jamban'ny fitiavana tokoa ve izy ?

1. jabole ( 31/05/2006 11:15)
misy sipa iray miaraka @ bandy efa manambady aman-janaka, fantany loatra izany toerana misy ilay bandy izany ary efa nisy fotoana aza tonga tany @ ray aman-drenin'ilay sipa ny vadin'ilay bandy saingy ny loza dia iretsy farany indray no tonga fofona fa hoe any aminy hono ilay bandy tsy ory n'inon'inona mahazo izay ilainy. ny tiako tsindriana dia hoe, moa ve toetra tokony hananan'ny ray amandreny izany,tsy adidiny ve no miteny ny zanany mba tsy handrebireby vadin'olona fa izy indray no mamporisika azy hanao hadalana nefa ny tondro molotra no mameno ny tanana fa hoe mpangala-badin'olona rkalakely. ahoana no mba hevitrareo ry reto?
répondu par cutie le 07/07/2006 17:56
2. little ( 31/05/2006 11:29)
sarotra, sarotra
3. lantotsiresy ( 31/05/2006 11:54)
Milay zany zakoa ohatran'izany rehefa mifanaraka tsara e tsy manakorotana tokatrano fotsiny
4. cutie ( 31/05/2006 11:58)
All is fair in love hono :P
5. mamzelkely ( 31/05/2006 12:17)
ko inn tsony mo no ambara refa ny RAR aza manaiky :roll:
6. donne ( 31/05/2006 13:36)
izay tsy nanota t@_nareo no aoka hitora_bato azy
7. sasa ( 31/05/2006 13:52)
revy samy manana ny azy io koa :-D:-D:-D:-D:-D
8. Fiffi ( 31/05/2006 13:56)
heu... hahaitana zavatra mihintsy aloha an!
9. TANALAHY ( 31/05/2006 16:01)
Mety misy zavatra miafina marina ao, ary ilay kof ve mba misy sosy ihany sa, sa revy fotsiny, tsy ao anatiny ny tena dia sarotra ny mitsikera, misy zavatra sarotra fatarina, fa raha ny marina maivan-doha ilay sipa, moa koa ilay kof tsy ampy revy avy any vadiny any.
10. bellla ( 31/05/2006 16:04)
zay tia adala e! tsy fantatra intsony izay marina fa tiany alou de ampy azy izay na izy manambady na tsia.
jamban'ny fitiavana tokou ka tsy mahita izay tondrom'olotra ataon'olon izany.
N'iza n'iza hoy Lola de njamba manoloana ny fitiavana.
11. Fiffi ( 01/06/2006 05:27)
aza manao an'izany hoe jamban'ny fitiavana zany fa mba aleo aloha jrena daholo ny momban'le olona fa io hiany ange no miteraka olana eh! indrindra raha fantatra aoriana ao fa kay efa manambady sns...
12. diamondra27 ( 01/06/2006 05:44)
le RAD koa izany mba te-hanambinanto tsara e!
fa na izany aloha dia tsy mety ihany ny nataony
13. Fiffi ( 01/06/2006 05:51)
satria misy fetrany daholo ny zava-drehetra.
14. sasa ( 01/06/2006 07:02)
Fiffi marina mintsy izany aleo jerena tsara ihany fa anenenana io any afara any.
:D
15. niala ( 01/06/2006 07:12)
bjr daholo!raha Ray aman-dReny mitsinjo ny hoavinjany izy tsy hampian-trano olona efa manambady, ary hananatra ny zanany,betsaka ny ol solafaka saingy rehefa hita hoe diso lalana dia mba miverina e!
16. Fiffi ( 01/06/2006 07:21)
mahagaga ahy koh manko zany hoe misy RAD manao an'izany an! satria ry zareo indrindra no mitsinjo ny ho avin'ireo zanany.
17. colar ( 01/06/2006 08:01)
ra tena mifankatia kosa alo le bandy sy le sipa de tokony tsy koi e,fa tokony hifanaja fotsiny,ra zakan lay sipa ve mo le zanakilay bandy maninn,ra tin lehibe ko le bandy ,tsy vo maika ve milamina,fa maninn nefa alo le bandy manao an zay,MISY RAHA AO ZAY,zay tsy fantantsika ny antony,
18. Fiffi ( 01/06/2006 08:07)
tsy fantantsika marina zay marina.
19. andriatiana ( 01/06/2006 09:08)
na jamba aza mba aza ataoko fa ny saina afaka mandinika
nefa io moa le hoe zay tia adala ,ka ny tsara ho fantatra fotsiny de hoe ara-dalana ve le fanambadiana sa tokatrano maso de ny zaza no hiraisana ,ka raha zay mantsy de hafa mihintsy ny fipetrany raha tsisy famatorana ao
ok:?:?
20. Fiffi ( 01/06/2006 09:23)
afaka mandinika marina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2548