ny hevitry ny nofy...?

1. isrine ( 21/07/2005 14:51)
inona avy ny nofy efa nodinihinareo ka ahafahanareo milaza fa tena marina ilay izy? na koa izay heno tetsy sy teroa?

rehefa manonofy squelette hono dia ho faty izay iny olona iny.

2. kally ( 21/07/2005 15:55)
F'angaha ny squelette misy tarehiny no ho fantatrao hoe iza?
Ary fahafatesana izany tsy misy olon=kafa afaka milaza mialoha izay andro hahafatesan'ny olona iray.
3. isambilokely ( 21/07/2005 16:35)
I Rafahafatesana milaza rehefa hiala any e. Mitondra kobay be izy, de mitondra famaky be dia mitondra vato be de atotatotany aminao ireo dia maty amin'izay ilay olona anh .... Vita tompoko.

Mbilo Iraika
:lol: Youpiiiiiii
4. mira ( 21/07/2005 17:07)
ny ahy ndray aloha rehefa manofy aho ka nofy ratsy lay izy ka tsy voatatarako t@olona dia tanteraka lay izy avy eo,dia misy ko lay nofy rehefa tanteraka lay zavatra zay vao tadidiko hoe io lay nofiko zany no matetika mpitranga amiko,fa hono hoa e! misy dikany tokoa ve rehefa manonofy rano be foana? fa zaho manko toa manofy an'zany foana.
5. STONG ( 21/07/2005 17:15)
Tsy haiko aloha ra marina fa ny momban'ny nofy hono dia izao;
,ra misy olona matory ara-dalana hono,izany hoe matory manomboka @ 9 ka hatramin'ny 5 maraina,dia ilay nofiny t@ 1h iny hono no matetika marina,tsy voatery nefa an!
Izany hoe raha misy ny nofy tanteraka dia matetika ilay nofy t@ 1h iny
Izaho aloha tsy d mino fa mba mitantara izay henoko e!!!!:-w
6. niry01 ( 21/07/2005 17:20)
Manonofy rano? normaly ,io no zavatra tsapanao voalohany indrindra teto @ ity tany ity :lol:, tao anaty rano fona nandritran ny 9 volana be zao tao an kibon i neny
7. fijo ( 21/07/2005 21:31)
mety misy dikany fa tsy voatrery marina aratsiansy ka
8. mamzelkely ( 22/07/2005 10:24)
fa ty tena marina:

ny vevavy raha vô manofy bibiblava hono de bevoka!!:°)
9. booboo ( 22/07/2005 10:26)
aizaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa
10. isrine ( 22/07/2005 12:08)
rehefa manonofy mipetraka tsy miankanjo hono dia ho very harena.
11. isrine ( 22/07/2005 12:13)
kally: ka ny olona nofosina @ ilay squelette anie dia fantatra e, satria izay no ambaran'ilay nofy.

rehefa manonofy mahita vola (pièces) boboka be sady eny andalana de sady manangona foana....dia midika fa tsy manana ka maniry ny hanana.
12. chipie1 ( 22/07/2005 12:15)
ary le oe manofy enjehany ny omby masiaka ? de maninn mou tsy tadidiko tsony :?:
13. isrine ( 22/07/2005 12:15)
rehefa manonofy hoe afaka nify na koa izay misy ifandraisany à rà dia midika fa mihena ny herimbatana.
14. mandrindra ( 22/07/2005 12:39)
ny nofy lasa tena izy, ny eritreritra lasa nofy ary ny tranganajavatra ihany no azo tsapaitanana.
15. isrine ( 22/07/2005 13:03)
rehefa manonofy manao firaisana dia midika fa tsy ampy an'ilay izy zany e.
16. cocorie ( 22/07/2005 13:18)
ok! hono:{
17. Anah ( 22/07/2005 15:28)
ny nofy dia misy ny tanteraka ary misy ny tsy tanteraka, ary misy na lazaina na tsia dia tanteraka rehefa hoe izay koa no mifanaraka @ lahatra'Atra.
fa misy à ireny olona manonofy ka tanteraka ireny manana "don", fa mety ilay olona no tsy mahahalala an'izay.

ny olona sasany rehefa manonofy fa mandray tay dia hahazo vola be hono. hafakely an!

raha manonofy enjehin'olona na omby ... ka tratra dia matory mivokona ianao izay.
18. maditra ( 22/07/2005 21:16)
Zah efa nanonofy an'izay jobako izay tsy mahay mamindra. Tsy nisy accident tsy nisy inona hono ilay joba dia nandringa teo fotsiny, kay nandeha tamin'na kofa izay izy. Mba izay angamba ny nofiko hitako fa mbanifandray tamin'ny realite fa ankoatr'izay npfy ririnina doly. tsssss
19. isrine ( 24/07/2005 08:09)
ny ahy indray, ny 4 @ ireo nolazaiko ireo dia efa niseho daholo. ka tsy haiko izay antony.
Mety ho marina koa anefa ny lazain'i anah io.
20. scorpion ( 24/07/2005 08:19)
Misy dikany avokoa ny nofy, zava-poana anefa izy ho an'ireo izay tsy mahalala ny misiterin'ny fiainana sy mihevitra ny hafa ho mino mino foana.
isirine>ohatra iray lazaiko anao, raisiko ohatra ilay voalazanao hoe mahita vola bdb sy manangona, ny hevitrio dia izao, hisy fahasahiranana na olana kely hahazo ilay olona, ts voatery ara-bola akory fa mety ho fahasahiranana amin'ny zavatra hafa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5283