Ndao hihira

1. ari.malala ( 19/05/2005 10:41)
soraty eto ary ny hiram-pitiavana na hira tena nandona ny fonao! Za hanomboka

Matokia matoria fa izaho eto ihany
Sombin'aiko ry aiko eto anilanao,
Matokia re f'izaho tia anao

Hiran'i Lalao Rabeson io

répondu par fijo le 24/08/2005 19:57
2. mamzelkely ( 19/05/2005 10:59)
na ireo vazivazy zay fanao
mandalo foana ao antsofiko ao
na ireo adiady zay nandratra iklay fo
mbola reko avoka tsy hoe tsy afaka ao an-doha

hiran'izay vavao
3. mamzelkely ( 19/05/2005 11:12)
'ZAY le tiko tenenina fa diso frapy njay za!!
4. ari.malala ( 19/05/2005 11:15)
ie, tsara koa aky io hira io! :) misaotra ê!

5. hery ( 19/05/2005 11:20)
Mila anao ho namana aho,
mila anao ho tiako sy tia ahy.

an'iza mou io?

tiako be hatao générik-n'ny namana :-)
6. sonwin ( 19/05/2005 11:27)
Tsy haitraitra fa tena tia
Vonona mihitsy ny hiara-dia
Vonona hamafa ireo lasa
Ka hanolotra ho anao
Fitiavana mandrakizay vaovao

Tsotr'izao: Hiran'i Zay.
Ny andininy iray manontolo milay daholo fa io faharoa io no tena kanto , sady feno ny takelaka raha atao eto daholo
7. doria ( 19/05/2005 11:31)
youre the only one
dolly parton
8. ari.malala ( 19/05/2005 12:10)
hery> tena tsara tokoa!

9. majakely ( 19/05/2005 12:48)
N'aiza , n'aiza misy anao
hitampify eo aho!!!
Nefa raha tsy sitrakao, ndao fa tsy manahy!
N'iza2 haneso ahy , tsy mampaninona ...
Omeko tanteraka ho azy ny fiainako manontolo....

Hiran'i hery io!!
10. xxx ( 19/05/2005 13:32)
shania twain: from this moment on rehefa atolony ho anao mmmmm
11. xxx ( 19/05/2005 13:33)
shania twain: from this moment on rehefa atolony ho anao mmmmm
12. Mandamina ( 19/05/2005 13:54)
zany tiana,
ka ny tiako dia hitako ihany e
ô reroy e!
tsy miova, tsy mifindra
miara-mamindra miangola mitosisy
eo anilan'ny tiana eo akaikin'ilala
....

13. mishou ( 19/05/2005 14:11)
za moa zany tsy mahay tonon-kira fa feony fotsiny sady tsy fantatro koa izay artista mihira azy fa fantatro fotsiny hoe tana in love manao azy
Ilay hira Ny endrikao ry Tiana
14. bingo ( 19/05/2005 15:35)
mishou a!I lisy sy Landy angamba no mihira anio hira ny endrikao ry tiana io raha tsy diso aho.
Ny endrikao ry tiana tsy manan sahala
t ys hafaka ato antsaiko fa ........
I Bodo sy Poopy no annao azy t@ tana in love.
Ny ahy indray reto ny hira tiako dia le hoe :
Fa natao hifameno
Tsy afa misaraka
Izay no efa voasoratra ao
Iray izao sy ianao.
Ka hira iray izao sy ianao
Di miainga aminizao
Hoe feon-kira ianao
izao no tononao
.......di misy tohiny fa tsara be ny tononio.
Poopy no mihira azy.

Le Izao no voady izay nataoko tsy maintsy ho tanako
Ho anao izay nametrahako ny foko mba ho namako
Ho tia anao ,n'aiza n'aiza
tsy misy fetra hoe hatraiza......
Kalony fahiny io fa tsy haiko ny mihira azy.
15. Veloo ( 19/05/2005 15:37)
ny ahy ny hiran'i Rossy
"sarinao" mmmmmmmmm - tsara be - efa vaky mihitsy ny diska ato :-D:-D:-D:-D:{:{

Rehefa irery aho ka mahatsiaro oriory
Na valaka aho na vesaran-tsorisory
Ny sarinao apetrako an-doha-fandriana
Banjiniko eo mandra-pahitako tory
Dia misava vetivety ny manjo
Asa raha fantatrao
Fa ho ahy ny sarinao
Dia efa fanafody
Mety hahasitrana ahy
Raha ory ny fanahy dia ny sarinao ihany
Dia mampisinda izany

Raha sendra tsy eo ianao na hoe lavitra ahy
Fitaovana andreseko fakam-panahy
Raha misy ny manadala ny saiko
Ilay sarinao am-paosiko ao no tsapaiko
Dia misinda vetivety ny ankaso
Asa raha fantatrao
Fa ho ahy ny sarinao
Dia efa fanafody
Mety hahasitrana ahy
Raha sendra ireo sahy
Dia ny sarinao ihany
Dia efa mandresy izany

Fa ho ahy ny sarinao dia silakao ihany
Manambitamby ahy raha sendra tomany
Mibedy ahy raha sendra miadaladala
Porofo aterako iray tsy te-hahalala
Fa ho ahy ny sarinao dia ny fanahy
Mino aho fa fantatrao
Fa ho ahy ny sarinao
Dia efa fanafody
Mikoja ny ao am-po
Ilay dinantsika roa
Mitana ny hafanana tsy hampangatsiaka
Ny fitiavantsika
Ny fitiavantsika


16. sonwin ( 19/05/2005 15:55)
ahona ny feon'io ry Veloo?
17. welie ( 19/05/2005 16:30)
Hira teny gasy aloha dia raha tena hoe tena mahataraiky be ahy raha misy bandy mba mihira ilay izy (pi-maso kely alou ;-) ) dia ny hiran'ny Mahaleo "Hanaraka anao" (l) amin'ny "Andro ririnina" (l) ny "Fitia vao mitsiry" (l)

Izay mihira ireo ho ahy dia tonga dia poinsa zany... :-P Hihihi......

Raha hira teny frantsay indray dia "L'hymne à l'amour" ary teny anglisy "From this moment on" (l)

Veloo> ahona marina io hira io kay?
18. xxx ( 19/05/2005 17:51)
"it's only love " any i heather nova no tiako ,
19. maditra ( 19/05/2005 20:39)
Aza filafilaina loatra
zaho malalako iny
Fa na dia ratsy moa angahy
Mba olombelona ihany agnaragna
Ka manantena sy matoky
Ahita zara vaovao!
(Door's groupe)



20. fijo ( 19/05/2005 20:48)
hery,tsy aleo ve ny hiran'ny tsiakoraka "namana" no atao hiran'ny namana?
hirampitiavana tiako dia.

tsy diniko aro tsy diniko ela e
ny tsy ahita anao anaty andro maromaro e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.49