Nahoana no iadivana ny fivavahana?

21. Salut ( 01/04/2007 20:13)
Tsimiandravola:
Inona no mba zavatra mba nivaingana tamin'izay mba nolazainao teto? tsy hevitra taingitaingina kely fotsiny ve? milaza zavatra iray dia avela satria tsy tena hay ny manazava azy na tsy mahita avaly satria kofona. Dia milaza zavatra vaovao indray avy eo. Ny fanaratsina amin'izay no betsaka fa izay tena an-tena tsy sahy tena aseho hoe izao satria matahotra. Ohatra: lazainao fa ny andriamanitrao de ny masoandro, avy eo tsy sahy lazaina hoe zava-boaary koa io, ary tamin'ny farany de hoe: tsy ivavahako io fa sao lazaina fa manompo sampy aho, sns... Dia izany ve mba zavatra arosonao dia lazaina fa zao sy zao.

Ianao no mbola tratry ny fanjanahan-tsaina fa tsy izahay velively. Ianao no gadra ka manaiky be fahatany izay lazain'ny vazaha any. Manao teli-moka tsy am-peheverana ny zavatra lazain'izay miseho ho zavatra rehetra izao. Dia io tsy mahita alahatra afatsy fanaratsina.
Izahay andriamato dia mahalala izay inoanay ary mampifanaraka ny fiainanay amin'izany. Izay an'i kiranil tsy idirako.



22. rabilabila ( 01/04/2007 21:21)
Salut

Satria tsy misy aina tena ivelomany fa fankahalana no mivoy ireo olona ao anatiny.
Tsy manana ny tena maha izy azy, fa ajoro mba handrava fa tsy hanorina.
Tsy misy tanjona mazava, ary tsy manana izay mba hiafarany.



Fitsarana re izao ray olona .... Eny hoy aho ,fa iza kay ianao ry "salut" no afaka ahafantatra izay mivoy ny olona tsy mpino.Ary ambadika ary toa izay adalàna rehetra misy toa attribuer-nao aby amin'ny olona tsy mino .
Ny aza adinonao fa tsy afaka nitafa teto akory ianao raha tsy nisy olona toa an-dRy Démocrite (niandohan'ny matérialisme izany hoe ny siansa )



Fankahalàna hoy ianao !!! :

Ny fandorana velona ireo izay sahy mitsipaka ny kristianisma (inquisition)====> fitiavana?

Ny fanapotehan'ireo misionera ny kolotsain'ny tany voazanaka mba hanjakazakan'ny azy ===> fitiavana?

Ny fifidianan'iro mpino an'i Hitler hipetraka eo amin'ny fitondrana ,ary ny nikipian'ny mason'izireo tamin'ny famonoana ny jiosy aman'etsiny ===>fitiavana?

Ny fivazavazana ataon'ireo pretra ao amin'ny fandraisam-peo isa-maraina hoe "aringano indrindra ny lahy mba ho maty taranaka " sy famonoan'ireo mpivavaka ny Hutus tany Rwanda ===>fitiavana?

......etsetra.....etsetra......

Inona moa izany no atao hoe "olona manana ny maha-izy azy " raha tsy mahadiso ?

Ny tiako lazaina fotsiny dia tsy maneho ny hevitrao ianao fa mitsara ary rehefa mitsara dia mandray anao ho ambony noho ny hafa .

Ny hiafaràna indray aloha dia marina fa ho faty toy ny rehetra ihany ,ny fenitra ,ho an'ny maro aminay dia hiaina ny androany.Izahay dia olona tsy matahotra ny ho voaozona ka rehefa manao ny tsara izahay dia ho an'ny mpiara-belona fa tsy ny fiandrandràna ny paradisa ,izay tsy misy aminay, no hanaovana izany.
Ny hamaranako azy dia:

"Le matérialisme enseigne (le supporte qui peut) que rien n'est à attendre et que tout est à vivre. Nul salut, donc, qui ne soit d'ici et maintenant."
(André Comte-Sponville )
23. xxx ( 01/04/2007 21:50)
Izahay dia olona tsy matahotra ny ho voaozona ka rehefa manao ny tsara izahay dia ho an'ny mpiara-belona fa tsy ny fiandrandràna ny paradisa ,izay tsy misy aminay, no hanaovana izany.


