Nahoana no iadivana ny fivavahana?

1. tsimiandravola ( 01/04/2007 07:37)
-Marina fa samy manana ny heviny sy ny toerana misy azy miohatra amin'ny fivavahana ny tsirairay.Amiko fotsiny izao dia na inona na inona tsy fitiavako ny fivavahana tokampo (monothéisme),dia tsy afaka mandringana izany ao ampon'ny olona mihitsy aho.
Kanefa voatery miady ihany aho satria,eto amin'ny tanana misy ahy izao,dia ankavitsiana ny fikambanana ahafahako miara-miriaria amin'ny mpiray tanindrazana nefa tsy iresahana fivavahana.Azoko lazaina aza fa mitsipozipozy ihany io fikambanana io.Ny tena itangoronan'ny olona dia any ampiangonana,ary ny ankabeazan'ny olona azon'io dia matetika tsy hita intsony hihaonana hanao daomy,hilalao petanky,hampiady akoholahy,hiresaka politika,hanao balade en vélo,hanao vako-drazana,....Fa matetika voasaron'ny sampana "fifohazana" ny créativité rehetra mety hisy ao amin'ny olona...ary tsy ny baiboly mihitsy no hanampy ny mpanohitra amin'izany fanasana atidoha izany.

Dia anareo mpino no mieritreritra fa na dia miseho ho manao activité ludique ,na économico politique maro aza ianareo,dia fantaro fa maro dia maro ireo "bornés" sy mpanao exagération isankarazany.

Dia voatery ve ny tsy mpino hankany ampiangonana vao ho afaka hiara "mikalo" aminareo ...Lelikkka!!!
répondu par rabilabila le 09/04/2007 04:37
2. Samoana ( 01/04/2007 09:01)
Taiza ary ise halina nefa niara-nitafa tao @ florida palace avokoa ireo mpanao dômy sy petanky:wink:. Ny vako-drazana mbola manginy fotsiny nanaovan'i Ramahafadrahona azy !!
Ny tiako tenenina dia tsy misy faneriterena izany fa malalaka ny safidin'ny tsirairay. Misy lasa nivavaka izao ny tato aminay fa izaho te hamaly an'ise eto de tsy nande^:^
3. tsimiandravola ( 01/04/2007 11:10)
Samoana:

Taiza ary ise halina nefa niara-nitafa tao @ florida palace avokoa ireo mpanao dômy sy petanky:wink:. Ny vako-drazana mbola manginy fotsiny nanaovan'i Ramahafadrahona azy !!
Ny tiako tenenina dia tsy misy faneriterena izany fa malalaka ny safidin'ny tsirairay. Misy lasa nivavaka izao ny tato aminay fa izaho te hamaly an'ise eto de tsy nande^:^

:lol:Ka 'lay omby aloha dia tsy vasa mihitsy,fa tena monopole be koa anie ny an'dry zalahy(donc drala be ny resaka ao) satria aiza ialahy isany no mbola nahita an-dry Gringo(fpma) sy ry Zam-bà (katô) sy ry Sain'ny Miso (Loterana) nanàsa an-dry ramahafadrahona,na ry Njakatiana,na ry Roasy,...Maximum dîner concert no mba misy,ary soa ihany aloha fa mba misy kaly...Concurents maro be ireo,ary tokony hampidina ny vidim-pidirana ho anay "consommateur",fa tsy misy mamely ê!
Sady Jaojaoby izany koa anie tsy adiko loatra ê!

4. tsimiandravola ( 01/04/2007 11:16)
Aiza indray ary izao no misy fitsangantsanganana amin'ny Lundi de Paques ankoatry ny an'ny Propestà any Tholonet?
Rehefa tsy misy indray ny an'ny Laiika dia voatery indray ny tary manao mody mpivavaka be koa atao ahoana,sao mantsy dia ataon-dry zalahy toy ny Pestiféré fa antikrista hono:snif:
5. Rasiligaoma ( 01/04/2007 12:13)
Dia voatery ve ny tsy mpino hankany ampiangonana vao ho afaka hiara "mikalo" aminareo ...Lelikkka!!!

raha zay kosa aho de tsy manaiky le
6. Salut ( 01/04/2007 12:43)
Tsimiandravola: Mbola tsy nisy kristiana angamba teto na iray aza niteny ratsy na nanalika olona. Koa mba mifanaja fa samy olombelona. Lazao izay lazainao, fantaro ny antsoina hoe: serasera na fifandrasana dia izay. Misaotra!
7. kally ( 01/04/2007 12:54)
tsimiandravola:

