Vavaka ho an'ny filoham-pirenena

41. xxx ( 12/03/2006 01:40)
marozevo:
Tsy dogme akory ilay hoe VOX POPOLI VOX DEI, fa ohabolana Romanina taloha. Izaho aloha mbola tsy niteny hoe "tena marina" io anh.. Izaho koa anefa tsy miteny hoe diso io.
8O
araka ny hevitr'i marozevo, mifanaraka amin'ny Baiboly ve ny hoe vox populi, vox Dei? Izay no maha-marina na maha diso an'io, mba hialana amin'ny fisabakana toy ny politika!
42. marozevo ( 13/03/2006 00:53)
Ndraindray misy hifandraisany, nefa koa misy fotoana hijoroan'Andriamanitra amin'ny heviny irery fa tsy ny hevitry ny vahoaka.
Ohatra : Ao amin'ny faraparan'ny bokin'i Josoe ao, misy vahoaka "mirobo" hoe izahay dia hanompo an'Andriaamnitra eh... Dia nanaiky i Josoe... Vox popoli...
Nefa koa indray mandeha izay nanao saryvongana volamena ny ankamaroan'ny vahoaka, fa tsy neken'Andriamanitra. (Ao amin'ny Eksaody io).
Ka tsy haiko tsara ny tokony handraisana azy.
fa ny fotoana nipoiran'ilay teny aloha dia teo anivon'ny fitondram-panjakana Romanina izay niady fo mba hampivelatra ny kolontsaina Romanina miohatra amin'ny an'ny Grika izay efa lasa lavitra tamin'izany fotoana izany.
43. xxx ( 13/03/2006 01:00)
marozevo:

Ndraindray misy hifandraisany,

io ilay fahamarinana tapatapany famitahan'ny demony

marozevo:
Ohatra : Ao amin'ny faraparan'ny bokin'i Josoe ao, misy vahoaka "mirobo" hoe izahay dia hanompo an'Andriaamnitra eh... Dia nanaiky i Josoe... Vox popoli...
samihafa ny hoe manompo an'Andriamanitra izahay sy ny hoe ny feonay (vox popoli) dia feon'Andriamanitra 8O

marozevo:
fa ny fotoana nipoiran'ilay teny aloha dia teo anivon'ny fitondram-panjakana Romanina izay niady fo mba hampivelatra ny kolontsaina Romanina
mazava ho azy fa tsy ny sitrapon'Andriamanitra no katsahiny fa izay itiavan'ny vahoaka azy dia nodisoiny hatramin'ny feon'andriamanitra noho ny fitiavam-boninahitra.:wink:


44. xxx ( 13/03/2006 01:16)
marozevo> :-*
45. marozevo ( 13/03/2006 01:22)
Ndraindray misy ifandraisany... fahamarinana tapatapany....
O ramose ity ah.. Eto an-tany dia tsy mbola nisy, tsy misy ary tsy hisy mandrakizay ny marina tsy tapatapany. Ao amin'Andriamanitra irery no misy ny hafenoana.

Le vahoaka ao amin'ny bokin'i Josoe tsy niteny hoe VOX POPOLI eh... vox Popoli ehh... fa izy vahoaka no niara-niantsoantso eh (izay ilay hoe "mirobo")... Ka asa izany na feon'inona na feon'inona.

Ilay citation fahatelo ataonao ekeko tsotra izao.
46. xxx ( 13/03/2006 01:29)
marozevo:

Ndraindray misy ifandraisany... fahamarinana tapatapany....
O ramose ity ah.. Eto an-tany dia tsy mbola nisy, tsy misy ary tsy hisy mandrakizay ny marina tsy tapatapany. Ao amin'Andriamanitra irery no misy ny hafenoana.

sao koa dia mbola fandrebireben'i Satana ny filazana fa tsy hisy mandrakizay ny marina tsy tapatapany?
fa ilay Fanahy Masin'Andriamanitra lazainao ho misy fahafenoana io aiza no misy azy? Aiza no misy ny Baiboly teny sy feon'Andriamanitra?



