Dia hoe ...

281. RBNIR ( 27/12/2019 08:14)
gasy1zay:

Ny dikan'ny batisa kristiana dia niaramaty sy nalevina t@ JK ianao ( ilay nandova ny otan'i Adama) ary niarantsingana taminy ho olombaovao ( nateraka @ Fanahy) Romana 6 : 1-7, izay no hoe maty @ ota ianao ka tsy tokony hanota intsony fa kosa velona @ Fanahy ka lasa tarihin'ny Fanahy

Ka t@ andron'i Jaona mpanao batisa tsy mbola maty sy nintsangana t@ maty Kristy ka izay no antony hoe tsy io batisa resahina io mintsy no natao t@ androny

Ka izay mihtsy ilay batisa nataon'i Jaona (nasitrika = nalevina, napoitra avy tao anaty rano indray = natsangana indrayb....

Fantatrao izany nefa lavinao ny batisan'i Jaona fa ekenao ny batisa hafa(rano araraka ambony loha amin'ny kaopy kely sns????

Fanampiny ireto teny ireto ihany koa dia mbola manaporofo fa iray ihany ny batisa natao tamin’ny kristiana (taty aorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy) sy ny batisa nataon’i Jaona…
« Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka; » (Lioka 3:3)
« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asan'ny Apostoly 2:38)

Vakio tsara fa samy batisan'ny fibebahana natao handraisan’ny olona famelakeloka ny batisan’i Jaona sy ilay batsia lazaina hoe batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy…

Tandremo sao dia efa tanteraka aminao ity teny ity....
« Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita; » (Matio 13:14)
282. gasy1zay ( 27/12/2019 11:10)
Izaho tsy miteny hoe batisa rano toy izao ihany no mety, fa amiko tsy nisy fampianarana ao anaty baiboly hoe toy zao no izy raha tsy izany tsy mety, tsy misy fampianaranao ao hoe karazan'olona toy izao ihany no afaka manao batisa, RBNIR a, rehefa ny Levita ihany no afaka manao fisoronana dia miteny mazava Andriamanitra fa tsy hoe interpretation an'i Mosesy hoe tokony Levita ihany no mahazo manao an'io, raha misy fepetra manokana ny fombafomba fanaovana batisa dia nanambara izany ny soratra masina, fa aza mamorona izay tsy voasoratra na aza manafoana izay voasoratra.

Tsy hoe nanasitrana t@ fametrahan-tanana Jesosy dia tsy maintsy toy zay daoly ny fanasitranana
283. RBNIR ( 27/12/2019 18:26)
Ity tenin i Jesosy ity no manamarina fa Batista avy Any andanitra ( nahazo fahefana mivantana avy Any andanitra) no takiana araka n'y soratra madina...
Ireo jiosy dia nahafantatra tsara izany ka tsy sahy namaly.....
Marka 11:30
[30]Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho.
284. RBNIR ( 27/12/2019 18:49)
Ary efa nentina teto n'y porofo rehetra fa marina foana io mar. 11:30
1 jaona ny Ray no naniraka azy jao. 1:33
2 Jesosy ny Ray koa no naniraka azy jao. 7:16
3 Ireo mpianatra Jesosy no naniraka azireo mat. 28:19
4 filipo n'y Fanahy Madina no naniraka azy asa. 8:29

Ray Zanaka Fanahy Masina = Andriamanitra = Fahefana avy Any an danitra

Normal tsy hitan ny olona tsotra izany satria zavamiafina izany olona nofidiny mivantana ihany no avelany hahalala izany
285. gasy1zay ( 29/12/2019 10:48)
Izao ary RBNIR a, ianao nilaza fa Jesoa nanao batisa, Jesoa nilaza hoe zay mino ahy ny asa ataoko ataony koa Jaona 14:12, ka maninona ianao izany tsy manao batisa nefa mino?