1- inona no definition an'ny atao hoe "tsara" ho an'ny materialista?
satria rehefa dinihana dia na ny mamono olona mba ahazoana ny volany aza azo lazaina hoe "tsara" izany..

2- Dia rehefa manao ny atao hoe "ratsy" aminareo indray dia ho an'iza izany?

24. tsimiandravola ( 01/04/2007 22:05)
Salut:
Inona no mba zavatra mba nivaingana tamin\'izay mba nolazainao teto? tsy hevitra taingitaingina kely fotsiny ve? milaza zavatra iray dia avela satria tsy tena hay ny manazava azy na tsy mahita avaly satria kofona. Dia milaza zavatra vaovao indray avy eo. Ny fanaratsina amin\'izay no betsaka fa izay tena an-tena tsy sahy tena aseho hoe izao satria matahotra
Dia bienvenue dans le club aloha ianao rabilabila en passant!

Ho an\'i Salut!
Ny hevitra tsy taingitaingina nalefako teto ary nifotorako hatramin\'izay dia ny tsy nisian\'i Jesoa ara-tantara na hoviana na hoviana.
http://www.geocities.com/tsinisijesoa/tsinisijesoa.html
Ka dia lavalava ihany io ra-Salut ka dia ho hita eo raha miverina sahady eto amin\'ity dinika ity ianao au bout de 10 minutes dia efa karazan\'ny tsy namaky ianao izay ary amiko izany dia olomatahotra toy ny rehetra mpamaky en diagonale.

Ny Ankabeazan\'ny kristiana mantsy (ary izaho anisan\'izany taloha) dia mifezaka ny hahafantatra ny marina momba ny Jesoany.Aleony mandositra ary tsy miaiky mihitsy na dia diso aza izy ireny.

Tiako ho marihina fa matoa aho \"manova\" resaka hafa dia matetika ianareo kristianna no tsy mitozo amin\'ny sujet iadian-kevitra fa manao valy boraingona.Ohatra fotsiny:milaza aho fa tsy nisy i Jesoa ary porofoiko izany,dia inona no avalinareo?Misy izy satria mino azy aho,misy izy satria izy no reference momba ny fanisan-taona atao hoe AVJC sns,misy izy satria lazain\'ny baiboly hoe misy,,,,,Dia inona no havaliko an\'izany? ;;;;Na ny hoe \"misy\" aza dia \"temp présent\" noho ilay hoe \"m\" ao amin\'ny \"misy\",nefa ny ahy hoe \"tsy NISY ara-tantara ny olona antsoina hoe kristy ka mifanaraka amin\'ny voasoritra ao amin\'ny Nouveau testament\".Ataoko fa mazava be izany fa ianareo no manodinkodindresaka matetika.

Fantaro koa fa tsy ny finoako anie no iadiankevitra fa ny finoanareo kristiana ê!Raha eo indray dia ianareo indray no mpivadi-dresaka fa tsy izaho.Izaho no mpiataky dia toy ny izaho indray no anontaniana hoe inona no mba finoan\'ialahy :D mba ho kritikenay.=))=))=)).

Farany dia na inona na inona ny finoako sy ny filozofiako dia tsy afaka manamarina ny anareo mihitsy ny fahadisoan\'ny ahy.Izany hoe raha diso sy vendrana aza ny ahy dia tsy izany akory no mahamarina ny anareo kristiana ê!
:@
25. rabilabila ( 01/04/2007 22:42)
satria rehefa dinihana dia na ny mamono olona mba ahazoana ny volany aza azo lazaina hoe \"tsara\" izany..


Voalohany indrindra dia toa afangaronao ny filozofia matérialista sy ny matériel (vola ,......)

Ny matérialisma ( filozofia ) dia miankina indrindra amin\'ny fandinihana ny natiora ,ary ny matérialista dia milaza fa tsy misy zavatra hafa ankoatran\'ny matière (fa tsy matériel akory )ohatra ny olombelona amin\'ny maha-biby azy dia ao anatin\'ny natiora (fa tsy mi-dominer ny natiora araky ny lazain\'ny baiboly:genesisy 1:28 Ary Andriamanitra nitso-rano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin\'ny hazandrano ao amin\'ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin\'ny tany).
).
Aminy izany rehefa manao ny tsara na ny ratsy ny olombelona dia izy ihany no handray ny vokany
26. xxx ( 02/04/2007 03:24)
Aminy izany rehefa manao ny tsara na ny ratsy ny olombelona dia izy ihany no handray ny vokany


1- Ka inona ary ilay tsara dia inona ilay ratsy??

