Ny fiainana mandrakizay

1. jhouhlambout ( 19/12/2006 10:45)
Mino ve nareo fa misy tokoa ny fiainana ao aorian'ny fahafatesana? Dia ahoana ny fahitanareo zany fiainana izany? Mitovy @ zao fiainana iainantsika izao ihany ve sa hafa mihintsy? Ary ny réincarnation?
répondu par Rasiligaoma le 29/12/2006 19:08
2. Imahaka ( 19/12/2006 10:52)
Za aloha mino fa misy, ny fahitako azy indray tena mbola tsy hitako sady tsy mbola eritreretiko fa rehefa any mahita azy. Raha possible moa hoe misy réincarnation dia tena hiverina za kle! Dia izay ilay hoe rehefa any mahita azy e
3. xxx ( 19/12/2006 11:08)
za alou mbola tsy maty d tsy haiko :roll::roll:
ry zalahy nialoha lalana retra kou tsy mbola nisy nitantara:-D:-D:-D
4. booboo ( 19/12/2006 11:15)
Zà koa mino fa misy fiainana afaran'ny fahafatesana. Mety hafa mihitsy araka ny hevitro manokana fa tsy haiko hoe hafa mihitsy manakory :°).

Ny réincarnation zà tys mino.
5. Imahaka ( 19/12/2006 11:32)
xxx:

ry zalahy nialoha lalana retra kou tsy mbola nisy nitantara:-D:-D:-D


Nisy lhl roa mpanao magie. Nanao pacte tamin'ny fanahy ratsy. Nifaranaka izy roa lahy fa izay lasa aloha mampilaza ny iray amizay mitranga any ankoatra any.
Maty aza ilay iraka lahy.
Herintaona taty aoriana, niseho tamin'ilay namany mbola velona izy (tamin'ny alalan'ny nofy), ary voadidina afo be mijoalajoala nanodidina azy, dia niteny ilay io hoe:"mivavaha ialahy dia ialao io magie noir io fa tena misy ny afobe".

Niala tamin'ny fanaony tokoa ilay ranamana, nivavaka mafy, nitantara tamin'ny namany sy havany ny nanjo azy sy ny nataony.

Taty aoriana kely, hita maty tao an-tranony ilay ranamana io ary feno diana rangotra sy main'ny afo ny hodiny. Nijanona ho mistery ny amizay namono azy!

6. Fiffi ( 19/12/2006 11:57)
jhouhlambout:
Mino ve nareo fa misy tokoa ny fiainana ao aorian'ny fahafatesana?
Izaho mino ny fanahy masina
Ny Eklésia masina katolika
Ny fiombonan'ny Santa
Ny famelan-keloha
Ny fitsanganan'tena amin'ny maty

ARY NY FIAINANA MANDRAKIZAY......Amen .


7. miarina ( 19/12/2006 11:59)
Izaho aloha tsy mino an'izany. Hevitra no resahina ka aoka tsy ahatezitra ny sasany.
8. mpanota ( 19/12/2006 12:26)
Raha izaho manokana aloha dia te-hahalala izany eh, nefa kosa izaho aloha dia tena tsy mino ireny interpretation ataon'ny mihevitra fa ho mpivavaka ireny oh: ny sarin'ny mparadisa izay lazainy fa anjakan'ny "LIBERTE SY NY EGALITE " satria ny olombelona no namorona ireny eh , tsy possible koa angamba ny hisian'ny hoe misy olona voatokana ho any @ afobe (izay tsy kristianina sy tsy mitondra ny anaran'i Kristy hoy izy ireo )dia aona izany ireo olona izay tsy nahalala izany mihitsy ? ,
Lay atao hoe FAHOTANA angamba no tena tsy haiko sy tsy inoko araka ny interprétation' izy ireo eh .
zaho koa aloha tsy mino ilay sary paradisa izay asehon'izy ireo amina boky kely ireny satria "tsy possible mihitsy hoe toy ireny ny paradisa raha toa ka misy tokoa izany "
Tsy hisy mihitsy aloha izany "afobe " izany raha ny fizotry ny fiainana no jerena eh . Ny kristianina aloha no inoko fa nampisy an'izany eh , ZAVATRA NOFORONONA FOTSINY NY AFOBE MBA HANODINANA NY SAIN'NY OLONA @ ALALAN'NY CONSIENCE MBA HAMPIRINDRA NY FIARAHAMONINA