Faharoa, Jesoa naniraka ny mpianany hanao batisa, izay rehetra mpianany dia nirahiny hanao batisa, ary Jesoa koa naniraka ireo mpianany hoe ataovy ho mpianatro ny firenena rehetra Matio 28:19, ka rehefa lasa mpianatra ny firenena rehetra maninona no tsy manao ny asa nanirahana ny mpianatra?

Taiza aho no nilaza fa ny batisa kristiana tsy avy @ Andriamanitra? Olombelona no mitsara ny kristiana sasany hoe ny anareo tsy izy fa zao sy zao, miaiky aho hoe misy fiangonana tena mampianatra zavatra diso saingy rehefa manaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy dia kristiana fa avy eo fifandraisan'ny tsirairay aminy no mampitombo azy ho tsy zaza intsony fa tsy ny fiangonana na mpitarika sns...
286. RBNIR ( 29/12/2019 18:40)

1 satria batisa avy any andanitra no takiana (fahefana mivantana avy @ andriamanitra

2 Jesosy mbola afaka naniraka mivantana raha ilaina
287. gasy1zay ( 30/12/2019 11:58)
Ka mpianany ianao sa tsia? Fa raha mpianany ianao dia efa io nosoratako io ny iraka
288. RBNIR ( 30/12/2019 17:59)
gasy1zay:

Ka mpianany ianao sa tsia? Fa raha mpianany ianao dia efa io nosoratako io ny iraka

izao ary no izy ry gasy1zay.....
Ity teny ity dia tsy natao ho an ny rehetra araka ny eritreretinao fa ho an izy 11 lahy ihany...
Matio 28:19
[19]koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

Vakio tsara ny andininy faha 16.....
Matio 28:16
[16]Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany.

Ary talohan ny nanomezany an io didy io dia niteny Jesosy hoe....
Matio 28:18
[18]Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et? an-tany;
Efa nomena an i Jesosy hono ny fahefana rehetra any an-danitra...
Io fahefana avy any an-danitra io hoy aho tsy maintsy takiana rehefa hanao batisa... fa tsy hoe mafana fo aho dia andeha hanao batisa....

Batisa no resahiko an! olona nandray iraka avy any andanitra no manao batisa satria misy fahefana avy any ambony ampitaina ao ampanankery ilay batisa atao @ olona...
289. rhaj0 ( 30/12/2019 21:25)
Tena lava be ny resakareo sy ny bozaka, ka dia very aho sy ny kisoa (ary ny mpandalo) :-)

Mba azonareo fintinina kely ve, fehezan-tey iray, ny fijery tsy mitovy an'i Gasy1zay sy RBNIR eto io?
290. gasy1zay ( 30/12/2019 23:32)
Ka RBNIR milaza fa Jesoa nanao batisa, Jesoa nilaza hoe izay mino ahy ny asa ataoko no ataony koa, sa nilaza izy hoe tsy mahazo manao batisa? Aiza no misy milaza izany? Ka mino azy ary RBNIR sa tsia?
291. RBNIR ( 31/12/2019 05:04)
gasy1zay:

Ka RBNIR milaza fa Jesoa nanao batisa, Jesoa nilaza hoe izay mino ahy ny asa ataoko no ataony koa, sa nilaza izy hoe tsy mahazo manao batisa? Aiza no misy milaza izany? Ka mino azy ary RBNIR sa tsia?

izao ary no izy ry gasy1zay.....
Ity teny ity dia tsy natao ho an ny rehetra araka ny eritreretinao fa ho an izy 11 lahy ihany...
Matio 28:19
[19]koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

Vakio tsara ny andininy faha 16.....
Matio 28:16
[16]Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany.

Ary talohan ny nanomezany an io didy io dia niteny Jesosy hoe....
Matio 28:18
[18]Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et? an-tany;
Efa nomena an i Jesosy hono ny fahefana rehetra any an-danitra...
Io fahefana avy any an-danitra io hoy aho tsy maintsy takiana rehefa hanao batisa... fa tsy hoe mafana fo aho dia andeha hanao batisa....