Io ange no tsy mazava e..

2- Fanontaniana iray hafa koa:: andeha atao hoe ratsy aminareo ny famonoana olona sy ny famonoana tena rehefa avy namono ilay olona,

Aiza no andraisan'io olona avy namono olona nefa namono tena io ny "vokatry ny ny nataony" izay lazainareo fa ho raisiny???
27. soanja ( 02/04/2007 03:35)
Amiko izay manimba ny tenanao, ny sainao, ny rehetra momba anao, manimba ny hafa, ny tontolo iainantsika (planeta tany, sy ny atomosfera ary ny universe) dia ratsy aby!

Rehefa tapitra ny momba anao ka namono tena ianao dia faharatsiana izay satria very ianao zany koa. Olona tokony mbola hiaina tsara sy miriaria, mifankatia, manatsara ny ho avin'ny taranaka, hahita ny taranaka miriaria sambatra, inona koa. Vita hatreo izany. Simba ny mahaolombelona e. Raha maty antiatra manko dia nahavita adidy sady namela mamy. Enga anie!

Ny value hapetrakao amin'ny fiainana no hijerena an'io (mahatsara sy maharatsy io)fa raha tsy misy izany dia mitovy amin'i biby isika!
28. rakaroka ( 02/04/2007 06:17)
En faite nifanerasera t@ karazana firehana na fironana "MMmmaaaaarrrrrroooooo BBbbbe aho."
Heu..."azoko tsara mihitsy ny "ahiahy" mipetraka rehefa hiampita aty ivelany ny mpianatra hoe "Ahatàna sy hijoro @ finoana nibeazana azy ve?...
manoloana ny lazan'ny aty ivelany tsy dia mino an'Atra?....
LOGIQUE BBBBe izany fisainana izany satria mahatsiaro very maina izay natao sy noheverina ho soa sns....indrindra fiheverana ho "VERY" au vrai sens du "salut" ilay oul!...
Ny réaction-ko manoloana izany dia misaotra ny fiangonana nanabe araka izay noheveriny fa mety tamiko: tsy hilaza mihitsy kosa aloha aho hoe "tsy ilaina" sanatria ny fiangonana: "Azoko tsara ny maha "structure" izay mampisy lafiny "tsara" sy voafetra ihany koa. Ary ny ankamaroan'ny "groupe" tetsy sy teroa nalehako dia tsy nifototra fitsikerana ny antsoina hoe "kristiana" loatra akory!
'za fotsiny no mahatsapa hoe eo @ pratikan'izay inoana: miharihary kokoa tamiko ny "aina" nentin'ilay finoany ho an'ny fiaraha-monina sy ny fiainana atrehina! Ary ny nahafinaritra ahy dia ny "sens" de "fratérnité" tanteraka hoe "samy zanak'Atra: mifanaja! Na i Amma na i Maitreya noresahiko teto samy tsy mangataka ny hanasina na hanompo azy araka ny fiheveran'ny hafa fa fiarahana miatrika ny fiainana @ tokony ho izy sy mitrandraka ny "possibiliténtsika" hoenti-manatsara, mitia ny tontolo araka ny "volontén'Atra Ray" no sady eken'ny feo n'ny fieritreretantsika rahateo no natrehina.
Ny lohateny eto ity ataoko i Amma nampiray t@ "sommet" inter-religion du monde! Et possible hoe ilay "christ" inoan'ny mpino samy hafa tsy mifanditra akory na mety ho iray aza fa ny "angle" hitarafin'ny mpino selon sa position "espace-temps sns..." no samy hafa araka ny toerany avy...:idea::wink:
29. rabilabila ( 02/04/2007 06:27)
xxx

Toa efa voavalin'i Soanja eto ambony ny fanontanianao fa ampiako kely fotsiny.

Ny "tsara" aminy dia izay mety hahasoa azy sy ny manodidina azy , ny tontolo iainany .
Ny "ratsy " dia izay tsy mety na tsy tokony atao an'ny hafa satria mitondra alahelo ,na fanafintohana........

Aminy ny "ici et maintenant "no ezahana hatsaraina .

