy ity?
Ianareo koa ve mba manana an'io fisainana io indraindray?
Dia ahoana no ataonareo amahana azy?
répondu par ikaretsaka le 18/05/2007 19:50
2. ikaretsaka ( 05/05/2007 18:49)
sao io ilay lazain-drakaroka hoe Andriamanitra rehefa misy patsa?
3. rakaroka ( 05/05/2007 19:27)
ikaretsaka:

sao io ilay lazain-drakaroka hoe Andriamanitra rehefa misy patsa?

Ka izay mihitsy ilay fiheveran'ny sasany an'Atra koa:
"Acteur" iray hanaovany izao karazana "comédie" foroniny rehetra rehetra izao!:-D:-D:-D:-D

4. ikaretsaka ( 05/05/2007 20:09)
Ianareo koa ve mba manana an'io fisainana io indraindray?

imbetsaka fa tsy indraindray ihany

Dia ahoana no ataonareo amahana azy?

tsy mitontra antsika misedra izay tsy zakantsika Andriamanitra.

fa io ilay voalazako matetika koa hoe "ny olona tsy mahalala ny fisian'ny nifiny raha tsy rehefa marary nify izy... mety tsy hahalala koa izy ny fisian'ny lohany raha tsy efa maharary andoha":wink:
zava-marina izany
5. rakaroka ( 05/05/2007 20:59)
[quote=linarako2]
Fantatro fa Andriamanitra daholo no tompon'andraikitra amin'ny fiainanako
,
Mampatsiahy ahy ilay filmn'i J C mikasika an'Atra izay ity resaka ity dia nis'adresse t@ ilay Dieu tokoa hono izy hoe matoa "tsy metimety toa izao ny fiainany dia Atra mihitsy no tompon'andraikitra voalohany tokony atrehina ...nony natrehana Atra izay tsy voazava mandrakariva ny "eritreriny marina mikasika ny "sors"n-tsika dia nampindramin'Atra an'ity namana ny pouvoir nananany, fa rehefa niandraketany dia nandeha t tsy izy mihitsy zary nikatsahany hiverina t@ toerana nisiany taloha ihany!Hi:hi:hi!:-D:-D:-D mampmé mampite hikomondro gné ny olnn indraindray:lol:
6. booboo ( 05/05/2007 21:35)
Fantatro fa Andriamanitra daholo no tompon'andraikitra amin'ny fiainanako

Zà no tompon'andraikitra @ fiainako kah ! refa tsy mijery tsara ve ny masoko ka voafingana zà dia Izy zay no tompon'andraikitra ?


Aiza ianao ry Tompo o! Fa maninona no avelany hiantra amiko ity kapoaka mangidy ity?
Ianareo koa ve mba manana an'io fisainana io indraindray?

ie.

Dia ahoana no ataonareo amahana azy?

Mamerimberina ilay hira "Aza avela ahalala" an-dRado iny mandra-paha "azoko tsara sady ekeko ny zava-kendren"ilay tononkira.
7. niryna ( 06/05/2007 06:36)
linarako2:




Aiza ianao ry Tompo o!

Eo akaikinao ihany Izy ka,tadiavo Izy fa ho avy!
Matio 7:7 efa nanome antsika toky fa izay mitady,mizaha, mandondom-baravarana dia ahita,ahazo ary hivoa ny varavarana ho azy.:P

Fa maninona no avelany hiantra amiko ity kapoaka mangidy ity?

Mba hitadiavanao azy sy hianteheranao Azy irery ary ao anatin'ilay fahoriana no ahitanao ny hery lehibe tsy takatry ny sainao.:D

Ianareo koa ve mba manana an'io fisainana io indraindray?

Ny namana etsy aloha mitovy hevitra amiko koa,mandalo sy mpahazo ny rehetra io ka tsy tokony ho kivy isika.
Dia ahoana no ataonareo amahana azy?

