Ny andraikitra sy ny fanambadiana.

1. Herimiafina ( 18/01/2006 06:16)
Matetika fandre ny hoe "endrika iray anehoana fahamatorana ny fanambadiana". Maro noho izany ireo mpampiasa no misafidy manokana ireo olona efa manmbady omena andraikitra ambony, eny fa na ny mpitondra fanjakana aza dia tsaratsara point raha efa manambady.

Raha tena jerena anefa ny endriky ny tokantrano ankehitriny, ny fandraisan'ny olona ny antsoina hoe tokantrano, ary ny fitiavana amin'ny ankapobeny dia lasa miha-mavesatra tokoa noho ny fanalalahana isankarazany sy ny fahantrana.

Misy fiantraikany any amin'ny asa amandraharaha ny karazana korontana an-tokatrano ankehitriny.

Ka noho izany mino aho fa misy karazana andraikitra maro tsy azo ampirafesina amin'ny tokantrano mihintsy, ary ny olona misafidy ireo andraikitra ireo dia tsy tokony hiditra amin,ny resaka tokatrano sy fanambadiana mihintsy (tsy resaka filàna velively no resahako eto).

Izany dia noho ny fandinihiko ny tantaran'ireo olobe nandalo teto antany sy ny contexte nisy azy ireo, ny toetoetry ny tokantrano tamin'ny fotoan'androny.

Vitsy ireo manampahaizana malaza sy nahavita zavatra teto antany no nanana tokantrano vanona. Misy ihany koa ireo izay tokony nahavita zavatra kanefa noho ny fanambadiana dia lasa tsy nahavita n'inon'inona intsony.8)
répondu par Vahinala le 26/01/2006 08:16
2. pika ( 18/01/2006 06:54)
miombonkevitra 100%
ny resaka asa sy ny andraikitra dia tsy tokony hisy hidiran'ny vie privée mihitsy

za zao nahita tsy afaka omena poste na directeur ilay sté iray ity lhl raha tsy manambandy nefa tsy dia vonona loatra @zany( ny saina ...) dia voatery naka izay hita nefa tsy tena tiany inona no nihafarany ???? :cry:
3. ari.malala ( 18/01/2006 07:12)
Izaho indray kosa nefa dia mieritreritra fa arakaraky ny tsirairay io, satria rehefa hainaon y mandanjalanja ny raharahan-tokantranonao sy ny asanao dia mizotra ny rehetra, fa ny tsy fahaizana mandamina hoy aho no mahatong any korontana.
4. rakekely ( 18/01/2006 07:14)
misy endrika roa io zavatra io
fa tsara ny manambady manana andraikitra, ary vady tena tsaroana fa nofidin'ny fitiavana fa tsy noterena ho azy na natolotra fotsiny amin'izao
misy andraikitra tena ilana ny vady eo aminao, ankoatra izay maha-vady azy ao an-trano, nefa miainga avy @ mpivady ny fahatotosan'izany
tsy maintsy mahalala ny anjara toerana misy azy avy ny tsirairay, dia avy @ zay vao afaka mifameno
samy mahalala ny zavatra atao ary mandrindra ny fiainan'ny mpivady arak'izay, fa raha ntsy misy ny fifandrindrana dia maina ny fiainan'ny mpivady hany kah tsy vanona ny tokantrano:arrow:
5. lapino ( 18/01/2006 07:56)
Herimiafina:

Izany dia noho ny fandinihiko ny tantaran'ireo olobe nandalo teto antany sy ny contexte nisy azy ireo, ny toetoetry ny tokantrano tamin'ny fotoan'androny.

Vitsy ireo manampahaizana malaza sy nahavita zavatra teto antany no nanana tokantrano vanona. Misy ihany koa ireo izay tokony nahavita zavatra kanefa noho ny fanambadiana dia lasa tsy nahavita n'inon'inona intsony.8)

Mba omeo patiny kely @ ohatra hoe! Za manko tsy mahita afa-tsy Einstein no mifanaraka amin'izay. Fa raha mijery an'i Pierre sy Marie Curie indray dia mifanohitra amin'izay no hita.

