ANTSO AVO HOAN'NY MALAGASY

1. STViha ( 01/07/2016 20:48)
Isaorana ny RAY MPAHARY fa mbola nahatratra izao fotoana na andro fiomanana hidirana @ andro faha-7 ato anatin'ny fanafahan'i Estera izao isika na ilay antsoina hoe ''Zoma''.
Tsy kisendrasendra no nampitopy ny masonao na ny sainao hamaky sy handinika izao hafatra izao fa tena ho antsika Kristiana mihitsy no hiantefany.
Ity ary ilay hafatra androany ho an'ny Kristiana tsy ankanavaka tera-tany MALAGASY: ''MIVERENA AMIN'ILAY ANDRIAMANITRAO IANAO RY MALAGASY FA HANANDRATRA NY FIRENENAO ATO ANATIN'NY FOTOANA FOHY ILAY NAHARY NY MANITRA SY NY TANY ILAY NANTSOIN'NY RAZANTSIKA HOE KA NAHAVONJY SY NANAFAKA AZY TAMIN'NY SAROTRA REHETRA.''
Tsy miova tamin'ny fomba fiasanY ary ny fitiavanY sy ny famindramponY IZY io fa isika no takona AZY noho ny fifikirantsika amin'ireo fomba ''fiaina vaovao'' na koa hoe ''moderina'' nentin'ireo vahiny na ara-tsaina na ara-panahy na ara-piteny na ara-pomba, fa indrindra ny ara-pitafy.
Jereo anie e! rariny ve raha nanana fahendrena ny Ntaolo Malagasy tamin'ilay ohabolana hoe: ''Ny hadalan'ny tena tafian-damba fa ny an'ny hafa (firenena...) ka nampalaza ny Malagasy tamin'ny fahamaotinana teo amin'ny lafiny rehetra, kaefa ankehitriny dia mampivarahontsana ny mahita ny karazana fitanjahana eny an-dalambe rehetra eny ary zary lasa hifaninanana mihitsy azay ilay izy eo amin'ny samy vehivavy matetika.
M
Ny mampalahelo mantsy dia any am-piangonana mihitsy aza no sehatra hifampisehona ity fomba iray hafahafa ity ary ny atao hoe ''mihaingo'' amin'izao fotoana izao dia ''miboridana'', na ny ''mahay mihaingo'' = ''mahay miboridana'' na ''mahay mampidera fitanjahana'' na ambony na ambany. Vakio ny Eksodosy 20/26 Koa izao no izy, andao hiverina hitafy araka ny tokony ho izy dia hotafian'Ilay Mpahary fahendrena sy Voninahitra ary Fitahiana sy Tso-drano ihany koa isika iray firenena. Aza mangatak'andro hiverenana amin'ny fahendrena sy ny fahamarinana na dia eo amin'io lafiny ara-pitafy io fotsiny aza fa tsy ho TAKONA amintsika intsony ny TAVANY sy ny FAMIRAPIRATANY ary ny FAMONJENY rehefa miverina tsikelikely amin'ny FOMBA nampianaranY antsika isika...

N.B: Aza adino ilay mamaky ny bokin'i Estera 8 alohan'ny vavaka hataonao.
Mbola hitohy...