Raha amiko manokana aloha dia miezaka ny tsy ho kivy na ho very fanantenana izany aho,miezaka ny mitraka aho na inona manjo ahy.Ity foana ny ato an-tsaiko hoe "tsy hamela ahy ho irery ny Tompo" na hoe Hebreo 13:5"He will never leave me nor forsake me"

8. ikaretsaka ( 06/05/2007 17:18)
linarako2:
Aiza ianao ry Tompo o!


rehefa io dia ity foana no tsaroako:

Empreintes
Une nuit, un homme fit un rêve. Il rêva qu'il marchait sur une plage en compagnie du Seigneur.
Sur l'écran du ciel se profilaient les différentes étapes de sa vie. Dans chaque scène, il pouvait distinguer l'empreinte de ses pas sur le sable ainsi que celle du Seigneur.

À la fin, l'homme jeta un regard derrière lui et il remarqua qu'à maints endroits sur le sentier de sa vie le sable ne portait qu'une seule suite d'empreintes. Et, chose étrange, les différents intervalles correspondaient aux périodes les plus tourmentées de son existence.

Intrigué, il voulut interroger le Seigneur.

"Seigneur, dit-il, vous m'avez dit que si je voulais vous suivre vous marcheriez avec moi jusqu'au bout. Mais je constate que les moments les plus pénibles de mon existence sont marqués d'une seule suite d'empreintes. Je ne comprends pas pourquoi vous m'avez abandonné aux heures où j'avais le plus besoin de votre présence."

"Mon fils, répondit le Seigneur, je t'aime et jamais je ne te quitterai. Si tu ne vois qu'une seule suite d'empreintes à chaque étape où tu étais aux prises avec la souffrance, c'est qu'alors, mon fils, je te portais dans mes bras."
9. booboo ( 06/05/2007 18:54)
ontsôôoô ...tiako bee ilay tantara. Misaotra nizara ô :-*
10. Samoana ( 06/05/2007 19:48)
linarako2:

Aiza ianao ry Tompo o! Fa maninona no avelany hiantra amiko ity kapoaka mangidy ity?


( Pasitera no nitantara ):
Nandeha taxi-brousse hono ingahy pasy hampanao lamesa any ambanivohitra. Oram-baratra t@ izay ary ny lalana moa lalan-tany, malama tsy nisy toy izany.
Tsy nande ny essuie-glace ary nivavabavaka tsy nisy toy izany ny mpamily mba tsy ho azo-tsampona.
Tonga teo @ tetezan-kazo izay lavalava ihany. Tsy nisy nety nijanona anaty fiara ny mpande fa niala avokoa . Ny mpamily sy dadapasy sisa tanatiny. Dia nivavaka tsy nisy toy izany no sady mitomany hono ity saofera no sady miampita moramora ny fiarany ihany. Tsemboky ny tahotra anefa tsy afa-mihemotra intsony: " Tompo ô ! Fantatro fa ianao irery ihany no afaka manala ahy @ ity sedra ity ka dia matoky aho fa tsy hanary ahy ianao "....Tafita soa tokoa ranamana...Nivoaka ny fiara izy ary niverina teo amoron'ilay tetezana . Nakapony mafy teo ny vodi-tongony no sady nikiaka mafy hoe " Elà angaha tsy mahalala an-drazafimalaza ? "

( Rehefa sendra fahoriana mora ny miantso Azy fa tonga dia adino Izy vao misinda izany )
Fanafodiny: miaradia sy miresaka Aminy hatrany na sendra soa na sendra ratsy :wink:)


11. Zina ( 06/05/2007 21:30)
oy i samoana,
Fanafodiny: miaradia sy miresaka Aminy hatrany na sendra soa na sendra ratsy )


izany marina tokoa moa:wink:
12. ikaretsaka ( 06/05/2007 23:41)
ny ankamaroantsika na misakafo aza: dia ny jesosy o tahio ny sakafonay matetika tsy adino, fa rehefa voky avy eo dia samy miala fa tsy manao vavaka aorian'ny sakafo loatra.

io tantaran'i Samoana io dia tantara tena niainako koa.

Zahay moa nipetraka tany Antsirabe fony fahakely ary mpivezivezy eo Antananarivo sy Bira eo foana isaky ny weekend, t@ izany.

