Raha vao dila ny 20 taona...
1. kally
(
11/02/2004 16:27)
Dia toa lasa mandeha tokana daholo ny ankamaroan'ny olona ary sahirana vao mahita olon-tiana izany.Mahagaga!satria na ny lehilahy na ny vehivavy samy sahirana daholo.Na tsara tarehy,na ratsy tarehy na manana asa na tsy manana.Ny ankamaroany e!Izay tsy nitazona izay azony tany am-pianarana dia toa tavela teo.Fa maninona ary?
répondu par pitchou le 23/03/2004 16:37
2. jhouhlambout
(
11/02/2004 17:31)
Satria efa lehibe dia tsy misy sahy miadaladala etsy sy eroa intsony. Sady ivelan'ny fianarana dia tsy dia misy lieu "de rencontre et d'echange" mazava intsony....
3. donemaskit
(
11/02/2004 17:47)
zany ve ! tsss koa tsy eo aza vao manana fahalalahana dia vao mainka mandehandeha fety sns... asa aloha e.
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/donemaskit le 12/02/2004 05:47
4. hendry
(
11/02/2004 18:21)
Ny antony mety hahatonga ilay hoe samy be ny mandeha irery na lahy na vavy ngamba dia satria be ny mitovy gout ny olona. Ny ao anatin´ny gout´ny ankabeazany raha vao efa misy mamihina zany hoe raha vao manam-tompo dia betsaka zany ny tavela zay mitovy gout @ iny. Dia mihahaka eo satria ireo samy tavela tsy mifampiraika, akory atao fa dia samy mandeha irery eny zany koa. Ny zavatra tsapa koa dia ny ankamaroan´ny olona @ zao, indrindra ny vehivavy, tsy mamela mahazo, tahotry ny tsy hahita ntsony ve avy eo? asa aloha.
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/hendry le 12/02/2004 06:21
5. fijo
(
12/02/2004 09:49)
toa ny mifanohitra amin'izay no hitako ko.hatramin'ny 30 ans no tena miodina ny olona.ary eo no tena be sipasipa.
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/fijo le 12/02/2004 09:49
6. ikaretsaka
(
12/02/2004 10:09)
marina mihitsy io
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/ikaretsaka le 12/02/2004 10:09
7. saova
(
12/02/2004 09:20)
particularitény malagasyio basin'ariary fitohoy ny malagasy tsytakatryny mahantra ,tsytian'nympanakarena,iono mahatongany gasysasany mivarotena aty frantsa,na koa manambady lahy antitra aty andafy!!!koa maniry aho fa ny tovolahy malagasy dia hanaiky fa na diso aza ny20ans dia mbola maro ny tsy nahita namana...noho ny asa sy ny fianarana ,na koa ny fisarahanm-panambadiana azafady fatsy dia mahaymanoratra @ teny gasy aho na dia mihezaka aza!!
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/saova le 12/02/2004 21:20
8. lema
(
12/02/2004 10:22)
20 ans zany kely loatra zany ry kally a!
mbola ao anatin'ny tena revy be @ zany
mbola ao anatin'ny tena revy be @ zany
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/lema le 12/02/2004 22:22
9. donemaskit
(
12/02/2004 12:47)
rehefa manambady sy miasa hoe... any @ manodidina ny 30 araka ny resak'i Fijo
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/donemaskit le 13/02/2004 00:47
10. ikaretsaka
(
12/02/2004 14:33)
fa ilay sipa efa 30 ans ka mbola celibany ireny na tsy manana sipa raikitra ohatran'ny hafahafa izany ny fisainanysy ny fihetsiny an... tsy tsapanareo ve?bebe ihany izay hitako izay? ary ireny mihitsy no mpanao ilay hoe Hano aho hitazomako anao
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/ikaretsaka le 13/02/2004 02:33
11. kally
(
12/02/2004 15:30)
Raha vao dila ny 20 taona hoy aho,(23-30)ary betsaka ny ankizy manodidina ahy no nahitako an'io.Io voalazan'i Saova etsy ambony io no manakaiky kokoa ny antony.Rehefa nahavita ny fianarany ny ankizy,teny @ oniversite ohatra,ka niala teny tsy nanana sipa raikitra dia eo no raisina.Ny fahitako azy lasa sarotiny kokoa izy eo na lahy na vavy amin'ny fisafidianana izay hiaraka aminy satria efa fiarahana matotra kokoa no ao an-dohany.
