Nahoana no iadivana ny fivavahana?

61. Salut ( 06/04/2007 09:34)
Tsimiandravola: hevi-diso ara-tantara, ara-tsiansa, ara-lojika ve no mba lazaina fa marina sy handresena lahatra? Jereo fa kofona ianao dia manova resaka. Sarotra moa no miaiky ny hadisoana ka aleo manova resaka malaky sao hitan\'ny maro eo ny hadisona be.
62. fijo ( 06/04/2007 21:00)
salut an,tsy minomino foana,fa mino ny tsy mbola nisy nahita an.milay e.
miandravola an,aza manao hezaka hiraisonner olona efa hipoka letsy e
63. prime ( 07/04/2007 07:17)
tsimiandravola> Aza malahelo ny firaisan'ny mpino fa manatona an'i Kristy dia mba mandray ny fahasoavany raisin'ny mpino koa dia amin'izay miara-mivazo ianareo ka inona aza ny olana... tsy fatiantoka velively izany na fahateren-tsaina fa tombony aza...
64. Salut ( 07/04/2007 10:29)
Fijo: raha ianao no tsy nahita azy dia tsy midika izany hoe tsy mbola nisy nahita izy. Ianao no tsy mitady azy, sy miezaka manala azy eo amin'ny fiainanao. Hajainy izay safidinao izay, ka izay no tsy hahitanao azy. Hoy mantsy izy: izay mitady no hahita, izay mandododona no vohaina. Ka raha mba te hahita azy dia meteza hitady azy sy handray azy am-paharetana. Tsy manda ny rehetra izy fa mandray na iza izany na iza.
Manaova Paka finaritra e!
65. rabilabila ( 09/04/2007 04:37)
Voalohany aloha dia mahaiza mamaky


raha tianao ho fantatra

Ny fehezanteny toy itony no atao hoe :"insulte à l'intelligence"

mbola tsy ampy ireo zavatra notanisainao ireo fa mbola betsaka ao


Tsy ampy?? Tsy ampy tokoa fa mbola maro dia maro tokoa ny zavatra mbola azo lazaina momba io boky io ary ny mahagaga dia fantatrao izany ny fitombonan'ireo "erreurs",sy "plagiats" ireo nefa dia minia mikipy?
Anticiper-ko ny valin-teninao :Tsy ny boky no blablabla fa ny fittiavana nomen'i Kristy....
Dia hoy aho hoe :Tsy monopole n'ny kristianina ny fitiavana sy ny fahendrena.
Mbola mametraka fanontaniana aza aho amin'ny "définition"n'ny fitiavana aminareo satria izao no zavatra nolazain'i Kristy izay notanterin'i Matio 10:34-36
34- Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

35- Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy;

36 -ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.
Ary mbola maro dia maro ny paraboles ao izay feno rà ....(Matio , Marka,Lioka,TesalonianaI,Petera I).Sa izany no hi-justifier-na ilay hoe "nettoyage au karcher au propre comme au figuré"?
Rehefa mamaky ireo paraboles ireo aho dia ohatran'ny mamaky propagandes politika :fampitahorana mba azahoana "votes".




Fa ahoana no mbola be ny mino ankehitriny ary tsy ny bado ihany (araka ny fiheveranao)?


-Tsy niteny kosa aho hoe "bado" ihany .
-Fanontaniana mipetraka :Aiza ny tany be kristianina indrindra eran'izao tontolo izao ? Rehefa hitanao ny valiny dia diniho tsara ny tantaran'ireo tany ireo sy ny mponina ao aminy dia ianao ihany dia hahita ny valin'ny fanontanianao.

Ny zavatra tsy fantatrao dia ny hoe: ireo olona niaraka tamin'Andriamanitra dia nanoratra araka izay tsapany tamin'izay fiarahany tamin'Andriamanitra izay. Manaporofo aloha izay fa nisy izy.


