Dia hoe ...

261. rhaj0 ( 20/12/2019 16:28)
gasy1zay:
Efa hoe zay tarihin'ny Fanahy dia tsy manaraka ny filan'ny nofo intsony, ary tsy ambany lalana intsony

ka I Gasy1zay izany efa "tsy ambany lalana intsony"?

ilay lalAna eo @ firenena sy fiaraha-monina ANKEHtRIO aloha ve ny resaka, sa ilay laAna ao anaty Baiboly?
262. gasy1zay ( 20/12/2019 17:33)

rhaj0:

gasy1zay:
Efa hoe zay tarihin'ny Fanahy dia tsy manaraka ny filan'ny nofo intsony, ary tsy ambany lalana intsony

ka I Gasy1zay izany efa "tsy ambany lalana intsony"?

ilay lalAna eo @ firenena sy fiaraha-monina ANKEHtRIO aloha ve ny resaka, sa ilay laAna ao anaty Baiboly?

Ilay lalan'i Mosesy no resaka ka, misy milaza hoe mbola manaraka antsakany sy andavany ( ny 1/10 indrindra indrindra)
263. Rbnir ( 23/12/2019 06:53)

rhaj0:

Ameo ohatra MIVAINGANA an'izany FM niresaka taminao izany hoe ry RBNIR azany iaraha-mahita eto?

Aza afenina ny fahasoavana azonao ry RBNIR, ary zarao "maimaim-poana" koa, fa tsy hoe, dia mila tambazanina foana nareo vao mamaly ee... :-)

Hino v nefa ianao raha lazaiko anao hoy aho?
264. gasy1zay ( 23/12/2019 10:23)
RBNIR > ny tena tokony ataontsika kristiana ry RBNIR dia ny nataon'ny kristiana tao beria, mamakafaka tsara ny soratra masina ary manamaerina fa ny toriteny na fampianarama azontsika dia tena mifanaraka marina ny tenin'Andriamanitra. Tena tsoriko aminao fa taloha aho t@ mbola zaza aram-panahy dia tsy nahatsapa akory hoe betsaka zavatra diso ny nampianarin'ny pasiteranay nefa izy milaza fa hitenenan'i Jesoa @ nofy. Rehefa nitombo fahalalana ny tenin'Andriamanitra aho ary nitombo fifandraisana taminy dia zay ilay hoe asehon'ny FM aminao ny marina.
265. RBNIR ( 23/12/2019 14:12)
gasy1zay:

Tena mbola tsy azonao inona ny antony nanaovan'i Jaona batisa an'i Jesoa, tsy hainao inona ilay batisa resahin'i Jesoa eo @ marka 10:39, tsy hainao akory ny dikan'ny hoe batisa ary afangaronao nu batisa kristiana sy ny batisan'ny Fanahy Masina.

Ity koa porofo....fa tena nanao batisa marina tokoa i Jesosy ary nataony ireo mpianany (sy izay rehetra nanantona Azy)...

Mpianatr'i Jaona indray kosa ireo nahita an'i JEsosy nanao batisa....

Jao.3:26
ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô,Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.
266. RBNIR ( 23/12/2019 14:30)

gasy1zay:

RBNIR > hitanao ihany ilay verset cle ela ny ela, ka ho ampiarinao io sa tsia : fa izay tarihin'ny Fanahy dia tsy ambany lalana

Azonao ve zany ry RBNIR a, rehefa tarihin'ny Fanahy ianao dia tsy voatery voagejan'ny 1/10 fanaon'ny jiosy hoan'ny Levita, tsy manaja ny Sabata toy ny jiosy fahiny hoe tsy mahazo manao na inona na inona, tsy mahazo mihinana kisoa sy ireo fady samy hafa. Sa aona indray no interpretation anao izany hoe tsy ambany lalana zany? Sa hilaza indray ianao hoe tsy tarihin'ny Fanahy Masina ianao fa tsy maheno ny feony?

Ampiko ihany ny fanazavana momba ireo lalàna tokony mbola hotandreman'ireo olon'Andriamanitra araka ny fampianaran'i Jesosy

Araka ny voasoratra ato amin'ny baiboly katolika (teny angilisy) ....

https://www.catholic.org/bible/book.php?id=65&bible_chapter=4

Heb.4:9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,

Dia mbola misy ny fitandremana ny atao hoe andro fahafito....

