Ahoana ireto mariazin'ny mitovy tavo ireto

1. xxx ( 04/03/2004 15:38)
Ahoana no mba hevitrareo mikasika ny fanambadian'ireto mitovy tavo ireto?
Ohatran'ny madiso ny Zanahary nanao ny tavo ho tsy mitovy eo amin'ny lahy sy ny vavy ny fankatovana ny raharaha ara-panjakana ny fanambadian'ny mitovy tavo.
Nanontany iray tamin'ireny aho ny hoe ahoana raha te hananjanaka ianareo? Ny valiny dia hoe manangan-jaza. Tsotra izany saingy ratsy ihany koa satria dia mihevitra fa misy mpamokatra zaza ho zanahana foana eto ambonin'ny tany. Ohatry ny hoe misy mpamokatra zana-kisoa dia misy mpanatavy dia misy mpivarotra, izay no fiheverako azy.
répondu par rivorijasoa le 20/07/2004 07:09
2. aladin ( 04/03/2004 19:00)
mivika ireny olona ireny!tsy mba ataony ao an-tsaina ny fiantraikan'izany @ilay zaza atsangana.ray sy reny lahy sy vavy no ilainy fa tsy ray2 na reny2
3. fijo ( 05/03/2004 10:32)
izay fiarahany any aloha tsy hitako izay tsininy.fa ny momba ilay zaza no sarotra ny milaza azy.
4. pitchou ( 05/03/2004 17:06)
masiaka be kosa ilay ohatra @ zana-kisoa e! fa raha izaho manokana dia tsy tokony ekena ny fananganan'ireny zaza. Ny antony dia satria fantany tsara fa tsy ho afaka ny hananjanaka izy. Raha lahy sy vavy manko na dia tsy afaka miteraka aza fantatra fa possible ny hananany zanaka.
5. bice ( 05/03/2004 19:04)
tokony mamorona planeta hafa reny olla reny de hita hoe mitombo taranaka v izy sa lany tamingana

hita hoe mahavita zaza v ry zareo?
Tia tena loatra ry ..... reny ka mandreraka
6. peluche ( 05/03/2004 09:39)
raha tsy diso aho any usa no mandeha io resaka io tatoato,hoe betsaka ny nanambady ny homosexuel,hay moa avy eu Bush niteny hoe tsy ekena ny lalana manaiky ny fanambadiany zareo homosexuel,de ahona ihany hono ny tohiny?
7. six ( 05/03/2004 13:33)
ka nisy fandinihina kely tao kou!d ny tohiny lou tsy hay
8. six ( 05/03/2004 13:33)
fa samy manana ny tiany io
9. xxx ( 05/03/2004 13:39)
efa manomboka miaina ny fara andro isika izao hoy ny baiboly ka dia miandry ny vokany eto daholo eh, mba conscients ve reo olona reo fa fahotana ny miaraka raha ohatra ka olona mitovy fananahana no hivady???
10. nananie ( 05/03/2004 14:44)
Mino ve enao fa vao "manomboka"ny fara andro?Ra jerena ny lasa, dia voamarika fa ny resaka ady ady efa nisy hatrizay.Ny mampalahelo fotsiny, dia mola maro ny zanak'olombelona tsy mihevitra ny ho aviny.Tsy tonga saina fa mandeha moramora any @ fahaverezana.Anisan'izany ireo olona voalaza etsy ambony.
Ra za manokana aloha , dia tena rikoriko mahita an'izao.Tsy miheritreritran'ny hoavin'ireo ankizy antsangany. Ny tena loza dia rehefa manaraka ny ataon'ny "parents hono" ny ankizy.Vao aingana aho zao nahita lycéenne 2 mitsoda eo ampiandrasana tram.Tena mampalahelo!
11. kitjo ( 06/03/2004 09:38)
ny oe lalana @ fahaverezana aloha tsika rehetra samy mpanota dol, fa io ankoatra ny resaka fivavahana di aresaka fiarahamonina koa ny olana,resaka ara-moraly e, lasa misy olona tena mety hampiasa ny vehivavy ho fitaovam-pamokarana fts hampanaovina zaza ho an reny.
d misy zany ohatra oe "zaza made in madagascar...."
Fa tsy afak terena anefa koa fa samy manana izay tiany e,
Amiko fts aloha tokony hifameno ny lahy sy ny vavy e,"Genesisy..."
12. six ( 06/03/2004 12:02)
zany mintsy
13. pitchou ( 08/03/2004 17:18)
ka tsy mety ny hanomezana zaza hatsangan'ireny! satria mety tonga dia hanimba ny ho avin'ilay zaza! raha te-hanana izy dia olon-dehibe efa mahaleo tena sy afaka misafidy izay itondrany ny tenanay no tokony azony atsangana
14. ikaretsaka ( 08/03/2004 17:48)
t@ izaho mbola tsy nahalala an'izy ireny dia nampianatra scout ankizy kely dia gaga be t@ ilay bandikely izay hao hoe manana Mama anakiroa hono izy fa tsy manana dada.. elabe vao azoko heo kay Lesb ny ray amandreniny dia natao bank de sperm no namoronana an'i lery...
15. fijo ( 09/03/2004 11:22)
aty kosa izao misy manangana zaza ny homo fa tena voataizany tsara mihintsy an.io arakaraky ny fitaizana azy.raha dada sy mama samy mamolava ve no ao an trano.iza no tsara homo mahay mitaiza sa izay?
raha dada mamono neny foana koa no hitany ao an trano.tsy aleo ve homo mhahay manome fitiavana azy.ary ny zaza voataizan'ny homo tsy voatery hoe lasa homo.diso be izany.
16. xxx ( 09/03/2004 11:29)
Ny vorona aza rakoto nahalala fa raha te-hiteraka sy hivady dia lahy sy vavy ny iray trano an
17. ikaretsaka ( 09/03/2004 17:32)
fa raha tsy mahalala ialahy hoa ka miresak aamin'ny "zanak"'izy ireny elaela ihany vao tonga saina rehefa hoe iny dadanay dia iny koa dadanay fa za tsy manana mama!
18. jhouhlambout ( 09/03/2004 19:32)
hihihi
19. fijo ( 10/03/2004 10:43)
nefa misy tsara taiza.rehefa mahay manome fitiavana ilay zaza izy dia mety izay amiko.
20. nananie ( 10/03/2004 12:28)
Ka ny fitiavana azo foana.Fa lay zaza ve tsy ho tsy ampy kely avy eo?Tsisy neny na tsisy dada zany mahalasa saina kou!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2596