NY FIVAVAHANA DIA FOMBA FITSINJOVANA NY AINA IZAY MAMETRANA NY MAHAOLONA FOTSINY , ZAVATRA NOFORONON'IREO TANY ALOHA TANY

Mialatsiny raha toa ka mety hanohana ny hafa ilay teny fa , ny fahitako azy manokana no lazaiko eto , ary hevitra tanimboanjo :lol::lol::lol::lol::lol::twisted:
9. Imahaka ( 19/12/2006 12:54)
dia taninkatsaka koa lol
10. booboo ( 19/12/2006 13:00)
11. Fiffi ( 19/12/2006 13:59)
miankina @ tsirairay kosa io eh ! ny finoany sy ny fivavahany zany.
12. malalatinasoa ( 19/12/2006 14:36)
Za tsy mino ny reincarnation.
Fa mino ho misy ny fiainana mandrakizay. Mbola tsy nahita klou de tsy afaka miteny hoe ahoana le izy :wink:.
Fa ny eritreretiko an'ilay izy dia toerana iray tsy isiany fahoriana sy ny fijaliana: paix, joie et bonheur (l)(l).
13. Fiffi ( 19/12/2006 14:42)
zah aloha mbola tsy nahita koh ! fa noho ny finoako de mino aho ...

Izaho mino ny fanahy masina
Ny Eklésia masina katolika
Ny fiombonan'ny Santa
Ny famelan-keloha
Ny fitsanganan'tena amin'ny maty

ARY NY FIAINANA MANDRAKIZAY......Amen .
14. Imahaka ( 19/12/2006 14:50)
tsy ampy kely io Fiffi a, dia mino ny âme soeur koa ianao lol
15. Rasiligaoma ( 19/12/2006 15:10)
fa rehefa vita tokoa ny FIAINANA MANDRAKIZAY dia inona ny ao aorianany?
16. Zina ( 19/12/2006 16:31)
fa rehefa vita tokoa ny FIAINANA MANDRAKIZAY dia inona ny ao aorianany?

ka efa mandrakizay zany ko.

Izay tena Kristiana sy mino ny Baiboly/Jesosy dia misy ny fiainana mandrakizay Jereo ao Apocalypse 21, 22..
17. Rasiligaoma ( 19/12/2006 17:04)
za nge mino hoe misy ny fiainana mandrakizay e.. fa ny aorinany no tsy haiko inona indray rehefa vita io..
azavao fa tsy intelizansa zahay e
18. Fiffi ( 19/12/2006 17:21)
Rasiligaoma:
za nge mino hoe misy ny fiainana mandrakizay e.. fa ny aorinany no tsy haiko inona indray rehefa vita io..
heu...mandrakizay zany hoe tsy misy tohiny fa mandrakizay.....


19. andry08 ( 19/12/2006 17:28)
Rehefa tonga any dia ho hita raha ny amiko. Hatao aloha izay mahamety ny eto ary amim-pahamarinana sy feno fitiavana ary avy eo ho hita eo .
20. rakaroka ( 19/12/2006 17:44)
Ka marina mihitsy fa ny présent no azontsika "joué"-na sy lavorariana. Ny mampieritreritra ahy fotsiny
mikasika ny doublement de personnage fahita tetsy sy teroa ary na i Ed Andriamalala aza nanoratra hoe tsy i Karla ihany ve no ...rahateo eo amin'ny fijotran'ny fiainana misy mioitra Mmmmafffy anefa toa tsy mahita mangirana tahaka ny gasy sy ny tsy gasy maro...eo no mampieritreritra hoe misy marina ve ny loi du "Karma"?... izany hoe tsy mizotra avy hatrany amin'ny dolce vita (paradisa) fa mbola
manefy mi-purifié ny fanahiny amin'ny alalan'ny fiatrehana fiainana hafa... dia rahefa tena pure vao afaka "unité amin'ilay Divine: sarotra ny hino hoe tsy hanao grande "chose" isika amin'ny fandalovana eto an-tany dia i Jesoa no hipasoka tsotra izay
antony et mission'ny tsirariray fony nandalo teti an-tany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0873