Manamafy izany koa ny dikan-teny iombonana (fifanarahan'ny katolika sy protestanta) amin'ny teny malagasy....

https://www.bible.com/fr/bible/384/HEB.4.DIEMDC

9Koa dia mbola misy fitsaharana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, amin’ny andro fahafito.

Ka raha ohatra ka mahatsapa ny tenany ho vahoakan'Andriamanitra (na olon'Andriamanitra) ny olona iray nofidiny dia tsy tokony handà an'io teny voasoratra MAZAVA BE io.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

Tandremo sao dia ho diso amin'ny iray loha....fantaro ny tena marina....Jesosy tonga tsy handrava ny lalàna fa hanantanteraka azy....

Mat.5:17
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.

Tsy atao lalàna ivelan'ny tenan'ny olona intsony fa atao lalàna anatiny (fiainana vaovao ho an'ilay olona)...

Heb.8:10
Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;

Ary ny FAnahy Masina no hanantateraka izany ao anatin'ilay olona....

Eze.36:26-27
26
Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
27
Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy
267. gasy1zay ( 23/12/2019 19:26)

RBNIR:

Tsy mbola azon'i RBNIR ihany ilay repos de Dieu resahina eto an! Avereno vakiana ny hebreonao toko iray manontolo fa tsy zay andininy tianao horaisina fotsiny

Jereo fa misy jour de repos 2 samihafa ao, ny 1 t@ andron'i josoa dia ny 1 rehefa manaiky ny Tompo ianao, ny 1 testamenta taloha ary ny 1 testamenta vaovao, ny repos de Dieu resahina eto RBNIR dia tsotra , tsy ianao no miasa mba hahita fahamarinana fa Andriamanitra no miasa ho anao, ary ny tena marina aza dia ilay hoe tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko, tadidinao ve ilay hoe hianareo mahavesatra entana izaho hanome fitsaharana ho anareo? Ary ilay hoe ianareo hangina fa izaho hiady ho anareo?
Izay no tena fitsaharana tian'Andriamanitra idirantsika fa tsy ilay endrika ivelany toy ny sabata jiosy
268. gasy1zay ( 23/12/2019 19:30)

RBNIR:

gasy1zay:

Tena mbola tsy azonao inona ny antony nanaovan'i Jaona batisa an'i Jesoa, tsy hainao inona ilay batisa resahin'i Jesoa eo @ marka 10:39, tsy hainao akory ny dikan'ny hoe batisa ary afangaronao nu batisa kristiana sy ny batisan'ny Fanahy Masina.

Ity koa porofo....fa tena nanao batisa marina tokoa i Jesosy ary nataony ireo mpianany (sy izay rehetra nanantona Azy)...

Mpianatr'i Jaona indray kosa ireo nahita an'i JEsosy nanao batisa....

Jao.3:26
ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô,Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.

Efa nasehoko anao RBNIR fa voasoratra fa tsy i Jesoa no nanao batisa fa ny mpianany ka tsy azoko hoe inona no mbola iandinkevitra @ zany, tsy mino ny voasoratra zany ianao, tsy interpretation no nasehoko anao fa verset juste eo ambanin'ilay nosoratanao.

Dia efa nambarako ihany koa fa tsy mitovy ny batisa natao t@ andron'i Jaona sy taorian'ny nitsanganan'i Jesoa t@ maty, raha tsy zany tsy tokony nataon'i paoly batisa fandroany ireo efesiana 12 lahy
269. RBNIR ( 24/12/2019 04:38)
gasy1zay:

Efa nasehoko anao RBNIR fa voasoratra fa tsy i Jesoa no nanao batisa fa ny mpianany ka tsy azoko hoe inona no mbola iandinkevitra @ zany, tsy mino ny voasoratra zany ianao, tsy interpretation no nasehoko anao fa verset juste eo ambanin'ilay nosoratanao.

« ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy. » (Jaona 3:26)
« Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. » (Jaona 3:27)
« Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho. » (Jaona 3:28)

Samihafa ny soratana ao amin'ny Jao.3:26 ireo mpianatr'i Jaona no niteny an'io tamin'i Jaona mpanao batisa.....Tsy nisy fanakianana nataon'i Jaona (nanaiky izay nolazain'ireo i Jaona mpanao batisa) (Ary mazava be fa raha ny fomba firesaka teo dia batisan'ny rano ihany no nataon'i Jesosy teo.....

Ao amin'ny jaona.4:1,2 indray kosa dia ny fariseo no niteny.....

« Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona » (Jaona 4:1)
« (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany), » (Jaona 4:2)

Ary ilay teny ao amin'ny Jao.4:2 hoy aho dia natao anaty fonon-teny izay raha ny fanazavan'ireo mpahay baiboly dia ireo teny tsy voasoratra tao amin'ny "texte ancien" no atao an'izany......

Zavatra 2 samihafa ireo tsy afaka ampitoviana mihitsy...matoa i Jaona mpanao batisa avy dia nanaiky ny mpianany fa nanao batsia tahaka azy koa i Jesosy dia fantany tsara fa tokony nataon'i Jesosy izany.....

Jao.4:1 ireo
270. RBNIR ( 24/12/2019 04:49)
gasy1zay:

Tsy mbola azon'i RBNIR ihany ilay repos de Dieu resahina eto an! Avereno vakiana ny hebreonao toko iray manontolo fa tsy zay andininy tianao horaisina fotsiny

Jereo fa misy jour de repos 2 samihafa ao, ny 1 t@ andron'i josoa dia ny 1 rehefa manaiky ny Tompo ianao, ny 1 testamenta taloha ary ny 1 testamenta vaovao, ny repos de Dieu resahina eto RBNIR dia tsotra , tsy ianao no miasa mba hahita fahamarinana fa Andriamanitra no miasa ho anao, ary ny tena marina aza dia ilay hoe tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko, tadidinao ve ilay hoe hianareo mahavesatra entana izaho hanome fitsaharana ho anareo? Ary ilay hoe ianareo hangina fa izaho hiady ho anareo?
Izay no tena fitsaharana tian'Andriamanitra idirantsika fa tsy ilay endrika ivelany toy ny sabata jiosy

Heb.4:9 There must still be, therefore, a seventh-day rest reserved for God's people,
9Koa dia mbola misy fitsaharana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, amin’ny andro fahafito.

Efa teny mazava B v dia mbola sahinareo toherina ihany gasy1zay???? nazavainy tsara mihitsy fa andro fahafito noresaka fa tsy......????*

Mandiniha tena e!!!!
271. RBNIR ( 24/12/2019 04:56)
gasy1zay:

Dia efa nambarako ihany koa fa tsy mitovy ny batisa natao t@ andron'i Jaona sy taorian'ny nitsanganan'i Jesoa t@ maty, raha tsy zany tsy tokony nataon'i paoly batisa fandroany ireo efesiana 12 lahy

Eto eto ny toko sy andininy gasy1zay fa tsy mety raha manao otran'i rhajo ianao ....

Ny toko sy andininy dia manazava amin'ny antsipirihiny izay zavatra tiana lazaina....
272. RBNIR ( 24/12/2019 05:08)

Raha ity mantsy no resahinao dia tsy mitombina ny fanazavanao....

« Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. » (Asan'ny Apostoly 19:3)
« Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. » (Asan'ny Apostoly 19:4)
« Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. » (Asan'ny Apostoly 19:5)
« Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. » (Asan'ny Apostoly 19:6)

Raha io teny io mantsy no vakiana tsara dia misy karazana batisa 2 eo : batisan'i Jaona (batisan'ny rano)
Batisa amin'ny anaran'i Jesosy (Batisan'i Jesosy=Batisan'ny Fanahy Masina)

Izany hoe rehefa nanontanian'i paoly ireo olona ireo dia nilaza fa mbola ny batisan'ny rano ihany aloha no nanaovana azy fa mbola tsy nandray ny batisan'ny Fanahy Masina izireo...

Dia ilay batisan'ny Fanahy Masina no noraisiny teo (nametratanana dia nilatsaka ny Fanahy Masina....

Fa tsy hoe natao batisan'ny rano fanindroany indray akory ireo olona ireo....

Fahatanterahan'ity tenin'i Jaona mpanao batisa ity io....

« Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina. » (Marka 1:8)

273. RBNIR ( 24/12/2019 05:25)
efa nambarako fa araka ny fanambarana nataon'i Jaona dia misy karazany 3 ny batisa....

« Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Matio 3:11)

1- batisa amin'ny rano (Jaona na koa olona voairak'Andriamanitra mivantana tahaka azy)
2- batisa amin'ny Fanahy Masina (Jesosy Kristy)
3- batisa amin'ny Afo (Jesosy Kristy)

Ny batisan'ny rano tena izy (ilay tena manan-kery) sy araka ny baiboly dia batisa avy any an-danitra tahaka ny natoaon'i Jaona...

