VALIMBAVAKA

1. diamondra27 ( 01/12/2005 12:41)
Ho fampaherezana ny namana de miangavy @ ze nahazo valimbavaka mba hizara ze nataon'i Jesosy taminy, tsy maninona na de tsy tianao tenenina aza ny anaranao
répondu par dadabe le 24/02/2006 11:20
2. diamondra27 ( 01/12/2005 12:43)
Ny ahy zao de nangataka asa de nomeny soa amantsara.
Nisy namako ihany koa tsy nahalala an'Atra de nentiko ambavaka fa afaka 3 taona vao tonga mpino le olona.
3. diamondra27 ( 01/12/2005 12:56)
Ny ahy zao de nangataka asa de nomeny soa amantsara.
Nisy namako ihany koa tsy nahalala an'Atra de nentiko ambavaka fa afaka 3 taona vao tonga mpino le olona.
4. soleil ( 01/12/2005 15:19)

Anisan'ireo olona nahazo valim-bavaka tamin'ny Tompo aho , resaka asa sy olana nisy teo amin'ny zanako le izy ,ary manomboka misy lanja sy asany eo amin'ny fiainako ny fiarahana Aminy

Ny Finoana no anton'ny zava-drehetra

5. Fiffi ( 01/12/2005 15:31)
Ny ahy aloha dia isakin'ny mivavaka aho , na misy zavatra angatahiko , na tsy mangataka aza dia itako ary tsapako fa misy valiny daholo , io aloha amiko dia miankina @ isika tsirairay avy . Izaho aloha dia mino tanteraka fa na tsy mangataka aza aho fa mivavaka fotsiny dia itako ary azoko tsapain'tanana fa novalian'ny Tompo Jesosy Mpamonjy antsika tsy ankanavaka .
6. bandybe ( 01/12/2005 18:39)
Rehefa mivavaka ianao dia tsy maintsy mahazo valimbavaka.Fa matetika isika dia diso fa rehefa tsy mifanaraka @ nangatahina ilay vavaka dia tsy nahazo valiny izany."Izay mangataka no omena ,izay mandondona no hovoaina" hoy ny Tompo.
7. vivi ( 01/12/2005 19:18)
ny ahy aloha raha ny valimbavaka azoko aloa efa betsaka fa ny matetika d variana lava zao foana ,fantako aloa fadisoana fa tsy maintsy tsorina ny marina e! misy aza ny zavatra tena tsy hampoizinao zao omeny anao zao, ao indray koa mangataka ny tena nefa tena tsy omeny mihitsy e, fa 4taona aty aoriana ianao vao tonga saina we misaotra anao za jesosy fa tsy nomenao ahy iny fangatahana nataoko iny !oh:1ere amour-ko , niodina b lery ,d niharitra foana za d apres tratrako izy d nisaraka izahay , d nivavaka za 3volana we tiako tonga eo iny hiverina amiko , d tsy nisy tohiny intsony , raha zay no lasa vadiko d'efa maty vono za , ary nijaly ampanambadiana b , nefa za nanambady olona tsara fanahy no tsara tarehy noho izy , tonga aty andafy za noho io vadiko io , nefa raha t@ d efa tany ambondromamy ! misaotra anao jesosy fa tsy nanambady aniny , jiolamboto iny za!
8. sonwin ( 01/12/2005 19:41)
fahagagana tsy hay hazavaina
9. kally ( 01/12/2005 21:03)
Andriamanitra nandinika ahy ka nanome ahy fiainana mifanaraka amiko.
10. diamondra27 ( 01/12/2005 23:43)
marina aloha fa indraindray rehefa mivavaka manao fangatahana Aminy de ela be vao azo kanefa zao de zao no ilaintsika azy. De adino le teniny hoe: miara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa ...ka na de sendra epreuve mafy ary isika de matokisa fa tsy maintsy hamonjy antsika Izy. Izaho homba anao mandrakariva hoy Izy zay; sady koa hoe tsy hanome zavatra tsy ho zakantsika izy , eny fa na de mafy be aza ny manjo'(fahafatesana havana akaiky, na very asa etsetra) Mahereza daholo
RAHA MISY VERST MANINTONA ANAREO SY MAMPAHERY DE AZO ATAO ETO IHANY KOA
11. xxx ( 02/12/2005 00:14)
Ny ahy indray dia,niaraka tamin'ilay tantsaha mpamboly izay aho indray andro.Izaho amin'io mba maka vakansy.I léry mivavaka amin'i Jesosy mba ho avy ny orana satria fahavaratra ny andro ;Dia avy tokoa ary ny orana,dia izaho indray no nivavaka mba hitsahatra ny orana,dia nitsahatra indray ny orana.Dia sosotra indray i lery satria tsara loatra indray ny andro ka tsy mety amin'ny voliny,dia nivavaka indray i lery dia avy indray ny orana,dia nafitsoko koa ny ahy ny vavaka koa izaho indray ve hanaiky ho gisitra eo!dia nitsahatra indray ilay orana...Dia ohatr'izay foana...Nony lasa niakatra any Tanà indray aho dia tsapako fa amin'ny andro fahavaratra dia be ny mpivavaka no mangataka amin'ny tompo ny hiavian'ny orana,porofon'izany tena tondraka mihitsy i Betsimitatatra sy andrahavoangy iny...Koa atao ahoana ê.Izany angamba no tian'ny mpivavaka ko!:lol:Toy izany koa izao,raha mivavaka ianao mbz tsy hifoka sigara intsony,dia asondrony be ny vidiny,dia sakanany daholo ny toerana publique mba tsy ho azo ifohana...etc
