Ilaina ve ny fisarahana ?

1. ravatorano ( 31/03/2004 08:54)
Na efa vita vody ondry, soratra ,mariazy,niteraka ny olona roa mbola misaraka ihany , mangataka ny divorce.Koa ilaina tokoa ve ny fisarahana ?
répondu par herylo le 28/10/2004 10:51
2. alz ( 31/03/2004 09:41)
Aleo misaraka toy zay mifanimba. Ny zaza no mety ho olana.
3. kitjo ( 31/03/2004 10:52)
tsinjovy iany aloha ny ankizy fa efa nahita manko za oh zany, nisaraka izy mivady fa mpisotro toaka be ramose,d mamono, ny farany ramatoa lasa naka ramose tany @ sisiny koa,
ra zay aloha no raisina d tena aleo nisaraka e, fa rfveo narary fo le zazakely narary tena efa saika maty mitsy d notenenin Dr oe ajanony aloha ny hambom-po sy ny karazany ra tinareo hovelona el zazakely, satria malahelo ny dadany nefa mbola kely tsy afak nosarahina t@ mamany....
d nijanona iany izy mivady fa d fiaraha-monina moa sisa mazava ho azy,t@ decembre io fa zao no tsy haiko
4. nananie ( 31/03/2004 12:22)
Ie le resaka fisarahana io, tsy mety raha tsy ao ny intéret-ny le zaza. Misy vokany @ le ankizy oh lazain'i kitjo io mantsy le izy kou!
Fa raha oh kosa we mbola tsy niteraka, dia aleo hialàna tsy misy maratra!
Aty ary misy an'le couple misaraka après 45 ans de mariage satria efa lasa daholo ny ankizy. Zareo efa antitra aza mbola mitady zay mahasoa, ko maika zay tanora.
5. mandamina ( 31/03/2004 12:24)
ny tokony atao dia ny mandinika alo vao mipataloha sao ny aoriana no lasa alo,
alohan(ny hanapahan-kevitra hiroso @ fanambadiana dia efa tokony nandinika tsara fa tsy refa eo vao hoe hisaraka fa tsy tiako ty. efa tara loatra mantsy @ zay fotoana zay, ary tsy maintsy misy sorona ao vokatr'izay fisaraha izay
6. kitjo ( 31/03/2004 12:26)
hihihih, ka efa presk vita ny anjarany amin le ankizy aloha
fa le ankizy kely no mampma ra oe misaraka ny lehibe
fa ra tsy niteraka marina aloha refa tsy mety d aleo ravaina

fa mifankatiava iany aloha ra mbola azo atao k,lolllll, ra mbola azo amboarina aloha aleo hilamina na tsisy zaza aza
7. nananie ( 31/03/2004 12:41)
Ka ny olana anie ry reto dia refa miaina miraka @ le olon-tiana enao e! Eo vao hita amizay ny toetra ratsy sasany, fomba fiainana , fomba fisainana face à une situation. Raha tsy hoe ny fika angaha dia ny miara mipetraka elalea vao mivady. Nefa ataoko fa io zavtra io mbola tsy dia tian'ny malagasy.
8. kitjo ( 31/03/2004 12:48)
kay le, fa vao miaraka ve tonga d raikitra??? zavatra tadiavina kosa znay ko
Tokony vao mpinamana aloha d efa mitilitily, d ra mba efa azo2 amin'iny d miroso amin'ny dingana manaraka, d mifankalala toetra tsara amin'izay, d efa miaraka fona aveo mahita tsara ny fomba fiainana d mifanoro sy mifanitsy satri atsy voatery hitovy fona ko ny tadin-dokanga knou, d dingana lavitra b amzay efa mba hay aby
9. mamikely ( 31/03/2004 13:02)
"Halako ny fisaoram-bady" hoy ny soratra masina.
Ny fijangajangana ihany no azo ekena ho antony fisarahana.
Raha misaraka koa nefa mbola hampakatra vady hafa indray dia voalaza koa fa fahotana.
10. hendry ( 31/03/2004 13:37)
Mazava ho azy fa raha vao fotoana fohy no niarahana dia tsy hahita ny toetra ratsin´ilay olona iarahana mihitsy. Fa zaho kosa aloha tsy d´accord @ ny olona hoe hisaraka @ itsy satria hitako ny toetra ratsiny. Aiza no hisy olona tsisy kilema zany? Na zaho na enao samy manana toetra ratsy daholo, misy fotsiny hoe manatombo. Raha mbola azo iafiana dia aleo mijanona fa na hiova aiza na hiova aiza tsy hahita olona tonga lafatra zany.