Tamin'izany fotoana izany (faramparan'ny taona 80) dia tsy mbola vita ny tetezan'Ambatofotsy fa ilay tetezana kely taloha, eo ambany ankavanana io raha mandeha mankany bira no mbola misy sy lalana.

Rehefa miakatra ny ranon'i Sisaony dia difotra tsy hita foana io tetezana io, indrindra rehefa fotoanan'ny cyclone ireny! dia asian'ny olona bois ronds ataony karazana balises fotsiny fa ao ambany ao ny tetezana... dia matetika ny camions sy ny 4x4 ihany no tafita, sady mbola miankina amin'ny hoe iza no sahy sy tsy sahy .

Tsy maintsy hamonjy Bira ary izahay sy ny 4L t@ izany satria hianatra sy hiasa ny ampitso. na tiana na tsy tiana izany dia tsy maintsy hiampita, niahotrahotra teo, nivavabavaka aby ary ny tao anaty fiara, dia tapa-kevitra hoe ndao! dia niampita tokoa sy nandeha moramora! no miantso ihany hoe "Tompo o! ampio, tantano zahay e, sns.... " nony vao tonga tery ampita dia najanon'ingahy ingahy saofera ny fiara no nivoaka izy sady manao ilay pozina mpanao body building be ireny no nanao hoe .. "tsy mahalala and-rafredy"? :-D

Efa tafaverina tao anaty fiara izy vao nobedesinay hoe tsy mahazo manao an'izany!
13. xxx ( 07/05/2007 06:54)
tafaverina nyrina dia iny koa linarako2!
14. xxx ( 07/05/2007 14:44)
xxx:

tafaverina nyrina dia iny koa linarako2!


Ka inona no olana amin'izany? Misy alahenona azy ireo angaha sa manana fitiavana azy ireo ianao? sa...zavatra hafa mihitsy ?
15. Rasiligaoma ( 07/05/2007 14:58)
mifankatiava f'aza miady e
16. niryna ( 08/05/2007 06:10)
xxx:


Ka inona no olana amin'izany? Misy alahenona azy ireo angaha sa manana fitiavana azy ireo ianao? sa...zavatra hafa mihitsy ?



8O=))
17. niryna ( 08/05/2007 06:12)
Ny fahafantarako azy koa aloha dia rehefa manana na metimety ,na ampy ny eo an-tanana dia tsy dia mieritreritra ny manantona an'Atra izany ny olona sasany.
18. ikaretsaka ( 08/05/2007 14:53)
betsaka ny manao an'izany
19. majesty ( 08/05/2007 15:07)
Hoy linarako2:

Fantatro fa Andriamanitra daholo no tompon'andraikitra amin'ny fiainanako,ny anao koa fa mety tsy mino Azy ianao.Fantany ny lalana hizorako, na vao mifoha aza aho dia efa fantany ny ho ataoko.
Saingy indraindray dia misy olana mianjady aho na misy halemem-panahy ihany koa.Izao no ato an-tsaiko:Aiza ianao ry Tompo o! Fa maninona no avelany hiantra amiko ity kapoaka mangidy ity?
Ianareo koa ve mba manana an'io fisainana io indraindray?
Dia ahoana no ataonareo amahana azy?



Jesôsy koa anie mba efa tratran'ny ôtran'io e,fa saingy ny nahasamihafa azy fotsiny dia nanaiky ny fitondran'Atra izy,satria hoy indrindra izy :"Ary efa tokony ho tamin'ny ora fahasivy,dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe;Ely,Ely,lamà sabaktany?"izany hoe :"Atra ô,Atra ô,nahoana no dia mahafoy ahy Hianao?" Matio 27:46

"Ary hoy izy:Aba,Raiko ô,ny zavatra rehetra hainao;esory amiko ity kapoaka ity,nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao,fa ny anao" Marka 14:36
20. niryna ( 09/05/2007 06:43)
Tokony hifikitra aminy mafy izany isika mba hananana ny finoana ho mari-pototra.Matoa nomeny ho antsika ny fahoriana dia fantany fa afaka mizaka azy isika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3785