Ndao hihira
62. ari.malala
(
26/05/2005 05:36)
safidiko ny ho tia anao
Tsy antery na fatotra
tsy lahatra ny akaikinao fa safidy tsotra izao
fitia matotra no tsapako ao
ka n'inon'inona hiseho dia ho eo aho
eo anilanao
k'aza manahy fa izaho tsy hahafoy anao
efa fantatro fa ianao toa ahy tia ahy
ka inoako fa tsy hisy olon-kafa hisolo toerana ahy
ao am-ponao
zaho tia anao
Atolotra manokana ho an'i bebe yonika s'i welie. Mihira finaritra ê! Yonika, :-*
Tsy antery na fatotra
tsy lahatra ny akaikinao fa safidy tsotra izao
fitia matotra no tsapako ao
ka n'inon'inona hiseho dia ho eo aho
eo anilanao
k'aza manahy fa izaho tsy hahafoy anao
efa fantatro fa ianao toa ahy tia ahy
ka inoako fa tsy hisy olon-kafa hisolo toerana ahy
ao am-ponao
zaho tia anao
Atolotra manokana ho an'i bebe yonika s'i welie. Mihira finaritra ê! Yonika, :-*
63. Angie
(
26/05/2005 08:58)
Tena tiako be io hira masina \"Aiza no misy anao ry Jeso\" io fa koa tiako be:
\"Matokia ny Tompo ianao
Ny zava-drehetra dia hainy atao
Ario ireo hakiviana
Sy ireo tahotrao
Ny zavatra rehetra hainy atao...\"
\"Enga anie ka homba anao Jeso\", io koa tiako be.
Dia atolotra ny namana rehetra ampitiavana be indrindra fa ireo izay ireny any antanin\'olona :).
64. ari.malala
(
26/05/2005 09:45)
Tsy hanihany na kilalao
No mahatonga ahy hitia anao
Fa fitia avy ao am-po,
Lay tsy mba mety ho lo
Fitia tsy rendrarendra fa ho doria
Tsy haitraitra fa tena tia
Vonona mihitsy ny hiara-dia
Vonona hamafa ireo lasa, hanolotra ho anao
Fitiavana mandrakizay vaovao
Tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao
No atolotro ho anao
Toa ho nofy ihany izany
Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
Fitiavana tsy misy fetra
No omeko anao tsotr’izao !
Ka raha mbola misy any ho any
Manambara aminao toy izany
Ho ento aty raha sahy miteny
Hilaza ombieny ombieny
Fa manana fitia ho anao toy ny ahy !
Tsy hoe hilaza fa ny volana eny ambony
Irony kintana irony
No hatolotro ho anao
Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
Fo, fanahy, saina, toetra
No homeko anao tsotr’izao !
Tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao
No atolotro ho anao
Toa ho nofy ihany izany
Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
Fitiavana tsy misy fetra
No omeko anao tsotr’izao !
No mahatonga ahy hitia anao
Fa fitia avy ao am-po,
Lay tsy mba mety ho lo
Fitia tsy rendrarendra fa ho doria
Tsy haitraitra fa tena tia
Vonona mihitsy ny hiara-dia
Vonona hamafa ireo lasa, hanolotra ho anao
Fitiavana mandrakizay vaovao
Tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao
No atolotro ho anao
Toa ho nofy ihany izany
Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
Fitiavana tsy misy fetra
No omeko anao tsotr’izao !
Ka raha mbola misy any ho any
Manambara aminao toy izany
Ho ento aty raha sahy miteny
Hilaza ombieny ombieny
Fa manana fitia ho anao toy ny ahy !
Tsy hoe hilaza fa ny volana eny ambony
Irony kintana irony
No hatolotro ho anao
Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
Fo, fanahy, saina, toetra
No homeko anao tsotr’izao !
Tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao
No atolotro ho anao
Toa ho nofy ihany izany
Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
Fitiavana tsy misy fetra
No omeko anao tsotr’izao !
