Ndao hihira

41. chipie1 ( 23/05/2005 10:32)
mandrindra > samoela no mihira anio mou ?
42. ari.malala ( 23/05/2005 10:48)
chipie1> tsy samoela fa Lolo sy ny tariny

43. 1kd100 ( 23/05/2005 13:45)
hery:

Mila anao ho namana aho,
mila anao ho tiako sy tia ahy.

an\'iza mou io?

tiako be hatao générik-n\'ny namana :-)


tena tsara be mihitsy io hira io , ka raha ilay hira eritreretiko no ao an-tsain\'i hery dia \"Titi\" no anaran\'ilay sipa mihira azy , sipa kely miangolangola izay izy ary tsara koa ny clip, ...tandremo fotsiny sao manao \"gros minet \" an !
44. ari.malala ( 24/05/2005 08:04)
iza no tandremo sao manao gros minet?

Ireny kintana ireny sy iny volana iny
Raha tambazanao halaiko mba ho firavakao
Dia mbola ho nofinofy ihany
Iny habakabaka iny sy ireny rahona ireny
Raha finidinao ho akany mba ho fonenanao
Dia mbola ho nofinofy ihany
Fa raha ireny no firavakao
Iny habakabaka iny no ho fonenanao
Dia masoandro hamiratra eny ny foko tia anao
Eny ny fitiavan-tsika, hiaradia am-panahy
Ka ny hira tsara indrindra no hokaloiko ao
Dia ny vetsom-poko tia anao
Raha ho nofy ihany izao isika izao
Dia naleoko hatrany tsy nahalala anao
Saingy fitia te hitambatra
Tiana sy tia tafatambatra
Ka ny zavatra hitan'ny maso
Dia hitory fitia ankamantatra
Ho anao, anilanao ny foko tia anao
Ho anao anilanao ny foko tia anao
Raha ho nofy, hiran'Ny Railovy atolotra manokana ho an'olona iray izay, tonga dia fantany. :)

45. chipie1 ( 24/05/2005 10:53)
ny heriko rehetra , foiko omena anao !
tsy asiako fetra
mba hanjakanao ...
lazao zay sitrakao , izay tinao ambarao
omeko anao
satria "tiako ianao "

merci ari.malala" otrany misy hirany i samoela mitovitovy taminio zay kou manko:wink:
46. welie ( 24/05/2005 12:16)
(l)(l)(l) doly zany hira zany an!

Dia miampy kely any Safidy Bodo sy Ianao \'Zay dé hummm be..... ;-)
47. ari.malala ( 24/05/2005 13:11)
chipie 1 le malala an'i Samoela misy hoe
fa reraky ny manompo anao aho l
eo manao zao sy zao ho anao
marary be ny lohako,
de mampaninona moa
raha toa ianao tena tia tokoa
mba androany izany mba atao

de tsy haiko tsony ny tohiny..
48. mandrindra ( 24/05/2005 15:48)
chipie1 sy ari.malala toy izao angamba ilay tohiny raha tsy diso aho
Malala ô malalako ôô
Aiza ny havitako zany rehetra rehetra izany
Malala
Dia rehefa vita sasa ny vilany sy lovia
Dia mba ataonao ily lakozia
Fa reraky ny manompo anao aho
Leo mamelona ano
Mba marary koa ny lohako
Malala , malalako ôô
Kôzy raha mba haiko zany sasa lamba zany
Dia aza mba mifanorisory
Mba tsy hisian\'ny lonilony
Dia za aza mba atao izany tsony
49. nikopol ( 24/05/2005 16:14)
Hira iray "Nono"


Rehefa midorehatra menamena be
Iny fara-vodilanitra iny
Matsiaro anao matsiaro anao

Isaky ny malomaloka ny andro
Mitampifipify ilay masoandro
Matsiaro anao matsiaro anao aho

Hirahira iray hira antsika izay
Poti-taratasy kely izay
nitantaranao ny fiainanao...


50. nikopol ( 24/05/2005 16:16)
le malala ery ambony ery Lolo sy ny tariny no mihira azy !!!:lol:
51. dadabe ( 24/05/2005 16:38)
tsy mety ve raha hoe "ry tanindrazanay malala oo
ry mafagasikara soa
ny fitiavanay anao tsy miala
fa ho anao (2)doria tokoa...
io ny ahy no tiko indrindra:wink:
52. sonwin ( 24/05/2005 16:47)
marina leisy zany a:)
53. mamzelkely ( 25/05/2005 07:40)
dadabe
54. ari.malala ( 25/05/2005 09:20)
dadabe> hita mintsy enao hoe lavitra ny tanindrazana! tsara be ê!
55. 1kd100 ( 25/05/2005 10:51)
ari.malala:

iza no tandremo sao manao gros minet?

Ireny kintana ireny sy iny volana iny
Raha tambazanao halaiko mba ho firavakao
Dia mbola ho nofinofy ihany
Iny habakabaka iny sy ireny rahona ireny
Raha finidinao ho akany mba ho fonenanao
Dia mbola ho nofinofy ihany
Fa raha ireny no firavakao
Iny habakabaka iny no ho fonenanao
Dia masoandro hamiratra eny ny foko tia anao
Eny ny fitiavan-tsika, hiaradia am-panahy
Ka ny hira tsara indrindra no hokaloiko ao
Dia ny vetsom-poko tia anao
Raha ho nofy ihany izao isika izao
Dia naleoko hatrany tsy nahalala anao
Saingy fitia te hitambatra
Tiana sy tia tafatambatra
Ka ny zavatra hitan'ny maso
Dia hitory fitia ankamantatra
Ho anao, anilanao ny foko tia anao
Ho anao anilanao ny foko tia anao
Raha ho nofy, hiran'Ny Railovy atolotra manokana ho an'olona iray izay, tonga dia fantany. :)




ari.malala: misaotra fa voarain'ilay olona iray izay ny hira namelan-kafatra dia ity ny hiran'i Rossy ho valiny:
Ari.malala,manoratra ho anao aho
ny aty dia salama
saingy tsisy vaovao
fa malahelo mafy anao aho
mila ho adala...:-D:-D
56. ari.malala ( 25/05/2005 11:13)
1kd100 euh, misaotra betsaka am'le hira ê! :)

57. douhdouh ( 25/05/2005 13:23)
Mety ve raha hira evangelika ? fa ny ahy dia ireny ihany no mahakasika ny foko !!ohatra hoe

Aiza no misy Anao ry Jeso
Fa ny foko mitady Anao
Toerana aiza no mba hahitako Anao
Ry Jesoa misy Anao aiza moa

Mahantra aho no mitady Anao
Aiza Ianao Ianao ry Jesoa ô!!!!!
Miasa tsy miato ka sasatra ery
Ry Jesoa misy Anao aiza moa


58. booboo ( 25/05/2005 15:30)
Quand rien ne va
Je pense à toi
T'es mon soleil
Plus jamais froid
Le monde est gris
Il ne sourit pas
Mon truc à moi : Je pense à toi

Dé ny iraika ilay an'i Tselatra "Mionona" iny. Méga-archi-terrible zany raha tonony sy feony !!!!!!
59. dadabe ( 25/05/2005 15:59)
ary raha maangataka hira @reto namana treto zany de tafa kle
60. yonikafopl ( 25/05/2005 21:11)
welie nena kou aky iny safidiko an'i Bodo iny tena tiako be kou:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5104