Vavaka ho an'ny filoham-pirenena

1. LazaRandri ( 25/02/2006 00:03)
Ny kristianina dia manana adidy hivavaka ho an'ireo manam-pahefana, ray aman-dreny, mpitandrina, ary ny tompok'andraikitra rehetra....Tsy vitan'ny hoe "Ray o, tahio ny filoham-pirenena" na koa "Tompo o, ampio ny pretra na mpitandrina hitory teny tsara" sns...

Tokony hazava tsara ny vavaka ataontsika mba ahafahany:

1) mahatsapa ny heloka vitany sy ny filany ny famelan'Andriamanitra isan'andro
2) miaiky ny tsy fahombiazany ka tokony hiankina amin'Andriamanitra
3) manda ny torohevitra mifanipaka amin'ny sitrapon'Andriamanitra
4) mitsipaka ny fanomezana tombontsoa manokana olona sasany na fikambanana
5) mivonona hanasoa ny tanindrazana na dia miantraika amin'ny "carriere politique" sy "ambition personnelle"-ny aza.
6) miankin-doha amin'ny tenina'Andriamanitra mba ahita fahombiazana
7) mampiseho fa mendrika, azo itokisana sy marina izany asan'ny filoha izany
8) maneho ohatra tsara ho an'ny rehetra
9) mahatsiaro isan'andro fa tompon'andraikitra eo anatrehan'Andriamanitra izy amin'izay asa rehetra ataony.

Charles Stanley,
Nadika avy tamin'ny teny anglisy


-------------------------------------------------------
fanamarihana: ilay fahasivy io mifanohitra @ lalam-panorenan-tsika milaza hoe: "tsy tompon'Andraikitra amin'fanapahakeviny ny filoha mandritry ny fitondrany"!!!
répondu par marozevo le 25/03/2006 00:37
2. marozevo ( 25/02/2006 00:45)
Tsara ilay tolo-kevitra.
Fa ity fanamarihana ity ahoana tsara hoe ? Toa tsy dia izany no fitsatok'ilay teny koa. Raha tsy diso aho dia hoe "Tsy tompon'andraikitra amin'ny asan'ny governemanta... sa inona angaha... " Azafady anefa, sady miala tsiny fa tsy misy texten'ny lalam-panorenana eto amiko amin'izao fotoana izao. Raha tena ao io fehezan-teny nolazainao io, dia tena tsy izy mihitsy kosa kooo....
3. LazaRandri ( 25/02/2006 01:09)
And. 113 - Ny Filohan'ny Repoblika dia tsy tompon'andraikitra noho ny zava-natao teo amin'ny asany na teo am-panaovana ny raharahany afa-tsy ny amin'ny famadihana tanindrazana na tsy fanajana lehibe sy miverimberina ny Lalàmpanorenana.
4. fijo ( 25/02/2006 04:46)
laza,sao dia le resaka "immunité" io?
raha ny fahazoako azy mantsy dia izao,tsy tomponandraikitra "pénalement"izy ,ohatra,raha mampandrava grevy izy,dia tsy azo arahana noho io fanapahankeviny io.izay no tian'io andininy io lazaina.
ohatra koa raha manao ireny "affectation comptable" ireny izy,dia tsy azo arahana.
raha azo atao dia mba avereno eto daholo hoe ny voasoratra amin'io andininy io azafady.
5. Fiffi ( 25/02/2006 06:03)
..Tsy vitan'ny hoe "Ray o, tahio ny filoham-pirenena" na koa "Tompo o, ampio ny pretra na mpitandrina hitory teny tsara" sns...
tsy azoko tsara aloha izay tianao lazaina eh! fa angaha moa raha mivavaka ka miteny an'io voalaza io dia tsy henon'Andriamanitra ilay vavaka ? fa nahoana no tsy maintsy atao an'izao mihisa 9 ireo ny vavaka ? amiko aloha dia raha mivavaka na ho an'ny filoham-pirenena na ho an'iza na iza , rehefa mivavaka dia henon'ny Tompo ny fivavahana . Raha mivavaka zao aho hoe Tompo o! tahio ny filoham-pirenena mba ahay hitondra ity tanindrazana masina ity , tsy ampy ve zay fivavahako sy fangatahako an'ny Tompo io fa tsy hasiana na tononina hoe izao sy izao ? 8O
6. dadabe ( 25/02/2006 06:34)
7. narima ( 25/02/2006 07:16)
Tsy manda ny voalazan'i Fiffi kosa aloha aho, nefa ve tsy tsara raha mba misy torolalana ohatr'izao mba tena voafaritra tsara ny zavatra angatahina? sa ahoana? Sady izaho mba mangataka mihitsy ny hitondrana am-bavaka ny filoham-pirenena satrria any aminy ny baolina izao ka dia izay anaovany azy eo!
8. jentilisa ( 25/02/2006 07:54)
fa tahaka ny hoe vavaka amin'ny maha-mpanohitra na mpanohana ny fitondrana no atao? aso dia ampiana hoe mifona noho ny fahotana vitan'ny prezidà betsaka nandritra ny fotoana niasany teo?
9. LazaRandri ( 25/02/2006 08:00)
jentilisa:

