Vavaka nampianarin'ny Tompo: fizarana 2

1. LazaDaddy ( 04/01/2007 09:56)
"Ho tonga anie ny fanjakanao"
répondu par prime le 25/01/2007 15:46
2. prime ( 04/01/2007 13:29)
Manaiky sy mino ny fisian'ny fanjakàn'Andriamanitra ve aloha rehefa tena zanaka tokoa?... fa rehefa avy eo ve nefa dia resy lahatra tanteraka ny fitiavan'Andriamanitra ka manana ilay fanirina lalina ny ho velona eo anilan'Andriamanitra koa ve?...

Ary izany fanirina izany dia mipàka any am-po sy mitoetra lalina any mihitsy ka miantso sy mangataka mihitsy faran'izay haingana ny ihavian'ny farany mba hahatonga ny fanjakàn'Andriamanitra...

Raha tena zanaka marina tokoa dia tsy tokony hihambahamba hanonona izany vavaka izany ka maniry ny ihavian'ny fanjakàn'Andriamanitra na dia izao dia izao aza...

Fa raha tsy manana izany faniriana izany dia aleo tsy manonona io ampahany faharoa io satria lasa mihatsaravelatsihy amin'Andriamanitra hoe tongava faingana nefa tsy manam-paniriana izany akory fa mbola mankamamy ny fiainana eto amin'izao tontolo izao...
3. ikaretsaka ( 04/01/2007 15:29)
adveniat regnum tuum

mihitsy ka miantso sy mangataka mihitsy faran'izay haingana ny ihavian'ny farany mba hahatonga ny fanjakàn'Andriamanitra...


tsy azoko
4. dailynews ( 04/01/2007 15:50)
ho tonga ato anaty ny fiainako rehetra( saina, fo, fanahy, vatana, fanapahankevitra, ...) anie ny fanjakanao, tsy izaho intsony no mpanjaka sy mpanapaka ny fiainako manokana rehetra fa Ianao ilay Atra. Ary tsy izay tiako sy azoazon ny vavoniko anefa mifanipaka @ sitrapon ny Ray no atao fa izay tian ilay Atra.
5. dailynews ( 04/01/2007 15:58)
ilay lazain i prime koa dia ekeko. manankarena hono ny tenin Atra.
6. nyh ( 04/01/2007 16:41)
amiko ny marina dia ao anatintsika tsirairay avy ilay fanjakana satria isika no tenimpolin'A/tra. Nefa araky ny voasoratra ao@ evanjely refa nalain'ny pilaty ambavany i kristy dia izao no nolazainy hoe" ra eto @zao tontolo zao ny fanjakak dia niady..." zany hoe tsy eto an-tany zany ilay fanjakany.
Ra toa ianao ka tena mino sy mahay mivavaka marina d ho tsapanao sy ho fantatrao fa efa ao anatinao lay Fanjakan'A/tra. Efa nohariny isika, efa nekeny ho zanany ka anjarantsika tsi1/1 avy ny mba ho mendrika zany fitiavany zany, refa mahay miaina ao anatin'ny fitivana enao d ho tsapanao fa velona ao @lay mandrakizay ny fanahinao k sty hahatsiaro sasatra. Satria fitiavana no nahatonga anao teto an-tany d fitiavana ihany koa no tokny hialanao eto
isika rehetra izao no atao hoe fanjakan'A/tra
7. ikaretsaka ( 04/01/2007 19:48)
amiko ny marina dia ao anatintsika tsirairay avy ilay fanjakana satria isika no tenimpolin'A/tra.


Ra toa ianao ka tena mino sy mahay mivavaka marina d ho tsapanao sy ho fantatrao fa efa ao anatinao lay Fanjakan'A/tra. Efa nohariny isika, efa nekeny ho zanany ka anjarantsika tsi1/1 avy ny mba ho mendrika zany fitiavany zany, refa mahay miaina ao anatin'ny fitivana enao d ho tsapanao fa velona ao @lay mandrakizay ny fanahinao k sty hahatsiaro sasatra. Satria fitiavana no nahatonga anao teto an-tany d fitiavana ihany koa no tokny hialanao eto
isika rehetra izao no atao hoe fanjakan'A/tra

namaste

8. LazaDaddy ( 04/01/2007 21:09)
mialohan'ny hidirantsika @ fanoharana nomen'i Jesoa dia misy teny manome hevitra antsika ito ho an'izay mankamamy ny Baiboly:

"Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny." Matio 11:12

Ampifandraiso @ ilay vavahady sy lalana tery sy hety :)
9. cutie ( 04/01/2007 22:09)
Mpandefa : nyh [ Valio ] 04-01-2007 17:41:57
Lohateny : Re : Vavaka nampianarin'ny Tompo: fizarana 2
amiko ny marina dia ao anatintsika tsirairay avy ilay fanjakana satria isika no tenimpolin'A/tra. Nefa araky ny voasoratra ao@ evanjely refa nalain'ny pilaty ambavany i kristy dia izao no nolazainy hoe" ra eto @zao tontolo zao ny fanjakak dia niady..." zany hoe tsy eto an-tany zany ilay fanjakany.
Ra toa ianao ka tena mino sy mahay mivavaka marina d ho tsapanao sy ho fantatrao fa efa ao anatinao lay Fanjakan'A/tra. Efa nohariny isika, efa nekeny ho zanany ka anjarantsika tsi1/1 avy ny mba ho mendrika zany fitiavany zany, refa mahay miaina ao anatin'ny fitivana enao d ho tsapanao fa velona ao @lay mandrakizay ny fanahinao k sty hahatsiaro sasatra. Satria fitiavana no nahatonga anao teto an-tany d fitiavana ihany koa no tokny hialanao eto
isika rehetra izao no atao hoe fanjakan'A/tra

ito zao hitako metimety amiko:lol:
10. LazaDaddy ( 04/01/2007 22:43)
1) Inona moa ny tena hevitra fonosin'izany fanjakana (Kingdom) izany? Misy Mpanjaka ao ary misy fitsipi-pifehezana.

2) "ny fanjakaNAO": Izy no manjaka fa tsy isika no hampilefitra Azy hanaiky izay metimety sy mifanaraka @ fiainana tiantsika.

3) ahoana ny ahatongavany? Iza ny lalana fidirana ao? Mivelatra sa tery sy hety? Misy lalana hafa ve azon'ny olona isafidianana sa lalan-tokana IHANY? Iza no vavahady?
11. xxx ( 04/01/2007 22:47)
Misy lalana hafa ve azon'ny olona isafidianana sa lalan-tokana IHANY? Iza no vavahady:ny fandraisana Jesoa no vavahady

fa tsy ny baiboly!
12. cutie ( 04/01/2007 22:47)
3) ahoana ny ahatongavany? Iza ny lalana fidirana ao? Mivelatra sa tery sy hety? Misy lalana hafa ve azon'ny olona isafidianana sa lalan-tokana IHANY? Iza no vavahady

efa haiko ny valiny fa tsy maintsy we baiboly zay :-D
13. xxx ( 04/01/2007 22:48)
diso o! nefa hoe i Jesoa o
14. cutie ( 04/01/2007 22:50)
eny e
ka ao @baiboily no ahitan an'i jesoa koa:lol:
15. LazaDaddy ( 04/01/2007 23:02)
xxx:
ny fandraisana Jesoa no vavahady
i Jesoa no vavahady. Ny fandraisana Azy = fidirana ny vavahady.

Ka ahoana ilay mandray an'i Jesoa? Be dia be ny toromarika nomeny antsika fiangonana, izay raisiko ho ahy manokana:

- "Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jirona hiala amin'ny fitoerany; raha tsy mibebaka hianao."

- "Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana."

- "Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitana mafy ny anarako hianao ka tsy nandà ny finoana Ahy...Kanefa...Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako."

- "Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany. Kanefa manan-teny aminao Aho, satria hianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompko hijangajanga..."

...
16. xxx ( 04/01/2007 23:12)
ka rehefa manaiky hidiran'i Jesoa ao anaty ve tsy tonga dia efa mandray azy?
samy manana ny fomba fandraisana an'i Jesoa fa ny tena essentiel dia ao anatinao izy!
17. LazaDaddy ( 04/01/2007 23:20)
xxx> ahoana moa izany hoe mandray an'i Jesoa?
18. ikaretsaka ( 04/01/2007 23:29)
manao ny tenanao ho "tempolin'andriamanitra"
19. ikaretsaka ( 04/01/2007 23:30)
mandray sy manaiky azy
20. ikaretsaka ( 04/01/2007 23:32)
ary manao azy ho part ny tenanao mihitsy

ohatran'ny masoandro sy ny tarany ...not one, not two
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4418