Fa maninona tokoa

21. Zina ( 01/03/2007 16:40)
dia rehefa anontaniana izy hoe kristianina inona ary ny finoanareo dia tsy sahy mijoro mahitsy izy ireo fa miolakolaka eo..

nefa anie anisan'ny fototra voalohany maha kristianina dia ny fijoroana hoe ..za katolika.. na protestant. ary misy manao martiry @ io mihitsy


Tsy ny finoana no ilaina fantatra eto fa ny maha tena kristiana antsika. Izany oe manara-dia an'i Kristy...Efa nolazaiko efa ela be io fa ho betsaka mihitsy no ho voavonjy nefa tsy niditra t@ "finoana" ( Katolika etc...) NY tena important dia ny fanekena an'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy antsika sy ny finoana azy.
22. Fiffi ( 01/03/2007 19:26)
Zina:
NY tena important dia ny fanekena an'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy antsika sy ny finoana azy.
marina zany!


23. fijo ( 01/03/2007 22:21)
izy tsy mbola namonjy ahy ko
24. ikaretsaka ( 02/03/2007 02:43)
LazaDaddy:

ikaretsaka:
lazadaddy> oay letsy le! ko raha tsy sanatria kilaoty letsy izy ity ko hidikidirana sy ovaovaina fahatany arak'izay tiana ohatran'io.
tsy manovaova mihitsy aho fa andehanako daholo ireo ary tsy ilaozako. Ny antony dia amin'i Jesoa ny foko no mifikitra fa tsy @ "anaram-piangonana" loatra. Ary tsy ambasadaoron'ny fiangonana ny Kristianina fa "Ambasadaoron'i Kristy".

Kanefa koa @ lafiny iray ny "trano" dia azo ampitoviana @ kilaoty araka ny teninao satria mety mitriatra, maloto, mianjera, isitrihin'ny jiolahy, maosimaosy loko, sasana, ...


samy "mihambo" ho mifikitra @ jesoa aby ange letsy.. fa ilay tena noteneniny heo anoreany ny fiangonany no ...
sa fanahy iniana dinganina koa io andalana io fa tsy metimety @ ilay foto pisainana? hmmm






25. ikaretsaka ( 02/03/2007 03:45)
samy "mihambo" ho mifikitra @ jesoa aby ange letsy.. fa ilay tena noteneniny heo anoreany ny fiangonany no ...
sa fanahy iniana dinganina koa io andalana io fa tsy metimety @ ilay foto pisainana? hmmm
26. fijo ( 02/03/2007 06:34)
kay kay kay ,mifanaraha aloha nareo wa fa sao lasa aty amiko aty ka ny vera no hiakatra
27. Zina ( 02/03/2007 19:17)
fijo [ Valio ] 01-03-2007 23:21:18
Lohateny : Re : Fa maninona tokoa
izy tsy mbola namonjy ahy ko


Fijo a - ianao no tsy mety manaiky azy...fa efa tonga namonjy antsika rehetra izy...
28. pissoa ( 02/03/2007 19:50)
Miverimberina be ilay hoe tsy ny anaram-piangonana ... Eny i Kristy no mamonjy fa izao ...

Tena mampalahelo be raha toa ka "ANARANA" fotsiny no entin'ireny "fiangonana" be dia be maniry otran'ny anana ireny amin'izao ireny :cry: Sanatria toy ny hoe "ady taman'olona" no nananganana ilay "fiangonana". Eny, i Kristy no mamonjy, fa amiko matoa misy ny fiangonana iray, nivoaka tao amin'ny fiangonana iray hafa dia nisy zavatra tsy nitoviana hevitra tao --- misy "finoana" tsy niraisana. Cf fahaterahan'ny Protestantism. Dia aza miteny amiko hoe "anarana" fotsiny ny "Protestant" fa mitovy amin'ny ao amin'ny Katolika daholo ihany ny inoana sy tsy ianoana rehetra ao.

Izay angamba ilay "mijoro amin'ny Finoana" resahina eto ...

Dia izay koa no hitako tsy mampety an'ilay "misababaka fiangonana" ... Eritrereto anie hoe sady Katolika ny olona iray no TJ e ! Sady miteny izy izany ohatra fotsiny fa "Andriamanitra i Jesoa" no miteny fa "Tsy Andriamanitra i Jesoa fa zanak'Andriamanitra fotsiny" (miala tsiny raha diso io, teto amin'ny serasera ihany mantsy no nahafantarako an'io) --- Mifona tompoko raha olona kondrana sy very saina ny fahitako azy :oops::-D:-D:-D
29. fijo ( 02/03/2007 23:07)
zina an,asaivo mankany irak aloha izy handamina any,fa any izao mila azy kokoa.ilaozany matory mierotra fotsiny any amin'ny tsy hita any nefa ny aty mifamono
30. ikaretsaka ( 03/03/2007 00:06)
fa maninona tokoa no mampaniry bedebe ireny fiangonana ireny ohatran'ny anana e?
31. fijo ( 03/03/2007 05:03)
fitadiavam bola eeeeeee
32. tywa68 ( 03/03/2007 10:28)
samy te hitondra daholo @ anaran'i Jesoa ! :lol:
33. ikaretsaka ( 03/03/2007 15:02)
fijo:

fitadiavam bola eeeeeee

dia iza no mitady vola ao? mikarama izany ny atao ao sa?


34. tywa68 ( 03/03/2007 15:06)
Ikaretsaka : efa samy mahalala daholo isika ! misy foana ny maningana fa zany akory tsy milaza hoe ratsy daholo ny ataon'ilay olona :lol:!
35. ikaretsaka ( 03/03/2007 15:22)
ka io ange ilay teneniko amin'ilay misabaka fiangonana e..

tsoriko aloha fa raisiraisiko examples comme ca fotsiny ireto fa sady tsy mahaliana ahy no tsy ivakiako loha an.. fa mba hi illustreko ilay hafatra dotsiny:

ny methodist an'i Lazadaddy ohatra manaiky ny batemin-jazakely (tsy haiko fa za tsy izy fa mba raisiko examples iny an)
ny batista tsy manaiky!

Ny COC manaiky ohatra fa tsy mahazo mihira any am-piangonana fa tsy araka ny baiboly , ny wycliffe ohatra mety mihira fa ARAKA NY BAIBOLY tokoa izany


dia ialahy ihany no mi confuse ny tenan'ialahy eo
hoe ny an'iza no marina fa toa samy voalaza ao anaty baiboly aby?
36. tywa68 ( 03/03/2007 15:38)
:-D:-D d raiso ny baiboly fa rehefa tsy ny Fanahy Masina no mitsilo anao @ famakiana azy, dia zay zany ! samy manao ny saimpatany, ary manenjika ny sasany, hanome rariny an'ilay fijery !
37. ikaretsaka ( 03/03/2007 15:51)
dia rehefa tsy mitovy @ ilay "saim-patany" sy "fijeriny" ilay izy dia "antikrista"
gravy an!:roll:
38. tywa68 ( 03/03/2007 16:04)
tsy gravy zany ka ! :lol:
39. Fiffi ( 03/03/2007 18:59)
grave zany koh ! tsy mety io an !
40. ikaretsaka ( 03/03/2007 23:59)
ny fahitako an'io koa zatran'ilay any am-piangonany hoe aloavy amin'izay ny 10% ny karama, de raha vao tsy mety dia ho'zy ilay pasterany hoe Antikristy ianao (satria nanohitra ny heviny)
dia iny no lasa fomba fisaina sy fihevitra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3832