Batisa avy any an-danitra (tsy olona no naniraka nanao batisa fa Andriamanitra mivantana mihitsy).....Nandray fahefana avy any an-danitra ilay mpanao batisa fa tsy avy tamin'ny olona...

« Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho. » (Marka 11:30)
274. gasy1zay ( 24/12/2019 13:28)

Batisan'ny Fanahy Masina sy afo dia iray ihany ry RBNIR a, ary azonao amin'zay fa Jesoa kristy no manao azy fa tsy olombelona, fa raha mandinika tsara ianao dia ny olona feno ny FM dia rehefa mametratanana olona voavonjy dia mahazo ny batisan'ny FM izy ireo, fa misy koa nefa tsy nisy fametrahatanana akory toy ny mpianatra t@ pentekoty na i kornelio

Jereo tsara ireo efesiana 12 lahy nataon'i paoly batisa fa 2 etape no nitranga fa tsy araka ny eritreritrao

1- natao batisa ( kristiana) ry zareo
2- nametrahana tanana dia nahazo ny fahafenoin'ny FM ( batisan'ny FM)

Raha milaza ianao hoe 1 ihany no mitranga eto dja midika zany ve ianao hoe ny fanaovanbatisa tsy misy rano fa fametrahantanana fotsiny?

Ka io RBNIR no mahadiso kristiana maro miova fiangonana sns, mitady ny batisan'ny FM satria mangetaheta ilay tena fahahenoina nefa batisa rano (kristiana)foana no asaina ataony

Tsy dia tena ampianarin'ny fiangonana traditionnel gasy(FFKM) mintsy io batisan'ny FM io ary nareo fiangonana zandriny aza dia b d b no tsy mahatakatra azy nefa milaza fa nahazo fampianarana manokana, milaza fa mifandray manokana amin'i Jesoa Kristy

Averiko ihany, ny batisan'ny FM dia tsy miankina ilay olona nanao batisa anao, tsy miankina amin'ny pasitera na mompera na fiangonana misy anao, fa miankina ny hetahetanao hitombo amin'ny fahalalana an'i Kristy sy hanaiky ho tarihin'ny Fanahiny. Jesoa kristy no manao azy ary natao hoantsika rehetra mpino voavonjy mba ho feno ny FM isika ary hahazo hery handresy ny fahotana ary indrindra indrindra hahazo fanomezam-pahasoavana ( dons de l'esprit) hijoroantsika vavolombelona marina hoan'i JK.

Azonao ve zany resahiko zany RBNIR sa trop spirituel aminao? Ianao koa manko manana anjara @ zany fa mila manetry tena aloha hoe mbola misy zavatra tsy hay ka aleo izy tompo sy ny FM mintsy no ampianatra antsika fa raha mety ianao dia angatao i JK hameno anao ny FM tsy fombafomba fotsiny fa adaka ny nitranga teo @ efesiana 12 lahy io
275. RBNIR ( 25/12/2019 06:46)
gasy1zay Ny fanontaniana nataon'i paoly vao tonga izy dia hoe....
« ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 19:2)

Efa nandray ny batisan'ny Fanahy Masina v ianareo ny fanontaniana fa tsy hoe efa natao batisan'ny rano (ilay lazainao fa batisa kristiana) ????

Ireto no porofo fa tsy misy afatsy karazana batisan'ny rano karazany 1 (batisan'ny fibebahana nataon'i Jaona) ihany no atao amin'ny kristiana rehetra....

« fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. » (Asan'ny Apostoly 1:5)

Jesosy mihitsy no niteny io teny io ary notsindriny tsara mihitsy fa hoe batisan'i Jaona...tsy niteny karazana batisan'ny rano hafa izy...

Ity ny faharoa...i petera kosa no niteny teto...

« Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? » (Asan'ny Apostoly 10:47)
« Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy. » (Asan'ny Apostoly 10:48)

Olona mbola tsy vita batisan'ny rano ireo nefa avy dia nandray ny Fanahy Masina dia natao batisan'ny rano....

