fitia mandeha ila

1. jos13 ( 29/09/2005 18:41)
misy vhv 1 tia lehl iray nefa io lhl io tsy tara @ d inona notokony atao mba ahatonga ilay fitiavana reciproque?, ny mahagaga anefa io lhl io tsy dia mankaiza loatra fa ilay sipa manja b nefa tsy mahataitra azy!, mba omeo ny hevitrareo?
répondu par Herimiafina le 22/10/2005 15:32
2. cutie ( 29/09/2005 18:46)
tonga de ialao tsotra zao e . Ny fitiavana tsy azo terana .
3. Herimiafina ( 29/09/2005 18:52)
Doradorana matetika eny ve tsy hirehitra eny ihany le kitay e. hehehehe :-D:-D:-D:-D

Soamry ampisehoan'ilay sipa hoe tia an'ilay bandy izy.

De avy eo mody fanina tampoka amin'izay, tsy mipoipoitra intsony dia manontany tena le bandy de mikorontana amin'izay le zanakatiidohany de lasa miheritreritra ilay sipa foan ileiry dia lasa tara amin'izay.

Ny olombelona tsy dia miraharaha rehefa mbola eo ampelatananany ny vorona, fa rehefa lasa le vorona vao hoe, iny sambory fa ilaiko, heheheheheh:-D
4. fasaly ( 29/09/2005 18:54)
de aleo mi pà raha izany e! inona no andrasana fitiavana tsy hiteraka ve harary fo eo fotsiny.
5. Herimiafina ( 29/09/2005 18:56)
F'iza no milaza fa tsy miheritreritra n'inon'inona le bandy? Hehehe, fetsy kou leiry e.
"il se fait désirer". côcô takaka an. hehehehehe:-D
6. vivi ( 29/09/2005 19:07)
ary maninona no tsy manao mody mampiaraka d @ zay fantatrilay bandy we b mpitia ilay sipa , izy koa anie mety manontany tena we ahoana koa sipa hotrizao no tsy manana sipa ,ny lhl koa anie zay b mpitia ihany no tiany fa rehefa mampiaraka iny d mety ho tonga saina izy !
7. xxx ( 29/09/2005 19:12)
hadaboy any retsy an ! akoho tsy maneno ohatran' zay lanin' ny kary .... sa leiry no vendrana ve , sao dé 1er amour 'ny aza dé tsy hainy hoe ahoana , l'expérience ça compte aussi après... , sa ahoana ry herimiafina .
8. Herimiafina ( 29/09/2005 19:13)
Za kalongany ratsy tarehy be de efa niaina ny zavatra toy izao e.
Fa ny tato andohako de izao "tsy tia ahy ity sipa ity". Tonga de complexe d'inferiorité be fa anjely kely le sipa tamin'izay mantsy. Voa-bloqué-n'ny hatsaran'ilay sipa zaho.

De niheritreritra foana zah hoe tsy mety hiaraka amiko mintsy ny sipa tsara toy izao, dia nionona mialoha ilay fo ka nandray azy ho akama tsotra nefa ao ampo maniry mafy ihany.

Dia teo foana. Taty aoriana vao nahafantatra fa kay tara ilay sipa tamin,ireny fotoana ireny ary il suffisait hoe nanao premier pas zah de niaraka izahay.

Nampanaelo be za avy eo satria efa nahita bandy hafa le sipa.

Nataoko akama bonne be izy taty aoriana dia mba mananatra ahy ihany indraindray amin,ny fomba fijeriko ny sipa.

Nisy fotoana saika tafaroboka injay fa dia samy hendry dia tsy nijabaka e. Fa raha mbola vonona izy de za kou mbola vonona tampoka teo. Nareo reto reto mamoha fotamandry k'lé. tssss, tara amlé sipa tampoka teo njay zah. tsssss:-D:-D:-D:-D
9. xxx ( 29/09/2005 19:16)
ah ah ah ah ah !
10. Herimiafina ( 29/09/2005 19:21)
Fa tena le hatsaran,ireny sipa ireny mihintsy anie no mampi-blôky e.

