Ny fiainana mandrakizay
42. ikaretsaka
(
21/12/2006 15:27)
za ange mino hoe misy le izy e
azon'i fiffi?
fa za tsy mino oe "ohatran'ny ahoana le izy"
le sarisary ataony anay anaty bokina temoins ireny tsy inoako hoe otran reny ny any ...

43. soanja
(
22/12/2006 01:03)
ikaretsaka:
zay koa manko 1 ry soanja..
fana miteny aza ange ianao ka tsy tany de ahoana ny inoako anao
Ny fahaizako azy moa zany raha ampifandraisina anle ato ambadika ny hevitra dia manomboka eto an-tany ny paradisa ary isika olombelona ihany dia afaka mifandamina hisian'io. ka arakarak'izay ny hisian'ny fitoizany any ankoatra satria ohatra tsy azoko antsaina hoe tsy hitohy mandrakizay iny hatsarana iny nefa iny no nahatonga antsika nilamina sy sambatra taty. Zany hoe ny asan'ny Fanahy. Io no mahaolona antsika raha tsy izany dia hifandrahatra amin'ny biby isika. Ny tiako resahina zany dia misy tanjona ny nandolavana teto an-tany ary mikatra hatrany izany tanjona izany (transcendence) ary ny hitohizan'izany any ankoatra koa dia tanjona ihany koa. Ny finoana no ho hitondra anao amin'izany sehatra izany.
45. niryna
(
23/12/2006 04:45)
Efa nahita olona ve ianao teo am-pialana aina hoe may aho? Misy ny tapany ambony no maty voalohany dia miandry tapa-bolana vao maty ny tapany iray? Misy olona tany amin\'ny hopitaly narary ary niangavy azy ny zanany mba hivavaka fa na dia fara-fialan\'aina aza ka mangataka famelan-keloka isika dia ho voavonjy,saingy tsy nety ity rangahy ary hoy izy hoe voay ny varavaran-kely fa mafana be sy feno afo manodidina ahy.Tsy midika akory izany hoe manaova ratsy fa rehefa tonga ny fotoana mibebaka,tsy fantatra ilay fotoana.Ao amin\'ny apokalypsa no milaza ny fiafaran\'ny tantara.
1-Ny andro farany:Izay efa misy daholo izy izao,mitombo ny mpaminany sandoka,ny mpanao ratsy,ny mpakahala fivavahana,mihena ny fitiavan\'ny mpianakavy,maro no enjehina noho ny finoany an\'i Jesosy,toriana erak\'izao tontolo izao ny filazan-tsara,milatsaka amin\'ireo olomboafidy ny fanahy masina.

46. niryna
(
23/12/2006 04:56)
2-Fiomanana:miandry sy mivonona ny mpino,ho avy Jesosy izay tsy fantatra ny andro fa na izy aza tsy mahalala,ho avy haka ireo olo-marina izy izay miaraka ny anjely,izay olona mino rehetra na maty na velona dia hiova daholo ny vatany ary tsy mitovy toy izao intsony.
Samy tsaraina ny nataony daholo ny tsirairay,mahazo satro-boninahitra daholo ireo mpino nanao asan\'Atra.
3-Fisavoritahana: Ireo fiangonana nino an\'Atra dia tsy ho tsaraina,hipotra ireo mpanenjika an\'i jesosy,hanomboka eo koa ny fisokafana ny zava-mifono fito(Apks 6:1),manomboka be ny fahorian\'ny olona, manao fahagagana lehibe ny mpaminany sandoka,ary ny filazan-tsara dia toron\'ny anjely ary mety ny jiosy, manomboka mino an\'i Jesosy ny jiosy marobe.

47. niryna
(
23/12/2006 05:08)
4- Fisarivotahana lehibe:maharitra teo taona sy tapany,mirongatra ny herin\'ny satana,ny mpanao herin\'ny maizina rehetra,ny olona mino ny masoandro, volana, kintana dia mirongatra koa,mitombo ny fiangonana mivoana amin\'ny finoana an\'i jesosy, mijaly mihoatra ny taranaka hafa ny jiosy, mitombo ny fahoriana, ary avelan\'Atra hanjaka ny mpanao ratsy rehetra, manomboka potehin\'Atra ny fiangonan\'ny tsy mpino,hitsangana ny mpino izay novonoina, manomboka hiady amin\'izay ireo atra hafa ary dia hitsoka mozika hidina Jesosy eo anatrehan\'ireo mankahala azy.(Antichrist).
5-Antichrist: ho azy daholo ny fahefana rehetra eto an-tany, ary manamotika ny fiangonan\'i kristy, manampy ireo mpaminany sandoka izy ireo,