Batisa no resahiko an! olona nandray iraka avy any andanitra no manao batisa satria misy fahefana avy any ambony ampitaina ao ampanankery ilay batisa atao @ olona...
292. gasy1zay ( 31/12/2019 10:29)
Ary RBNIR sao mihevitra koa hoe ny 11 lahy ihany no nilatsahan'ny FM t@ pentekoty? Nanome baiko ny mpianany Jesoa hoe aza miala ao Jerosalema raha tsy voarainareo ny batisan'ny FM, ary ireo nahazo izany dia tsy izy 11 lahy ihany, toy izany koa ny irak'i Jesoa @ hoe ataovy mpianatro ny firenena rehetra sy ny hanao batisa azy @ anaran'i Ray sy ny Zanaka ary ny FM

Raha i RBNIR zany no mahita olona iray niova fo sy vonona handray an'i Jesoa Kristy ka mangataka anao hoe ataovy batisa aho dia hoy RBNIR hoe za tsy mpianany sa hoe aona?

Averiko ihany, Jesoa tsy nanavaka ny fahefahana @ mpianany na dia hoe misy antso manokana hoan'ny tsirairay aza, i Paoly nilaza hoe nirahin'Andriamanitra izy hitory hoan'ny jentilisa, zay ny iraka azony, fa tsy midika izany hoe tsy nanao batisa izy fa tsy nahazo iraka hoan'ny batisa.

Aza mamorona zavatra tsy voasoratra fa izay ilay fampianarana misy kilema
293. gasy1zay ( 31/12/2019 10:42)
RBNIR > inona ary ny asa nataon'i Jesoa ataonao amin'ny maha mpino anao? Ary mahatsiaro tena fa mpianany ve ianao sa tsia? Raha mahatsiaro tena fa zanak'Andriamanitra ianao dia mahatsapa fa tarihin'ny FM ve sa sanatria tarihin'ny mpitondra fivavahana?
Tadidio Jesoa Kristy no lohan'ny fiangonana fa tsy pasitera na i mompera na i papa, ary ny FM no manampy hanao hahalala ny sitrapony, aza mitady lavitra fa ao anatinao izy raha efa naterabaovao ianao
294. RBNIR ( 02/01/2020 04:05)
Gasy1zay ny batisa aloha tsy hataoko raha tsy hoe mahazo iraka mivantana aho.,.. Afaka mitory. aho toy ireo olona marobe ao anaty baiboly nandray fahasoavana avy tamin i Jesosy dia nampiely izany afaka manao ireo asa rehetra nampanaovina ireo fitopolo lahy ao @ lioka 10 ihany koa
Tandremo mila fahendrena ny fanaovana ny asany sao tratra tahaka ireto olona ireto....

Asan'ny Apostoly 19:14-16
[14]Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.
[15]Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
[16]Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.

Nahita ny nataon i paoly hono ireo dia mba nanao toy izany koa dia io no vokany
295. RBNIR ( 02/01/2020 04:25)

gasy1zay:

Ary RBNIR sao mihevitra koa hoe ny 11 lahy ihany no nilatsahan'ny FM t@ pentekoty? Nanome baiko ny mpianany Jesoa hoe aza miala ao Jerosalema raha tsy voarainareo ny batisan'ny FM, ary ireo nahazo izany dia tsy izy 11 lahy ihany, toy izany koa ny irak'i Jesoa @ hoe ataovy mpianatro ny firenena rehetra sy ny hanao batisa azy @ anaran'i Ray sy ny Zanaka ary ny FM

Ireto no voasoratra ao tsy naniraka an ireo hanao batisa Jesosy.....
Asan'ny Apostoly 1:4
[4]Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy;

Asan'ny Apostoly 2:2-4
[2]Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
[3]Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany.
[4]Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
296. gasy1zay ( 02/01/2020 11:09)
Fa aiza no milaza ry RBNIR hoe izy 11 lahy ihany no nanao batisa avy eo?
Nitombo be ny kristiana, ny andron'ny pentekoty fotsiny 3000 converti ( tsy voaisa ny vehivavy sy ny ankizy), dia ianao mihevitra zany hoe ny 11 lahy nanao batisa fa ny ambin'ny 120 nanao inona?