65. mamzelkely
(
26/05/2005 15:46)
tiko raha ianao satriko toa anao
ny NAMAKO rehetra
tsotra sady tsara fo sy fanahy
toetrn'olona maro no tiko ho toy ny anao
mahay mifalifaly
mahay mandefitra koa
sainga indrisy sarotr'izany
fa tsy ho haiko ny hanova azy reo
soa fa nisy olon'iray tokana ianao
ny ahy ny tena tiko mbola ho faniriko
ny hihitiavana ahy na ory na faly ny fiainako
ary ny ... izara ny hafaliko ory raha tomany aho
tena ilay ataonao
mhhhhh tsara io "IANAO NAMAKO" Lalatiana!!!(l)
ny NAMAKO rehetra
tsotra sady tsara fo sy fanahy
toetrn'olona maro no tiko ho toy ny anao
mahay mifalifaly
mahay mandefitra koa
sainga indrisy sarotr'izany
fa tsy ho haiko ny hanova azy reo
soa fa nisy olon'iray tokana ianao
ny ahy ny tena tiko mbola ho faniriko
ny hihitiavana ahy na ory na faly ny fiainako
ary ny ... izara ny hafaliko ory raha tomany aho
tena ilay ataonao
mhhhhh tsara io "IANAO NAMAKO" Lalatiana!!!(l)
66. Kintanakely
(
26/05/2005 16:54)
Tena tsy misy mitovy revy amiko nareo klé:
Ty mba nandona anareo ve? lay hoe:
\"Iaho zany rô da manigne,
Iaho zany rô da manigne eeee
.......
Milay ô?
Fa ny ah kosa loh tsy ny foko no voadona tam io fa ny sofiko e! Satria atao\'ilay bandy avy nay Manankara niara-nipetraka tamiko mafy be foana io hira io isaky ny mandeha. Tena voadona matetika mihintsy ny sofiko.
Ty mba nandona anareo ve? lay hoe:
\"Iaho zany rô da manigne,
Iaho zany rô da manigne eeee
.......
Milay ô?
Fa ny ah kosa loh tsy ny foko no voadona tam io fa ny sofiko e! Satria atao\'ilay bandy avy nay Manankara niara-nipetraka tamiko mafy be foana io hira io isaky ny mandeha. Tena voadona matetika mihintsy ny sofiko.
69. welie
(
27/05/2005 20:56)
Oadray kintanakely marina a! hahahaha..... Atovy fa belou amizany eo nareo anie e! :-P
sonwin> :-P inn mbo hira tianlà alou e?
sonwin> :-P inn mbo hira tianlà alou e?
70. sonwin
(
28/05/2005 09:29)
efa ao ambony ao akia ny ahy a...ary ahona io lelan-dry mipoitra foana io e,kakeriko io an:)
73. mamzelkely
(
28/05/2005 15:45)
rakotokely:
mamplahelo ra ny mpanamaina no migadra
mampalehlo ra ny mpanamaina no gadraina ,
marina zany rakoto a!!!!:-D
75. ari.malala
(
31/05/2005 05:29)
rakotokely:
mamplahelo ra ny mpanamaina no migadra
mampalehlo ra ny mpanamaina no gadraina ,
atolotra hoan'i dadabe, sonwin, iartistika, sasa sy ny mpanamaina rehetra, i mamzelkely ao anatiny de za koa hanampy, :@:@:@:@
77. mamzelkely
(
14/06/2005 10:01)
de avereno le hiran'i Rija Rasolondraibe iny le "anjara tandrify" o!!!!:(
de aza dino le hiran'i dadah: le "EMBONA"!!
de aza dino le hiran'i dadah: le "EMBONA"!!
