fahasarotam-piaro,aretina sa fitiavana?

1. fijo ( 28/11/2003 12:51)
manao ahoana daholo,
mba tena tsy fantatro ry zareo izay mahatonga ny vehivavy ho saropiaro,ary dia mahavita mikaroka izay rehetra momba ny tena.Dossiers,tranon-karatra sns ,izany ve mbola hoe fitiavana sa dia efa aretina mihintsy,fa dia tena loza ka.
répondu par fijo le 08/01/2004 10:04
2. ariary ( 28/11/2003 19:07)
Azo lazaina aloha fa matoa saro-piaro dia ao voalohany indrindra ao ny fitiavana.

Nefa ny fahasarotampiaro dia mety miafara @ fahafatesan\'ny fitiavana raha henjana loatra ny fisehony ka mankaleo ilay tiavina.

Ny mety mahatonga ny fahasarotampiaro dia tsy fanana fitokisana @ tena (manque de confiance en soi).

Rehefa tsy matoky ny tenanao ianao fa manana ny toetra sy capacité ilaina hahatonga ny ankilanao ho tia anao hatrany, dia manjary ny fiainan\'ny ankila no sakanana tsy hifandray amin\'ny hafa.

Azo lazaina izany fa trouble psychologique ny karazana fahasarotam-piaro sasany (rehefa manjary obsessionnel) ka azo heverina hoe aretina azo tsaboina.

3. rfanjav ( 28/11/2003 13:18)
fitiavana, nefa rehefa trop loatra dia mivadika aretina,

fa raha première rencontre no resahanao, ataoko fa rariny ihany ny vehivavy raha mba te hahafantatra ny momba anao aloha e,
tsisy idirana hasarotam-piaro izany fa fitia te hahafantatra hoe iza marina ity miaraka amiko ity,
aza mandainga fotsiny e!
4. rinakely1 ( 29/11/2003 10:44)
Zavatra naturel ao anaty ny tsirairay io nefa ratsy ihany raha fahasarotampiaro diso toerana sy tafahoatra b.
5. isrine ( 30/11/2003 11:51)
Salut!
Ny hasarotampiaro dia fitiavana, fa raha tafahotra dia lasa aretina.
F'angaha moa ny vehivavy ihany no saropiaro e? @ ankapobeny angamba, fa misy ny lehilahy saropiaro an, ary tsy azo iaraha-miaina mihitsy!
6. mars ( 01/12/2003 14:34)
Tsy misy olona ho saro-piaro amin-javatra tsy tiany koa mazava izany fa ny fitiavany anao no mahatonga azy ho saro-piaro tahaka izany.
Misy aloha efa tafahoatra loatra izy ireny ka lasa mampanaonao foana fa ny tsy azo hodian-tsy hita ry fijo dia izao:misy vehivavy tena manana confiance amin'ny vadiny mihitsy ;indrisy anefa fa efa anisan'ireo voafahana lainga tsara lahatra izy ireny indrindra indrindra ho an'ireo efa manambady toa anay,tratra àry ny marina aty aoriana ka mety hilefitra ny vehivavy ka hamela ny lahy saingy aza taitra na tezitra raha misava sava izy satria mahatahotra ny ho voa fanindroany.
Raha tsorina dia izao e! asa aloha ny anareo lehilahy fa marary anay izany hoe ampirafesina na hilaza aza ianareo hoe "kapain-tsy hita fery" ka hampirafy,ka izao matetika misy zavatra tsikaritray amin'ny fihetsikareo na ny zavatra ataonareo mety mampiahiahy matoa izahay simba eritreritra hisavasava koa aza tezitezitra fa miezaha hamaha izany ahiahy izany raha toa ka diso fiantefa izany raha marina kosa dia mba asio fiheverana ihany
Izay no azoko zaraina aminareo fa amin'ny manaraka indray e!
7. isrine ( 01/12/2003 15:29)
Sady ny lehilahy koa wa tena saropiaro, fa tsy miseho ivelany toa ny an'ny vehivavy.
8. ariary ( 02/12/2003 09:05)
Marina ny tenin'i Isrine fa samy saro-piaro mitovy isa na ny lehilahy na ny vehivavy, fa ny fomba fisehony no tsy mitovy.

