Tsiky dia ....am

1. voninkazokely ( 29/03/2004 20:30)
é !.é!...é ....Lasalasa ny saiko hoe raha mba ity fianana ity moa no vitan'ny tsiky dia ampy de angamba ho lafatra ny tany aman-danitra!
répondu par jhouhlambout le 04/06/2004 11:52
2. hery ( 29/03/2004 09:27)
Tena vita lé izy voninkazokely a... kôzy e.
Ok izao no application.

1. Rehefa mamaky ity ligne soratako ity enao dia mitsikia na dia tsy misy raison hampitsiky akoriny aza... zaaaayyy. Ary aza mijerijery ny manodidina fa tsy quoi io.

2. Rehefa misy zavatra mampitomany anao, ka tena mitomany mihitsy e, dia mandehana ao amin'ny takotakona dia manandrama mitsiky... dia ho hitanao fa stupidité ilay mitomany :)

3. Rehefa mifanena amin'ny olona romotra be sy mivindavinda... dia mitsikia fotsiny (fa zany hoe omano ihany ny fiarovantena sô dé voan'ny totondry) :)

4. Dia mitsikia fotsiny tsotra izao.
- Tsiky tsisy fangarony
- Tsiky tsisy antony
- Tsiky tsisy tôlany
Dé ho hitanao fa tsiky dé ampy (assuré 100% na dé tsy arahan'asa aza)
3. hery ( 29/03/2004 09:46)
Fanampiny kely.
Misy tononkalo nosoratan'i Camille ao amin'ny site tononkalo ao.
http://vetso.serasera.org/index.php?rub=vetso&vid=v4063f77530d50

Fiononana no lohateniny... fa mba vakio angé e.
Ity ny santionany.



raha sendra ny ngidin'ny fiainana an-tany
raha sendra ny tiana no nandao lavitra any
raha toa sesehena ny zava-tsy tanty
andramo kely fa tsiky dia ampy
4. donemaskit ( 29/03/2004 09:24)
aleo aho hitsikitsiky kely
5. oully ( 29/03/2004 12:52)
Diso ilay lien sy titre nomen'i Hery fa tsiky no lohateniny ao ....
Tsiky dia .... :)
6. nenitiana ( 29/03/2004 15:52)
Marina daholo ry ireto izany lazainareo izany a! na dia mahatsiaro ho voa , sy lavo aza rehefa omban-tsikitsiky dia toa misava , sy tafarina ihany
7. pitchou ( 29/03/2004 16:11)
tena marina izany voninkazokely fa andramo! fenoy tsiky ny fiainanao d tsy ho resin'ny alahelo sy hatezerana mihitsy ianao!
8. kally ( 29/03/2004 16:25)
Mmm! marina daholo izany : ITSIKIO NY FIAINANA DIA HITSIKY AMINAO IZY.
9. jhouhlambout ( 29/03/2004 17:11)
Tsikitsiky lava
10. ikaretsaka ( 29/03/2004 17:56)
tsiky de ts'ikaretsaka e
11. voninkazokely ( 29/03/2004 18:37)
Na eo ampiandrasampaty aza ve ?
Vazivazy izany an!
Eny ary fa dia mitsikitsikia daholo izany é!
Nefa dia aza atao trop fa sao dia ataon'ny olona hoe mananihany eo hi hi hi!
12. fijo ( 29/03/2004 19:27)
ary ilay manana tarehy romotra lava ireny ahoana kle
13. pitchou ( 30/03/2004 15:22)
hitsikio fotsiny ry fijo d hisava ny haromotany a!
voninkazokely > eny am-piandrasam-paty ange resaka mahafinaritra no atao fa tsy mifamoky alahelo e!
14. ravatorano ( 30/03/2004 12:21)
eny ampiandrasapaty no tena ilaina fitsikiana fa tsy fikakakakana
samy hafa ny tsiky sy ny kakakaka ze tratran ny tsiky kosa aloha indrindra le mahababo ireny ka tena fanina tanteraka e
15. fijo ( 30/03/2004 22:16)
misy anie olona tsy tezitra fa ny tarehany mihintsy no efa kizitina e
16. pitchou ( 31/03/2004 04:35)
marina ve? misy v izany?
17. ralipo ( 31/03/2004 05:25)
Rehefa miandry faty dia asiana vonikazokely sy tsiky dia misinda ny fahoriana.
C'est la zigomatique. Quand on rit, nos yeux sont plus brillants et nous possédons une meilleure possession sur l'environnement. Ça développe notre intuition et ça provoque un certain bonheur. D'où émane le besoin de rire. Celui-ci s'avère comme étant une dilatation du diaphragme,
18. kitjo ( 31/03/2004 13:08)
d somary sintony kely ny takolany fijo an,ataovy mamoaka tsiky, fa efa mitondra le fiarovantena tenenin Hery an,hihi

refa miandry faty d mitsiky fa tsy miome fa ra tsy zany ange vao mainka vesarina le fahoriana e
19. hendry ( 31/03/2004 14:36)
aza dia mizatra mihomehy irery @ takona toy ny lazain´i Hery io fa lazain´ny olona adala @ farany. Rehefa zatra an´io manko, toa ahy, dia ndraindray na eny an-dalam-be aza tsy mahatsiaro tena enao hoe mitsiky kay mitsiky dia tenenin´ny olona hoe f´inona ty mahazo? oainina be!
20. pitchou ( 31/03/2004 14:43)
ko tsy aleo mitsoky tsy fantatra izay antony toy izay mototra be tsy fantatra izay antony? otran'ny mila ady @zao tontolo zao fotsiny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6365