Apres Irak mety Iran ndray!!

1. ainaheri ( 20/04/2006 10:57)
Raha mbola hitazona ny heviny ny Iran dia mety
raikitra ny fifandonana,na dia eo aza ny fifanelanelanana nataon'ONU mandritry ny faran'ny volana,ary etsy andanin'zany ny Teheran zay tsy mitsahatra manao demonstrant° des forces zay azainy fa tsy mataotra an'iza na iza ndrindra fa ny Amerikanina!!!
répondu par cutie le 03/05/2006 14:46
2. dadabe ( 20/04/2006 12:13)
tairo fa zahay momba ny silamo e!aleo hirodana ny amerikanina fa mnajakazaka lotra le
3. Lalah ( 20/04/2006 13:08)
Fa naninona anao ny amerikanina le aza ? Mba misaina aloha vao tonga fofona ry dadabe an! Adin ny samy ngeza io papa an! tsy misy tokony hidiran ny gasy, ny antsika zao izay hahatsara ny fiainana no atao. :o:o:o:o:o:o:o
4. jentilisa ( 20/04/2006 13:14)
Tsy hiditra amin'izany ny amerikana satria tsy firenena nisian'ny fizarazarana tahaka ny tao irak i iran!
5. mpanakiana ( 20/04/2006 13:57)
lalah
6. Lalah ( 20/04/2006 14:01)
jentlisa> marina izany, fa raha ny fijeriko azy manokana de hafa mihintsy ireto amerikanina ireto, t@ za mbola tsy nahita ny fiainana taty manko dia tena nankahala mafy mihintsy, fa tena tsapako zao fa tsotra ry zareo ary tena tsy mba manavakavaka zany, free country eo ihany fa tena manaja izany maha olombelona zany koa ry zareo, ny aty aminay manokana de tena tsy azo alefa @ Tv public mihintsy zany hoe porno zany , ra te hijery ianao de mandeha manofa canal. Ny resaka ady indray, tena hitako fa tsy mba olona tia ady ry zareo( eo anivon ny fiaraha-monina io) fa tsy haiko zay any ivelany any
7. zandikely ( 20/04/2006 17:06)
Dadabe: Angaha moa raha miady ny Amerikanina sy Iran dia lazaina hoe adiny Silamo sy ny Kristianina. Fahazahoako azy aminy saiko kely aloha dia mety adinana firenena 2 USA sy IRAN ohatra fa tsy misy resaka hidirana SILAMO izany. Tsy guerre de religion izy ity. Any Etats-Unis koa misy silamo, tahaka ny mampisy kristianina vitsy anisa any Iran.

Momba io resaka io dia niteny president Bush taminy herinandro lasa iny fa resaka spéculation daholo ny resaka intervention militaire imminente. Asa moa fa mandinika ihany ny Amerikanina vao hiditra amin'izany

8. Achia ( 20/04/2006 19:31)
eh he nareo ve ahoana e tonga de resy ny Iraniana zavata tsy voasoratra handresy zany tsony reo t@ andron'i Nebokadnezara reo no mafy fa ra @ izao mmmmh faible ,aleo nge hanao jerena e , famiomana ko fa isika ko @ zany mety hande tongotra daholy a hihi:-D
9. xxx ( 20/04/2006 20:42)
Diso ianao ry zandry a, tohin'ny croisade ihany io, izany hoe tena guerre de religion na de culture no marimarina kokoa mihitsy fa mody aolaka.
Islam vs JudeoChretienne.
10. cutie ( 20/04/2006 21:15)
tsy guerre silamo zany io fa guerre petrole e
fa na de zany aza,de hisy fiaintraikany foana io na avy @ iraniana na amerikana e.
Samy mitondra faisana daholo.
I bush sy ny tariny ihany no mahazo tombontsoa manokana.
11. fijo ( 21/04/2006 03:28)
lalah an,ny fiarahamonina US mety milamina,fa eo amin'ny fifandraisana eran tany,dia tia setrasetra ny US.
milaza ianao fa tena mandala ny zon'olombelona ireo???????ary guantanamo,ngah tsy olombelona no any?ary manana zo inona ireo voafonja ao????
ny fanamelohana hofaty ngah,fanajana ny zon'olombelona??????

zandikely.milaza ianao fa tsy hidiran'ny silamo io ady io.
aza adino,fa amin'ny silamo,ny ady rehetra ataon'ny firenena silamo iray amina firenena hafa,dia ady amin'ny silamo izay(jihad).raha tsy izany tsy nirohotra nankany afganistan ny silamo fony niady ny tany.ary izao indray dia mirohotra mankao irak.

ny fototr'io ady io,dia mety solika,saingy aza adino koa fa ry bush sy ny tariny,dia te hampiely ny finoana kristianina,ka mifangaro ao daholo izany antony izany.

ny vokany dia miakatra be ny solika,ary isika no miafy sy mizaka izany.
12. soanja ( 21/04/2006 13:43)
Lalah:

jentlisa> marina izany, fa raha ny fijeriko azy manokana de hafa mihintsy ireto amerikanina ireto, t@ za mbola tsy nahita ny fiainana taty manko dia tena nankahala mafy mihintsy, fa tena tsapako zao fa tsotra ry zareo ary tena tsy mba manavakavaka zany, free country eo ihany fa tena manaja izany maha olombelona zany koa ry zareo, ny aty aminay manokana de tena tsy azo alefa @ Tv public mihintsy zany hoe porno zany , ra te hijery ianao de mandeha manofa canal. Ny resaka ady indray, tena hitako fa tsy mba olona tia ady ry zareo( eo anivon ny fiaraha-monina io) fa tsy haiko zay any ivelany any



