Ry mpitondra.. Ho aiza???

1. ainaheri ( 07/05/2005 08:02)
Feno 3taona omaly ny nitondran-Dravalo nefa
ity ny vahoaka toa mbola tena mihitsoka ao anatin'
ny fahantrana tanteraka !!Ny hevitrao!!!tsy entina anenjehana fa ny zava-misy no lazaina!!
répondu par Tanala le 23/05/2005 19:04
2. eh ( 07/05/2005 08:27)
Azafady tompoko! ny zavatra atao tsy vita mora,mihevitra v enao fa vita ao anatin'ny 3 ans ny fanarenana ny zava drehetra tsy nety nandritra izay firy taona nihainana tao anatin'ny haizina izay!!!mialatsiny ê! avadiho tsara aloha ny lela vao miteny fa aza faly manaratsy fotsiny!sa kosa ianareo anisan'ny nahazo tsara t@ mpanjanaka ê! izay angaha!!! avelao hiasa fa na mijaly aza izao misy vokany tsara io ao aoriana ao. MISAOTRA !
3. ainaheri ( 07/05/2005 08:47)
ianao ko ry eh voalemin'ny we minoa fotsiny ihany!!
mandrapahovina izany fiovana zany satria tsy arakaraka ny fampanantenanao ny zavamisy!!!!!
refa mihena ny antsasany ny isan'ny Gasy maty mosarena zay vao iakatra ny ekonomiantsika??misy atokona ianao milaza izany
mba alaivo sary antsaina we ireny olona any ambanivohitra b any mihoatra @ reo misy raisina isambolana!!
4. mishou ( 07/05/2005 09:20)
ilay iraika lahy taloha aza 25 taona nitondra tsy nahavoka, tsy hita akory izay nataonareo koa ny telo taona nahavita zavatra be lavitra noho izy no tsikerainareo, sa mila solomaso nareo hijerenareo ny zava-bitany de ahitanareo koa ny ra mandriaka n'ny 10 août sy ny sisa tsy voatanisa.

Tsy misy tanteraka eo @ fiainana fa ny toe-tsaina nanaovana azy ny tokony hojerena angamba!!!! :wink: :wink: :wink: :-P :-P :-P
5. ainaheri ( 07/05/2005 09:30)
mishou ny kibo tsy mba lamosina manana ny ho raisina ianao matoa milaza izany @ zao vary 8000fmg\kg zay lalana sy ny zay rehetra any interetny manokana zany fa ra ny fototsakafonao no kitihina ampiakarina avo 5
eny nefa ny fahafamividy tsy d aona zany hoy ianao??
6. riah ( 07/05/2005 09:44)
niteny heriaina teo hoe ny any ambanivohitra b tsy misy horaisina isam-bolana, angamba tsy mahita ny any ianao satria @ izao fotoana izao mihintsy ny any vao mba mahita masoandro satria tena miainga any mihintsy izao ny pôlitikan'ny fitondrana amin'izao.

Izay aloha no porofo tena hitako e, miasa ry zareo any fa io kosa tsy hoe vao tonga dia tsy maintsy hiova vetivety eo fa mandeha miandalana.
7. aristar ( 07/05/2005 09:49)
ilay iraika lahy taloha aza 25 taona nitondra tsy nahavoka, tsy hita akory izay nataonareo

