Olona ki-sé-tou

1. hery ( 13/09/2006 16:18)
Nareo ve mba sendra an'ireny olona qui-sait-tout ireny? De inona no tokony hatao rehefa miresaka amin'izy ireny? Indraindray aloha tena misy zavatra hainy be mihitsy... ary tena mpiasa be izy amin'iny... azo araraotina. Fa misy zavatra tsy hainy dia mbola lazainy fa hainy ihany... satria mba haiko ohatra.
De manjary tsy matoky azy intsony ny tena na amin'ny zavatra tena hainy aza satria hoe sao dia tsy hainy akory ilay izy.
répondu par prime le 08/11/2006 07:43
2. nikopol ( 13/09/2006 16:41)
omeo voanjo izy ry hery rehefa tsy ainy iny ilay izy dia amizay tsy mahateny fa mitsakotsako fotsiny an!

dia isaky tsy dia ainy ilay izy dia seseho voanjo ! dia rehefa eo amin'ilay ainy dia omeo rano :lol:
3. Fiffi ( 13/09/2006 16:42)
zany hoe tsy hasiany limity intsony ny hoe fahaizany zavatra ka lasa mandreraka be ny miresaka aminy.
Ny tena olana de na dia fantatrao zao aza hoe tsy izany no marina fa izy mi-insiste be hoe zao ! de ny azy hiany no marina .
Manjary mahakamo be ny miresaka aminy fa tsy maninona fa henohina hiany zay lazainy .
Ny mahagaga ahy aloha satria efa tena sendran'ireny olona ireny aho de tonga saina hiany ange izy eh! hoe toa tsy marina tokoa zany lazaiko zany saingy mahay mamadika resaka izy de avec fierté hiany manazava azy fa "sous autre forme"
4. booboo ( 13/09/2006 16:42)
ny oul kisétou fantako hatreto dia très très très haut débit ny paroles-ny dia tsy azoazoko firy. Henoina fotsiny dia tadidina zay mahasoa ....
5. diamondra27 ( 13/09/2006 17:46)
:P de ampy e!

ssss henoina fotsiny ny resany e
6. Fiffi ( 13/09/2006 18:06)
fa mandreraka kosa ny hafarany an!
7. cutie ( 13/09/2006 18:20)
raisina ze mahasoa, de avoaka @sofiny ilany ze tsy mahasoa :-D:-D:-D
8. xxx ( 13/09/2006 18:52)
Ny olondrehetra hitako amin'izao toa ohatr'izany avokoa, Mr je sé tou.
Ny mety ho antony dia matahotra ny tsy hahay toy ny tany ampianarana rehefa voahadina.

Ny maha-samy hafa azy ireo kosa anefa dia misy ny:
-Je sais tout fa mijanona ho proposition fotsiny ihany ny zavatra lazainy.
-Misy indray ny Je sais tout fa tena mi-imposer mihintsy izy hoe izay no marina.

Ity faharoa ity no ratsy satria tena mandodona anao hanaraka fahatany ny heviny izay heveriny ho marina nefa mety tsy ho marina akory.

Ny sasany koa moa tsy mba manana "recul" fa dia miaino sy mino be fahatany fotsiny, satria hoe Profesora no miteny. Raha izaho manokana dia manana recul foana amin'izay zavatra lazaina amiko satria ny olombelona olombelona ihany, manana limite fa tsy tapi-pahaizana akory.

Mahaiza manao recoupement amin'izay information fahanana anareo fa be ny mpamitaka, be ny olona milaza manampy nefa tsy nataony ho anao fa nataony ho an'ny tenany ihany, ka izy manao je sais tout iny dia manao autosatisfaction fotsiny satria manana complexe hoe ataon'ny olona tsy mahay, lol !:^):-w
9. Fiffi ( 13/09/2006 19:52)
na hoe manana complexe de supériorité !
10. xxx ( 13/09/2006 20:17)
Mitovitovy hevitra amin'i xxx.

Matetika heverin'ny olona fa complexe de supériorité no mahatonga ny Mr je sê tou dia lasa tsy tiany loatra. Complexe d'infériorité, timidité ary tsy fahampiana confiance amin'ny tena anefa no tena mahatonga ny Mr Je sê tou. Matetika dia ny manodidina ilay olona ihany no mahatonga azy lasa manao an'io. Ohatra ny zaza tsy mba nohenoina sy tsy mba ninoan'ny ray amandreniny; na olona nilaozan'ny sipany na namany. Miezaka m'se sentir utile et necessaire hatrany izy. Izany hoe tsy miseho milay no tanjony fa te hanana namana fotsiny dia heveriny fa rehefa utile sy necessaire izy dia hahazo namana amin'izay.