13. soanja ( 21/04/2006 13:59)
Miala tsiny fa very ilay soratro teo. Manohana tanteraka ny hevitr'i Lalah za. Tsotra sady mandray olona ary tia mandala ny zon'olombelona ny Amerikanina. Saingy malalaka ianao (you are free) mandrapaha- hanimbanao ny fahafahan'ny na ny zon'ny hafa. Tsy misy maharatsy ny fanamelohana ho faty izay olona iray raha toa ka efa namono be dia be ny hafa izy ary mety mbola hamono betsaka noho ireo efa novonoina teo aloha. Malalaka amin'ny finoanao ianao aty US ary tsy hitako izay fijalian'i Silamo aty US. Manaja anao amin'izay hinoanao izy. Ahoana anefa ny fahitan'i fijo ireo olona mino ny finoana hafa indrindra fa ny kristianina any amin'ireo firenana Arabo ireo: be no voenjika sy maty.
Ny politan'ny zamerloky any ivelany dia ny fihezahana hampiseho amin'ny hafa fa matanjaka izy ary afaka miaro ny hafa. Ohatra ilay zokilahiko miaro ahy rehefa misy mamono ahy any an-dalana any e. Inona no maharatsy an'izany raha ohatra ka misy any ho any firenena mitady hanapotika an'izao tontolo izao. Iza indray no tadiavantsika hitsangana hanao izay asa izay, isika gasy mbola sahirana amin'ny resaka sakafo.
Fidio ary iza ny tianareo hitondra ity tany ity ny US sa ny Iran raha sanatria ka hisy izany?
14. Lalah ( 21/04/2006 14:42)
soanja> Marina ny voalazanao, sady zao e, ny fiarhamonina no mitambatra manome state, tia filaminana sy tia mandray olona ny fiarahmonina dia mazava ho azy ohatr izay koa ny state, ary ny state mitambatra manome ny US, mbola tsy nahita aho taty ka hoe itsy frantsay na itsy gasy na itsy slamo, fa andao atao an izao, amin-dry zareo rehefa tonga eto ianao, dia mitovy daholo. Ary tsy atao mahagaga mihintsy raha lasa lavitra ry zareo, noho izay fisainana izay. Fehiny, tsy hiady amin ny slamo zany ny amerikanina
15. Lejim ( 21/04/2006 15:26)
Miombon-kevitra @ Lalah koa zah!
16. xxx ( 21/04/2006 23:27)
Za manaiky fa ny fiaraha-monina any zamerika no tsara fa ny mpitondra amerikanina @ izao ft izao no mihetraketraka kosa eh! fa naninona no nilamina tsaar ny tany t@ andro nitondran'i clinton ?
17. xxx ( 22/04/2006 00:07)
Cutie, tsy i Bush akory no namolavola an'io tetikady io voalohany fa i Sir Lawrence izay officier anglais t@ début du siecle. Tsy i Bush no ahazo tombotsoa @io fa ny Occident iray manontolo miaraka @ Israel.
18. Lejim ( 22/04/2006 01:43)
Marina aloha fa tsy misy benefice ho an'ny Madagasikara raha mandresy ny Etats-Unis @ izay ady rehetra ataony. Fa diniho kely ange raha mandresy ireo firenena Islamika ireo e!
Ny tanjon'ireo dia ny ahatonga ny finoana Islamika hanjaka eran'izao tontolo izao, dia hovonoiny izay mitsipaka.
Ianareo mety hiteny hoe, tsy hisy eo izany, na hoe, misy namanareo Silamo any nefa tsy mahery setra.
Ambarako atsika jiaby eto fa, tsy tena manana foto-pisainana Islamika ireo Silamo tsy mahery setra any Dago ireo, na, efa mivoatra. Fa ny tena Silamo, any Iran any ohatra dia mbola mahery fo @ izay Jhihad izay! Na ny tenany ary matiny ka horaharahain'inona ny tenanao!
19. soanja ( 22/04/2006 02:00)
xxx:

Za manaiky fa ny fiaraha-monina any zamerika no tsara fa ny mpitondra amerikanina @ izao ft izao no mihetraketraka kosa eh! fa naninona no nilamina tsaar ny tany t@ andro nitondran'i clinton ?

Hadinonao angaha tamin'ny andron'ny ady tany Somalie. Ny Amerikanina no nandeha niezaka nandamina/ nanafika tany saingy araka ireny hita tamin'ny film Black Hawk Down iny dia natahotra i Clinton ny tsy ho lany intsony satria efa akaiky ny election tamin'iny dia nosintomina nody ny miaramila dia nidaboka daholo ny rehetra.


20. cutie ( 22/04/2006 14:18)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 22-04-2006 05:07:42
Lohateny : Re : Apres Irak mety Iran ndray!!
Cutie, tsy i Bush akory no namolavola an'io tetikady io voalohany fa i Sir Lawrence izay officier anglais t@ début du siecle. Tsy i Bush no ahazo tombotsoa @io fa ny Occident iray manontolo miaraka @ Israel.

xxx zany an
ny haiko alou de i Bush e, @ fitondrany tsinona no nitranga daholo reo zavatra rehetra reo koa.
Sir lawrence t@ taojato fahafiry,tsy misy idirany zany @ zao fotoana zao.
Israel nga ??? ry zareo aza mobla mifandramatra ady an-trano ao miaraka @ palestine koa tombontsoa @ in .
Tsy ho vo atttaquern'ny silamo mitsy nga we de zay ny tombontsoany,satria arovan'ny miaramila amerikana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0616