Fa ny fahitako azy dia izao: raha mbola mipetraka foana ny zo mitaky adidy amin'ny fanambadiana, dia mipetraka foana io kôzin'i Herimiafina io. Fa ilaina atongilana anefa io zavatra io.

Ny olana manko dia ilay vehivavy foana e! :wink::D8) Tsy misy anaovan-javatra mihitsy fa mitady foana hoe anoraty mail aho e, antsoy telefôn aho e, andefaso SMS aho e, sns ... Ny olona manambady izany voaambana amin'ny olana ohatra an'izany foana!
6. Vahinala ( 18/01/2006 08:35)
Za mbola tsy manambady vita raharaha fa mba azavao ana ko, tsy mbola nahita za hoe manao ahoana !
7. jentilisa ( 18/01/2006 08:48)
Izaho mahita kosa indray hoe mety ho variana amin'ny raharaha ivelany rangahy ka adino ramatoa no mety ho fototry ny olona! mila fitiavana be dia be anie ny vehivavy e!
8. zanamaro ( 18/01/2006 09:20)
Raha amiko tsy misy zavatra tsy ilaozany olana izany fa ny fahaizan'ny 1/1 miatrika izany no zava-dehibe.
Raha ao an-tonkatrano no miseho ny disadisa dia tsy tokony ho entina any am-piasana satria asa no tokony hiatrehana any dia ohatran'izany ihany koa ny tokantrano.Tsy tokony hafangaro velively ny asa sy ny tokantrano na ny fanambadiana.
9. pissoa ( 18/01/2006 10:01)
lapino> Tsy ny vehivavy miandry mail sy sms (ihany) no mahatonga an'io. Amiko dia ny passion amin'ny asa no tena olana (diso toerana :-D ). Dia lasa miverina amin'ny tenin'i ari.malala hoe mandanjalanja.

lapino:
Mba omeo patiny kely @ ohatra hoe!

Ohatra hoe i John Nash :-D:-D:-D Tsy haiko raha efa hitanareo ilay A Beautiful Mind.
10. mandrindra ( 18/01/2006 10:02)
Ny voalohany aloha dia ny fanovana safidy, hiasa fotsiny ve sa hanorina tokantrano. Avy eo ho an'izay nanambady dia ny fahaizana mandanjalanja ny asa sy ny tokantrano, tsy maintsy mandeha daholo izy roa ireo fa ny iray no tsara kokoa noho ny ilany dia mitongilana ny mizana ka miteraka korontana.
11. Vahinala ( 18/01/2006 10:58)
Hummm zany an, tena mahaliana :-w:-w:-w
12. lapino ( 18/01/2006 11:25)
pissoa: mbola tsy hitako io film io, efa henoko noresahan'olona ihany fa tsy misy azoko na kely! :?

Fa eo amin'ilay resaka mandanjalanja mihitsy ange ny olana e!
13. ari.malala ( 18/01/2006 13:21)
tsy misy anaovan-javatra ahoana kay ry lapino??? enao kosa an! inona ny olana raha mba mihanta kely? inona fts no maha mpifankatia kay? fa ts hoe mandefa mail anie d eo fôna no asa na hiantso enao d adiny ray enao eo ihany e, ataoko fa ts mandany 10 minitra akory ny manao ny iray @ ireo teneninao ireo!
14. Fantara ( 18/01/2006 13:21)
Tsara lay resaka saingy io tena miankina @ tsi1/1. Misy maro koa anie ireo tsy manan-tokatrano tsy mahavita inon'inona akory fa mirendra ary mi-drogue no be ataony, de ny andraikitra omena azy manjary tsy manjary. Fa lay manambady mantsy misy addidy sy famelona de izay no iheverena azy hoe matahotra ho very asa ka miezaka kokoa. Mila mifanampy nef ny mpivady mba hialana amin'ny problem tokatrano manimba ny asa e! Dia izay....
15. jennifer2 ( 18/01/2006 23:06)
raha amiko de mifameno ny andraikitra sy ny fanambadiana raha mahay mandanjalanja tsara ny mpivady.
16. Herimiafina ( 18/01/2006 23:59)
Ka eo indrindra isika, rehefa miditra amin,ny fanambadiana sy ny tokantrano dia mba hahalavorary izany dia tsy maintsy miaina amin'ny "marimaritra iraisana sy ny fandeferana foana".