Tantara iray : Nanonofy Ramatoa Rasoa alina dia nitantara arak'izay tsapany tamin'ny ankohonany fa namangy azy Ingahy Rainy .....Manaporofo ve izany fa misy ny "angatra"?
Amiko ny fanaporofoina dia :Miala amin'ny zava-misy ,dia mandrefy ,manao kajy ,........dia rehefa hita fa azo averimberina ilay izy dia manaporofo resultats iray izay.
Io porofo io anefa dia tsy itompoina teny fatratra fa misy "paramètres" hafa mety tsy hitombonany (Jereo fotsiny ny théories n'i Einstein sy Newton ).
Ny siansa manaiky an'izay fa ny fivavahana TSIA.


Voalaza teo :
HOY AHO:
Fa nahoana ? Satria maro dia maro no zavatra tsy milamina ao ,nefa ireo boky ianteheran'ny mpivavaka sy ny mpino ( Monothéimes anankitelo) no nentina sy mbola entina hatramin'izao hanabadoana , hamonoana,hanenjehana,hanandevozana (ara-kolotsina) ny olombelona
HOY IANAO
Ny mifanohitra amin'izany andriamato no zava-misy.


Ianao ve mihevitra fa tsy misy intsony ireo rehetra ireo ? Inona daholo ireo Bras armés amin'izao fotoana izao ireo ? Dabeuliou manao fianianana amin'ny baiboly ,mivavaka isan'andro ary sahy milaza fa nirahan'andriamanitra ==> Eny e!! mety izay angamba no maha-1° puissance an'i Zamerika knou !!,satria nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fomba fandrobàna ,ny fomba famonoana ( efa manaraka ny toe-trandro ka tsy lelan-tsabatra intsony fa efa baomba sy ny forongony...no anaovana azy),notovoizina taoanatin'io boky io .Ohatra iray monja io raisiko io fa maro ny klon'i Josoa eto ambonin'ny tany :na ny any Rosia ,Afrika,Azia ,Eoropa .....


Jereo fa noho ny fitiavana an'i Kristy sy noho ny finoana no maha tonga ireo misinera maro: hanafaka ny olona ao anatin'ny fahabadona (fampianarana), hitsabo ny marary, hikarakara ireo sembana mba hitovizany amin'ny hafa...


Marihina fa betsaka ny "Associations" laika manao humanitaire ,ary ny votoatin'ny fanampiany dia ny hanala ny fanaitainan'ny mpiar-belona aminy tsy misy tambiny ,tsy misy takalony.Manaiky aho ny momba ny misionera fa manontany aho hoe :inona no tena fenitra? inona no any ambadik'ireo zavatra ataony ? Moa va manampy maimaipoana sa ? Na haka ohatra an'i "Mère" Théresa aza ianao ,fa naninona izy no tsy nanaiky ny fahataperan'ny androny toa ireo "ondry indiana" asainy manaiky ary ampanantenainy ny fiainana mandrakizay ?

Ny miezaka manandevo ny olona amin'izao fotoana izao, raha tianao ho fantatra, dia fampielezana ny toe-tsaina tsy mivaky loha, tsy mandinika ny hiafarana, sns...Izay hahatonga azy ho azo exploitena tsara.


Inona aloha no ataonao hoe "toe-tsaina tsy mivaky loha"? Tsy mandinika izay iafaràna ? oh!!! Moa ve tsy ny itiavana hangalàna ny solika any Mésopotamia no nandehanana nandrafy ady tany ? Fiafaràna = Hijanona ho 1iére puissance armée sy ekonomika .

Azo exploiter-na tsara ==> Ny olona tsy nianatra ,tsy nandinika , tsy namakafaka , marivo salosana ......,ireo olona tratran'ny fracture numérique ....,ireny nolona ireny no azo exploiter-na tsara ,ary na iza izy na iza fa tsy misy hidiran'ny finoana na tsia akory izany.

Averiko indray ,ary averiko foana fa : Ny fandraisako anjara eto dia tsy "ny hanova anareo" akory ny tanjoko fa fanehoana fotsiny hevitra hafa ,tant que tsy mametraka ianareo hoe ambony noho ny hafa fa hajainareo izy ,dia afaka mikarajia isika fa kosa raha mitopo teny fatratra ianareo ka mbola afaka maneho ny hevitro aho anipahana an'izany ,dia mamaly foana aho .Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2515