Momba ilay fehezanteny farany indray:

rehefa mamono olona ===> namela olona mampalahelo (zanaka , vady ,RAD....)
Ka raha mamono tena avy eo dia "vokatry ny nataony" izay satria tsy zakan'ny lohany ny nataony.
30. kally ( 02/04/2007 07:58)
tsimiandravola:

Sady mamaly an' Salut ihany aho no mamaly ity:Ny zavatra tiako ravàna dia fantatro tsara.Ny Kristiana no tsy mahafantatra azy tsara.Ilay Kristy araka ny voalazan'ny nouveau testament no tsy nisy na hoviana na hoviana,nefa io no nifotoran'ny famonjena dradrain'ny kristianna.Mazava ho azy fa mirodana ho azy ny kristianisma iray manontolo,ary eo ampialana aina ankehitriny.

Ny hany hahavonjy azy dia "reforme" izay efa hezahan'ny maro atao ankehitriny .Ohatra toa an Atoa Mc Laren Brian izay efa namoaka boky mitondra lohateny hoe: "reinventer l'Eglise" (publication de la LLB).Toy izany koa ny maro hafa izay tsy tenenina intsony fa anjaranao ny manaraka ny vaovao sy ny firehana ny amin'izany.Izany rahateo no maha-"fini" ny finoana fondamentaliste toy ny an-dry "kiranil" sy ny an'izay "fifohazana".



Euh! disoiko ianao raha izaho kristianina no lazainao fa io no fototra ijoroako. Kristy modely sy arahinay, fa Fitiavana no fototra ijoroanay. Ka ravao ny Fitiavana dia ho voaravanao ny maha-Kristianina ahy sy ny finoako. Izay mpino mihambahamba angamba no ho voaravanao? Ary raha rava amin'ny faritra iray dia hijoro amin'ny faritra hafa noho izany tsy ho ringana.Misaotra nandrava nanaitra anay hitazona mafimafy kokoa hatrany.:wink:


31. Salut ( 02/04/2007 10:29)
rabilabila: Tsy haiko na izaho no mitsara na ianao no tsy ampy fandinihana. Tsoaka-kevitra avy amin'izay rehetra nolazain'io namanao io no nomeko.
1- Hatramin'ny resany voalohany ka hatramin'izao dia mbola tsy namaritra izay tena toe-tsaina na filosofia ijorony izy, ny dikany izany dia tsy misy amiko.
2- Jereo fa fankahalana ranofotsy no mameno ny zavatra lazainy ary tsy misy afatsy izay
3- hevitra tsy hainy tohana no sady diso no averimberiny eto: diso ara-tsiansa, diso ara-tantara, diso ara-lojika. Dia io mbola hamafisiny izy tenany ny fahadisoany
Farany dia na inona na inona ny finoako sy ny filozofiako dia tsy afaka manamarina ny anareo mihitsy ny fahadisoan'ny ahy.Izany hoe raha diso sy vendrana aza ny ahy dia tsy izany akory no mahamarina ny anareo kristiana ê!

4- Ary izy ihany koa no nanamafy fa mitsipozipozy ilay fikambanana fa tsy izaho velively.
32. Salut ( 02/04/2007 11:00)
Tsimiandravola: Raha io zavatra asainao jerena io dia efa be no fantatro mihoatra an'io.
Dia mbola hamafisinao sy averinao moa hoe taingitaingina le izy satria nohezahana ampifanarahana fotsiny tamin'ny zava-nisy. Ny votoatin-dresaka tsy fantatrao akory, na ninina novana mba entina hanamarinana izay tianao lazaina.
Hamafisiko fa MISY Kristy, ary tsy afaka ny hanafoana ny fisiany ianao, satria MISY izy. Tsy ny Baiboly ihany no milaza izany, fa ao ireo tahirin-tsoratra maro akoatra ny Baiboly. Manampy ireo dia ny experiance ananan'ireo olona miaraka aminy, sa tsy hitanareo ireny? Angamba odina tsy jerena, mampalahelo...

Tazony ho anao ny hevitra disonao. Averiko fa tahotra tsy te hahita ny hadisoanao no hanaratsinao lava ny an'ny hafa. Ny sehatra ifaneraserana eto koa andriamatoa dia hoe: finoana sy fivavahana fa tsy hoe: finoana kristiana. Ny dikan'izany dia afaka mampiseho izay anao koa ianao, ka asehoy ho jerena hoe!