Sarotra anefa ny hahalalana ny ao antsain'ny tsirairay ka lasa manetry tena be loatra ary tafalatsaka ambany mihintsy indraindray mba hahafampo ny ankilany, raha ho afampo izy.

Firifiry moa no mitaraina rehefa mandeha mission lava ny vadiny, firifiry ny sosotra amin'ny olona mitsinjo be loatra ny fiaraha-monina, ny mandefa vola any Dago, ny amin'ny havana, sns.

Lapino: misy ihany hoa ny exception toa an'i Pierre et Marie Curie, satria ny contexte niainany koa no anisan"'ny tena mitondra an'io, samy phyzisiana izy mitsamya ry niaraka tamin'ny andraikitra.

I Einstein indray dia nanamabady vehivavy literaire tamin'ny voalohany no tsy dia nahavanona loatra ny tokantrano izay natakalony tanteraka ny fikarohana, taty aoriana izy rehefa nanambady ny cousine-ny vao mba nisy andro nihiratra ny tokantranony.

Betsaka ny olona azo tanisaina, toa an-dry Wolfgang Amadeus Mozart, izay tsy nahaorina tokatrano matotra mihintsy tamin'ny fiainany, ny Baiboly ihany koa mampahafantatra olona maro lehibe nefa dia sahirana amin'ny aferan-tokatrano.

Raha miosy ny olona natokana ho an'Andriamanitra, ho mpitarika, tokony hisy koa olona natokana ho amin'ny asa fampandrosoana, mampianatra ny fiaraha-monina ary tsy tokony revon'ny fiainana an-tokantrano izy ireny.
17. lilbon ( 19/01/2006 03:42)
andraikitra sy tokanttrano :
samy adidy daholo izany an !
fa ny adidy tsy an'olon-dratsy fa tandremo sao de semporin'ny adidy ka miala ny adidy sy andraikitra any ampiasana de voatery miadidy sy miandraikitra ao an-tokatrano ka afaka fotoana ela2 de ho leo.satria ny ela maharay 2.

18. booboo ( 19/01/2006 18:11)
herimifiana > mbola tsy manambady ingahy e ?

Amiko, rehefa miditra @ zany fanambadiana dia mivonona hizaka sy hiaina ny raha aby aby takian'izany @ lafiny rehetra. Satria efa " izaho sy izy " @ zay fotoana izay fa tsy " zà " irery tsony. Mety misy raha tsy maintsy leferina, hadaboka any, ovaina, hatsaraina .... Rehefa tsy vonona ny hifampiraharaha @ ilay tiana @ raha mikasika ny fiainana ( asa, ambition, ...)dia aleo tsy mijabaka fa manjary manenina avy teo.
19. fijo ( 19/01/2006 21:06)
raha ny tokony izy aloha ,di atsy misy tokony ,hifandraisany ireo e,nefa misy hilana olona efa manambady ihany ny asa.ohatra,rafa za no mpampiasa amina orinasa mpitantitra,dia olona efa manambady no alaiko,satria iny mihevitra kokoa ny hoavin janany,ka miasa tsara kokoa.
20. ari.malala ( 20/01/2006 04:59)
Herimiafina:

Ka eo indrindra isika, rehefa miditra amin,ny fanambadiana sy ny tokantrano dia mba hahalavorary izany dia tsy maintsy miaina amin'ny "marimaritra iraisana sy ny fandeferana foana".




Marina 100% ny teninao, fa tsy fandeferana angamab no izy fa fifandeferana satria tsy iray ihany no natao handefitra fa izy roa.


Sarotra anefa ny hahalalana ny ao antsain'ny tsirairay ka lasa manetry tena be loatra ary tafalatsaka ambany mihintsy indraindray mba hahafampo ny ankilany, raha ho afampo izy.


Ny mandefitra ts voatery manetry tena. Marina fa misy "concession" ts maintsy atao ao, saingy anjranao ny mahita hoe tokony holefitra ve sa tsia. Ary tsy ekeko ilay teninao hoe manetry tena be loatra... fa nahoana no hoe be loatra? tsy hoe satria tia aho dia hoekeko daolo izay atao'ilay miaraka amiko na tsy zakako aza...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2285