Raha namana izy, dia tsy tokony gronderna na blamerna, fa henoina tsara dia atao izay hahatokisany ny tenany sy hahatsapany fa na misy zavatra tsy hainy aza dia tinao foana izy ary namanao. Rehefa tafiditra ao aminy izay dia afaka miandalana eny izy.:^)
11. simplex ( 13/09/2006 20:36)

hery,

refa "leader" ela na "cadre", dia tokony mihaino ny soso-kevitra na koa toro-hevitra avy @ hafa rehetra. Fa ela ihany no mandray ny "decision". Raha toa ka efa hita fa hevitra tsy mitombina ve de mbola atao ihany.

raha toa indray le izy k "collegiale", dia izay lany ny be sy ny maro eo ihany. Arovy ny hevitr'ela hoe izao no tokony ho izy. Ra tsy iny moa no atao de tsy manin fa ra tena diso tokoa ilay izy de voa mandeha kely de efa hita hoe tsy mande @ ze lahoriny izy izany.

Mba tsy hahafatiantoka anefa, ra sanatria manao fanapahan-kevitra diso, de ra mety de aleo manao "backups" indrindra @ le zavatra tsy fantatra ireny intsony izay marina aminy. Jereo tsara aloha ny risika hoe mety ngoza be ve le very, dia ohatr'izay ihany no ahitana hoe ilana "expert externe" ity fa sao vita be eto.

Sinon ra namana izy, tokony ho namana doly refa mitovy ny tanjona an, refa tsy mety resy lahatra izy de asehoy azy hoe eto no tsy mety @ zay hevitrany izay. Ra mbola tsy mahita "faille" @ ny heviny aloha de mbola karazany ny hoe mety ihany ilay izy...

:-*:-*
12. Fiffi ( 13/09/2006 20:53)
ka le izy koa ange de zao eh! manana an'io complexe de superiorité io izy ! raha mba azo torohina moa maninona fa misy tena mampiseho be ny fierté-ny mihintsy!
13. xxx ( 13/09/2006 20:59)
Fiffi
Matetika heverin'ny olona fa complexe de supériorité no mahatonga ny Mr je sê tou dia lasa tsy tiany loatra. Complexe d'infériorité, timidité ary tsy fahampiana confiance amin'ny tena anefa no tena mahatonga ny Mr Je sê tou. Matetika dia ny manodidina ilay olona ihany no mahatonga azy lasa manao an'io. Ohatra ny zaza tsy mba nohenoina sy tsy mba ninoan'ny ray amandreniny; na olona nilaozan'ny sipany na namany. Miezaka m'se sentir utile et necessaire hatrany izy. Izany hoe tsy miseho milay no tanjony fa te hanana namana fotsiny dia heveriny fa rehefa utile sy necessaire izy dia hahazo namana amin'izay.
14. vale ( 13/09/2006 21:02)
hery:

Nareo ve mba sendra an'ireny olona qui-sait-tout ireny? De inona no tokony hatao rehefa miresaka amin'izy ireny? Indraindray aloha tena misy zavatra hainy be mihitsy... ary tena mpiasa be izy amin'iny... azo araraotina. Fa misy zavatra tsy hainy dia mbola lazainy fa hainy ihany... satria mba haiko ohatra.
De manjary tsy matoky azy intsony ny tena na amin'ny zavatra tena hainy aza satria hoe sao dia tsy hainy akory ilay izy.

Raha zah manokana aloha dia tiako miresaka @ reny eh,:lol:, mampitombo ny fahalalàko ihany izany koh! fa raha zavatra diso kosa ny teneniny nefa mi-insiste de tsy maha je sé tout azy ndray aloha raha "zà" an:-D:-D


15. vale ( 13/09/2006 21:15)
cutie
:-D:-D izy manana ny intérêt any de zà ko mba mijery nenah kooo:lol::lol::wink:
16. Fiffi ( 13/09/2006 21:52)
de samy maka zay intérêt-ny zany koh!
17. Fiffi ( 13/09/2006 22:19)
izay indrindra! fa tena marina akia io an! :):-*
18. Fiffi ( 14/09/2006 06:41)
zah jé-né-sé rien! fa mba hampianaro akia zah ry cutie an! :):-*:-*:-*:-*:-*
19. mamzelkely ( 14/09/2006 07:28)
za ko kia ry fiffi de mamzel zeu c rien, fa za le mitanaka vava ftsn refa miresaka am olona je-c- tout de lasa ts haiko tsony na marina na diso zay lazaina sirtou refa tratran'ny le olona je-c-tout sy mahay mandahatra resaka humm :roll:
20. dolby ( 14/09/2006 07:36)
Tsy dia sarotra ny miresaka amin'ireny. Henoina tsara fotsiny dia somary dokafana kely indraindray. Ny mihaino no atao betsaka, miova ho azy ny firesany aminao amin'ny manaraka. Misy vazaha iray zay nataoko an'io fa tena niova mihitsy taty aoriana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3192