Azo hifandraisana:
Fanomezantso STViha: 034 31 933 27 / 034 08 029 25

novalian'i rhaj0 ny 19/07/2016 11:44
2. thyna ( 02/07/2016 00:54)
Salama,
Tsy toriteny intsony no ilain'ny Malagasy fa fahalalàhana ara-tsaina ahafahany mandinika ny toriteny zay lazaina azy!Eny fa na ho anareo mpitory teny ireny aza!mbola maro ny lesoka tokony ho areninareo fa tsy nitondra vahaolana ho an'ny Malagasy ny fahamaroanareo fa vao mainka nampivily lalana azy!Lasa tsy mifampiditra antrano sy tsy miaramisakafo intsony ny fianakaviana maro nohon'ny toriteny zay entinareo ka nampisara-bazana azy!Ary hatramin'ny nisian'ilay hoe fifohazampanahy dia nivadika biby masiaka ny toetsain'ny olona!lasa misy vono olona foana isan'andro!tomponandraikitra lehibe koa ny mpitory teny rehetra satria anisan'ny tsy nahatafita ny fampianarana nataony!ka vao maika nampizarazara ny malagasy maro! Hoy ianao hoe:"MIVERENA AMIN'ILAY ANDRIAMANITRAO IANAO RY MALAGASY FA HANANDRATRA NY FIRENENAO ......."Izaho koa manafy izany manao hoe:Miverena @ fiangonanao taloha ianao ry Malagasy ialao ny Sekta ka hiverina soamantsara @ fianakavianao indray ianao iara ihinana ny manta sy ny masaka!Hifamela @ ireo rahalahinao rehetra!Ka hiverina tanteraka ho toy ny taloha ny ambiance rehetra!Mba ampio ny Malagasy tsy hovoarebirebin'ny Sekta fa loza manambana ho an'ny fihavanana io!Mampalaelo ny mijery ireo olona rehetra sahirana sy manana olana manantena miracle any @ fivavahana Sekta!Ny kely ananany ndray no lasa!
3. tsitialainga ( 02/07/2016 19:48)

thyna:

Izaho kosa aloha ry Tynah tsy miombon-kevitra amin'io analyse-nao io, fa nga ny fiverenana amin'Andriamanitra midika hoe fiverenana amin'ireo fiangonan-dehibe noforon'i Jones sy Bevan (1820)?
Aoka anao fijery lavitra fa tsy fohy sy akaiky rehefa midinika satria ny fiangonan-dehibe mihitsy no mampisarabazana ny Malagasy fa tsy ny secte velively.Porofon'izany mitohoka amin'ny tendany: mitsoaka ny fiangonan-dehibe avokoa ny mpino rehetra ka miantsampy any amin'ny secte izay lazainao. Midika tsy fahombiazana intsony izany na amin'ny vokatra ara-javatra indrindra eo amin'ny ara-panahy.
Tsara ho fantatrao fa ny Andriamanitry ny Malagasy tokony hiverenana dia tsy vao teraka tamin'ny 1820, fa efa talohan'ny taon-jato voalohany. Io ilay nampianatra ny Malagasy fahizany handàla ilay hoe matahora an'Andriamanitra an-tampon'ny loha! Ireo fiangonan-dehibe reo ve no nampianatra izany fahendrena izany teo amin'ny Malagasy ka nahatonga azy tsy nisara-mianakavy araka ny noteneninao sa kosa fahendrena avy amin'ny secte iray voalaza ao anatin'ny baiboly ka nantsoina hoe Nazareana, Araka izany dia averimberina ihany fa tsy vazaha avy any ivelany no napahendry ara-panahy ireo Malagasy taloha fa Ilay Nahary ny lanitra sy ny tany fatatry ny razambe-ny.
Mazotoa ary mandalina sy mikaroka io Andriamanitra tokony hiverenan'ny Malagasy io fa tsy ilay voaresakao mpampisara-bazana.
Mandalïna tsara
4. zaihanity ( 02/07/2016 20:22)
Manahoana,
Tsara ilay fandalinana,toa tsy toriteny io aloha fa karazana fanambaràna ra ny fijeriko azy ee,zavatra toa itony tokoa no tokony hampandinika ny tanora amin izao fotoana e,ilay hoe any am piangonana lasa sehatra ifaninanana ara pitafy : ekena
Sy ny hoe mahay miakanjo=mahay miboridana : ekena
Mankasitraka e,manantena ny tohiny hatrany
5. harenadanny ( 06/07/2016 06:51)
mety ilay hevitra oe miverina @ Andriamanitra! fa zao we mba azona antsaina we iza no tokony hiverena? zah manokana aloha de tsy mitsahatra mivavaka! fa averiko ihany we iza no tokony hiverina @ Andriamanitra?
6. rhaj0 ( 06/07/2016 12:10)
mba miezaka manaraka ilay lojikanareo.

izany hoe izany..

