Ndao hihira
21. hasily
(
20/05/2005 04:48)
Railovy
Atao ahoana moa.......
Foiko,tsy tsaroako akory
Ny amiko (rehetra)2
Ny amiko,ny taniko ,ny kilalao
Izay rehetra sitrakao lazao,
Ho tanterahiko avokoa
Raha izao tontolo izao ry aiko foiko noho ianao
Atao ahoana moa.......
Foiko,tsy tsaroako akory
Ny amiko (rehetra)2
Ny amiko,ny taniko ,ny kilalao
Izay rehetra sitrakao lazao,
Ho tanterahiko avokoa
Raha izao tontolo izao ry aiko foiko noho ianao
22. mamzelkely
(
20/05/2005 05:58)
za raha hira gasy bobaka be ny tiko de ra hira vahiny njay: "tell me it's real" (Kci & Jojo), "Never let you go" (Faith Evans) de "Crazy over you" (Room 112)(l)(l)(l)
23. ari.malala
(
20/05/2005 06:00)
ho an'i mishou,
ny endirkao ry tiana tsy manana sahala
tsy afaka ao an-tsaik fa hany notsongaiko
nofisifisin-dava toa mifanatri-tava
tandindona iray ny sarina izay
anisan'ny fananana natao am-pela-tanana
raha sendra sorena ilay sary jerena
topazana tazanina raha sendra tena manina
dia tsy ho sarahiko amiko ilay sarinao izany
ny lahatra mavany ny elanelan-tany
dia mampitombo hery ty olo-manirery
tsy angamba fa tadidy ireo dina sarobidy
ny sarinao ihany no nahatonga izany.
hoa n'i bingo, hiran'i LUdger ANDRIANJAKA io hira teneninao io.

24. welie
(
20/05/2005 13:16)
hery sy fijo> Aleo marina wa hiran'i Tsiakoraka "Namana" no atao hiran'ny namana e! Tsy hoe tsy tiako io hira lazain'i hery io (tena fann be aza zà @ io hira io kou :-P ) fa le hira io tena mba milaza ny rehetra... Na koa ilay "Raha mila fanampiana" Mahaleo...
26. Fithy
(
20/05/2005 13:54)
ny ahy indray le hiran'ny Ainga mitondra ny lohateny hoe "Fanantenana"; tena tiako be io an! sy le hoe "Fitiavana tsy atakalo Jesoa o!". Hiram-pitiavana daholo ireo; sa tsy izany ry ari.malala sy Sonwin
27. ari.malala
(
20/05/2005 14:19)
fa manin no tonga de ari.malala s'i sonwin ry fithy? marina klo fa hiram-pitiavana daolo ireo 2 reo ê! ny hiran'ny tarika Ny Aiga rehetra dia hiram-pitiavana. santionany Ankiniko
Ray ô, manirery aho miandrandra Anao mangina
Mafy ny fiainam-pitiavako niainako iny
'Zay nantenaiko, ratra ao am-po
Dia vavaka, irery, tomany no anjarako
Tompo ô, Andriamanitro Ianao, mafy ny efa nentiko
Mafy Andriamanitra ô
Ankiniko aminao ny fiainako,
Andriamanitra ô, atolotro Anao ny ranomasoko.
Fiv: Fa fitiavana iny ranomasoko iny
Fitiavana ireny fahalemeko ireny
Fitiavana iny niaretako iny
Ireny fihafiako ireny: fitiavana.
Ray ô mino mafy aho fa tsy avelanao irery
Ireo ranomaso manginako ny alin'iny
Mino aho ny ampitsoko, mino aho Tompo ô
Dia matoky fa mba hipoitra masoandroko
Niezaka aho hitia, ho tokam-po hatrany
Nefa toa very dia tsy mba nahita ny mamy
Niezaka aho hikiry, nanjohy an'azy hatrany
Fa ny lalako iny, lasa tomany.
Fiv: .....
Tsy olona iray ahasambatra ahy no tena iriko Tompo
Fa olona iray hotiaviko mandritra ny fiainako
Tantano ny lalako Tompo
Tantano ny ampitsoko
Mba homenao an'ity foko
Hanana ny anjarany
Tantano ny lalako Tompo
Tantano ny ampitsoko
Ankiniko aminao ty foko
Omeo izay ho anjarany.
Patty