33. Salut ( 02/04/2007 11:19)
Rabilabila: fantaro fa ny olona tsirairay avy dia samy manana ny FAHAFAHANY ka afaka misafidy izy na hanao ny sitram-pony amin'ny mahaolona azy fotsiny na hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra. Ny amin'ny mahaolona fotsiny dia hoe: maso takalon'ny maso, aleo maty ampitso toy izay maty androany, ny ahy ihany... Ho an'Andriamanitra kosa dia ny hoe: tiavo na dia ireo mandray anao ho fahavalo aza, manaova soa azy...Izay no maha Fitiavana an'andriamanitra tompokolahy.

Raha manaraka izay sitrapon'Andriamanitra izay izy dia mbola mendrika ny anarana hoe: kristiana, fa rehefa miala amin'izay kosa dia tsy izy intsony ka aza afangaro.
34. naughtyboy ( 03/04/2007 14:21)
tsimiandra manoloana ny fahasamihafany ny olona,ankoatry ny safidy mitarika mazava ho azy tsy fitoviany fomba fijery zvt 1 de miforona ny ady na
fifankazahoana hevitra.Tsy ohatrany mananihany tena ihany ve zany iady @ zvt tsy inoana ny fisiny zany:-P
ra za manokana de miezaka mba ahafantatra ny zv inoako @ fiainana toy zay ieritreritra zv tsy misy:{
sao de mbo tokony hanontany tena ihany oe inona marina moa no iadiako @ zvt tsy misy=fivavahana?
35. tsimiandravola ( 03/04/2007 18:11)
Salut:

Tsimiandravola: Raha io zavatra asainao jerena io dia efa be no fantatro mihoatra an\'io.
ça m\'étonnerait!Satria fantatro dia fantaro ny tahotra miandrona ao anatin\'ny sain\'ny kristiana,izany dia vokatry ny evangile de la peur toy ny asehon\'i Kiranil ao amin\'ny jesus-is-saviour.com
Salut:
Dia mbola hamafisinao sy averinao moa hoe taingitaingina le izy satria nohezahana ampifanarahana fotsiny tamin\'ny zava-nisy
Eto ianao dia tsapa fa misambodika ambony ambany,Tezitra mafy angaha ny kristiana fa voakitikitika any anmin\'ny maharary azy?.
Salut:
Ny votoatin-dresaka tsy fantatrao akory, na ninina novana mba entina hanamarinana izay tianao lazaina.
Ka inona ary no votoatin-dresaka \'zay fantatrao nefa tsy fantatro?
Salut:
Hamafisiko fa MISY Kristy, ary tsy afaka ny hanafoana ny fisiany ianao, satria MISY izy
Izany no antsoina hoe affirmation gratuite amin\'ny olona nanovo fahalalana rehetra....
Salut:
. Tsy ny Baiboly ihany no milaza izany, fa ao ireo tahirin-tsoratra maro akoatra ny Baiboly
Averiko ihany fa ny baiboly no tsaraina ka tsy afa-miditra ao amin\'ny argument,io indray dia misy vice de forme satria ny voampanga ihany no manamarin-tena. Ka raha tsy mahamenatra anareo ny manao raisonnement \"circulaire\" dia tohizo,fa aminay izany dia \"ridicule\"
Salut:
... Manampy ireo dia ny experiance ananan\'ireo olona miaraka sa tsy hitanareo ireny? Angamba odina tsy jerena, mampalahelo...
Iza indray izany ?Ny apôtres ve? i Mathieu? (vovolombelona nahita maso??? ka nanoratra evanjely mifanohitra amin\'ny an\'i Lioka izay nanadihady fatratra ??Lk toko 1:1-15),i Paoly???

Salut:
Tazony ho anao ny hevitra disonao. Averiko fa tahotra tsy te hahita ny hadisoanao no hanaratsinao lava ny an\'ny hafa. Ny sehatra ifaneraserana eto koa andriamatoa dia hoe: finoana sy fivavahana fa tsy hoe: finoana kristiana. Ny dikan\'izany dia afaka mampiseho izay anao koa ianao, ka asehoy ho jerena hoe!
Tena tsapako amin\'izao fa raha azonao natao no nanàla ahy teto dia efa nosorohinao ny lapella aho ê!:P

Ny hevi-disonao ve mba azonao tazonina (kristianisma) ho anao irery?Asa raha tadidinao fa efa namosaka hevitra ny hanafoanana ny rubrique \"finoana sy fivavahana\" teto aho fa toa ohatriny tsy d\'accord ny maro.

