VALIMBAVAKA

41. dadabe ( 12/12/2005 08:51)
dia tsy atao fahazarana fa tena atao @ fo,izany anie no mahatonga ireo olona sasany mitomany rehefa mivavaka e,nefa ny sasany kosa mifoka sigara rehefa mandeha ny toriteny .
42. diamondra27 ( 12/12/2005 18:09)
taiza indray zany ry dadabe?
43. marozevo ( 12/12/2005 23:45)
Ka raha any ivelany izy ve ry dadabe no mifoka sigara maninona moa izany... Za aza efa nahita olona mihinana paraky ao am-piangonana, dia rehefa akaiky ny fandraisana dia mivoaka kely izy mandrora paraky, hany ka feno gamidram-paraky ny voditranom-piangonana. Tsy tao Antananarivo no nahitako an'io fa tany ambanivohitra be tany, saingy tsy lazaiko sao dia be tati-bolana any ianareo ka mahadiky.
44. akamatiana ( 16/12/2005 18:21)
:-D:-D:-D:-D
45. fijo ( 16/12/2005 22:14)
diamondra an,za koa hoe mba hivavao ahazo vola be sao mba ahazo.
46. ndrena ( 17/12/2005 04:59)
Mangataha dia omena ianareo,dondony dia hovohana ianareo,mitadiava dia hahita ianareo
47. ndrena ( 17/12/2005 05:33)
Mangataha dia omena ianareo,dondony dia hovohana ianareo,mitadiava dia hahita ianareo
48. diamondra27 ( 17/12/2005 07:29)
fijo: miankina @ finoanao ihany io e!

fa atao inona volabe? manjary tsy hatory andro amanalina eo nge enao raha mahazo volabe eo e! satria matahotra sao de misy mpangalatra na koa hanaovan'olona rançon eo hum, tsy aleo ve vie normale ihany e!

aza manahy ny ampitso ianareo hoy ny Tompo , jereo ny voromanidina tsy mba mamafy ireny kanefa manako hanina foana maika va fa ny Rainareo ze any andanitra?
49. cocorie ( 19/12/2005 13:43)
Ity misy verset tena mba naharesy lahatra ahy "Raha hendry ianao dia hendry ho an'ny tenanao fa raha maniratsira ianao dia ianao ihany no iharan'izany voalohany" Ohabolana 9 : 10 miala tsiny raha sendra diso.
ary nanomboka teo dia niova aho. Dieu merci
50. diamondra27 ( 19/12/2005 19:32)
cocorie:AMEN
51. diamondra27 ( 06/01/2006 02:01)
De misaotra an'i Tompo indray fa vao manomboka ny taona ity d'efa nomeny valimbavaka sahady ny tenako mikasika ny asa io ka mahereza ho ianareo
52. marozevo ( 07/01/2006 00:30)
Arahabaina izany i diamondra27 (3*9).
53. diamondra27 ( 07/01/2006 14:02)
misaotra de mampahery anareo koa za mba hazoto fa ny vavaka de manova zavatra be indrindra
54. rakekely ( 10/01/2006 09:20)
Hoy ny Tompo :"Antsoy Aho dia hovaliako hianao, ary hanehoako zava-mahagaga sy saro-patarina izay mbola tsy takatrao" Jeremia 3 / 33
midika izany fa mamaly vavaka Andriamanitra fa ny olona indraindray no diso fangataka ka tsy mahazo, fa izay iombonana eo amin'ny valimbavaka dia ny rivotra sy ny masoandro omeny antsika isan'andro.
55. olona ( 10/01/2006 12:56)
Ny ahy nivavaka homeny vehivavy ho andefimandry hendry, tsara tarehy, bikaina, lava volo, marani-tsaina.
Valimbavaka : Mbola tsy tazana !!!!
56. diamondra27 ( 11/01/2006 06:45)
olona: mba toro hevitra ny ahy ity, raha mangataka zavatra @ Atra de aza atao misy adino na @ antsipirihany aza. Mamaly vavaka Izy ka ireo ihany ve no zavatra tadiavinao amin'ny andefimandrinao? ndana haingana ampio sao de tara eo...
57. marozevo ( 11/01/2006 23:54)
Nisy hono olona iray nitalaho tamin'Andriamanitra fa nangalatra ka ny valim-bavaka nilainy dia ny famelana ny helony. Dia toy izao ny fomba nilazany ny heloka vitany : Mifona aho tompo fa nangalatra kofehy... Tsy olana izany hoy ny Tompo, mandehana fa afaka ny helokao, ary aza manota intsony. faly be le olona, sady nanohy hoe : izao koa ry Tompo, tery amin'ny faran'ilay kofehy nisy omby. Tsy faly ny Tompo, ka tsy navelany indray ilay heloka.
LESONA : Mbà tsotra rehefa milaza zavatra - Aza atao hoe nangalatra kofehy aho, fa ataovy mivantana sy tsotra hoe nangalatra omby aho. raha io no tonga dia nolazain'ilay olona dia ho navelan'ny Tompo avy hatrany koa.
58. xxx ( 24/01/2006 12:25)
eh! ra mis mitad vad (tena kristiana oh. no tadiavin;ts anaran fotsin fa tena mpino sy mataotr an Atra) am tony site tony mety ho sitrapon'Atra ve?? mety ho valian'Atra v lé vavak?
59. diamondra27 ( 24/01/2006 22:41)
60. diamondra27 ( 26/01/2006 06:54)
xxx:angataho ny Fanahy Masina hanazava anao @ireto tenin'ATRA ireto sy hanoro lalana ho anao

vakio TITOSY toko faha 2 andininy manontolo

IKORT toko faha 7 andininy manontolo
indrindra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1278