tahotra

1. diamondra27 ( 02/05/2006 19:51)
Amin'izao fotoanandro izao dia betsaka ny olona no matahotra. Ao ny matahotra
ny ho faty
ny ho aviny
ny fahasalamàny
ny olona akaiky azy
sao tsy afaka fanadinana
ny ho antitra......

Ao anatin'ny Baiboly dia voasoratra 365 fois ny hoe: "AZA MATAHOTRA"

Matoa io nosoratana de fantan'Andriamanitra fa manantahotra isika ary tiany mba tsy hiahiahy ny @izany

Jereo LIOKA 12:22-32

inona no tena hatahoranao eo @ fiainanao?

Ireto aza misy andalantsoratra masina mba hampahery anao @izany
répondu par marozevo le 22/05/2006 20:36
2. diamondra27 ( 02/05/2006 19:57)
JAONA14:27
SALAMO 4:9
SALAMO 91:14-16
ISAIA 46:4-5
DEOTORONOMIA 31:6
SALAMO 34 5-11
SALAMO 121 rehetra
salamo33: 18-20
ISAIA 41:10
MATIO 28:18; 20
SALAMO 5:12-13
SALAMO 27:1-5

De aza matahotra intsony Fa Andriamnitra no miharo anao
3. petsambava ( 02/05/2006 20:06)
matahaotra ny tsy ho lany @ 2007
MINOA FOTSINY IHANY:°):°)
4. diamondra27 ( 02/05/2006 20:13)
petsambava: ngah hirotsaka kandida?
5. cutie ( 02/05/2006 20:56)
Mpandefa : diamondra27 [ Valio ] 03-05-2006 00:57:45
Lohateny : Re : tahotra
JAONA14:27
SALAMO 4:9
SALAMO 91:14-16
ISAIA 46:4-5
DEOTORONOMIA 31:6
SALAMO 34 5-11
SALAMO 121 rehetra
salamo33: 18-20
ISAIA 41:10
MATIO 28:18; 20
SALAMO 5:12-13
SALAMO 27:1-5

De aza matahotra intsony Fa Andriamnitra no miharo anao

reo fotsiny ve no vakiana de vita:roll:
6. marozevo ( 02/05/2006 21:42)
Cutie > Vakio aloha ireo eh... Ireo aza mbola tsy atomboka akory kooo.
Petsambava > I petsambava ity ve ilay nihira nalaza tamin'ny 2001 sy 2002 teo iny eh ? sa petsambava hafa indray ?
Tena hita fa maimbo ra amin'ilay olom-baovao i petsambava, hany ka na amin'ny sehatra tsy tokony hiresahana izany aza dia mitranga eny ihany ny....
7. cutie ( 02/05/2006 21:45)
marozevo,tsy manana baiboly za koa :oops:
8. dadabe ( 02/05/2006 22:01)
any etas unis ve de tsisy baiboly?:-w:-w:-w

misy baiboly omena maimaimpoana any @ hotely no henoko, sa tsy marina izany na efa tsy nanao an'io intsony ry zareo
9. cutie ( 02/05/2006 22:04)
mbola tsy nahita za koa
10. marozevo ( 02/05/2006 23:19)
Tsy any Etas-unis ihany no misy Baiboly ny Hotely.
11. dadabe ( 03/05/2006 00:15)
fa aiza ihany koa?? any italia ve?

diamondra> fa misaotra anao aloha fa hovakina ireo ,andalatsoratra m,aisna ireo e :-*
12. Fiffi ( 03/05/2006 03:25)
Ao anatin'ny Baiboly dia voasoratra 365 fois ny hoe: "AZA MATAHOTRA"
io izany no voasoratra ao anaty Baiboly , inona no hatahorana ?
De aza matahotra intsony Fa Andriamnitra no miharo anao
de zay zany! Raha Kristianina ianao de zay no izy.
JAONA14:27
SALAMO 4:9
SALAMO 91:14-16
ISAIA 46:4-5
DEOTORONOMIA 31:6
SALAMO 34 5-11
SALAMO 121 rehetra
salamo33: 18-20
ISAIA 41:10
MATIO 28:18; 20
SALAMO 5:12-13
SALAMO 27:1-5
de ahoana zany ? de hamaky an'ireo de vita ? de inona ny tohin'ity dinika ity ? satria raha samy hamaky Baiboly hiany ary efa nomena daholo ny referansy ny valin'ny dinika de ahoana ?
13. Fanja1 ( 03/05/2006 03:58)
dia aza mataotra intsony fa minoa fotsiny ihany , zay zany Fiffi:):-*
14. Fiffi ( 03/05/2006 04:34)
fanja:
JEHOVAH no Mpiandry ahy,
Tsy hanan-java-mahory aho,
2 Mampandry ahy amin' ny ahi-maitso Izy;.....

Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
Dia tsy hatahotra ny loza aho;
Fa Hianao no amiko;

Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin' ny andro rehetra hiainako,
Dia hitoetra ao an-tranon' i Jehovah andro lava aho.

Dia ankiniko amin'Andriamanitra ny fiainako ary hivavaka hatrany ary tsy hisy tahotra satria Jesoa mitsinjo hatrany.
15. Fiffi ( 03/05/2006 04:35)
fanja: :) :-*:-*

Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
Dia tsy hatahotra ny loza aho;
Fa Hianao no amiko;
16. diamondra27 ( 03/05/2006 05:02)
raha mbola tsy namaky ireo andinintsoratra masina ireo ianao; eny fa na dia namaky aza tsy maninona e; dia mangataka aminao izaho mba hanoratra izay zavatra atahoranao manokana @ taratasy iray. Rehefa vita izany dia makà indray taratasy hafa , de soraty ireo andala-tSoratra Masina ireo , de hetezo tsirairay ilay versets ary ataovy anaty satroka avy eo na vilia bol , dia ampifangarohy , dia ataovy tsy ankijery maka verset anankiray; dia vakio

Io izany no teny tian'i Tompo omena anao @ ilay hataka nosoratànao teo


Santionany ireo versets ireo fa izay mahita hafa afaka manome ange e!
17. diamondra27 ( 03/05/2006 05:08)
fiffi: hovalin'ny fanontanianao dia io voasoratro io izany angamba no mety hamaliana azy e!

ie, de raha voavakinao daholo aza ireo SM ireo dia inona no tohiny?
humm, Ny tohiny dia mivavaha , dia mets-les en pratique , dia mba teneno eto izay expériences niainanao ho fampaherezana ny hafa ka!

Ity dinika ity dia nataoko mba ho fampaherezana fa be ny olona manantahotra manko sy mametra-panontaniana eo @ fiainany.

Dia samia mizara eto oe: ny ahy izao ny zavatra natahorako dia ity no nomen'i Tompo ahy t@ le verset/
Na dia hanao xxx aza ianao tsy maninona e!
ny ilaina dia mba hahafantarana ny asan'i Tompo
18. pissoa ( 03/05/2006 05:53)
Izaho rehefa matahotra, dia hira no akariko. Hira mikasika fahatokisana an'Andriamanitra, na hira milaza fa tia ahy Andriamanitra, sns, na hira fotsiny e, mampahatsiaro ahy fa manana Andriamanitra aho. Ohatra:
Raha mandalo lohasaha
Lohasaha mahafaty
Dia tsy misy atahorako
Fa eo Ianao aman-tehina sy kibay miaro ahy.
Na
Tsy mba mandry an-driran'antsy
Ny mifikitra Aminao
Fa matory ivohom-bato, vatolampy vaovao.
Matetika koa mantsy ny tahotro tsy miandry ahy hanana baiboly sy vilia bol ety an-tanako, fa tonga fotsiny.
19. majakely ( 03/05/2006 06:00)
de zah zao matahoatra bibilava ,,,:D
20. diamondra27 ( 03/05/2006 06:22)
majakely: izany phobie bibilava izany izao mety entina eo anatrehan'Atra ka. Dia mivavaka mba ho halàny izany tahotra izany

pissoa: tsy voatery hanao io ianao fa mba torohevitra ny ahy. Tsara nge rehefa mahita solution eo @ fiainanao ianao e! Indrindra izany hoe: mihirahira izany tena mety=========>mihirahira=faly=mifalia mandrakariva FILIPIANA 4:4
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2447