Efa nanao zavatra tsy tinao ve ianao?

1. Herimiafina ( 10/10/2005 03:56)
Omena safidy ianao, ny iray zavatra tinao, ny iray kosa zavatra tsy tinao. Dia hoy ianao hoe, aleo ilay tsy tiako no hataoko, satria tsy izay tiako foana koa no hatao.

Matetika mantsy ny zavatra ataon'ny olombelona hoe tiany dia vitsy dia vitsy tokoa, ny zavatra tsy tiany anefa marobe dia marobe tokoa.

Koa satria efa fantatrao ny zavatra tinao, tsy aleo ve mba manao zavatra tsy tinao indray, mba rehefa any aoriana any tsy ho sahirana intsony ianao amin'ny zavatra atolotra anao? Mba tsy ho kivy ianao rehefa forcer-na hanao zavatra tsy tinao.
répondu par Herimiafina le 23/10/2005 19:01
2. pika ( 10/10/2005 05:24)
voalazanao tsy voatery ny ho tiana foana no atao fa mety ny tsy tiana ihany koa
raha ny tiana foana mantsy no atao dia mety ho tsy azo iaianana intsony eto an-tany koa samy manao izay tianay tsinona koa dia tonga ny fanjakan'ny baroa
za zao mbola te hatory maraina nefa tsy maintsy mifoha mandeha miasa ko :lol:
3. radriana ( 10/10/2005 08:10)
Raha izaho manokana aloha no asaina misafidy dia ny tiako ihany no ataoko e, fa @ fiainana anie misy zavatra be dia be tsy ananao choix fa na tsy tiana aza tsy maintsy atao e, ka raha omena choix araka ny voalazan'i Herimiafina tsy aleo ve ny tiana no atao,
4. mandrindra ( 10/10/2005 10:40)
raha mbola manana safidy dia izay tiako ihany no ataoko. Ary rehefa tsy manana safidy aho dai ataoko amin'izay hitiavako azy ilay tsy tiako.
5. ravakamalala ( 10/10/2005 12:08)
Raha mbola manana safidy marina aloha dia izay tiana foana no hatao e, nefa ny fiainana tsy ohatran izay fona, indrisy!!

io ilay hoe ny fihafiana no mila ianarana fa ny miadana hono leiroa mandeha ho azy.
6. Herimiafina ( 10/10/2005 13:01)
ravakamalala:


io ilay hoe ny fihafiana no mila ianarana fa ny miadana hono leiroa mandeha ho azy.


Marina daholo ny voalaza amiko. Saingy mila mianatra ny fanahintsika, ny saina, araka ny voalazan'i ravakamalala.

Saingy ny tiana ho marihina eto dia "vitsy ny olona sahy mi-safidy hanao ny zavatra tsy tiany mba hanamafy ny herimpanahiny".
7. mandrindra ( 10/10/2005 13:27)
mba hazavao hoe ilay manamafy herimpanahy azafady !!!
8. Herimiafina ( 10/10/2005 14:08)
Ny olombelona dia matahotra ny zavatra tsy fantany ary tsy te-hahalala iny zavatra hatahorany na tsy tiany iny mihintsy izy.

Ny fanamafisana ny herimpanahy anefa dia ilay manao izay hahafantarana ilay zavatra tsy tiana mihintsy.

Ilay fiomanantsaian mialoha mba tsy ho diso fanantenana.

Ohatra: eo amin'ny resaka asa. Efa zatra tsy nanao afa-tsy izay asa tiana. Kinanjo, noho ny zava-misy dia nasiana nanao asa tsy tiana tampoka ka kivy ery. Satria tsy nivonona ny fanahy.

Misy kou ireo antsointsika hoe zaza gatée, dia mitovitovy amin'izay.


9. mandrindra ( 11/10/2005 13:41)
N y zavatra tsy fantatra ve ry herimiafina misy hifandraisany amin'ny zavatra tsy tiana ? Amiko samy hafa ireo. Ny tsy tiana tsy voatery ho tsy fantatra ary ny tsy fantatra tsy voatery ny tsy ho tiana.
Raha ny eo amin'ilay tsy fantatra dia ekeko fa ilaina ny mikaroka, fa tsy ekeko kosa ny hoe manamafy ny herimpanahy ny manao zavatra tsy tiana.
10. Samoana ( 11/10/2005 14:00)
Raha azo ialàna dia aleo tsy atao raha tsy tiana.
Nasain'oul za indray mande. Escargot no naroso ary tsy nety nihinana aho fa aleoko nitodika teo @ hen'omby ritra. Tsy nanaiky ny tompotrano fa tsy maintsy manandrana hono fa efa nisahiranany . Dia somary noterena mihintsy ny tena vao nety nanandrana....Vokany: nihôka nidegôba teo no eo fa toy ny nidirana kankana izany no nandraisan'ny tendakeliko ilay izy !! Tsy fanahy iniana ary rava ny sakafo atoandro !!! Nivoady tsy hijabaka intsony @ zavatra tsy tiana...raha mbola misy hevitra:lol:
11. menakely ( 12/10/2005 13:02)
Ao anatiny mangidy no ahitana ny mamy hoy ny ohabolana zay!
12. Herimiafina ( 12/10/2005 15:03)
Ying-Yang e. hehehehehe:-D
13. majesty ( 14/10/2005 04:31)
Enga anie mba tsy ho amin'ny resaka fitiavana no isehoan'ny toy izany hoe:izay tsy tinao indray no iarahanao fa angamba de looooooooooooooooooooooooza!:roll:
14. menakely ( 14/10/2005 18:00)
majesty:

Enga anie mba tsy ho amin'ny resaka fitiavana no isehoan'ny toy izany hoe:izay tsy tinao indray no iarahanao fa angamba de looooooooooooooooooooooooza!:roll:


majesty ah!
tena marina ity lazaiko anao ity ary diniho tsara fa nisy RAD(Betsileo) iray mpanofatranonay izay;de zao mba anatra nomeny anay:"aleo manabady olona tsy te tianao toy zay manambady olona tena tinao"


15. menakely ( 14/10/2005 18:03)
aleo manambady olona tsy de tena tianao toy zay manambady olona tena tinao!
16. Veloo ( 14/10/2005 19:57)
:?::?::roll::roll::roll:
17. Herimiafina ( 15/10/2005 01:29)
Rehefa tsy de tiana ke olona de somary hajaina kokoa. Izay no zavatra hitako, rehefa tiavina be zay ny olona de manana tendance manaliaka be satria tsy misy intsony le distance.

Imaginer-o anie zany direktera misipa amina sekretera izany e, tsy afaka mibaiko an'iny intsony.
18. pitchou ( 16/10/2005 19:27)
zany an!
19. Herimiafina ( 16/10/2005 19:31)
Arakaraka ny toetran'ilay olona aloha ilay izy e.
20. pitchou ( 16/10/2005 19:41)
ny toetran'ilay direktera sa ny toetran'ilay sekretera? :-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2189