Fa maninona tokoa

1. Rasiligaoma ( 28/02/2007 22:32)
Fa ahoana tokoa ny "kristianina sasany" rehefa liberal ianao na tsy mitovy fisainana sy foto kevitra aminy dia tonga dia tsarainy ho "antikrista"?

dia rehefa anontaniana izy hoe kristianina inona ary ny finoanareo dia tsy sahy mijoro mahitsy izy ireo fa miolakolaka eo..

nefa anie anisan'ny fototra voalohany maha kristianina dia ny fijoroana hoe ..za katolika.. na protestant. ary misy manao martiry @ io mihitsy

avy eo ny fototra manaraka dia fivelarana amin'ny hevitry ny sasany e ( raiso jiaby dia jereo izay mety aminao hoy ny teny)


répondu par niryna le 14/03/2007 05:11
2. cutie ( 28/02/2007 22:37)
nefa anie anisan'ny fototra voalohany maha kristianina dia ny fijoroana hoe ..za katolika.. na protestant. ary misy manao martiry @ io mihitsy

tsy zany kosa alou e :lol::lol::lol:
3. fijo ( 28/02/2007 22:37)
ka misy letsy ny atao hoe "kristianina bloky an"izany hoe izay voasoratra ao anaty baiboly ihany.izay tsy hita ao dia o izay.tsy mila fisainana fa izay fotsiny.
raha anontaniana ireny hoe aiza ny porofo,ny valiny hoazo dia hoe "izay fotsiny fa mangina"
4. cutie ( 28/02/2007 22:41)
fijo ie :-D:-D:-D:-D
5. xxx ( 28/02/2007 22:45)
Fa ahoana tokoa ny "kristianina sasany" rehefa liberal ianao na tsy mitovy fisainana sy foto kevitra aminy dia tonga dia tsarainy ho "antikrista"?

satria angamba izy mihevitra ny tenany ho Krista, dia izay tsy mitovy hevitra na fijery aminy dia antiKrista daholo :lol:

dia rehefa anontaniana izy hoe kristianina inona ary ny finoanareo dia tsy sahy mijoro mahitsy izy ireo fa miolakolaka eo..

Izaho koa mba gaga. Valin-teny azo matetika avy azo ny hoe "Izaho Kristianina dia izay", bla bla bla bli bli bli. Za aloha dia Katolika. Izao zao ny forumiste dia misy hiteny any an-tsainy any hoe i ranona io xxx io :-D:-D:-D
nefa anie anisan'ny fototra voalohany maha kristianina dia ny fijoroana hoe ..za katolika.. na protestant. ary misy manao martiry @ io mihitsy
fa tsy io kosa aloha no fototra mahaKristianina na izany aza e :)
6. fijo ( 28/02/2007 23:08)
tsy fototra io,fa fahasahian amijoro amin'izay maha izy ny finoany.
za izao tsy mino dia tsy mila miafina manoa XXX vao maneho hevitra fa io ny PS dia izay ny finoako.
7. LazaDaddy ( 28/02/2007 23:29)
Rasiligaoma:
efa anie anisan'ny fototra voalohany maha kristianina dia ny fijoroana hoe ..za katolika.. na protestant.
Tsy fototra maha Kristianina mihitsy izany ka :). i Kristy no maha Kristianina fa tsy ny anaram-piangonana sy ny "doctrine" noforonin'olombelona :-*
8. LazaDaddy ( 28/02/2007 23:49)
...sady tsy atakaloko "anaram-piangonana" ny anaran'i Kristy :). Tsy ho menatra aho hijoro @ anarany ary hiteny foana hoe Kristianina na ao anaty CV aza :)

Fa raha ny anaram-piangonana andehanako no tian'i Rasiligaoma ho fantarina dia ireto avy:
Baptist, Church of Christ, Evangelical, Methodist, CRC Church, Uniting Church, Wycliffe Church.
9. fijo ( 01/03/2007 00:08)
oka letsy sao very ialahy ny farany an.
10. LazaDaddy ( 01/03/2007 00:11)
very aiza ry Fijo?:)
11. fijo ( 01/03/2007 00:16)
very tsy ahita izay tena hiangonanan aintsony ko.lasa aty aminay elahy ny farany.tandremo fa raha vao aty dia miakatra ny vera an.
12. LazaDaddy ( 01/03/2007 00:19)
hahaha! Ka tsy hiangona no tanjoko fa "hanaparitaka" ilay Vaovao Mahafaly :). Mbola ho fenointsika ny Ra-ny ny vera atsanganao fa aza maika :wink:
13. ikaretsaka ( 01/03/2007 01:12)
lazadaddy> oay letsy le! ko raha tsy sanatria kilaoty letsy izy ity ko hidikidirana sy ovaovaina fahatany arak'izay tiana ohatran'io.