48. niryna
(
23/12/2006 05:24)
6-Hidina avy any an-danitra amin\'izay Jesosy hitsara ny velona sy ny maty, miaraka ny anjely marobe,ny olo-masina,tsy manampo ny fahatongavany ny tsy mpino, ho zarainy ny olona mino sy tsy mino, hifandrafy ny firenena, mifaly ny olo-masina, hitsara Jesosy ary haripany amin\'izay ny tsy mino sy ny mpankahala azy,tsy misy intsony ny fitoriana ny filazan-tsara,
7-fitsarana farany:Ady farany ireo a/tra hafa ary manomboka mitomany sy mirehitr\'afo avoko ireo. Alefan\'Atra any anaty farihy mirehitr\'afo daholo ny fahavalon\'Atra,
8-Ny paradisa vaovao sy ny tany vaovao: ho potehin\'Atra daholo izao tontolo izao, ary dia mamorina vaovao Izy, ary tsy hisy intsony ny fahoriana na fitomaniana fa Jerosalema vaovao no alatsak\'Atra.Apkl 21:1-8.Vakio ny Apkl fa voalaza ao daholo ireo teneniko ireo.Misy izany vonjena misy tsy

49. niryna
(
23/12/2006 05:34)
Farany tsy vidiam-bola ny finoana koa raha mbola tsy manana experience ianao dia aza manenjika na mamingavinga,betsaka ny zavatra hitako sy niantra tamin\'ny fiainako ary betsaka ny olona izay faran\'izay ratsy nantsoina.Ataovy toy ny misotro rano ny finoana fa aza hieritreretina hoe lavage-de cerveau, satria raha izaho manoka efa maro izay lalana nandehanako niarahako Azy izay ka na alina eto aza ny andro tsy ho tapitra ity,misaotra azy fotsiny aho nizara sy mampahafantatra ireo izay tsy mino.Raha azavaina eo aza anie ireo tsy mino rehefa mbola tsy tonga ny andro hiantsoana azy tsy hiditra e.Alaivo sary an-tsaina fotsiny fa misy ny voafidy ary misy ny tsia.Izay no tian\'Atra sy ny lalany.Isika tsirairay avy no jiro fanilon\'ireo manodidina ka ilaina hita-taratra ny toetra, ny fihetsika, ny fiteny ary manana toetra tsara sy fisainana madio foana
50. soanja
(
23/12/2006 14:47)
Aloe amin'ny manaraka no hazavainy ny atao hoe Dogmatism.
Tsy tsara raha atao biby fampitahorana Andriamanitra amiko. Tokony ampitivana sy ampanetretena ary ampahavonona tanteraka avy amin'ny fo n'ny tsirairay ny hanantonana sy hikatsahana ary hanompona azy.
Hoy ny Niryna: "Isika tsirairay avy no jiro fanilon'ireo manodidina ka ilaina hita-taratra ny toetra, ny fihetsika, ny fiteny ary manana toetra tsara sy fisainana madio foana."
Io kosa dia manaiky aho satria raha manana an'io isika dia tsy manalavitra antsika ny Paradisa na efa ao isika raha ny rehetra no manana an'io an.

51. ikaretsaka
(
23/12/2006 17:51)
ny ahy koa ny andriamanitra inoako tsy andriamanitra masiaka sy mpanasazy
52. rakaroka
(
23/12/2006 21:02)
raha ny marina lé paradisa tsy image-na fomba fiaina
efa nokarsahina hatrany edena angamba. Ka ny tany dia terrain ahafahana mampanjary "concept" dia ny hanamparantsika ny maha-zanak'ilay mpahary antsika tokoa alohan'ny iverenana any aminy!
Ny olana dia tahaka ireny atody akotrika ireny ka raha lamokany dia inn no zanak'akoho hivoaka avy eo?... Aucune éspérance de vie dans le futur ho an'ny lamokan'atody!...

53. Rasiligaoma
(
26/12/2006 08:22)
fa nareo ve maika ny ho faty sa leo ny fiainana an-tany no izany sahady no eritreretinareo e?
raha izaho no anontanianareo an'izany dia mino aho ..
fa tsy raharahako izany..
ny fiainako eto an-tany aloha izao no maha somokotra ahy...
ny eto aza efa mampivaky loha mbola hitady ny tsy takatra io? sa fomban-gasy mihintsy io misikotra ny tsy hita io?
ny an-tratra tsy lavo ry reto...