Hita ny nataony ka nitsigindina ao anaty lavaka i Dago ary mora sy haingana kokoa ny mitsigindina nohon\'ny mivaoka avy ao indrindra raha misy mandetika anao faha tsy manampy ary koa ireo faly faha ao anaty lavaka dia tsy mety mijery ny ao ivelany
8. ainaheri ( 07/05/2005 10:51)
Riah< azo ahitsy kely v ny hoe ainaheri sy heriaina
sao dia mahatezitra an'ny sasany manko nefa ny teny diso tsy mba kabary ary minambary aza misy latsaka>
Raha tohizako lay resatsika dia ekeko fa manao zvtra tsy mora indrindra fa zany hoe mitondra vahoaka antapitrisany zany,ny zanakao 2 na 3 aza efa manahirana na ara-pitaizana fotsiny aza raha tsy lazaina ny enti-manana fa ny zvtr mandreraka ahy @
mpitondra dia izy manao b loha sy miavonavona mahavita tena,raha nijery lay horonantsary Mahaleo ianareo d mba mety tohina ihany raha ohatr'ahy @ filazany hoe"tsika ndray tsy miraharaha reo mena sofina ireo"zany hoe tsy te hivelatra @ zao tontolo zao izy fa eritreretiny ho vitany irery ao ny fandrosoany ,sarotra zany amiko!!marina ao amitsika ny harena fa saingy tsy haintsika hoe atao inona itony!!!
9. yonikafopl ( 07/05/2005 11:36)
ainaheri ooooo, tsy aleo ve izy hiasa mandritra ny 25 taona toy ny teo aloha , ka raha tsy mahavita n'inon'inona izy amin'izay fotoana izay vao hotorahantsika vato, za koa ho namanao amin'izay fotoana izay. Fa heverinao ho mora moa ny mitantana fanjakana, indrindra fanjakana izay tena very tanteraka?. Marina fa mijaly ny vahoaka madinika, nefa na manao izay azony atao aza ny mpitondra, rehefa tsy misy ny ezaka avy amin'ny tsirairay fa mitsikera sy miandry mana avy any andanitra, miandry fahagagana, tsy hotafavoaka ao anatin'io lavaka be io ny firenena.
10. sonwin ( 07/05/2005 15:59)
44 taona : nisy nandroba ny fananatsika, nisy nanapotika ny kolotsai-tsika..voazanaka tanteraka isika
12 taona: fahaleovan-tena an-taratasy:nampianarina isika ho tia tena sy hianki-ndoha
3 taona:nampianarina hifankahala sy hifamono isika
27 taona: nampidirina tao amin-tsika ny fitiavan-tena, ny tsolotra, ny fanaovana kely tsy mba mamindro,ny akamakama, nampinarina antsika izany hoe fampanantenana paokaty....etc
dia ireo aloha fa ts hitanisa maro za..
fehiny:86 taona no namotehana an'i Madagasikara sy nandrodanana ny maha-izy azy...! TELO TAONA???telo taona ve dia ampy hanarenana azy??Mba ahirato ny maso fa tssss tsy misy miracle eto ambonin'ny tany e...omeko anao ny plan hampandroso an Mada dia veloma ny aina iaraha-mahita
5 taona: Ravalo mitondra: mametraka ny base-ny fampandrosoana...manova ny toe-tsaina
5 taona manaraka: Ravalo ihany,manomboka mipetrapetraka ny zavatra rehetra, mihamaro ny zavatra vita, miha-miova ny toe-tsaina, miroso tsikelikely any amin'ny fampandrosoana
5 taona manaraka: Hafa amin'izay, eo vao ho tsapa ny vitan-dRavalo sy ny ekipany...hivoatra tanteraka ny fiainana
5 taona: Ilay hafa ihany: Madagasikara firenena mandroso.
Aza tia tena, miasa tsara ianao anio, raiso izay tandrify anao dia ny taranaka mandimby no tsinjovina fa isika izao no ho loharano sy ho masoandro ho any zanaka amam-para..izy ireo no ho sambatra..dia tokony hifaly sahady isika.
Tiako Madagasikara
11. mishou ( 07/05/2005 21:16)
ainaheri> samy gasy isika ary samy mafy ady, fa tsy Ra8 akory no nahatonga ny vary ho 8000 Fmg ny kilo fa raha tsy izy aza de ho in-2 an\'izay raha kely indrindra, fa ny cyclones in-2 nifanesy no namotika ny toe-karena malagasy, marobe ny zavatra niseho, vokatry ny fandehan-javatra teo aloha de eo aminy no mipoitra fa tsy izy no tompon\'andraikitra

Nampiasain\'ny tompony ny bisikileta iray nandritra ny 2 taona ohatra, tsy nisy olana, indray andro ianao tena nila maika dia nindrana de tapaka ny frein, ianao ve hoy ianao no nanimba azy? Fa tsy efa nisy fery ve ilay cable na frein mato tapaka, mety ho ianao fa ny matetika miseho de ny \"usure\" efa teo aloha fa ianao aloha no tratra farany de izay namaky vera hono no mandoa raha tsy hoe angah misaina ilay tompony de milaza hoe aoka izao.

