Tsy mahatanty ny lehilahy raha toa ka vehivavy tiany nefa tsy virijiny intsony

1. tia_ery ( 07/01/2004 12:04)
Maro ny lehilahy rehefa mahita vehivavy no taitaitra. Ny antony de maika ery ny hanao firaisana ara-nofo amin'iny vehivavy iny. Mazana ary koa amin'ny ankapobeny ny dikan'ny hoe TIAKO IANAO de ilay hanao firaisana ara-nofo no mahamaika sy ao ambadika avy hatrany.

Ny lehilahy rehetra ihany koa dia tena ''FIERE'' mihintsy hoe izy no nanapasaka sipa iray. Ary tena tanjona mihintsy ny hoe miaraka amin'ny sipa de ny hanapasaka fotsiny no maty ao andoha.

Ny maro anefa de, raha tsy hilaza afa tsy ny ankamaroany, de izao : Rehefa tena misy tovovavy tian'ny lehilahy ka rehefa miaraka de miray ara-nofo ary tsapany fa tsy izy no nanapasaka de tena tsy tantiny ary marary mihintsy ny fony sy ny sainy mieritreritra an'iny. Iza anefa no nanomboka ?

De anareo ary ny sehatra koa
répondu par vivisexy le 08/02/2004 19:29
2. ami1 ( 07/01/2004 13:03)
aiza kosa de zany e!efa samy ifanaovana ihany nge io e!tsy voatery ho ny kof rehetra nie no manana zany toetra zany e!betsaka nge ny sipa efa manambady no mbola mitetateta hanao firaisana @oul hafa!de ahoana ny havitrao @zany?
3. tia_ery ( 07/01/2004 13:08)
Sasanangy roa tsy mitovy izany arosonareo zany kle!!! Hafa ny aventure sy ny anamamy tsindraindray. Fa ny tiana asian-teny eto de ny lehilahy hiaraka amina joba iray. Ohatra ianareo no ho raisina, mbô misy sipa mahataraiky anareo de alefa daholo ny morse de farany raikitra de tonga hatrany amin'ny firaisana ara-nofo. De eo lay suspense no mitranga, tsy virijiny tsony ilay sipa de inona ary no mba fihetsikao sy eritreritrao ?

Ny tena lavitra indrindra no valiny atolotro fa anjaranao ny mamaly, LALANA EFA NIZORAN'NY HAFA KA NY MANOVA NO METY !!!!!

Sôtra eh !!!
4. ragaby ( 07/01/2004 15:25)
Za alongany tsy de misy iraharahiko an'izany hoe Efa voapasaka sa tsy zany le suipa fa refa mety petahana izy de zay fotsiny koo
5. kally ( 07/01/2004 17:18)
Izahay vehivavy mantsy ho'a ho anareo lehilahy dia tsy misy vidiny hafa ankoatry ny hoentina eny ampandriana?
6. isrine ( 07/01/2004 18:23)
k'inona no tadiaviny hafa e, mbo ratsy vintana aizy zany kou. Mahaiza mionona re ry zareo rehefa sendra ny toy izany e!
7. xxx ( 07/01/2004 19:34)
ka ho entina aiz aindray aza e? tsy maintsy any ny hiafarany
8. fijo ( 08/01/2004 10:21)
rehefa mba nanao izany indray mandeha dia ampy,fa tsy hanantena foana akory.
9. xxx ( 08/01/2004 13:36)
za aloha tsy mirahafara e.. mibikina foan ainy na virj na tsy virj! ary tonga foan any ahy
10. fijo ( 08/01/2004 16:36)
marina izany raX,tsy mitsivalana izany ny ao.
11. rinakely1 ( 08/01/2004 12:46)
iza moa no tsy naha virj aza intsony raha tsy ny iray t@ ireo lélà niaraka t@ e! refa vitan'ny sasany izy ka sendranareo indray d'efa ekeo fa zany v no atao mankarary saina eo!
mba efa ny sasany aloha no nahazo ny fafinaretana nanapasaka fa ny aorina manao zé mety e!
12. tia_ery ( 08/01/2004 12:51)
ka ny saina ho entina miatrika an'izay ange no tsy tantin-dralehilahy eh !!! Lazaina toa mora fa sarotra iainana. Ho an'ny vehivavy mety tsy sahy hilaza aminao izy hoe iry lehilahy iry no nanapasaka ahy fa ho an'ny lehilahy de sahiny ankitsirano tsotra izao ny hilaza aminao fa izy no nanapasaka an'iny vehivavy iny.

Tsongoy fo nofo tsongoy fo tena fa raha ny sipa miaraka aminao ve no holazain'ny sasany aminao fa izy no nanapasaka an'iny ...... mbô ahoana ny eritreritrao ?

Fa mazàna ny lehilahy rehefa tena tapak'hevitra ny hanambady de mitady ary mandry hilika mihintsy mitady vehivavy mbola virijiny !!!! zay aloha no marina.

Ary ireny zatra manapasaka ireny indrindra no tena tsy mahatanty an'ito phénomène ito !!!! Mahagaga ihany ....

Sôtra eh!


13. kally ( 08/01/2004 16:55)
Izay tsy mahatanty mipitsika e!
Araky ny tenin'i Rinakely hoe izany koa ka atao hankarary saina!
Valin'ny natao izany ka inona indry moa?
14. fijo ( 08/01/2004 19:50)
marina ny anareo roa vavy.ilay manapasaka aloha dia mandainga koa izay milaza fa nahazo tsirony.ary io ko anie,rehefa vita vao tena tsara ily sipa avy eo e.
15. rinakely1 ( 09/01/2004 10:44)
zay aloha tsy manapasaka fa pasahana ka tsy haiko raha milay na marary ny manapasaka ry fijo an!hi!hi!hi!hi
16. ikaretsaka ( 09/01/2004 15:35)
tsy tadidin-dry rinakely ev t@ izy voapasaka?
17. niainjanahary ( 09/01/2004 18:14)
zaka foana lety io a. aiza no tsy hahazaka izany. mamaky ny ho an'ny olona tsy manaiky ko rehefa mahazo ny efa goka mitomany eo? sady izao koany fitiavana tsy mijery virj na tsy fa rehefa tia dia tia
OK§
18. rlcj ( 10/01/2004 17:23)
miala tsiny aho ry tia ery fa tsy ny lehilahy rehetra,marina ny voalazanao fa tsy ny lehilahy rehetra kosa e.Mba oul tsy misaina kou zany we fiere be ny manapasaka nefa rehefa sendra ny 0 d mitaraina.
19. pitchou ( 10/01/2004 12:20)
kay nareo lelahy itony dia tsy miakatra ambonin'ny ceinture mihitsy ny sainareo sy ny fitiavanareo? tsy mivoana amin'io zavatra mahamaika an-dry tia_ery pasahana io, fa ny ny faritra hafa tsy mi existe?
20. ibonia ( 10/01/2004 19:32)
Hey! ara-boajanahary dia mitady ny firaisana ny lahy; ary tia miray ny vavy. Ny lahy tsy ampy firaisana hono no mitady virijiny, ary ny virijiny vinaky hono tsy voatana ho vady...koa iza no homen-tsiny. Aza mifandainga am-boalohany ry zareo dia hofantatrareo raha fitia haharitra na fitia tsaingotsaingoka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1769