Aiza indray ary izao no misy fitsangantsanganana amin'ny Lundi de Paques ankoatry ny an'ny Propestà any Tholonet?
Rehefa tsy misy indray ny an'ny Laiika dia voatery indray ny tary manao mody mpivavaka be koa atao ahoana,sao mantsy dia ataon-dry zalahy toy ny Pestiféré fa antikrista hono:snif:

Fa nahoana raha mivondrona ianareo tsy mpino dia mba manao ho anareo manokana kosa? Ary iza moa no mba tena nanery anareo hoe manaraha anay Mpino?
8. Salut ( 01/04/2007 13:10)
Azoko lazaina aza fa mitsipozipozy ihany io fikambanana io

Satria tsy misy aina tena ivelomany fa fankahalana no mivoy ireo olona ao anatiny.
Tsy manana ny tena maha izy azy, fa ajoro mba handrava fa tsy hanorina.
Tsy misy tanjona mazava, ary tsy manana izay mba hiafarany.

Raha te hanorina fikambanana azo antoka ho anareo manokana ianareo dia apetrao ny fototra ho anareo aloha, ataovy mazava ny tanjona, fa aza varina manenjika sy mandrava ny an'ny hafa.
Misaotra betsaka
9. tsimiandravola ( 01/04/2007 14:43)
Salut:

Ny mampitsipozipozy an'i fikambanana io aloha dia fomba fijeriko izany fa tsy fanaratsiana tsy akory.Raha misy olona mamaky an'ity ka ao anatin'i fikambanana io dia hahatsapa fa mandray tsy raisina ingahy Salut,ary mitsaratsara foana toy ny fanao mahazatra ny kristiana!
Ny tanjon'i fikambanana io dia mazava ary déclarée izy io,ary tsy mieritreritra ny "hiafara".

Ny fikambanana dia malalaka.Mahazo manao daholo izay te hanorina rehetra.Mazava ho azy fa nohon'ny mahavitsy ny "tsy manam-pinoana" dia sarotra ny manorin-javatra tsy miankina amin'ny fivavahana.Ary izany no iadivako sy hihezahako "mandrava" ny naorin'ny hafa ahafahako maka na dia "tapa-biriky" fotsiny ihany aza.

Fa ahoana!! May angaha ny endimboajonareo no toa mibaradaka sahady satria misy ny mpahohitra ampahibemaso?

Hafa tokoa mantsy ny taloha ka manaiky lembenana be fotsiny ny valalabemandry an!!!

Misy ny mpanohitra ê!Ary tsy ho afa-manjaka be fahatany fotsiny intsony ny be kabary mandangolango psychisme.

10. soanja ( 01/04/2007 14:51)
tsimiandravola:

-Marina fa samy manana ny heviny sy ny toerana misy azy miohatra amin'ny fivavahana ny tsirairay.Amiko fotsiny izao dia na inona na inona tsy fitiavako ny fivavahana tokampo (monothéisme),dia tsy afaka mandringana izany ao ampon'ny olona mihitsy aho.
Kanefa voatery miady ihany aho satria,eto amin'ny tanana misy ahy izao,dia ankavitsiana ny fikambanana ahafahako miara-miriaria amin'ny mpiray tanindrazana nefa tsy iresahana fivavahana.Azoko lazaina aza fa mitsipozipozy ihany io fikambanana io.Ny tena itangoronan'ny olona dia any ampiangonana,ary ny ankabeazan'ny olona azon'io dia matetika tsy hita intsony hihaonana hanao daomy,hilalao petanky,hampiady akoholahy,hiresaka politika,hanao balade en vélo,hanao vako-drazana,....Fa matetika voasaron'ny sampana "fifohazana" ny créativité rehetra mety hisy ao amin'ny olona...ary tsy ny baiboly mihitsy no hanampy ny mpanohitra amin'izany fanasana atidoha izany.

Dia anareo mpino no mieritreritra fa na dia miseho ho manao activité ludique ,na économico politique maro aza ianareo,dia fantaro fa maro dia maro ireo "bornés" sy mpanao exagération isankarazany.

Dia voatery ve ny tsy mpino hankany ampiangonana vao ho afaka hiara "mikalo" aminareo ...Lelikkka!!!

Asanao re Ra-Tsimiandra fa dia matoa mivory ny olona ka matanjaka dia misy tombotsoa tsy manampaharoa ao izay.
Raha izaho ianao manontany tena ihany hoe nahoana no tsy mba toy izany izahay? Ary maninona io groupe lazainao tianao irahana nefa Krsitianina io no manintona anao fa tsy ny hafa.
Misy fikatsahana ao anatinao RaTsimiandra fa odianao tsy heno a.
Tonva koa ianao hihaino ny toriteniko fa ny 15 minitra ihany de ampy!:D

11. tsimiandravola ( 01/04/2007 14:51)
Salut:

Tsimiandravola: Mbola tsy nisy kristiana angamba teto na iray aza niteny ratsy na nanalika olona. Koa mba mifanaja fa samy olombelona. Lazao izay lazainao, fantaro ny antsoina hoe: serasera na fifandrasana dia izay. Misaotra!
Fa betsaka kosa ny kristiana manely finoana izay "hita miharihary izao izay maharatsy azy".Aminay izany dia poizina ary sady tsy fampiseho masoandro halatra sy fanagolentsaina ka ratsy lavitra nohon'ny "ompa" .

