Aiza Ianao ry Tompo o!

21. majesty ( 10/05/2007 08:33)
^:^
22. Zina ( 11/05/2007 00:19)
zany mihitsy ry nyrina a:wink:
23. Rasiligaoma ( 11/05/2007 01:44)
Zina sy Nyrina...
MIzara kely sy mijoro vavolombelona
Sendra nanonofy aho teo hoe niampita tetezana hazo izay hono isika telo dahy dia tapaka ny tetezana.. natahotra nareo 2 dia nivavabavaka be , ary nangataka, natao hatr@ litania sy ny arahaba ry maria niaraka tamiko fa mafy ny ady..
Tafita tery ampita ihany hono isika 3
dia nizity be hono nareo roa hoe mpivavaka sy ny sisa tafita ihany sns de nifampi:-* be teo isika ...
dia hoy hono aho hoe "raha tsy ilainao intsony ilay sapleko iny ry niryna dia mba omeo aty @ izay"
fa tsy nomenao hono...
Dia nisy feon'i Ave maria an'i schubert hono nandeha.....

Ave Maria gratia plena Taitra aho

Taitra aho.. soa fa nofy !
24. majesty ( 11/05/2007 07:49)
rasiligaoma :D:D:D
25. Zina ( 11/05/2007 18:08)
Oy ilay nofon'i rasiligoma oe
dia nizity be hono nareo roa hoe mpivavaka sy ny sisa tafita ihany sns de nifampi be teo isika ...

ka atao realite izy io
i rasiligoma sy ny hafa mihitsy no mahita an'io
mizity, ny filazana ny fahamarinana ve dia ho izitavana?
tena mampalahelo be ilay fisainana.
Ny ataoko ato dia milaza izay fantatro momban'ny tenin'andriamanitra ary adidiko ny milaza azy satria fitiavana no asehoko mba tsy ho hisy ny very kanefa kosa rehefa itan'ny hafa fa tsy mitovy amin'ny fisainany sy ny finoany akory atao... Atsika tsy1 1 no mieritreritra.:wink:
26. ikaretsaka ( 11/05/2007 18:19)
ny ahy any @ ilay hoe "tsy ankamerina saple" no tena nahataitra ahy!
27. niryna ( 11/05/2007 18:52)
Zina:

Oy ilay nofon'i rasiligoma oe
dia nizity be hono nareo roa hoe mpivavaka sy ny sisa tafita ihany sns de nifampi be teo isika ...

ka atao realite izy io
i rasiligoma sy ny hafa mihitsy no mahita an'io
mizity, ny filazana ny fahamarinana ve dia ho izitavana?
tena mampalahelo be ilay fisainana.
Ny ataoko ato dia milaza izay fantatro momban'ny tenin'andriamanitra ary adidiko ny milaza azy satria fitiavana no asehoko mba tsy ho hisy ny very kanefa kosa rehefa itan'ny hafa fa tsy mitovy amin'ny fisainany sy ny finoany akory atao... Atsika tsy1 1 no mieritreritra.:wink:



=))=))=)) efa noentiko nody aty an-trano aky ilay saplet fa iny foana no hivavahany fa tsy Jesosy a=))
Ho avy indray izao ireo olona mivavaka amin'ny saplet fa hiady amiko eto. Misy video koa ao milaza ireo mompera sy masera niala tsy ho katolika intsony.:roll::roll:Jereo ity video ity.Miala tsiny fa raha misy mahita amin'ny teny gasy na teny frantsay dia avadio.http://chick.com ary vakio ny momban'ny niandohan'ny fivavahana an'i Maria,ny purgatory na afo fandiovana (na lasa saina ahy io omaly ka nojereko ny nahatonga an'io fa misy olona manontany ao anatin'ny fivavahana),ny Babylon religion na ahoana no nahatonga ny olona hiankohoka ny Maria sy ny sampy sns,ny dadabe noely,tsy nampahafantarin'ny rainy mihitsy hoe izy ihany anie no nividy kilalao ho an-janany,ny tooth fairy na ankizy miala nify dia ho avy ny sorciere hanome azy vola ao ambanin'ny ondana kanefa ny reniny ihany no nametraka azy tao.
Betsaka e fa santionany ireo koa enga anie ka mba hiratra amin'izay ny mason'ny olona minomino foana.Marina tokoa izany.Mahatezitra ny olona ny milaza ny fahamarinana indraindray satria tsy mahita porofo hialana sy hanoherana ny marina izy.Fisaka tokoa ny marina fa samy mahalala izay hivavahany ny rehetra.Amiko Kristy no tompoko ,izy irery ihany ,izy irery ihany koa no ho toriko ny namana rehetra.Ankoantran'izay dia azy ho azy ny hino na tsy fa tsy anaraka na iza na iza aho fa Izy irery ihany.^:^^:^ Hosana any amin'ny Avo indrindra.:*
28. Zina ( 11/05/2007 19:01)
Mahatezitra ny olona ny milaza ny fahamarinana indraindray satria tsy mahita porofo hialana sy hanoherana ny marina izy