tsisy hafa amin'ny kilaoty nhe letsy raha izany raisonement an'ialahy izany e! (azafady an)
1 ihany ny purpose-ny dia ny hitanty sy hanakona ilay "tsy holazaiko" .. fa ilay hoe androany stringy dia rahampitso kalisaonina de rahafakampitso milibandy..
saingy fivavahana io fa tsy kilaoty.. attention! izay no naha samihafa azy.. tsy azo atao "izay tiako ihany io"

za aloha katolika lehibe tao anaty foto-pisaina no maha liberal ahy e. jesoa no toriko fa tsy solosoloiko ohatran'ialahy zany fa pli le izy solosoloina ..pli misangojy le
14. ikaretsaka ( 01/03/2007 01:34)
foto pisainana jesuite fa azafady fa tsy voasoratra
15. LazaDaddy ( 01/03/2007 02:21)
ikaretsaka:
lazadaddy> oay letsy le! ko raha tsy sanatria kilaoty letsy izy ity ko hidikidirana sy ovaovaina fahatany arak'izay tiana ohatran'io.
tsy manovaova mihitsy aho fa andehanako daholo ireo ary tsy ilaozako. Ny antony dia amin'i Jesoa ny foko no mifikitra fa tsy @ "anaram-piangonana" loatra. Ary tsy ambasadaoron'ny fiangonana ny Kristianina fa "Ambasadaoron'i Kristy".

Kanefa koa @ lafiny iray ny "trano" dia azo ampitoviana @ kilaoty araka ny teninao satria mety mitriatra, maloto, mianjera, isitrihin'ny jiolahy, maosimaosy loko, sasana, ...



16. soanja ( 01/03/2007 02:53)
Rasiligaoma:

Fa ahoana tokoa ny "kristianina sasany" rehefa liberal ianao na tsy mitovy fisainana sy foto kevitra aminy dia tonga dia tsarainy ho "antikrista"?

dia rehefa anontaniana izy hoe kristianina inona ary ny finoanareo dia tsy sahy mijoro mahitsy izy ireo fa miolakolaka eo..

nefa anie anisan'ny fototra voalohany maha kristianina dia ny fijoroana hoe ..za katolika.. na protestant. ary misy manao martiry @ io mihitsy

avy eo ny fototra manaraka dia fivelarana amin'ny hevitry ny sasany e ( raiso jiaby dia jereo izay mety aminao hoy ny teny)





Klorofil sa Malabar no tianao?
Marina de marina tokoa io teninao io an.
Zah vonona hanao martiry ny finoako tokoa nefa manaja ny an'ny hafa tanteraka.
Eto kosa angamba mety miankina amin'ny fahalalana an-dRaolombelona (human being) no tena base eto. Raha tsy ampy io de zavapoana ny zavadrehetra momba ny resaka finoana. Sa ahoana hoy ianao?


17. fijo ( 01/03/2007 05:16)
izao aloha ,dia ny mpino malalatsaina no miresaka eto.de minoa ahy hianareo,fa hoavy eo ry ben kristen avy eo ary dia ianareo ireo no hijinjainy voalohany eto.
18. Fiffi ( 01/03/2007 06:39)
Rasiligaoma:
Fa ahoana tokoa ny "kristianina sasany" rehefa liberal ianao na tsy mitovy fisainana sy foto kevitra aminy dia tonga dia tsarainy ho "antikrista"?
indrisy fa tena marina mihintsy io voalazanao io....zavatra voaremarkéko teto zany...

efa bdb zay hita nolazain'ny sasany etsy sy eroa momba an'io.....hoe rehefa tsy mitovy @ zareo de zao sy zao....de io voalaza io zany hoe
Mitsangana hamotika ,handrava ,hanasavoritaka ny finoantsika ireo anti-krista ato amin'ny serasera.



19. Rasiligaoma ( 01/03/2007 14:37)
ary maninona izy ity tsy tenenina tsotra hoe membre "secte" ianao ?
sa mahamenatra ny milaza izany?
20. prime ( 01/03/2007 14:52)
rasily> Ny fototra mahaKristiana dia ny finoana an\'i Kristy...:)

Mahagaga tokoa aloha raha misy milaza ho Kristiana nefa tsy sahy mijoro amin\'ny finoany... (tsy hoe tsy sahy mijoro amin\'ny fiangonany...:wink:)

Ny mahatonga izany raha ny fahitako azy dia satria, raha tena Kristiana dia mahafantatra tsara fa tsy ny anaram-piangonana no mahavonjy... izaho manokana izao ohatra dia protestanta FJKM (avy amin\'ny frenjy) no fiangonana misy ahy ary voataiza amin\'izany sy miaina ary manompo an\'Andriamanitra ao amin\'izany fiangonana izany rahateo... fa diso hevitra tanteraka aho raha mihevitra fa izay lazaina sy ataon\'ny FJKM dia marina avokoa, ary vao maika aho tena diso hevitra raha mihevitra fa ny mahaFJKM ahy no ahatafidirako any an-danitra... izay no antony tsy itompoana teny fantatra raha anaram-piangonana na fampianaram-piangonana...

Izany no mahatonga ny Kristiana foana mamerina ny resaka ao amin\'ny Tenin\'Andriamanitra raha vao misy mampisalasala... io rahateo no ilay Tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1608