Misy mantsy le sipa vao torina fitiavana kely tonga de mahazo fantsy be hoe, toy ny namako no nandrauisako anao, etc, mba tsy hitenenenanahoe ratsy be enao de tsy tiako, hehehehehehehe.

De raha bandy kely tsy mba côcô be dia tsy mahatakatra ze tedavin'ilay sipa.

Refa ôtran'ireny de le sipa mintsy no tokony hikaoty hanao premier pas e. amzay mazava tsara le jeu. hehehehehehe.

Anenenana io an, miondakena marina.:-D:-D:-D:-D
11. nikopol ( 29/09/2005 19:22)
asaivo manao famelabelarana le sipa fa mety miova hevitra le bandy
12. Herimiafina ( 29/09/2005 19:24)
Le fampilazana ny hanaovana famelabelarana aza leisy mbola tsy vitan'ilay sipa akoury kou. hehehehe:-D
13. vivi ( 29/09/2005 19:25)
io, koa anie miankina @ lay bandy koa e, mety manao serieux b lery d matahotra ny hikoty ilay sipa, mafy koa anie ilay mahazo we bon courage e! normal ilay sipa ry herimiafina no miandry passe fa ny enjana koa anie mety efa manao grand jeu fa tsy tonga mihitsy ilay hafatra e!
14. Herimiafina ( 29/09/2005 19:31)
Za alou tamin'izany fotoana noresahako zay tena timida be sady le génie serieux be solomaso be ao ampianarana reny e. De tia miresaka baosy be mahintsiny de serieux be foana marina.

Fa ny zavatra tadidiko de le sipa mintsy kou no mi-se faire desirer be, lazainy fa tiany be i Robbie Williams (ileio mantsy no mba nalaza tamin'izany), de nijery fitaratra za nanao comparaison, de nahita hoe, eeeeh mbola lavitrezaka be vao hitovy amin'i Robbie Williams zah. hehehehehe

De nandé teny njay ny resaka de tantarain'ilay sipa ahy daôly zao bandy mikaoty azy retraretra zao. dia vao maika za voa-bloky satria bandy noheritreretiko ho favy be noho izaho daholo ireo resahany amiko ireo, ireo aza tsy tiany maika fa zah hoy aho tamzay.

De aiza moa le bandy no tsy ho sahy hikaoty.hehehehe sady efa timide no mbola découragé be.

Ny nampikorontana ny saiko nefa dia toa otran,ny mahita feu vert be zany foana zah (ohatra, le tanana refa mifanao veloma de le asiana kitikitika fekatanana kely iny), heheheheh.

Dondrona mintsy zah ty k'lé. hehehehehe:-D
15. vivi ( 29/09/2005 19:35)
tena voab marina ianao t@zany ka ,nefa anie ny sipa @ ankampobeny tsy mijery tarehy fa zay tiany ihany no tiany fa io no mahavoa ny lahy na vavy, ny complexe no tonga aloha , zao vao lasa nanenina !
16. Herimiafina ( 29/09/2005 19:38)
Ka fitiavana anie complexe e. hehehehehe. Aleo any tsy tia e.:-D:-D:-D:-D
17. vivi ( 29/09/2005 19:50)
ny ao antiny sainy lhl koa anie d tsy fantatra mihitsy e!
18. Herimiafina ( 29/09/2005 19:51)
Ka zay no mahalehilahy azy kou, lavalava tsy hay takarina zavatra boribory, hihihihi:-D
19. vivi ( 29/09/2005 19:53)
manahirana ka , soa ihany fa tsy miontsona @ zany ny sipa @zao fotoana
20. Herimiafina ( 29/09/2005 19:56)
Favy refa tsy mihontsona e. Angaha tsy fantatrao fa rehefa tsy hainao ze ao amin,ny sainy dia somary mampiasa saina kely kou enao dia lasa miteny ho azy ze heriterertiny ny lahilahy. manipulable anie ny lehilahy e. hehehehehehe:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.304