tsy izany ihany fa tena manindrona antsika ilay fahamarinana satria mi s'opposer ny fisainan-tsika sy izay tian-tsika atao...:wink:
29. ikaretsaka ( 11/05/2007 19:01)
niryna> tsy nivavaka @ saplet re ny fiteny fa mivavaka @ alalan'ny saplet
speciality anao indray ity manalanala sy manabangabanga teny ity. ataovy fa ho banga eo tokoa moa!
30. Zina ( 11/05/2007 19:05)
:roll:
31. ikaretsaka ( 11/05/2007 19:05)
niryna> efa nolazaiko anao tary ambadika tary koa hoe tsy ny fialana no zava dehibe sy ny vahaolana....fa ny fanamboarana!

Raha nanontany Razeso hoe ianao koa ve handeha?
Ho aiza moa izahay ry tompo hoy Rapiera!

Ny kely finoana sy ny marivo salosana no hoe kivy de miala!
32. niryna ( 11/05/2007 19:21)
ikaretsaka:

niryna> efa nolazaiko anao tary ambadika tary koa hoe tsy ny fialana no zava dehibe sy ny vahaolana....fa ny fanamboarana!

Raha nanontany Razeso hoe ianao koa ve handeha?
Ho aiza moa izahay ry tompo hoy Rapiera!

Ny kely finoana sy ny marivo salosana no hoe kivy de miala!

Aiza ny lalako ary :arrow:sa atsy :arrow:Ary:D

33. ikaretsaka ( 11/05/2007 19:26)
Anontanio i Benoit! hoy ny hiran'i jeneraly =))
34. niryna ( 11/05/2007 19:38)
http://www.chick.com "witnessing tools" eo ambany.klikiavo eo amin'ilay priests and nuns (monpera sy masera niala)Ity web ity no milaza fa maninona no mivavaka amin'ny Maria,ny niandohany fa mety tsy mahalala ny antony isika,catholicism, misy ilay afo fandiovana nisy nanontany koa aho (purgatory) sns...Tsy miresaka finoana aho fa matoa ny olona ry Ika niala dia nisy zavatra noheveriny fa tsy mety tao.Miresaka fanambadiana indray dia zavatra hafa.Moa tsy mba fantatrao fa araka ny maha maro ny fiangonana no mahabetsaka ny fitoriana ny filazantsara raha ohatra ka Jesosy kristy irery ihany no hifikirany sy hitoriany teny?Lanja-miakatra ny fiainana ary tsy misy miverin-dalana.Ny tianao izany dia hiverina ho Romana katolika daholo ny olona ?? Tsia, tsia ,tsy anao izany intsony ny olona.Aiza ireo kristiana aman'alinalina novonoina tao roma ireo.Kristiana ihany anefa namono ny kristiana mitovy aminy.Moa mba mahafantatra an'izany daholo ve ny firenentsika?Avy aiza no nihavian'ny fivavahana amin'ny alalan'ny saplet kanefa efa milaza ny didy folo Eksodosy 20:3 hoe aza mivavaka amin'ny sary vongana na zavatra na sarisikotra.Aza mivavaka amin'Atra hafa.Eny e tsy ahaleo ny dohikanareo akory izahay fa ny tena realite jerena e.Maninona no mivavaka na mangataka aminy e .Tsy misy intsony ny mpanelanelana hoy ny baiboly fa Jesosy irery ihany.Izao indray izao no lazainareo:roll::roll::idea:Ka tsy mivavaka aminy anie izahay ,fa iza no milaza aminao fa mivavaka aminy izahay,fa iza no milaza aminao fa miankohoka aminy izahay fa iza,fa iza....Ny tsy mpino hoy ny baiboly dia tsy ahalala fa misy ny Fanahy Masina mitaridalana azy satria tsy mino an'izany izy.Mbola manana andro isika hisaintsainina;Jereo io video io fa vao hitako omaly nilaza ny mompera sy masera nivadika tsy ho katolika intsony.
Misaotra (l)niryna
35. Zina ( 11/05/2007 19:49)
:wink:
Aiza ianao ry Tompo o? Tsy lavitra antsika rehetra izy.. Tian-tsika izy ary tsika ko raha tena tia azy dia manaraka ny diany.
36. ikaretsaka ( 11/05/2007 20:13)
niryna kosa rangahy an! efa hoe tsy mivavaka @ Maria hoa fa mivavaka amin'ny ALALAN i maria, in 5 izay ianao no nahitsiko t@ io manabanga teny io! ary enga anie ka tsy ho very sy banga ohatran'io ataonao io ianao any @ izay misy anao any!
you're lost in translation!