Batisa 2 hatrany : batisan'ny rano iray (batisan'ny fibebahana) + batisan'ny Fanahy Masina...

fa tsy hoe batisan'ny rano 1 (fibebahana) + batisan'ny rano 2 (kristiana) + batisan'ny Fanahy Masina

Batisan'ny Afo???? « Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa? » (Marka 10:38)
« Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany; » (Marka 10:39)

Jesosy no efa natao an'io ary tsy voatery ny olona rehetra no atao an'io batisan'ny Afo io...
276. RBNIR ( 25/12/2019 06:49)
277. gasy1zay ( 26/12/2019 01:58)
Tsy azon'i RBNIR mintsy ny zavatra lazaiko, ny batisan'i Jaona dia foana rehefa nitsangana t@ maty JK, ary lazaiko fa tsy mitovy ny batisa rano @ anaran'ny Ray sy Zanaka ary ny FM nanirahan'iJesoa ny mpianany, efa naveriko teto hoe ireo efesiana 12 lahy nataon'i Jaona batisa t@ rano, tsy ampy anefa ilay izy nahazoany famonjena feno sy handray ny FM, dia zay no nanaovana batisa azy t@ alalan'ny Jesoa Kristy, teo vao tera-baovao izy ireo ka afaka nandray ny batisan'ny FM,

isika zao efa afaka atao batisa @ anaran'i Ray sy nyZanaka ary ny FM, tsy mila ny batisan'ny fibebahana toy ny nataon'iJaona intsony

278. gasy1zay ( 26/12/2019 02:10)

RBNIR:

gasy1zay Ny fanontaniana nataon'i paoly vao tonga izy dia hoe....
« ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 19:2)

Efa nandray ny batisan'ny Fanahy Masina v ianareo ny fanontaniana fa tsy hoe efa natao batisan'ny rano (ilay lazainao fa batisa kristiana) ????

Ireto no porofo fa tsy misy afatsy karazana batisan'ny rano karazany 1 (batisan'ny fibebahana nataon'i Jaona) ihany no atao amin'ny kristiana rehetra....

« fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. » (Asan'ny Apostoly 1:5)

Jesosy mihitsy no niteny io teny io ary notsindriny tsara mihitsy fa hoe batisan'i Jaona...tsy niteny karazana batisan'ny rano hafa izy...

Ity ny faharoa...i petera kosa no niteny teto...

« Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? » (Asan'ny Apostoly 10:47)
« Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy. » (Asan'ny Apostoly 10:48)

Olona mbola tsy vita batisan'ny rano ireo nefa avy dia nandray ny Fanahy Masina dia natao batisan'ny rano....

Batisa 2 hatrany : batisan'ny rano iray (batisan'ny fibebahana) + batisan'ny Fanahy Masina...

fa tsy hoe batisan'ny rano 1 (fibebahana) + batisan'ny rano 2 (kristiana) + batisan'ny Fanahy Masina

Batisan'ny Afo???? « Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa? » (Marka 10:38)
« Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany; » (Marka 10:39)

Jesosy no efa natao an'io ary tsy voatery ny olona rehetra no atao an'io batisan'ny Afo io...

Vakio ny traduction parole de vie raha tsy azonao tsara ny tian'i Jesoa ho tenenina eo @ marka 10:38 fa aza manao interpretation ny voasoratra, alefako mintsy ilay lien sao heverinao fa mamorina indray za :

https://topbible.topchretien.com/marc.10.39/PDV/

Jésus leur dit : « Vous ne savez pas ce que vous demandez. Est-ce que vous pouvez boire la coupe de souffrance que je vais boire ? Est-ce que vous pouvez être plongés dans la souffrance, comme je vais l’être ? »

ny hazo fijaliana no resahin'i Jesoa eo fa tsy batisan'ny afo zany RBNIR a!

Tiko ho tsindriana ry RBNIR fa tsy batisan'i Jaona intsony no atao @ Kristiana fa ny an'ny sasany manko ny modelin'i Jaona no akana fampianarana toy ny hoe atao any @ renirano e, eo no mandray FM e, nefa tsy batisa Kristiana araka ny nanirahin'i Jesoa mintsy ny azy
279. gasy1zay ( 26/12/2019 09:06)
Ny dikan'ny batisa kristiana dia niaramaty sy nalevina t@ JK ianao ( ilay nandova ny otan'i Adama) ary niarantsingana taminy ho olombaovao ( nateraka @ Fanahy) Romana 6 : 1-7, izay no hoe maty @ ota ianao ka tsy tokony hanota intsony fa kosa velona @ Fanahy ka lasa tarihin'ny Fanahy

Ka t@ andron'i Jaona mpanao batisa tsy mbola maty sy nintsangana t@ maty Kristy ka izay no antony hoe tsy io batisa resahina io mintsy no natao t@ androny
280. RBNIR ( 27/12/2019 06:58)
gasy1zay:

Batisan'ny Afo???? « Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa? » (Marka 10:38)
« Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany; » (Marka 10:39)

Vakio ny traduction parole de vie raha tsy azonao tsara ny tian'i Jesoa ho tenenina eo @ marka 10:38 fa aza manao interpretation ny voasoratra, alefako mintsy ilay lien sao heverinao fa mamorina indray za :

https://topbible.topchretien.com/marc.10.39/PDV/

Jésus leur dit : « Vous ne savez pas ce que vous demandez. Est-ce que vous pouvez boire la coupe de souffrance que je vais boire ? Est-ce que vous pouvez être plongés dans la souffrance, comme je vais l’être ? »

ny hazo fijaliana no resahin'i Jesoa eo fa tsy batisan'ny afo zany RBNIR a!