Ilay fomban'ny vehivavy misava ny entan-dehilahy dia toa mateti-pitranga araka ny henoko manodidina ahy sy hitako @ forums hafa.

Ny fisehony @ lehilahy indray dia vao mainka loza satria matetika mampiasa herisetra !


9. fijo ( 02/12/2003 11:04)
ka rehefa tsorina izany dia ratsy ilay izy.
10. rfanjav ( 02/12/2003 19:50)
sady tsy tsara no tsy ratsy,

ilaina fotsiny ny mahay mandanjalanja ny hasarotam-piaro,

raha ohatra indray mantsy ka miseho tsy saro-piaro , mety hahatonga eritreritra hoe : sao dia mba tsy tia ahy ary izy?!
11. fijo ( 02/12/2003 19:32)
ka izaho izao dia tsy saropiaro izany,nefa dia mba manana fitiavana ihany ka.tsy azoko mihintsy ilay izy e.mampiady fotsiny.
12. isrine ( 03/12/2003 18:45)
Ny ahy alou na saropiaro aza za de tsy asehoko firy, fa jereko matetika eny ny tena pasin'le bandy, asiana piège izy e. Tsy voatery hisava ny entany sy ny posiny isan'andro eo akory!
13. fijo ( 04/12/2003 20:26)
mba lazao ihany ilay piege ahafahana miala iazy raha toa ka sendra.mba ampio ny namana,fa aza dia avela hijabaka ri isrine a.
14. xxx ( 04/12/2003 13:00)
Izaho koe dia mitovy hevitra amin'i Mars. Fa ny anampiako azy fotsiny dia hoe mety tsy misy koa anie vy mikitrana irery fa mety nisy antony nahatonga ilay tsy fahatokisana tsara intsony tao e ! Dia mila fampitoniana - fanomezan-toky na fanazavàn-kevitra fa mety hevitra tsy mazava tsara amin'ilay vehivavy (fa matetika moa ny vehivavy no tratran'io fa ny lehilahy tsy manana raison loatra satria ny vehivay tsy dia manafinafina rehefa tia) ny momba ny relation sasany. Raha ny solutions hevitro dia azo atao tsara ny tsy hisian'izany fahasarotam-piaro izany (ilay excès no tiako hotenenina) raha toa ka ifampizarana ny zavatra rehetra ka tsy misy ny afinafina. Present-eo aminy ohatra ny namanao... sns e Fa rehefa te- hiaro ny rambony moa ny lehilahy dia mazana mody mi-scène hoe "offensé" be sy hoe tsy tiako mihitsy ianao saro-piaro @ tsisy dikany, etouffé be aho, voateritery be aho, sns sns... fa tsy miezaka mitady vahaolana akory. Bye e !
15. tequila ( 04/12/2003 13:47)
Ny ahy ndray dia zao e , rehefa mifankatia dia mifanaja , rehefa mandingana ny fifanajana dia efa tsy tia zany , na dia kely aza , ka rehefa fantatra hatraty amboalohany hoe zay no fandehany dia asakasak'izay mbola te hiodina . Nefa amizay kosa tsy azo anomezantsiny rehefa tsy mamela ny iray .
Sady raha hisavasava sns enao dia enao ihany no marary eo fa izy ilaozany tezitra dia ohatran'ny hoe enao ndray no diso . Aza mampijaly tena , tiavo koa ianao .
16. fijo ( 04/12/2003 19:02)
aminareo ireo izany dia mety ilay izy.
17. tequila ( 05/12/2003 11:23)
mety lay inn?
18. rinakely1 ( 05/12/2003 12:11)
mifankatiava d mifanaja d samy tsy saropiaro e!
19. rfanjav ( 05/12/2003 13:31)
tsy manja ilay saro-piaro loatra e!
tokony mba mianatra matoky izay miaraka aminao,
20. fijo ( 09/12/2003 10:58)
merci rfanjv,fa i rinakely hoa mbola tena sarotra be.ratsy io ,fa hialao e,dia milamina avy eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5336