fa tahaka ny hoe vavaka amin'ny maha-mpanohitra na mpanohana ny fitondrana no atao?
hahaha! vavaka ve ny anaran'izany? hahaha


10. Mifenty ( 25/02/2006 14:21)
vavaka tsara zany ka

ny resaka atao amin4andriamanitra anie dia vavaka avokoa e.


Tadidio fa ny mpangalatra aza anie hono ka mivavaka mialoha ny hangalarana eh.


Tahaka an-dry pastera hoe mivavaka kely mialoha ny ananovana io (zany hono a :-D:-D:-D:-D fa tsy aiko)
11. dadabe ( 25/02/2006 14:37)
kiii :-D:-D:-D
12. Fiffi ( 25/02/2006 21:20)
o ry Mifenty ah!!!:-D:-D:-D
13. marozevo ( 25/02/2006 23:40)
Misaotra amin'ny fanehoana ilay andininy fa tena diso izany ilay fahazoako azy hatrizay. Marina tokoa ny fangatahan'ilay namana iray hoe, raha mba hita feno io andininy io, na miaraka amin'izay andininy mifandray amin'io, dia mety hazava kokoa.

Ny momba ilay vavaka dia tsy dia ilaina ny mitanisa hoe izao na izao eh... (ireo sivy voalaza ireo), satria mety tsy ho ampy anie ireo eh... Andriamanitra mahalala izay mahasoa antsika sy mahasoa ny Tanindrazana ary ny Filoha. vavaka amin'ny fo sy fahamarinana no tokony hatao fa tsy dia mitanisa be loatra, sao dia mitady ho marina ilay hoe vavaky ny mpanohitra.
14. dadabe ( 26/02/2006 10:47)
zao anie : Andriamnitra no mametraka Mpanjaka dia Izy koa no manaisotra , ny ataontsika dia ny mivavaka marina ho an'izay mitondra eo
15. marozevo ( 28/02/2006 00:05)
Aza adino koa anefa ry dadabe fa ny feom-bahoaka anie itarafana ny feon'Andriamanitra eh... Vox popoli, vox Dei.
16. LazaRandri ( 28/02/2006 01:10)
marozevo:

Aza adino koa anefa ry dadabe fa ny feom-bahoaka anie itarafana ny feon'Andriamanitra eh... Vox popoli, vox Dei.


Izany ve tsy "twisted Scriptures" fanasana atidoha avy tao am soratra mantsina e! hahaha.

Misy làlana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo làlana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany. Ohabolana 14:12

17. jentilisa ( 28/02/2006 12:04)
Lazarandri> ny vavaka asainao atao dia kolera mpanohitra be mihitsy! dia izay no nahatonga ahy hanoratra. tsy vavaka mijoro fa vavaka mitongilana!
18. Veloo ( 28/02/2006 14:02)
ahona ko ary zany mitongilana sy mijoro zany?:roll:
19. LazaRandri ( 28/02/2006 19:58)
hahaha, so de mba Jentilisa no mitongilana? fa aona kou zany vavaka panohitra zany? hahaha
20. fijo ( 28/02/2006 22:11)
le pozy fivavahana io ka.hi ih i hi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1245