Tiko ho tsindriana ry RBNIR fa tsy batisan'i Jaona intsony no atao @ Kristiana fa ny an'ny sasany manko ny modelin'i Jaona no akana fampianarana toy ny hoe atao any @ renirano e, eo no mandray FM e, nefa tsy batisa Kristiana araka ny nanirahin'i Jesoa mintsy ny azy

1 ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany (mark10:39)
Izay batisa rehetra natao tamin'i Jesosy dia hatao amin'ireo mpianatra ireo (tena batisa no resaka eo)

2 Ity no porofo fa tsy maintsy ranobe toy ny nanaovan'i Jaona batisa no hanaovana batisa olona iray....

« Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany. » (Asan'ny Apostoly 8:26)
« Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka; » (Asan'ny Apostoly 8:27)
« dia nody izy ka nipetraka teo anatin'ny kalesiny ary namaky teny tao amin'Isaia mpaminany » (Asan'ny Apostoly 8:28)
« Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. » (Asan'ny Apostoly 8:29)
« Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? » (Asan'ny Apostoly 8:30)
« Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. [* Gr. mitari-dalana] » (Asan'ny Apostoly 8:31)
« Ary izao no tenin'ny Soratra Masina novakiny: Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, Ary tsy niloa-bava, Tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy; » (Asan'ny Apostoly 8:32)
« Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; Ary iza no hahalaza ny amin'ny niara-belona taminy *? Fa ny ainy nesorina tamin'ny tany (Isa. 53. 7, 8). [* Na: ny fianakaviany] » (Asan'ny Apostoly 8:33)
« Ary ilay tandapa namaly an'i Filipo ka nanao hoe: Masona ianao, iza moa no lazain'ny mpaminany amin'izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? » (Asan'ny Apostoly 8:34)
« Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin'izany Soratra Masina izany nitory an'i Jesosy taminy. » (Asan'ny Apostoly 8:35)
« Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? » (Asan'ny Apostoly 8:36)
« * [* Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra] » (Asan'ny Apostoly 8:37)
« Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy. » (Asan'ny Apostoly 8:38)
« Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly. » (Asan'ny Apostoly 8:39)

Voalaza fa nentina tany an'efitra i Filipo (desert) azo antoka fa tsy maintsy nitondra rano teny aminy io tandapa io....

Rehefa nampianatra i Filipo dia nampianariny koa ilay tandapa fa mila atao batisa amiin'ny rano (ary rehefa tonga teo amin'ny rano iray ilay tandapa dia niteny hoe (indro rano (tahaka izay nampianaran'i filipo azy teny an-dalana)
Matoa ilay tandapa tsy namoaka rano tany aminy dia fantany tsara fa ranobe no ilaina...
Vakio tsara fa nidina tao anaty rano ilay tandapa hatao batsia (asa.8:38) dia rehefa vita dia niakatra avy tao kosa indray (Asa.8:39)

Fehiny : mila manantona ranobe rehefa atao batsia (mila midina ao dia rehefa vita mila miakatra avy tao) Tsy nampiasaina ilay rano nentina natao vatsy satria tsy izay no takiana rehefa hanao batisa....

Toy izany no nanaovana batisa an'i Jesosy
« Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. » (Matio 3:16)

Matoa i Jesosy niakatra avy teo amin'ny rano dia tsy maintsy nidina tao Izy aloha...

Mila manantona ranobe, midina ao dia rehefa vita miakatra avy ao....Izay no batisa amin'ny rano original takiana (raha tianao hanankery aminao ilay batisa)...

Rehefa tsy izay dia lasa fombafomba io (batisa tsy misy heriny tsy afaka hanova ny ao anatinao)

Fa tsy izay ihany hoy aho (batisa avy any an-danitra no illaina : olona voairak'Andriamantra mivantana no ilaina manao batisa anao : manana ilay fahefana avy any an-danitra marina tokoa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2062