Ny hoe "leliiikka" koa anie de fomba fiteny fotsiny fa aza mba mandray antendrony ra-Salut ah!
Raha izany no tianao hiadian-kevitra dia izao ary:amiko dia mammifère toa antsika ihany koa ny alika.Dia lazaovy indray fa ataoko ho tsy misy mahasamihafa azy ny olona sy ny alika!!!
Sady isika koa anie ka tsy miombona "morale" ê!Ny anareo kristianna ,ny ahy tsy mpino.

Allez! Sans rancune!

12. soanja ( 01/04/2007 15:03)
Miaina ao anaty fiarahamonina kosa isika eto na amin'ny serasera aza ka mba miangavy kosa tsy samy hanao izay daninin'ny kibony amin'ny fampiasana ny teny isan-karazany izay hita fa mamparary sofina noho ny antony hitondrana azy fa tsy ny tena dikany ara-bakiteny. Misaotra ary!
13. tsimiandravola ( 01/04/2007 15:24)
Soanja:
Tongava koa ianao hihaino ny toriteniko fa ny 15 minitra ihany de ampy!

F'angaha mpitory teny mihitsy i Soanja le!??

Ny ahy indray ny TJ tonga ato antranoko, tsy tafajanona mihoatra ny 10 minutes,,,,tsy hoe ataoko roakalikalemandeha akory fa ny tsy faneken-dry zareo hitoetra amin'ny "même piedestal".Dia aleony mandeha!
14. Salut ( 01/04/2007 16:16)
Tsimiandravola:
Fa betsaka kosa ny kristiana manely finoana izay "hita miharihary izao izay maharatsy azy".Aminay izany dia poizina ary sady tsy fampiseho masoandro halatra sy fanagolentsaina ka ratsy lavitra nohon'ny "ompa" .

Mba asehoy hoe hojerena izay lazainao fa tsy fampiseho masondro iraha-mahita. Sao ianao no efa feno fankahalana loatra ka zary lasa extrémiste tafahoatra?
Ary sao mba ianao lahy no manely zavatra tsy manjary eto. Mivohy toe-tsaina tsy sahaza ny maha olona.
15. Salut ( 01/04/2007 16:41)
Tsimiandravola: Tsy mandray tsy raisina aho tompoko fa ny resaka nataonao no novaliko. Jereo koa raha misy fitsarana ao na kely aza. Milaza ny fomba fijeriko aho ary nezaka nanome toro-hevitra avy eo.
Raha olona mandinika no mamaky an'io zavatra nosoratako io dia hahita fa tsy misy zavatra diso aho. Ary mbola hamafisinao izany.
Jereo fa hoy aho:
Tsy manana ny tena maha izy azy, fa ajoro mba handrava fa tsy hanorina

Hoy kosa ianao avy eo:
nohon'ny mahavitsy ny "tsy manam-pinoana" dia sarotra ny manorin-javatra tsy miankina amin'ny fivavahana.Ary izany no iadivako sy hihezahako "mandrava" ny naorin'ny hafa ahafahako maka na dia "tapa-biriky" fotsiny ihany aza.

Lazainao fa manana tanjona mazava ny fikambananao nefa mbola tsy nisy na teny iray aza nataonao teto momba izany fa ny fanaratsina ny an'ny hafa ihany no nilofosanao. Amiko rehefa tsy lazaina ny zavatra iray dia: na tsy misy na matahotra ilay olona hilaza azy satria zavatra tsy mendrika no hambarany. Lazao iaraha-mahita eto izay lazaina fa tena tsara ary mba ifanatrehana!
16. tsimiandravola ( 01/04/2007 17:15)

1)Voalohany aloha dia tsy fikambanako ilay izy,ary tsy izaho no nanorina azy.Fa fikambanana efa nisy ary tsy nijoro amin'ny tsy finoana na zavatra hafa fa anintanio aloha ny olona namorona azy dia mazava aminao izy.Izaho rahateo tsy nieritreritra ny hanorina fikambanana izany,indridra fa miankina amin'ny tsy finoana ,hatreto aloha....
2)Matoa aho mitetika ny handrava,na ny ampahany ihany aza,ary tsy mamorona,fa kosa mi-kritika ny an'ny hafa...dia tiako ny hahatongavan'ny maro saina fa tsy izay avo feo toy ny kristianisma ihany akory no fatratra....