11. hendry ( 31/03/2004 13:38)
Ho lany andro eo am-pitetezana eo fotsiny.
12. nananie ( 31/03/2004 15:27)
Marina mintsy zany ka!
13. nenitiana ( 31/03/2004 16:34)
Ilay fisarahana aloha dia mety hoy aho na inona antony na inona. Tsy noterena tsy novozonana ianao nanambady fa safidinareo izany.Ary rehefa nifanao voady fa tsy hiala na amin'ny mora na amin'ny sarotra. Izay tsy manana fahalemena, no aleo hitady fisarahana, fa raha toa mbola mahatsiaro fa tsy tanteraka, dia aoka hanaiky ny fahalemen'ny hafa koa.Nisy ny fitiavana natoa nifanambady, ary ny tena fitiavana mahasarona ny fahotana rehetra.Ny fifanajana no fototry ny fanambadiana, ao koa ny fifandeferana.
14. jhouhlambout ( 31/03/2004 17:48)
Tsotra fotsiny: l'erreur est humaine
15. joda ( 31/03/2004 19:13)
amiko indray henjana ary mangidy io fisarahana io selon mon éxpérience ,surtout raha efa ela no niaraka taminao ilay olona...
16. fijo ( 01/04/2004 00:17)
raha toa ka tena efa tsy laitra ny fiaraha monina ao an trano,efa tsy ao intsony ilay fitiavana dia adalana amiko ny tsy misaraka.aleo misaraka toa izay hitan'ny ankizy hoe efa tsy mifankatiy sy fifandolo fotsiny ao an trano.ary ny fahatsapan'ny ankizy an'io dia mbola ratsy lavitra nohon'ny fisarahana.
17. ravatorano ( 01/04/2004 07:03)
amiko dia ilaina le fisarahana rehefa tena tsy tanty intsony ,rehefa tapitra ny fandeferana nataonao na lhl io na vhv.
Tsy voatery fijangajangana araky ny voalaza teny anabo , ary efa notantaraianareo dhl ny antony rht mety hahatonga an izany.Izao koa tsisy oul maniry ny hisaka izany fa rehefa tsy zaka intsony dia miala .
Ny kilonga dia marina tokoa fa mahanena ry zareo ,ary mist fiatraikany eo amin ny fiainany izany saingy inn no ataony eo raha lasa ny rainy na ny reniny !
Aza misy anie zany amitsika reto
18. voahary ( 01/04/2004 13:07)
ka tokony efa mba nodinihina tsara t@ voalohany anie vao manapakevitra eh.. aizza kou zao ny blème efa mihatra vao hoe hisaraka, ezaho alamina alou ny blème fa mijaly ny zaza eh, mifandefera eh
19. nati ( 01/04/2004 14:15)
zaho aloha dia tena tsy d'accord @ lay hoe fisarahana kanefa ny couple tsirairay ihany no mahafantatra ny fiainany ao.Ny fitiavana mantsy mety ho ritra ka rehefa tsy hay ny mikara² azy dia lany tanteraka izy , rehefa tsy eo intsony ary ny fitiavana inona intsony no mitazona eo, ny fitiavana koa tokony ho réciproque fa tsy mandeha lalan-tokana,izany hoe ifampierana koa ny fisarahana. Ankoatrizay aoka tsy ho prétexte ny ankizy fa rehefa tsy stable ange ny lehibe mazava ho azy mivaralila koa ny ankizy e!ka na hiaraka na hisaraka :isika tsirairay no mahita ny tena izy izany hoe mila mandinika lalina izany ary raha ilaina dia ny mandini-tena no tsara indrindra, miantso ilay Ray ao ambony hanazava lalana dia voavaha ny olana
20. alz ( 01/04/2004 14:35)
Marina ilay hoe "rehefa tsy stable ny lehibe, mivaralila ny ankizy".
Solution farany ilay fisarahana. Satria aleo misaraka toy zay mifanimba.
Betsaka tokoa ireo zanak'olona nisaraka lasa ohatr'y ny zank'olona rehetra. Ny aty Frantsa ny fisarahana efa lasa norme.
Na misaraka na miaraka ilay couple dia tokony hitsinjo ny mahasoa ny rehetra ao anatin'ny ankohonana, indrindra fa ny ankizy izay tsy nanana safidy.
Ny fanontaniana tsara angamba dia hoe : ahoana ny atao mba haharitra an'ilay couple raha izay no tanjona hikambanana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2481