54. prime
(
26/12/2006 11:19)
aho:... i Kristy mihitsy no mampianatra sy manohatra ary manambara ny amin'ny fiainana mandrakizay... tsy voatery miandry an-dranona ho any sy tsy ho any fa efa manambara Jesosy ny momba izany sy ny lalana mankany sy ny isehoan'izany any aoriana, mino ny olona dia tsara izany, tsy mino ny olona dia tsara ihany koa izany fa efa tanteraka aminy ny teny faminaniana rehetra... I Tomasy (Apostoly) koa dia tsy nino mihitsy raha tsy nahita fa dia anjaran'ny tsirairay ny hino na tsy hino fa tsy misy izany hoe tsy misy mahalala izany... tsy te-hahalala no betsaka fa tsy hoe tsy misy mahalala...
Ny soratra masina dia mampiseho amin'ny antsipiriany mihitsy ny any ankoatra fa tsy misy izany hoe tsy misy mahalala ny any ankoatra izany... ny tena marina dia hoe tsy mino ny soratra masina no betsaka fa tsy hoe tsy misy mahalala... izany hoe efa ampahafantarina fa miziriziry tsy mety mino...
55. ikaretsaka
(
26/12/2006 12:19)
Rasiligaoma:
fa nareo ve maika ny ho faty sa leo ny fiainana an-tany no izany sahady no eritreretinareo e?
raha izaho no anontanianareo an'izany dia mino aho ..
fa tsy raharahako izany..
ny fiainako eto an-tany aloha izao no maha somokotra ahy...
ny eto aza efa mampivaky loha mbola hitady ny tsy takatra io? sa fomban-gasy mihintsy io misikotra ny tsy hita io?
ny an-tratra tsy lavo ry reto...
=D
io dia fomban'ny olona mihitsy.
marina hoe inoana ilay zavatra fa misy.. fa tsy mbola staden'ny mivaky loha amin'izany aloha fa ny fiainana eto an-tany eritreretina
56. prime
(
26/12/2006 13:41)
ikaretsaka-rasiligaoma> ka angaha misy mivaky loha fa ilay fahamarinana tsy maintsy ambara no resahina...
Fa izany eo ihany, fa ny tena olana dia ilay tsy finoana mihitsy... ary ny fiainana mandrakizay no antoka ny ho avy rehetra sy tena antom-pahavelomana ka izay fandalovana kely 70 na 80 taona eto an-tany ve no hamakianareo loha? mampalahelo raha izany an... ary ilay mandrakizay izany ahoana?... hummmmmm

57. ikaretsaka
(
26/12/2006 16:58)
rehefa tonga any dia mivaky loha amin'ny any indray e!
One day at a time ry prime an.
io ange ilay hoe aza manahy ny ampitso e... ny vorona ve manahy izany? ny androany ihany aloha ny azy"
Ary voamarik'i jesoa izany matoa nanaovany fanoharana...

58. soanja
(
27/12/2006 09:33)
prime:
ikaretsaka-rasiligaoma> ka angaha misy mivaky loha fa ilay fahamarinana tsy maintsy ambara no resahina...
Fa izany eo ihany, fa ny tena olana dia ilay tsy finoana mihitsy... ary ny fiainana mandrakizay no antoka ny ho avy rehetra sy tena antom-pahavelomana ka izay fandalovana kely 70 na 80 taona eto an-tany ve no hamakianareo loha? mampalahelo raha izany an... ary ilay mandrakizay izany ahoana?... hummmmmm
Izay indrindra ry Prime no tsy hitovizantsika hevitra a.
Ny ahy dia izao fotoana izao no tiako ho fantatra. Izao no nomen'Andriamanitra ahy dia ankasitrahako azy, iainako, hankafiziko ary hatsaraiko raha azoko atao satria io no hanome ahy hery sy tokiko amin'ny ho avy. Tsy hanahy ny ho avy akory aho satria ny ho avy dia efa eny empelatan'Andriamanitra. Izay inoako fa tia ahy ary tiako. Izy nandefa ahy eto dia manana ny tanjony. Izay tanjony izay no tadiaviko ary tanterahiko.
59. Rasiligaoma
(
27/12/2006 14:25)
soanja> mitovy fihevitra isika dahy amin'iny..
zaho koa aloha tsy te hi "Bother" amin'izany... ny anio aza tsy haiko ny miaina azy ry anona ko..
eny e..misy fomba Malagasy izay koa ilay ny tsy azony ihany no tiany takarina..
"mi ""pety"" ambonin'ny fipetrahany" hono:-D
zaho koa aloha tsy te hi "Bother" amin'izany... ny anio aza tsy haiko ny miaina azy ry anona ko..
eny e..misy fomba Malagasy izay koa ilay ny tsy azony ihany no tiany takarina..
"mi ""pety"" ambonin'ny fipetrahany" hono:-D
Rasiligaoma:
fa nareo ve maika ny ho faty sa leo ny fiainana an-tany no izany sahady no eritreretinareo e?
raha izaho no anontanianareo an'izany dia mino aho ..
fa tsy raharahako izany aloha izao ..
ny fiainako eto an-tany aloha izao no maha somokotra ahy...
ny eto aza efa mampivaky loha mbola hitady ny tsy takatra io? sa fomban-gasy mihintsy io misikotra ny tsy hita io?
ny an-tratra tsy lavo ry reto...
60. soanja
(
27/12/2006 16:27)

mahazo siligaoma 2 amiko i Rasil rehefa mihaona.:-*:-*:-*:D