Momba ilay witnessing tools:
samy manao ary manambara an'io aby rehefa "mijoro ho vavolombelona" na finoana inona na finoana inona, na publicite na inona na iona (mijereva TV)
izany no tsy maha pour anahy amin'ny fampiasana ilay mirona loatra @ ilay fijoroana hoe tahaka izao sy izao ny fiainako taloha dia zao lasa tahaka izao tokoa izao ! henoiko atsy ny ahy ireny dia avoakako aroa
hoe kristianina nivadika silamo dia manazava izay tsy tiany amin'ny kristianisma, na jiosy nivadika kristianina na katolika nivadika propesta na propesta nivadika katolika , na kristianina nivadika ho hindou na katesista nivadika dadarabe!
Tsy misy mahasamihafa azy @ ilay mpisotro cpca nivadika pepsi ireny amiko!

Azy ny azy, fa tsy ireny akory ny important fa amiko fika fitadiavana kil @ ny zavatra tsy mandeha sy mody fanaovana "security blanket" amin'ireo adeptes an'ilay finoana malodalodaka nifindranao ireny amiko...

momba ilay mpanelanelana
IO samy manana ny fomba fi interpreteny andalana ny baiboly: misy milaza fa tsisy intsony, ary miteny izany ny andalana sasany ao @ baiboly! ao tokoa izay ary voalaza!

misy koa ary voalaza ao anaty baiboly koa anefa ny fisian'ilay mpanelanelala hafa .. (aloka, mosoara, Maria sy ny mpiasa t@ fampakaram-bady tany kana, eny fa na ny apostoly sy paoly aza anie mpanelanelana e)

tsy misy ifanaratsiana io fa samy manana ny andalana interpretevany! sy inoany, fa amiko dia ny nety siekla efa ho 20 mahery dia inoako loatra sy lavitra kokoa nohon'ny nisy siekla 5
raha izany dia niovaova foana sy efa nanao ilay fisainana hoe" voazavan'ny siansa daholo izy ity" koa aho
37. ikaretsaka ( 11/05/2007 23:43)
soa fa nofy tokoa koa izy ity: fa mino aho fa tena ohatran'io lazain'i niryna io mihitsy no nataony nony tafita ilay tetezana izy!
tafita ny tetezana izy dia whoooo hooooo!
38. linarako2 ( 12/05/2007 18:21)
ikaretsaka:

soa fa nofy tokoa koa izy ity: fa mino aho fa tena ohatran'io lazain'i niryna io mihitsy no nataony nony tafita ilay tetezana izy!
tafita ny tetezana izy dia whoooo hooooo!




:twisted::twisted:
Aiza kosa ry ikaretsaka.Nanome hery sy fampaherezana ahy daholo ny teninareo rehetra fa dia misaotra e.
Tena eo akaikiko tokoa ilay Tompo fa izaho no tsy nahalala raha tsy nomenareo rehetra fampaherezana.
39. diamondra27 ( 13/05/2007 14:50)
linarako2:

Fantatro fa Andriamanitra daholo no tompon'andraikitra amin'ny fiainanako,ny anao koa fa mety tsy mino Azy ianao.Fantany ny lalana hizorako, na vao mifoha aza aho dia efa fantany ny ho ataoko.
Saingy indraindray dia misy olana mianjady aho na misy halemem-panahy ihany koa.Izao no ato an-tsaiko:Aiza ianao ry Tompo o! Fa maninona no avelany hiantra amiko ity kapoaka mangidy ity?
Ianareo koa ve mba manana an'io fisainana io indraindray?
Dia ahoana no ataonareo amahana azy?


__________________________


Marina zany , zay no voalazaao @ baiboly

fa aza adino fa hoy koa Izy we: moa ny soa ihany va no azonareo @ Atra fa tsy ny ratsy koa...
Ny zanaka tiana no hanarina....
Miara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa ....

Raha misy fahoriana mianjady aminao de aza atao mahakivy izany e!, Atra ange mitàna ny teny fikasany e! Tadidio mandrakariva ny nahazo an'i Joba de tsy ho kivy ianao, manaraka izany ny nahazo an'i Jesosy ihany koa , niaritra ny mafy ary nanaiky hatr@ fahafatesana ary efa nitsangana t@ maty mivoaka ho MPANDRESY, koa mifikira Aminy

Zao no lazainy: apetrao amiko ny enta-mavesatra ...de ataovy eo ambany hazo fijaliany zany, ny angatahana aminao nge de ny mino fotsiny e!

Raha tena manana finoana sy matokky an'Atra ianao , de hahita ny voninahiny
Enby fa na de ny olona akaiky anao izao aza no maty ka mampalahelo anao de hainy ny mampitony y fonao

Zavatra efa niatra tamiko daholo izany matoa za miteny io.

Mazotoa de bon courage

Jesosy ô! tantano ny fiainako anio , aoka ianao no hitarika ahy @ ze ataoko ....
Omeo ny FM -nao etc... ny herinao etc...
Raha tena ataonao @ fo io de mandaitra fa raha sadasada tsy hisy valiny fa vao maika hikoroso fahana ny fiainanao.



40. Rasiligaoma ( 14/05/2007 01:41)
soa ihany tokoa fa nofy: fa nony tafita dia tsy norarahiana tokoa ilay saple. nefa teo ambony tetezana teo .. tahaka an'ny inona!
enga anie ka mba tsy ho realité
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2377