Izao ary, tadiavo anaty baibolinao hoe aiza i paoly no voahiraka hanao batisa, nanambara mazava tsara izy hoe tsy hanao batisa ny nanirahina ahy, vakio koritiana 1, nefa nilaza.mazava izy hoe nisy olona nataony batisa.Ka mila iraka manokana aona ny batisa raha i paoly aza tsy nahazo iraka nefa nanao. Tsy nanambara ve i paoly hoe afaovy modely izy? Sa inona indray no ialanao adidy?

Za RBNIR tsy milaza hoe mandehana ianao manao batisa, tsy zay ilay tanjona, fa raha ny baiboly no jerena, tsy anampiana tsy analana, dia tsy misy mandrara kristiana naterabaovao hanao batisa izany ao, tsy olona voantso manokana izany ihany no afaka manao batisa fa izay rehetra mahatsiaro tena ho mpianany, isika olombelona no nametraka lalampiangonana hoe pasitera na mompera ihany no afaka manao io fa ny baiboly tsy misy, mitanisaha ianao batisa tsy manankery anaty baiboly raha misy ao ankoatr'ilay nambarako hoe batisan'i Jaona tsy motovy batisa kristiana.

Averiko ihany aza mamorona lalana tsy voasoratra fa izay no nahavoa ireo mpanoradalana sy fariseo fahiny
297. RBNIR ( 02/01/2020 13:17)
gasy1zay:

Fa aiza no milaza ry RBNIR hoe izy 11 lahy ihany no nanao batisa avy eo?
Nitombo be ny kristiana, ny andron'ny pentekoty fotsiny 3000 converti ( tsy voaisa ny vehivavy sy ny ankizy), dia ianao mihevitra zany hoe ny 11 lahy nanao batisa fa ny ambin'ny 120 nanao inona?

i Jaona irery aza nanao batisa....
298. RBNIR ( 02/01/2020 13:19)
gasy1zay:

Izao ary, tadiavo anaty baibolinao hoe aiza i paoly no voahiraka hanao batisa, nanambara mazava tsara izy hoe tsy hanao batisa ny nanirahina ahy, vakio koritiana 1, nefa nilaza.mazava izy hoe nisy olona nataony batisa.Ka mila iraka manokana aona ny batisa raha i paoly aza tsy nahazo iraka nefa nanao. Tsy nanambara ve i paoly hoe afaovy modely izy? Sa inona indray no ialanao adidy?

I filipo koa tsy apostoly, fa voairaka ny FM izy indray andro dia lasa nanao batisa an'ilay tandapa....

Paoly niresaka matetika tamin'i Jesosy....
299. RBNIR ( 02/01/2020 13:21)
io tahaka ny mpaminany ihany, misy maminany fa indray andro ihany, misy kosa efa voahosotra ho mpampinany mihitsy dia maminany foana amin'ny fiainany rehetra gasy1zay....
300. RBNIR ( 02/01/2020 13:25)
gasy1zay:

Izao ary, tadiavo anaty baibolinao hoe aiza i paoly no voahiraka hanao batisa, nanambara mazava tsara izy hoe tsy hanao batisa ny nanirahina ahy, vakio koritiana 1, nefa nilaza.mazava izy hoe nisy olona nataony batisa.Ka mila iraka manokana aona ny batisa raha i paoly aza tsy nahazo iraka nefa nanao. Tsy nanambara ve i paoly hoe afaovy modely izy? Sa inona indray no ialanao adidy?

Ka valio ary raha izany araka ity tenin'i Jesosy ity....inona no tena takiana batisa avy any an-danitra sa batisa avy tamin'ny olona????

« Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho. » (Marka 11:30)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3886