Izay ilay fiainana e, asio fandinihana lalina ihany aloha e, sa ahoana :lol:
12. xxx ( 07/05/2005 21:20)
sonwin> Mety tsy ampy anorenana izany rehetra izany ny telo taona fa izao kosa.
1- F'angaha izy ity tsy maintsy ampitoviana @ lasa doly ny zavatra rehetra.
2- Na tsy ahatafarina ny zavatra rehetra simba moa (fa inona moa no tena simba eo?) ny telo taona, tsy mba afaka manao ezaka ve?
3- Ny zavatra hita anefa tsy fivoarana fa fihemorana, ohatra: ny fiakaran'ny vidim-piainana, ny fikorontanana, ny tampim-bava ho an'ireo izay te haneho ny heviny, sns... Mbola vokatry ny zavatra teo aloha ve izany rhtra izany?
4- Milaza enao hoe, handroso afaka 10 taona. Tena pessimiste be zah raha izany. Ie, manaiky zah fa ho mpanankarem-be i Ravalomanana sy ny namany @'izany fa tsy ny Malagasy. Mbola tsy misy tetika mipetrapetraka izany izao nefa efa telo taona. Roa taona sisa.
5- Raha mbola hiaina @ demokrasia ihany, aza mihevitra an-dRavalo mbola ho lany eo.
(Aleo tsy mitonona anarana fa misy antony)
13. annie ( 08/05/2005 00:08)
lasa zao!
Ny ahy de tsotra ihany
Ireo olona lany fihinanana t@ andron'ny amiraly ireo mitabataba ireo satria efa zatra nihinambe t@ haferafera maizina daholo!
Amin'izao tapaka ny fihinanana de mimenomenona oh ny lalimanga daholo
namana
14. isambilokely ( 08/05/2005 00:27)
ainahery>
Fa inona moa no asan'ise, sa ve mbola mpianatra ?
Raha mbola mpianatra dia mila mianatra tsara fa i Ratsiraka teo tsy nanomana olona hitondra sy hisolo azy.

I Lezafy indray dia tena tsy hay hoe inona no tena nataony teo toa nanova lalana izy nefa i Ratsiraka no tena nisonenika azy satria raha vrai politicien izy dia tsy tokony ho tratran'ny empêchement.

Ny an'ny Ravalo dia misy ny priorité amin'izay, azo lazaina hoe prioritaires daholo izay manodidina sy iainana rehetra. Ny ataon'ny fitondrana izao dia ny manorina ny fototra tsy mbola misy ilay hoe famorakana mivantana, ny lalana izao no maika teo hahafahana mamoaka ny vokatra, dia mila miasa mamokatra avy eo.

Tsy maintsy fongorina ny kolikoly fa io no tena tataka be hatramin'izay. Ny invasion fiscale izay tena mahazo laka no tsy maitsy amboarina.

Fehiny :

Matoa ny mpamatsy vola manome vola sy manome toky ny mbola hanampy ary matoa ny firenena isan'karazany manafoana ny tsotra dia nous sommes sur la bonne voie.

Dia aza manakiana ise fa n'inon'inona décision horaisina dia misy foana ny dégâts fa ny minimisation no atao.

Fa raha mahay ise dia avilio lalana ny cyclones na ny depression ohatra, na hoe lanjalanjao ny orana, na hoe aza ampiakarina ambony be ny vidin'ny baril de pétrole izay efa mananika ny 50$US izao !

Soson-kevitra :

- Raha mpianatra ise dia mila mianatra tsara fa tsy mila mikilavaka, te hahazo naoty tsara toa ireo mamono tena mianatra be nefa tsy hisasatra fa hijapy train, dia mba te hitondra anefa aoriana kely ao ...
- Raha mpiasa dia mila miasa tsara fa tsy manao tandrametaka, miandry karama isam-bolana nefa tsy mamokatra ny asa atao ...
- Raha mompera na pasitera dia mila mampivava sy mitory tsara fa tsy mila mibirioka ... baiboly sakelehina sy ondanana nefa ny atao mamoafady;
... raiso izay andraikitra tandrify an'ise fa aza manakiana sy mitarika hevitra fanakianana; mampihemotra izany fa tsy mampandroso.

Hoy ny Lincoln hoe : Tsy ny namanao no ifaninananao fa ny tsara vitanao.