12. lapino ( 02/12/2005 00:20)
Fa angaha moa ny fivavahana manette hi-guider-na an'Andriamanitra?
13. pika ( 02/12/2005 05:24)
xxx:x:x
tsy hoe izay angatahina dia ho tanteraka avokoa
mety misy olona marary mangataka isika mba ho sitrana nefa maty ihany izy dia aza mieritreritra hoe tsy novaliany ny vavaka fa izany no mety ahasoa azy sy ny ankohonana(hilaozy ny vadinao hananintena ary ny zanakao ho kamboty...)
Atra mahalala izay mahasoa antsika ts11 ka dia apetraka eo ampelantanany ny anio ampitso ary mandrakizay
na izany aza hatramin'izao oh alohan'ny hatory dia mangataka mba ho tratrin'ny maraina vao2 dia izao mbola mitafa izao e:)salama tsara
14. onimp ( 02/12/2005 05:32)
Finaritra,
Betsaka foana mbola diso fandray fa rehefa miditra am-piangonana ny olona iray dia lazainy hoe mpivavaka na mpino. Porofon'izany betsaka rehefa mivoaka avy ao no tsy mampihatra akory izay nampitaina taminy tao ary misy aza tsy mahatadidy akory izay nolazaina tao raha vao mivoaka ny varavaram-piangonana raha sendra mba hanontaniana. Ny zavadehibe amin'Atra dia tsy ny ety ivelany fa ny ao anatin'ny fon'ny tsirairay izay manatona azy. Tadidio fa ny devoly koa dia manome valim-bavaka!!! Hoy ny tenin'Atra hoe "Aza tia an'izao tontolo izao sy izay zavatra rehetra eo @ izao tontolo izao; ny zavatra eo @ izao tontolo izao dia ny filan'ny maso sy ny filan'ny nofo ary ny rehaka ny @ izao fiainana izao, izay tia an'izao tontolo izao dia tsy tian'Atra". Marina io TA io dia jereo @ izay ny démarche nao eo @ fiainana, inona no manosika anao hivavaka? Tadidio fa Fitiavana Izy kanefa Mpitsara marina ihany koa. Mamela heloka sy mamindra fo kanefa tsy tia ota! noho izany raha hivavaka ianao dia atomboy @ FIBEBAHANA fa io lalana hahazahoana valim-bavaka. Mahereza ary manoroka anareo!
15. dadabe ( 02/12/2005 06:10)
ny ahy d maro e,zay angatahina Aminy dia valiany daholo ( na ratsy na tsara)isika olombelona manko raha mangataka zavatra @ Tompo ka ratsy be le vokany d tsy mahay misaotra nefa hoy ny soratra masina
" Izaho mahalala ny hevitra hieverako anareo dia hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza.."Jeremia:29 :11
16. routa ( 02/12/2005 07:12)
ary koa hoe misaora @ zavatra rehetra
17. Lepetitbeau ( 02/12/2005 07:24)
Andriamanitra mamaly vavaka an'izay matoky azy e! tsy hanavahana io! hoy izy mantsy manao hoe n'inona n'inona angatahinareo amin'ny anarako dia ataoko izany! sns e... fa raha izay valim-bavaka efa azo izay tokoa aloha dia tsy ho voatanisa eto e!
18. pika ( 02/12/2005 08:09)
fa raha hitany fa tsy mahasoa anao ilay angatahinao dia tsy omeny fa soloiny zavatra hafa

izao koa ry reto a tsy misy maharatsy ny mangataka fa ny fifonana, fiderana, fanomezamboninahitra, fisaorana ireo indraindray no adinontsika matetika fa faly manao hoe omeo2 foana

mazotoa mivavaka doly e
19. mamzelkely ( 02/12/2005 12:27)
za nivavaka mafy mba ataony zay mahasoa ana de omeny signe kely fôna za we ty no azo atao na ts de misôtra anzy fôna za na de ts mi-corrspondre am zvt tedaviko aza li izy
20. Fiffi ( 02/12/2005 12:41)
ny ahy aloha dia raha mbola azoko hatao ny mivavaky dia hataoko e! satria manko mahatsapa aho fa banga ny fiainako raha tsy mivavaka , mandeha ho azy io fivavahana io ary ao koa ny finoana dia mahatsapa fa misy valiny avokoa ny zavatra hatao rehetra fa tsy hoe io aho mba nangataka t@ i Jesosy zavatra iray dia hajanoko satria nahatsapa fa tsy nahazo valiny azo tsapain'tanana , nefa ny zavatra ataonao rehetra fantaro fa efa novaliany avokoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1649