Toy izany koa,efa no-kritikevako ihany koa ny finoana kristianna misangizotra mankany amin\'ny RNS.

Just say no to religion!Izay no teny faneva laiika!;-)
36. tsimiandravola ( 03/04/2007 18:31)
naughtyboy:

tsimiandra manoloana ny fahasamihafany ny olona,ankoatry ny safidy mitarika mazava ho azy tsy fitoviany fomba fijery zvt 1 de miforona ny ady na
fifankazahoana hevitra.Tsy ohatrany mananihany tena ihany ve zany iady @ zvt tsy inoana ny fisiny zany:-P
ra za manokana de miezaka mba ahafantatra ny zv inoako @ fiainana toy zay ieritreritra zv tsy misy:{
sao de mbo tokony hanontany tena ihany oe inona marina moa no iadiako @ zvt tsy misy=fivavahana?

1)aloha dia tsy ny fivavahana akory no tsy misy,fa i Jesoa Kristy ara-tantara sy ara-nofo izay ifotoran'ny finoana kristiana.Aoka tsy afangaro ny resaka.
2)momba an'ilay hoe mananihany tena.Raha miady amin'ny zavatra tsy inoana ny fisiany,dia tsy hoe fitiavana te hiady fotsiny akory.

Ny antony iadivana amin'ny fivavahana dia satria fanangolentsaina mazava be satria na ilay olona ifotorany aza tsy nisy akory.Ary raha miteny fanangolentsaina isika dia miverina ao antsaina ihany koa ny fanjanahan-tany izay namoizantsika zava-maro izay tokony ho voatàna sy voatsara,nefa voatery natao ankilabao satria nosongonan'ny an'ny hafa dia ny kristianisma izany.
Izany dia fintinin'ity boutade ity manao hoe: "Les colons sont arrivés,ils n'avaient que la bible,et nous la terre.Ils nous ont enseigné à prier les yeux fermés,et lorse que nous avions ouvert les yeux,ils avaient la terre,et nous la bible"

Ankoatr'izany dia raha mino ianao fa tsara ny finoana dia aelinao izy .Toy izany koa raha fantatrao fa poizina sy fitaka bevava kosa izy dia miady koa ianao mba tsy hiely izany poizina izany.Ary ny ahy dia fantatro fa "arnaque" (vola,fotoana...) ilay izy dia iadivako.

Veloma ny aina e!:D


37. Salut ( 03/04/2007 18:34)
Tsimiandravola: Ny resaka hoe: nisy na tsy nisy i Kristy dia tsy tokony ipetraka intsony satria izao

Raha tsy nisy izy dia tsy ho afaka niady hevitra nikasika ny maha Andriamanitra na tsy maha Andriamanitra azy ny mpino sy ny tsy mpino, ny mpanaradia an'i Kristy sy ireo hafa (oh: ny jody), ny samy kristiana (oh: tamin'ny andron'ny arianisme), sns...

Noho izany dia tsy lojika mihitsy ny filazanao fa tsy nisy Kristy. Nisy Izy, Misy ary Hisy mandrakizay raha izay no tianao ho fantatra.
38. Salut ( 03/04/2007 19:17)
ça m\'étonnerait!Satria fantatro dia fantaro ny tahotra miandrona ao anatin\'ny sain\'ny kristiana,izany dia vokatry ny evangile de la peur

Mba asehoy kely hoe izay milaza tahotra ao amin\'ny Evanjely? Ianao izao no kitahorona ka manao be fiavy amin\'izato fomba fiteny. Tsy izany anefa no hahamarina izay hevi-disonao.
Eto ianao dia tsapa fa misambodika ambony ambany,Tezitra mafy angaha ny kristiana fa voakitikitika any anmin\'ny maharary azy?.