47. Veloo ( 13/03/2006 17:19)
48. marozevo ( 14/03/2006 00:01)
Za aloha dia mino 100% fa tsy hahita afa tsy ny marina tapatapany isika raha mbola eto an-tany eh... Tsy raharahako na heverinao fa satana aza no mandrebireby ahy amin'izany. Fa izaho kosa mba manontany anao, milazà ary hoe ianao marina tsy tapatapany ho jerena...
Ataoko kosa fa azonao ny dikan'ny teny hoe "marina" tiana hambara eto... tsy ny zavatra evident akory no lazaina fa zavatra vokatry ny fikarohana.
49. xxx ( 14/03/2006 00:43)
ny baiboly vakian'i marozevo marina tapatapany :-D
50. marozevo ( 17/03/2006 00:52)
Ka jereo ao amin'ny Baibolin'i xxx ary hoe inona no lazainy momba ny ordinatera, momba an-dRavalomanana, momba an-dRatsiraka, momba an'Irak, Iran, momba ny Sida, Momba ny grippe aviaire... raha misy an'izany ny Baibolin'i xxx dia vidiako na ohatrinona na ohatrinona.
51. xxx ( 17/03/2006 01:49)
ny ahy aloha ny Baiboliko dia misy an'ireo e! complet tanteraka, sady tsy anampina no tsy anesorana. :-D
mba vakio ny prophetie ry marozevo fa aza dia faly manao "affirmation gratuite" fotsiny hoe "tsy complet" ny Baiboly a!:-D ary tsy vidiam-bola araka ny hevitrao izany fa fanetre-tena tanteraka ahafantatra ny "marina tsy tapatapany" dia ampy :wink:
52. marozevo ( 18/03/2006 01:03)
tsy vitan'ny hoe efa namaky aho ry xxx fa efa nandalina mihitsy ah... Izaho kosa dia tena siora 100% fa ny Baiboly dia tsy mahalaza ny zavatra rehetra. Ary tsy ny prophetie ihany koa no nohalaliniko fa maro ao amin'ny Baiboly, ka tsy misy matahotra ny hiady hevitra momba an'io akory eto.
53. xxx ( 18/03/2006 06:41)
mivadika indray ny resaka ato zany.
marozevo> marina tapatapany ve ny baiboly?
54. Achia ( 18/03/2006 07:19)
mbola ezaka ny fanazavana mahereza e ny @ hoe ny baiboly marina tapatapany a
55. marozevo ( 19/03/2006 00:37)
Ka hoa n'i xxx ve ary milaza ny zavatra rehetra ny baiboly ?
56. xxx ( 19/03/2006 01:48)
:-D toa tena marina tapatapany ny baiboliny marozevo.

:-D manarak'izay tsy ampy ny baiboly amin'i marozevo

Paoly:
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.
Galatiana 1:8
57. marozevo ( 20/03/2006 21:27)
Ndao hatao tsotra ny adihevitra, raha tena vonona i xxx eh. Za tsy niteny hoe marina tapatapany ny Baiboly. Izay lazain'ny Baiboly dia marina feno, fa tsy milaza ny zavatra rehetra akory ny Baiboly.

Ity ary ny fanontaniana :
Lazao amiko kely, vakio ao amin'ny baibolin'i xxx fa ny ahy manko tsy feno, ny toko sy andininy milaza ireto :
"Mandehana torio amin'ny internet ny Teniko".
"Dia mandehana Boeing mitety izao tontolo izao".
"Ary rehefa tonga any ianao, aza adino ny mandefa sms ho an'ny havanao".
"Aza mihafihafy fa hano izay atolony, ary maneke na asainy any amin'ny Mac Donald hisakafo ihany koa aza".
"Aza manao trosa amin'iza na amin'iza, fa aloavy haingana ny volan'olna, ka raha sendra tsy manana liquide ianao, dia ataovy chèque na mampiasà carte bleue".
Rehefa voky dia manaova digestif amin'ny "grappa cinèse na cognac".

Raha misy an'ireo ny baibolin'i xxx, dia vidiako na ohatrinona na ohatrinona.
58. xxx ( 20/03/2006 21:31)
marozevo:
Za aloha dia mino 100% fa tsy hahita afa tsy ny marina tapatapany isika raha mbola eto an-tany eh...


marozevo:
Izay lazain'ny Baiboly dia marina feno


tsy eto an-tany izany ny baibolin'i marozevo fa aiza? :-D
59. marozevo ( 21/03/2006 10:35)
Azonao ve ry i xxx io lazaiko eo ambony io ah ? Sa hataoko amin'ny teny italianaina hahazoanao azy tsara ?

Izay volazan'ny Baiboly dia marina feno
FA TSY milaza ny zavatra rehetra akory ny Baiboly, noho izany tsy feno koa izy.

fa raha tena vonona ianao dia valio io fanontaniako io fa miaka ery hitady ny andininy misy an'ireo eh..
60. xxx ( 21/03/2006 22:35)
marozevo:
Izay volazan'ny Baiboly dia marina feno FA TSY milaza ny zavatra rehetra akory ny Baiboly, noho izany tsy feno koa izy.

tsy mba nampoiziko ho jamba sy mirefarefa toy izany ny finoanao ry namako. azonao ve ny dikan'izany hoe feno, araka ny fijerin'Andriamanitra?

ny baiboly aloha voalohany indrindra dia tenin'Andriamanitra, AMPY mahavelona antsika io, tsy anampiana ary tsy analana.

noho izy teny fiainana dia mazava ho azy fa toro lalana AMPY amin'ny fiainana ny voarakitra ao. tsy natao ampianatra anao "kamasutra" io ohatra fa mampitandrina amin'ny fijangajangana.

dia hamafisiko ny teninao fa marina feno ny baiboly, ary nomena antsika ety an-tany io. noho izany dia afaka mahita ny marina feno isika rehefa mandinika sy mandray izay voalaza ao amin'ny fo manontolo.

ohatra hafa: i Jesoa dia marina feno ary izay nahita Azy dia nahita marina feno saingy tsy nahatsapa izany. tsara angamba raha i Jesoa no anontanianao hoe naninona izy no tsy nilaza ireo zavatra teneninao ireo kanefa ao aminy no misy ny fahafenoana? aza dia mikiribiby amin'ny fahamaizinana fa tsy mahasoa antsika ny adihevitra toy izany


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0864