29. mamzelkely
(
21/05/2005 06:35)
ty ko misy hira milay iray:
tsy mba hanana ahiahy aho refa any
tsy anenina na de kely aza
tsy hisento ko na hitomany
f'efa teo anilanao tety an-tany
ka hiandry am-pitsikina
'lay fotoana
'zay natokany hiavianao
hanoy indray reo zay tsy vita
lay fitiavana tsy mety ho rita
hanoy indray reo zay tsy efa
lay fiarahana tsy hana-petra...
tsy mba hanana ahiahy aho refa any
tsy anenina na de kely aza
tsy hisento ko na hitomany
f'efa teo anilanao tety an-tany
ka hiandry am-pitsikina
'lay fotoana
'zay natokany hiavianao
hanoy indray reo zay tsy vita
lay fitiavana tsy mety ho rita
hanoy indray reo zay tsy efa
lay fiarahana tsy hana-petra...
30. kally
(
21/05/2005 07:29)
Ny ahy ilay hoe :
Voaraiko omaly harivaaaa ny taratasinao
Tao anaty valopy maaangaaa mitondra ny anarako
Tsy fantatrao ve fa mboola mianatra aho
ka aoka aloha ho vita fianarana aho
tsy fantatrao ve mbola bedin'i dada aaho
...tsy tadidiko ny tohiny.
Mandeha foana io t@ RNM rehefa i Tata Max Albert moa sa iza ilay brônina be tao @ RNM iry no mpanentana.:lol:

33. kally
(
21/05/2005 15:03)
sonwin:
Tahitsy Gilbert:)
Ie tsy tadidiko marina fa toa misy koa ilay Tata Florent Max kah! fa Tahitsy marina ilay izy.
36. dadabe
(
22/05/2005 03:06)
REALITY (le hira @ LA BOUM)
My heart will go on (Celin dion)ahatsiarovana an'i ari.malala:wink:
My heart will go on (Celin dion)ahatsiarovana an'i ari.malala:wink:
37. iartistika
(
22/05/2005 17:03)
...ny feo mitoloko toa reko sahady
ny kiakin'ny manina toa miantsoantso lava (NJAKATIANA)
ny kiakin'ny manina toa miantsoantso lava (NJAKATIANA)
38. cutie
(
22/05/2005 18:11)
ny ahy njay tsy haiko ny mpihira azy fa le tonony fotsiny ny haiko :
N'aiza n'aiza misy anao hotsarovako ianao
Ny elanelan-tany tsy hanova ny fitiavako
@ alina mangina , ianao no ao an-tratrako ao ...............
N'aiza n'aiza misy anao hotsarovako ianao
Ny elanelan-tany tsy hanova ny fitiavako
@ alina mangina , ianao no ao an-tratrako ao ...............
40. mandrindra
(
23/05/2005 09:59)
Ny ahy indray dia "Malala" no tiako
Malala izaho anie tsy niova fa mbola jiolahim-boto eh!!
Malala hatramin'izao anie aho mbola miteny maloto
Malala mandrak'androany anie aho ka mbola alim-pody
Misotro foana(2), dia mamo miantso ny anaranao
Malala hatramin'izao anie aho ka mbola mafy ady
Malala ianao foana izao no ataoko fitady
Malala hatramin'izao anie aho ka tsy mino an'Andriamanitra
Fa mino anao aho(2), mivavaka amin'ny anaranao.
Malala ny akanjoko hatramin'izao ka mbola rovi-damba
Malala izaho tsy mety miova mbola solon'olona mihaja
Malala indray andro any angamba aho mbola mety hiova ihany
Olom-baovao aho(2), hanome voninkazo anao