Diso loatra ianao. Tsy tokony hisy hahatezitra ahy velively. Fanataro fa ianao no entim-pankahalana eto fa tsy izahay velively. Ianao mikiry amin\'ity hadisona be ity no mampalahelo. Fantaro fa ny ahy na ireo olona mifofo ny aiko aza tiavo sy asiko soa hatrany.
Ka inona ary no votoatin-dresaka \'zay fantatrao nefa tsy fantatro?

Ny tantara, ny momba ireo mpianatr\'i Jesoa, ny mikasika ny Baiboly manontolo, ny momba ny Evanjely, (tsy miambo ho mahay azy rehetra aho saingy afaka mifandahatra aminao mikasika izany)

Tena tsapako amin\'izao fa raha azonao natao no nanàla ahy teto dia efa nosorohinao ny lapella aho ê!

Diso loatra ianao andriamatoa. Ianao no mieritreritra handringana ny mpino rehetra raha azonao natao noho ny fankahalanao azy fa tsy izahay velively. Aza ahilika amin\'ny hafa ny haratsin-toetra e. Averiko fa ianao no efa nanopa sy nanalika olona teto, nampiseho hatezerana mafy, fa tsy izaho velively.

Ny hevi-disonao ve mba azonao tazonina (kristianisma) ho anao irery?Asa raha tadidinao fa efa namosaka hevitra ny hanafoanana ny rubrique \"finoana sy fivavahana\" teto aho fa toa ohatriny tsy d\'accord ny maro

Raha diso ny ahy efa ela no nialako, fa ny fahatsapako ny fahamarinany no mbola hitazonako azy hatramin\'izao.
Tsy nanaiky ny maro satria kristiana no betsaka ato, manaja ny an\'ny hafa, manome fahafahana ny hafa, sns... Porofo iray koa izay ilazana fa tsy matahotra velively ny hifanatrika amin\'ny hevi-disonao izy. Ianao no kitahorona ka saika hanafoana ity sehatra ity.
39. Salut ( 03/04/2007 19:38)
Manaraka dia mbola manamafy ny fisiny ny fiainan'ireo olona miaraka aminy: hatramin'izay ka hatramin'izao. Sa tsy hitanao ireny? Sa odina tsy jerena.

Fantaro koa fa tsy ny Kristiana no nanjanaka an'i Madagasikara fa ny Frantsay. Aza afangaro ny resaka.
Jereo koa ny tantara fa be ireo Mpitondra fivavahana no nohenjehan'ny fanjakana mpanjanaka satria tsy nanaiky ny nataon'izy ireo. Tao ny nalefa nody, tao ireo novonoina sns...
40. tsimiandravola ( 03/04/2007 21:28)
Salut:

Tsimiandravola: Ny resaka hoe: nisy na tsy nisy i Kristy dia tsy tokony ipetraka intsony satria izao

Raha tsy nisy izy dia tsy ho afaka niady hevitra nikasika ny maha Andriamanitra na tsy maha Andriamanitra azy ny mpino sy ny tsy mpino, ny mpanaradia an'i Kristy sy ireo hafa (oh: ny jody), ny samy kristiana (oh: tamin'ny andron'ny arianisme), sns...
Averiko ihany:tsy nisy ara-tantara sy ara-nofo ny kristy mifanaraka amin'ny toetra iresahan'ny nouveau testament azy.Ny hoe ady hevitra amin'ny maha andriamanitra na tsia azy dia lasa "leurre" ankehitriny.Io resaka io dia ady hevitra efa ela tahaka ny maha fanahy fotsiny ny "kristy",efa resaka nateza teo amin'ny fianakaviana Esenianna .Fa ny an'ny kristiana fotsiny no ampahatongavany nofo ka nomeny fahaterahana.(Matio sy Lioka)Diniho fotsiny koa izao ny Epitres sy ny lettres de Paul rehetra dia ampy ahafantarana fa hafa mihitsy ny Kristian'i Paoly (par revelation araka ny filazan'ny baiboly).Tsy fantatr'i Paoly izany Bethlehema izany ,izanytanimbolin'i Oliva izany,izany Lazara sy i Madeleine izany,izany fampakarambady tao kanà izany....Tena literatiora Esenianna ranoray manomboka eo amin'ny Asa ka hatrany amin'ny Apokalipsa.
Salut:
Nisy Izy, Misy ary Hisy mandrakizay raha izay no tianao ho fantatra.
Amiko ny toy izao dia toy ny toton'omby bory,fa tsy ady hevitra.:arrow:




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.784