grille de protection

1. ftma ( 03/04/2007 10:56)
Avy namaky ity lahatsoratra ity aho dia nahatsiaro ny resako tamin'ny olona tany Dago hoe "ohatry ny prison ny trano aty amin'ilay grille de protection sady raha misy loza tsy afaka madositra akory".
Tsy misy fomba hafa ve hiarovana amin'ny dahalo fa tsy maintsy ireny fefy vy ireny foana?

Fenoarivo : 6 mianaka maty nodoran’ny jiolahy tao an-tranony
30-03-2007 / 09:30
Misy “grille de protection” avokoa ny varavarankely rehetra ka tsy tafavoaka ireo tao an-trano satria efa voatohana ny varavarana.

Fanafihana miaro vonoan’olona mahatsiravina tokoa ity niseho teny Fenoarivo omaly alina ity tokony ho tamin’ny 11ora mahery. Enina mianaka mantsy no indray nodoran’ireo jiolahy tao an-tranony rehefa avy notafihany. Araka ny voalaza, dia jiolahy maromaro no nanafika ity “villa” iray teny amin’ny kaominin’i Fiadanana-Fenoarivo ity. Rehefa tafatsofoka tao an-trano ireo jiolahy dia norahonany ny olona tao ary nalainy avokoa izay rehetra azony nentina. Vao azon’izy ireo izay notadiaviny dia nohidiny tany amin’ny rihana ambony amin’izay izy enina mianaka tao an-trano dia ilay ramatoa tompon-trano sy ny anadahiny ary ny zanany. Talohan’ny nandehanan’ireo jiolahy anefa dia nampirehetiny ny gaz tao ambany rihana ary nivoaka amin’izay ry zalahy dia notohanany avy any ivelany ny varavarana.

Tsy tafavoaka
Nikoropaka amin’izay izy enina mianaka tao ambony nony avy eo satria nidonaka ny afo tao ambany ary efa nananika ny gorodona nisy azy ireo. Teo dia voalaza fa mbola niezaka niantso an-tariby ny vadiny ihany ilay ramatoa kanefa hay lasa namita iraka any amin’ny faritany ilay rangahy. Io indray avy eo no niantso ny fianakaviany taty an-drenivohitra hamonjy ny vady aman-janany. Nandritra izany anefa dia efa niredareda ny afo ary niezaka nanavotr’aina ihany izy ireo saingy tsy tafavoaka satria misy “grille de protection” avokoa ny varavarankely ary ny varavaram-be voatohana. Nony farany, may tao izy rehetra ary niafara tamin’ny fahafatesany.

R.C

©Gazetiko

répondu par ftma le 04/04/2007 20:48
2. booboo ( 03/04/2007 11:00)
:{:{:{:{:{:{:{:{:{:{
3. tywa68 ( 03/04/2007 11:07)
Tena loza tokoa ny nahazo an'io fianakaviana io !
Inona marina no azonao atao hiarovana ny trano ? alarme, na alika masiaka sy gardien ve ; asiana olona foana ny trano d tsy manao izay hitsiriritan'olona anao.

4. xxx ( 03/04/2007 11:07)
Efa tsy hita intsony izay tokony hatao sy tsy tokony hatao any M/car, tellement tsy misy azo itokisana sy antenaina raha ny resaka sécurité . Mampalahelo be ny zavatra toy izao
5. Vahinala ( 03/04/2007 11:30)
anjekaiko o, gravy be:{
6. jhouhlambout ( 03/04/2007 12:06)
grave bé zany klé!!!8O
7. meva2 ( 03/04/2007 13:00)
Tany @ Dada sy mamanay dia nandrasan-dry zareo mihitsy ny zandriko lahy teo antokotany. Teo aloha dia tonga dia à genoux, avy eo dia narahiny tao antrano, hatrany @ chambre misy an'izy mivady dia nofohazina, nasainy natory @ tany daholo ary tsy mihetsika, tsy mijery azy. Entretemps dia nalainy ny vola sy ny firavaka rehetra na ny alliance aza. Avy eo dia na ny parfum aza dia lasany.
Tena terrorisés daholo ry zareo raha vao alina ny andro.Ny gardien nilaza fa tsy nahare n'inoninona. Afaka andro vitsy2 dia nisy nangady daholo ny voninkazo teo antokotany, mamanay mantsy tia voninkazo dia maro no tsy dia fahita any loatra izay alefa avy aty, dia lasa daholo koa ireo.
Tena mahonena mihitsy ny toetra ohatr'izao.
Marihiko eto fa t@-dry zareo nisy nanafika, de minuit à 5h du matin ry zareo dia teo @ tany tsy nisy sahy nihetsika.
8. boubounezy ( 03/04/2007 13:15)
mmhmhhhhhhhh tena enjana bé.
betsaka iany ny gasy mba itako té ipetraka any dago fa no ny zavatra otrireo dé misy ny tsy mipetraka any.
mampalaelo.:cry:
9. ftma ( 03/04/2007 13:41)
Tsy hoe ny zavatra ohatr'izao no tsy hipetrahana any fa mitady vahaolana,
Ny eny amiany izao misy fefy (tamboho) sady misy alika masiaka dia asiana olona foana ao antrano, samy manana sifflet ko ny manodidina dia samy mitsoaka raha sendra misy maheno feo hafahafa any ivelany.
10. dadie ( 03/04/2007 13:51)
hoy i boubounezy
mmhmhhhhhhhh tena enjana bé.
betsaka iany ny gasy mba itako té ipetraka any dago fa no ny zavatra otrireo dé misy ny tsy mipetraka any.
mampalaelo