Mbilo
:lol:
15. lo ( 08/05/2005 07:29)
Mbilo > zoky zany tena hita mihintsy hoe mahay an, manaiky aho ka. fa izao, tsy haiko le tianao tenenina amin'ny hoe INvasion fiscale fa Evasion fiscale no fantatro. Tsy fantatro aloha ny atao hoe minimisation des dégâts amin'izay décisions noraisin'ny fanjakana, fa ny haiko fotsny dia hoe tao anatin'ny herintaona dia nihena 30% ny fahefa-mividiko, rah izay no atao hoe minimisation des dégâts dia miala satroka aho ry zoky ... mila mampiasa ilay fahaizana rantovinao any ampita io ianao mba hahaizanao manazava aminay gasy kely miaina aty hoe mahasoa anay ny nampahantra anay 30% tao anatin'ny iray taona :)
16. sonwin ( 08/05/2005 09:57)
Ary manantena miracle ve leireto e?
xxx> pseudo nge ny eto e...io zao ny pseudoko fa raha misy mitady ahy nga misy mahita ahy eto klé! zeste fotsiny zany hoe ts aseo ny anarana fa misy antony izany..Ravalo ihany no ho eo ..ary izany no porofo fa misy ny demokrasia.
Ts ampiko intsony fa efa maro io volazan\'i Mbilo io
lo> ny taranaka any aorina no tsinjovina fa ts ny ankehitriny mihitsy. Mahareta fa hanana ny soa..fa ianao nga mihevitra fa raha hafa no hitondra eo dia hanankarena vetivety? aza manonofy!
17. lo ( 08/05/2005 12:34)
sonwin > :) taranak'iza mou no tsinjovina eo tsony rah maty dôly ny madinika? taranaky ny mpanana? izaho tsy mihevitra izay hoe hanankarena vetivety, tsy nanonofy an'izany mihintsy aho, fa ny hitako aloha dia niha-nahantra vetivety ny ankamaroan'ny malagasy, tsy haiko raha tsapanareo mipetraka sy miaina any ampita izany fa ny fahitako ny adi-hevitra dia tena resaka ambony latabatra ny anareo. Mba eritrereto hoe tany manankarena ny any, rah vao misondrotra 3% ny vidimpiainana d efa mikoropaka ny rehetra, maika fa aty amin'ny tany mahantra hoe 30%? mba firy taona moa no afaka hanenjehana indray izany fitotonganana izany? mba azontsika antsaina ve? tsy ho folo taona mihintsy na roapolo aza tsy mino aho, asakasak'ianareo manao kajy ambony latabatra :)
18. sonwin ( 08/05/2005 12:53)
Minoa fotsiny ihany :lol:
19. Laholo ( 08/05/2005 18:22)
Izany hoe tokony avela 25 taona, eny na mandram-pahafaty aza ingahy ra8 vao ho afa-po ny mpanohana azy izany hoe tsy ny rehetra fa izay mahazo tombony manokana aminy fitondrany ra8.Satria ingahy ra1010 25 taona tsy zavatra natao, :) , 3 taona izay nitondrany dia mbola tsy azo hitsarana azy. Ekena, tsy lavina tokoa izany. Kanefa iaraha mahalala ny fahasahiranany vahoaka amin'izao fotoana izao. Aleo hatsapa tena ny tsy mahavita azy. Mba hidirany mahavita azy.
"Ny tanintsika letsy tsy mahatra olo-manga fa mahatra olo-marina" :) , Raha voalohany hono no voafitaka dia adalan'izay mpamitaka, fa raha faharoa kosa hono no voafitaka dia adalan'izay mety fitahina.
"Minoa fotsiny ihany izay te hino fa efa maro ny malagasy tsy mino intsony"
20. nanahary ( 09/05/2005 01:03)
Efa tamin'ny taona lasa aho no nanimpy teny kely
momba io vary io ,satria toa io daholo no tena resaka
be mandeha etsy sy eroa , nahoana moa raha hakipy kely ny maso ka tondrahana zezika vazaha toy ilay taloha ireny ny tanimbary e , 12 sacs ny 1 ha manome
automatique 3 tons , ka rehefa miakatra ny vary dia
haverin'ny mpamboly ny vidin'ny 12 sacs io mbola betsaka noho io aza ny vokatra raha misy ireo omby vavy vao tonga ireo hanome zezika sy ronono ary vola hamidy laoka sy fangarony raha izany no tena
hoe ilaina haingana ny miala amin'ity probleme vary
ity , i Japon manana zezika efa pres hoan'ny tanintsika ka inona no handrasana fa sy tonga dia vavany afaka ny probleme momba ny vary , samy manana 3tons a 4 tons isan trano ny mponina eo amin 'ny miisa 3 millions . Ho ela velona Madagascar sy ny fambolena vary . ary koa ny mpitondratsika misaotra naharitra namaky io no vaha olona haingana indrindra toy izay nataon'ny GOPR
taloha notarihan'i Ingen Rabemanantsoa , URER .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.5692