Lazaiko mazava aminao fa ady natomboky ny kristiana tamin'ny taonjato faha1 sy faha2 izy ity ka nahatonga ny kristiana hanafoana sy hanenjika ny fivavahana madinika maro ka nanaovana ny kristianisma ho religion d'Etat.Talohan'izany fotoana izany kosa nefa dia samy nanana ny andriamaniny ny paien,nisy ny liberté réligieuse.Izany no azo lazaina fa fahalalahana fa tsy ny tendence nisy sy misy toy ny ataon'ny kristiana.

Noho izany dia mandrava fotsiny dia efa tsara amin'izay ,miverina indray ny atao hoe LIBERTE ,satria samy hanana ny azy ,sy samy hanana ny safidiny ireo izay te hanana ny finoany toy ny finoana ny razana izay nabokain'ny kristianisma hatramin'izay...

Izany no izy tompokolahy hajaina...
17. Salut ( 01/04/2007 17:36)
Tsimiandravola: Ny dikan'izany dia tsy misy fototra izany ny zavatra ijoronao fa paokaty. Tsy sahy lazaina satria matahotra ny ifanatrehana, tsy mahataty kritika sns... Mandrava no hainao sy talentanao dia izay ve no antsoina hoe: liberté?

Ianao izao no matahotra ny marina, sy tsy sahy mifanatrika, nefa lazainao fa izahay kristiana.

Ianao no tsy mahatanty sy tsy mahay miady hevitra ka lazainao fa izahay kristiana. Jereo fa ianao no efa nanalika olona sy niteny ratsy teto.
18. Fiffi ( 01/04/2007 18:07)
tsimiandravola:
...Lelikkka!!!
:arrow:

19. kally ( 01/04/2007 18:55)
tsimiandravola:

Noho izany dia mandrava fotsiny dia efa tsara amin'izay ,miverina indray ny atao hoe LIBERTE ,satria samy hanana ny azy ,sy samy hanana ny safidiny ireo izay te hanana ny finoany toy ny finoana ny razana izay nabokain'ny kristianisma hatramin'izay...

Izany no izy tompokolahy hajaina...

Raha izaho ianao ry Tsimiandravola raha mitetika handrava zavatra izany, fantarina tsara aloha ilay zavatra ho ravana mba haharava azy haingana fa sao lany andro fotsiny.Toa te-handrava ianao mantsy fa tsy hitanao hoe avy aiza no handravana azy ka ho sasa-poana eo ity ianao.
20. tsimiandravola ( 01/04/2007 19:48)
kally:

Raha izaho ianao ry Tsimiandravola raha mitetika handrava zavatra izany, fantarina tsara aloha ilay zavatra ho ravana mba haharava azy haingana fa sao lany andro fotsiny.Toa te-handrava ianao mantsy fa tsy hitanao hoe avy aiza no handravana azy ka ho sasa-poana eo ity ianao.

Sady mamaly an' Salut ihany aho no mamaly ity:Ny zavatra tiako ravàna dia fantatro tsara.Ny Kristiana no tsy mahafantatra azy tsara.Ilay Kristy araka ny voalazan'ny nouveau testament no tsy nisy na hoviana na hoviana,nefa io no nifotoran'ny famonjena dradrain'ny kristianna.Mazava ho azy fa mirodana ho azy ny kristianisma iray manontolo,ary eo ampialana aina ankehitriny.

Ny hany hahavonjy azy dia "reforme" izay efa hezahan'ny maro atao ankehitriny .Ohatra toa an Atoa Mc Laren Brian izay efa namoaka boky mitondra lohateny hoe: "reinventer l'Eglise" (publication de la LLB).Toy izany koa ny maro hafa izay tsy tenenina intsony fa anjaranao ny manaraka ny vaovao sy ny firehana ny amin'izany.Izany rahateo no maha-"fini" ny finoana fondamentaliste toy ny an-dry "kiranil" sy ny an'izay "fifohazana".

Mazava loatra koa fa ny olona mbola anatin'ny fanjanahan-tsaina nolovaina tamin'ny vozongo (presque tous les pays pauvres y compris les pays d'amérique latine) dia séduites amin'io "obscurantisme judéoislamochrétien "io ka izany no mampiroborobo be ny filazantsara any amin'ireny pays ireny.

Ho an'i Salut manokana:ny sujet de débat efa nasosako teto dia efa taingina be mihitsy,ka mahagaga ahy no anontanianao foana hoe alefaso alefaso.Efa ataky be mihitsy....fa ny avalinareo no tsy hita...Na hita fa tsy mifanaraka amin'ny toetra tokony ho azo avy amina "kristianna":-D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4467