very maina Jean frédi
1. Flavien
(
19/08/2006 20:04)
mitady tononkiran'i Jean frédi misy manao hoe Sasatra aho raha very maina, malahelo zaho ka hitomany, manantena raha tsy anjara, verimaina ô!ô! very maina.
répondu par lanto le 22/09/2006 13:55
3. mandrindra
(
21/08/2006 13:46)
za ko ohatra ny mahay fa mbola miandry an'i cutie.
cutie ô, :*:*:*:*
cutie ô, :*:*:*:*
5. mandrindra
(
22/08/2006 13:35)
dia mbola miandry an'i cutie aloha sady manome :*:*:*:* ho an'i cutie ihany
16. cutie
(
01/09/2006 15:39)
andraso @ zay alou ry mandrindra hitady an'le hira za fa tena adino izy teo a :wink::*(l)
17. cutie
(
02/09/2006 19:50)
Mpandefa : Flavien [ Valio ] 19-08-2006 22:04:26
Lohateny : very maina Jean frédi
mitady tononkiran'i Jean frédi misy manao hoe Sasatra aho raha very maina, malahelo zaho ka hitomany, manantena raha tsy anjara, verimaina ô!ô! very maina
ty ve le izy sa tsy izy :roll:
VERY MAINA
Very maina, ô! very maina
Ireo adin-tsaina izay nantenaina
Hampody aina ilay fitia
Very maina, ô! very maina
Izaho mangaina nandresy ireo hery tsy tia
Marina aloha fa nisy hadisoako maro
Poizina ratsy tonga nifangaroharo
Tamin'ilay fitiavana izay fantatrao
Fa tsy nitempo raha tsy ho anao
Marina aloha fa nitratrevatreva aho
Raha sendra mba diso kely iny ianao
'Reo endrikendrika hoe mety ho fitiavanao
Nadikako avy hatrany hoe fitiavana
Very maina ...
Tsaroako indray ilay andro iray izay nivoadiana
Fa n'inon'inona hitranga hiafiana
Teo anatrehan'ilay Avo izay Nahary
Kanjo izao vao ditsoka ary
Nandefitra aho indraindray, ianao koa
Izao no anjara angamba ka ho aiza moa
Mody ny lahatra no hoe omena tsiny
Nefa ny tena no efa tsy tiany
Ity tiana, ilay natao ho tanjona
Lasa nirintona nandao ny afonao
Saika hifonako hiverina kanefa
Efa tsy tiany aho matoa nilefa
Very maina ...
