Fandokoana taxi

1. hery
(
02/05/2003 15:35)
Noterena handoko beige ny fiarany izany ny mpanao taxi. Tsy maninona izany fa endriky ny tanana ihany koa. Fa maninona koa raha toa ka lokoina araka ny karazany avy ireo fiaran'ny mpiasam-pajakana? Amin'izay dia tsy misy afaka manao location ihany koa? Efa tsy mandaitra intsony tsinona ny plaque rouge.
répondu par ikaretsaka le 21/01/2004 18:11

3. bonnie
(
02/05/2003 19:50)
Tsy dia miditra lalina loatra hat@ resaka tomobilin-panjakana aloha.
Fa momba ny lokon'ny Taxi, dia mety tsara,
Fa momba ny lokon'ny Taxi, dia mety tsara,

4. xxx
(
02/05/2003 09:21)
ary ny jono-botry (taxi-be io ) ahoana no tsy lokoina? sa any mpanakarena dia mahamenatra ? na matahotra ny fivondronana?ataoko anefa fa tokony ho lokoina mitovy daholo
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/xxx le 02/05/2003 21:21

5. raste
(
02/05/2003 10:59)
Misy mahatsara aza ny hevitra fanndokoana na ny taxi na ny fiara-panjakana fa ny tsininy fotsiny dia lasa mampisy ny fisarahana eo amin'ny fiaraha-monina . Vao mandalo izany ianao dia efa vaotsikajy hoe taxi, mpiasa-mpanjakana fa tsy olon-tsotra intsony.
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/raste le 02/05/2003 22:59

6. xxx
(
02/05/2003 12:41)
Mety ilaina tokoany nampitovy ny taxi mba hialana @ireo jonobotrysaingy ny mahavariana ahy dia ny fanazavana hoe "mba mitovy @ any an-dafy hono" nefa aoka ho fantatsika fa tsy ny fanjakana frantsay na amerikana no manery ny lokon'ireny taxi any ivelany ireny fa ny "coopérative" tsirairay misy ny taxi no mifanaraka (mavo ohatra...)
Eny e', hoy ianao hoe angaha misy coopérative ny taxi eto M/car! Marina tokoa izany saingy rehefa ny administration (mairie ohatra...) no mametra hoe tsy maintsy beige dia ohatra ny miendrika faneriterena izany ka manitsakitsaka ny libertén'ny hafa !!!sa ahoana ?
mikasika ny fiara-panjakana kosa dia amiko ny "voitures de service" dia tokony hitovy daholo satria ao ireo manararaotra mapiasa azy ireny @ zavatra hafa (ny plaque rouge ary ity toa tsy nisy intsony !)

répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/xxx le 03/05/2003 00:41

7. levondraky
(
06/05/2003 14:56)
Tsara ilay hevitra handokoana ny fiaram-panjakana. Mankasitraka tanteraka.Nefa iza amin'ny mpitondra moa izao no miserasera amin'ny sitaka toy itony?
Fananam-bahoaka ny fiaram-panjakana, avy amin'ny hetra sy ny trosa izay tsy maintsy haloantsika (na ny zafimpaladia aza efa bokan-trosa) no nahazoana azy. Noho izany tokony mba mivaky loha amon'ny fomba fampiasana azy isika.

8. anjakely
(
20/06/2003 15:27)
mety daholo zany fandokona fiara zany! am zay reaf eny andalana de hita tsara hoe iny taxi, iny fiarampanjakana! de refa manakana taxi de tsy sahirana intsony
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/anjakely le 21/06/2003 03:27

9. jahary
(
29/09/2003 16:51)
Hiverenako kely lay Plaque rouge!
Tena ilaina miitsy io fa mbola betsaka ireo mpiasa_panjakana migalabona ^ izy ireny! tena manararaotra miitsy! Tokony asiana loko milaza ny ministera iaviany avy ary ny direction sy service ary division (service koa raha ilaina) misy azy!
Indrindra @ andron'ny Fifidianana isan-karazany!!

répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/jahary le 29/09/2003 16:51

10. xxx
(
09/10/2003 11:58)
Inona moa no tena tanjona @ fandokoana taxi?
Dia ahoana ireny fiara tsotra @ izao, tsy manana licence-na taxi akory nefa mbola sahy mitatitra olona ireny?
Ohatra ny mbola tsy tena hitako aloha ny tena ilàna ny taxi miavaka raha izany e! Ohatra ny mbola afaka mitatitra daholo izao karazana fiara rehetra izao!

répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/xxx le 09/10/2003 23:58

11. kally
(
20/11/2003 15:24)
Ny fieritreretako hoe nahoana no lokoina mitovy ny taxi,izaho moa tsy dia maahy toe-karena sy ny sisa loatra,fa amiko hoy aho,Voalohany angamba mba ho mora kokoa ny fanarahana ireo tsy nandoa ny hetra mifandraika @ izany(licence..),izany hoe mba hampitomboina ny vola miidtra @ fanjakana ,@ lafiny iray fiarovana ny mpitondra taxi,mba tsy hisian'ny hafa hanakom-barotra azy ireo.Ianao izao ohatra manan fiara,mba manao tselika kely rehefa Sabotsy hariva nefa ianao tsy tena taxi akory,ialàna @ fifaninana tsy ara-drariny angamba hoy aho..???
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/kally le 21/11/2003 03:24

12. moi
(
26/11/2003 12:44)
Toa nahasorena ireo mpitondra taxi tany am-boalohany izy ity, fa rehefa miresaka amin'saofera aho dia samy nahita fa nihatsara ny resety, ary betsaka mihitsy ny tazako mi-TIM tamin'ireny andron'ny propagandy ireny !
Fa raha vao hoe holokoina ny taxi, dia ny an-dry ngezalahy isany hono no voaloko voalohany ...
Fa raha vao hoe holokoina ny taxi, dia ny an-dry ngezalahy isany hono no voaloko voalohany ...
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/moi le 27/11/2003 00:44

13. xxx
(
24/12/2003 16:18)
Zavatra tsy hiadin-kevitra io fandokona taxi io ry zalahy fa tena ara-dalàna toy ireny mpianatra tsy maintsy manao fanamiana mitovy any an-tsekoly ireny.Ny mampalahelo amitsika fotsiny dia efa zatra ny baranahiny teo aloha isika any ka raha vao misy miezaka mampihatra ilay atao hoe araka ny tokony ho izy dia mimenomenona na dia efa hita izao aza fa tena ilaina.
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/xxx le 25/12/2003 04:18

14. fijo
(
24/12/2003 19:06)
marina sady mampalahelo io zavatra voalaza io.
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/fijo le 25/12/2003 07:06

15. xxx
(
13/01/2004 15:22)
Ny any @ tanana sasany any USA dia ny fiaram-panjakana matetika miloko mainty na matroka ary ny taxi dia mavona tany malaza ho tanin'ny democrasia sy ny fahalalahana aza i USA dia misy lalana tsy maintsy arahana... izay angamba ny mampandroso ny olona..asa re!
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/xxx le 13/01/2004 15:22

16. xxx
(
21/01/2004 15:23)
mba mitovy @ lokon´ny taxi any Allemagne beige kosa @ zay koa, toa ny fiaran´ny fivondronana e, orange toa ny any Allemagne koa. Asa raha mba mety holokoina hitovy @ toe-tsain´ny allemands koa ny toe-tsaintsika gasy.
Resaka resaka fa tsara kosa ilay izy e, zaho aloha tsy mahita zay tsininy e.
Resaka resaka fa tsara kosa ilay izy e, zaho aloha tsy mahita zay tsininy e.
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/xxx le 22/01/2004 03:23

17. ikaretsaka
(
21/01/2004 18:11)
Raha nataony mavokely tampoka teo ko hono io!
répondu par https://forum.serasera.org/forum/user/ikaretsaka le 22/01/2004 06:11