78. yonikafopl
(
14/06/2005 17:20)
tena lasan'ny tsunami marina le anjara tandrify kleeeee:(:wink:
tsy maninn fa raha misy mahay ilay fo mitambatra ho iray ao am fihirana fanampiny iny koa fa tena fahatsiarovana milay be ho anay iny kleee:wink: ny tonony haiko fa le feony no ilaina averina :oops:
tsy maninn fa raha misy mahay ilay fo mitambatra ho iray ao am fihirana fanampiny iny koa fa tena fahatsiarovana milay be ho anay iny kleee:wink: ny tonony haiko fa le feony no ilaina averina :oops:
80. ari.malala
(
15/06/2005 10:31)
Anjara tandrify
Toa mbola manonofy foana aho
Raha mahita anao ka mandre ny feo
Toa tsy mety mino mihintsy aho
Hoe tena ianao no eo anilako eo
Misy hery hafahafa avy aminao
Ka mitondra ahy misarika ahy ho any
Zay manintona ahy hitafa hiresaka aminao
Mampihetsika mamohafoha manainga ny ato ampoko
Maso sendra nifanopy tsiky nitsilopilopy
Taratra nanify nifanandrify
Niteraka hazavana nampiely hafanana
Ireo dia ampy handraisako anao
Niezaka ny hanazava saina aho
Sao hataitairana fotsiny izao
Saingy arakaraky ny ahafantarako anao
Dia mihamahazo laka ny fitadiavana anao
Tony ny hoe
Misy hery hafahafa avy aminao
Ka mitondra ahy misarika ahy ho any
Zay manintona ahy hitafa hiresaka aminao
Mampihetsika mamohafoha manainga ny ato ampoko
Maso sendra nifanopy tsiky nitsilopilopy
Taratra nanify nifanandrify
Niteraka hazavana nampiely hafanana
Ireo dia ampy handraisako anao
Embona
Embona sy hanina
Tsiahy mahafanina
Ngoly ny fo mamelovelo
Madisadisan'alahelo
Ny havona tazanina
Tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary ny fo maratra
Fa ny antsoko ny akony no mitampody
Mba nihika mafy ihany aho fa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Takon-drahona sy vohitra avo
Fa mahery sy masiaka ny onja
Tsisy lakana mety afaka hitondra
Ny maso no alefa maminany
Hibanjina anao any ho any
Alahelo sy toloko
Raha vao injay tsaroko
Fa noho ny asoparan'ny tany
Izaho aty ianao lavitra any
Tsy azo hihadiana ny anjara
Izay angamba no heveriny ho tsara
Izaho tsy kivy tsy ketraka
Na dia mangidy mavesatra
Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty onaona aza ho tafarina
Na halevina mety handifitr'olona
Hiposaka haniry hamololona
Ny hany hafatro dia ny hoe matokia
F'izaho tsy hitsahatra ny ho tia
Tsy ny halavitana tsy ny taona
No ahasakana ny fontsika tsy hihaona
Atolotra mankona aho fanomezana fahafaham-po an'i mamzelkely ê! :) Dia mihirà finaritra aky â! :)
Toa mbola manonofy foana aho
Raha mahita anao ka mandre ny feo
Toa tsy mety mino mihintsy aho
Hoe tena ianao no eo anilako eo
Misy hery hafahafa avy aminao
Ka mitondra ahy misarika ahy ho any
Zay manintona ahy hitafa hiresaka aminao
Mampihetsika mamohafoha manainga ny ato ampoko
Maso sendra nifanopy tsiky nitsilopilopy
Taratra nanify nifanandrify
Niteraka hazavana nampiely hafanana
Ireo dia ampy handraisako anao
Niezaka ny hanazava saina aho
Sao hataitairana fotsiny izao
Saingy arakaraky ny ahafantarako anao
Dia mihamahazo laka ny fitadiavana anao
Tony ny hoe
Misy hery hafahafa avy aminao
Ka mitondra ahy misarika ahy ho any
Zay manintona ahy hitafa hiresaka aminao
Mampihetsika mamohafoha manainga ny ato ampoko
Maso sendra nifanopy tsiky nitsilopilopy
Taratra nanify nifanandrify
Niteraka hazavana nampiely hafanana
Ireo dia ampy handraisako anao
Embona
Embona sy hanina
Tsiahy mahafanina
Ngoly ny fo mamelovelo
Madisadisan'alahelo
Ny havona tazanina
Tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary ny fo maratra
Fa ny antsoko ny akony no mitampody
Mba nihika mafy ihany aho fa tsy tody
Izay jereko manjavozavo
Takon-drahona sy vohitra avo
Fa mahery sy masiaka ny onja
Tsisy lakana mety afaka hitondra
Ny maso no alefa maminany
Hibanjina anao any ho any
Alahelo sy toloko
Raha vao injay tsaroko
Fa noho ny asoparan'ny tany
Izaho aty ianao lavitra any
Tsy azo hihadiana ny anjara
Izay angamba no heveriny ho tsara
Izaho tsy kivy tsy ketraka
Na dia mangidy mavesatra
Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty onaona aza ho tafarina
Na halevina mety handifitr'olona
Hiposaka haniry hamololona
Ny hany hafatro dia ny hoe matokia
F'izaho tsy hitsahatra ny ho tia
Tsy ny halavitana tsy ny taona
No ahasakana ny fontsika tsy hihaona
Atolotra mankona aho fanomezana fahafaham-po an'i mamzelkely ê! :) Dia mihirà finaritra aky â! :)