dry aki aza manakivy aaaa ,za zao hody any ,misy fahamarinany ny tenindry nefa aty anie ny fiainana ka tena grave koa e ,

hoy i ftma
Tsy misy fomba hafa ve hiarovana amin'ny dahalo fa tsy maintsy ireny fefy vy ireny foana

tena grave b koa zany ry ftma an ,tsy mbola nieritreritra io za oe ra may avy aty ambany ny afo d aona? kay tena tsy misy azo ialana mihintsy kay,ny anay dray ny tambo no avo b ,d rehefa mandihy zay ny alina tsy avelan'i mamanay fohazina ny gardien ka ra sendra adino ny lakilé d sotina fotsiny d tafiditra lol....
11. Fiffi ( 03/04/2007 14:13)
grave zany klé !
12. ftma ( 03/04/2007 14:32)
dadie: azo asiana vakitavoangy ilay tambo dia hidiana tsara ny vavahady, ampiana hidiny.
Matetika olona efa mahalala tsara anao ko no manafika dia mba mailo ihany rehefa mampiditra vahiny ao antrano ka
13. kally ( 03/04/2007 16:02)
Asiana alika masiaka be tsy misy ohatr'izany koa!
14. karinah ( 03/04/2007 16:48)
humm, animpazany zvt le akia de minana de matory be:lol:, ndray2 koa ny gardien ihany no manana relation ratsy, efa mahalala ny fandaharam-tona ny ilay fianankavina de zay...:{
15. ikaretsaka ( 03/04/2007 16:51)
izany ny fiainana iainana any e...:cry:
fa indraindray koa ny gardien miray tsikombakomba amin'ny jiolahy

fa marina mihitsy io hoe asiana alika masiaka aloha:

tsy manambany olona aho akory fa ny zavatra miseho any amintsika no ambarako:
any @ tanana dia ny alika no azo atokisana sy tsy mivadika kokoa noho ny olona! gardien.

miompy alika masika dia atao tsy mifankahazo mihitsy ireo biby ireo sy ilay olona
ataonao gardien.
ohatra hoe olona hafa ao amin'ny fianakaviana na ianao mihitsy no manome ny sakafony sy misangy ary mi dresse ny alika.

Za taloha farak'izay tsy tia alika.. fa nony nahita sy nahatsapa.. dia nampidirina aby ny rotweillers sy ny pit bulls! sy ny dobermans..
aleo ireny toy izay gardien mitsam!
16. kally ( 03/04/2007 16:54)
Ka izay mantsy ho'a! ny tamboho avo be tsy misy anipazany inona ho an'ny alika izany fa izy mihalohalo eo indray no rovitra voalohany!
17. karinah ( 03/04/2007 16:54)
tokony ho henjana ny fitondrana @ resaka sécurité,tsisy hafa tsy izay ny ffody 1° ndrindra hitako aloh:-w, ny polisy atao tsara karama koa mba hazoto miasa, raha kely sakafo izy ireny sanatria ahoana ny hahavitany ara dalàna ny asany? Ny fiaran'ny polisy mba hovaina fa raha 4x4 baché, ve de hahenjika in @ reny jiolahy manana fiara matanjaka be reny :lol::oops:
...resaka securité ndray, tahaka ny t@ Zaf Alber reny izao tena nilamina, tsy nisy dalo manafika sns, zany trony..
18. karinah ( 03/04/2007 16:58)
Kally::lol: mihanika ry zareo(ohatra ny @ film reny):lol:, zvt efa miofna be mintsy ange reny mpangalatra reny e,hihihihihihi
19. tywa68 ( 03/04/2007 17:12)
Ika : ny alika anie anipazana hena misy poizina koa d ahoana indray ?
Tsy misy tsara afa-tsy ny mifandray @ manodidina raha mbola any dago e ! zany hoe voa mitokana d efa manome fahefàna andry mpandroba !
20. kelly13 ( 03/04/2007 17:19)
le izy ange ry reto na hitandrina b etc... aza refa sendra ny patsa 1 tsy omby vava izay d tena mifafa ny kiho mihintsiny e! :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1258