Basin'ary fito hoy i Saova.Raha mahita izy dia lazainy ohatra fa tsotra ilay ankizy sady tsara nefa kely karama.Ny be vola indray lazainy fa toa manankarena loatra ka tsy ihomehezan'ny havany hono ve izy,na toa be vola fa ratsy tarehy be sady donto be ka tsy tiany.Izy mitady koa anefa tsara tarehy sy tsara haingo sy bika fa tsy dia manana loatra ny fianakaviany ka manahirana ny ankilany koa(zava-misy izany an!),misalasala koa ireo olona tsotsotra haka azy fa toa mahay sy marani-tsaina be iry izy.Dia eo,tavela eo!
Basin'ary fito hoy i Saova.Raha mahita izy dia lazainy ohatra fa tsotra ilay ankizy sady tsara nefa kely karama.Ny be vola indray lazainy fa toa manankarena loatra ka tsy ihomehezan'ny havany hono ve izy,na toa be vola fa ratsy tarehy be sady donto be ka tsy tiany.Izy mitady koa anefa tsara tarehy sy tsara haingo sy bika fa tsy dia manana loatra ny fianakaviany ka manahirana ny ankilany koa(zava-misy izany an!),misalasala koa ireo olona tsotsotra haka azy fa toa mahay sy marani-tsaina be iry izy.Dia eo,tavela eo!
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/kally le 13/02/2004 03:30
12. fijo
(
13/02/2004 20:32)
ilay voalazan'i karetsaka no itako matetika koa.
ka adalany ny azy izany ry kally a.ny revy mandeha ihany.
ka adalany ny azy izany ry kally a.ny revy mandeha ihany.
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/fijo le 13/02/2004 08:32
13. ikaretsaka
(
13/02/2004 17:05)
dia io nazavain'i kally io koa ny antony
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/ikaretsaka le 13/02/2004 17:05
14. jhouhlambout
(
13/02/2004 17:08)
Raha izany no izy dia misy ve ny vaha-olana, sa citer-na eto daholo ny antony rehetra?
15. pitchou
(
16/02/2004 14:50)
angamba io voalazan'i Kally io no marina indrindra! fa eo koa aloha angamba ilay fahazarana tsy voafehifehy fa libre be ny fiainana ka mety hatahotra kely ihany ny hiditra ho voafatotra? dia ahoana moa izany ilay hoe izay maharitra vadin'andriana?
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/pitchou le 17/02/2004 02:50
16. ikaretsaka
(
16/02/2004 18:18)
aza maharitra ela loatra fa ilaozan'ny omby ihahaka koa hozy ny fiteny
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/ikaretsaka le 17/02/2004 06:18
17. ikaretsaka
(
16/02/2004 18:18)
aza maharitra ela loatra fa ilaozan'ny omby ihahaka koa hozy ny fiteny
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/ikaretsaka le 17/02/2004 06:18
18. ikaretsaka
(
16/02/2004 18:19)
aza maharitra ela loatra fa ilaozan'ny omby ihahaka koa hozy ny fiteny
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/ikaretsaka le 17/02/2004 06:19
19. fijo
(
17/02/2004 10:39)
izao e,milalao aloha sady mitily izay azo hidirana,ary rehefa avy eo,dia mamatotra amin'izay.
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/fijo le 17/02/2004 10:39
20. pitchou
(
17/02/2004 16:49)
ary fijo moa izany mbola milalao sa efa nisy namatotra? ih,ih,ih!
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/pitchou le 18/02/2004 04:49