1- "resy" ny malagasy, hoy ianareo, satria TSY "niaraka t@ Andmntra"
2- koa dia hoe, "miverina @ Andmntra", mba TSY ho resy lava toa io.

RAha mihidy ao @ vohitrakely ianao, ka hampinoana an'io, dia mety hino tsara tokoany, satria TSy mahalala azany k'atao ahoana. FA izao efa andron'ny interinety, dia TSISY mihidy @ vohitrakely intsony.

Ka zahavo kely azany..

- Iza no firenena gida-maimbo miaraka @ Gasy, ary toa ny ahoana ny Fivavahana ao aminy ao.
- Dia ampitahao @ ireo Firenena izay manan-karena, sy ny FIvahana amin'azy any.

7. lahindroy ( 08/07/2016 18:50)

fa iza marina tokoa moa ity Andriamanitra tokony hiverena ity e?
-ilay nampidirin-dry Jones sy ry David Griffiths ve ka niafara tamin'ny fanjanahana (ara-tsaina , ara-pinona , ara-politika , ara-toekarena ....) ny firenena malagasy ?
-sa ireo izay nivavahan-dry Ranavalona I , Radama rainy na koa ry Andrinampoinimerina mban-dry Rasalimo na ry Rangita sy Rafohy na ry Andriamisara ...?
-Andriamanintra iray angaha moa izy ireo ?
[hatramin'izao moa rehefa mba te hidedadeka hiteny mahakasika an'io na ireo Andriamanitra ireo isika (izay tsy voatery ho iray ) dia ity foana no dradradradraina "tsy ny lohasaha mangina no atahorana fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha !]
8. Rylant ( 09/07/2016 17:44)
Mahafinaritra be le fomba fijerinareo, samy manana ny marina daholo!
mba misy tsetratsetra tsy artra kely fotsiny mba tiako ho lazaina sy hambara.
1- Raha ny zava-misy amin'izao fotoana izao de ny samy Mpino an'A/tra tokana rehetra iany no miady sy mifanenjika kanefa tokony hitambatra hanohitra ny tsy Mpino an'A/tra (Satanique)!
Iza moa le atao Mpino an'A/tra tokana.
a) Judaïsme na ny Hebraika ; b) Kristianina ; c) Musulman
Andriamanitra Mpahary tokana no samy hinoan'ireo fa ny fomba fijery na ny doctrine-ny no tsy mitovy. Ireo ilay atao hoe Religion monothéisme; trois religion, un seul Dieu.
Andriamanitra = Zanahary (Gasy) - Allah (Arabe) - Adonaï (Hébreu) - Jéhovah ou Iaveh (Anglais ou français, je sais pas). Tokana iany fa ny fiteny na dikan-teny avy amin'ny firenena samy hafa no mampiavaka azy.

2- Ilay we SECTE. Za Kristiana, fa manohitra mandrakariva ny fitenenana foana we Secte. Amiko dia fiangonana zandriny no fiantso azy ireny fa tsy secte.
Hazavaiko: Ny secte dia avy amin'ny teny Latin we SEKAR na s'écarter, s'éloigner, s'évader, se protester, izany hoe nisintaka na niala na niongotra ....
Raha manaraka tsara ny tantara isika, amiko dia ny Kristiana no tena secte voalohany satria ny Kristiana dia niala tamin'ny Finoana tokana nisy tamin'izany dia ny Hebraika na judaisme zany. Nitondra ny fivavahana Katolika othodoxe izy ireo satria we mpanaradia an'i Kristy, ary tao indray no niala ny katolika Romana, de tao am katolika romana ndray no nisintaka ny Protestant na we ni-protester zareo satria tsy mitovy ny fomba fijery.
Ny Musulman ndray, efa nisy fa tam 70ans après Jésus Christ zareo vao tena nipoitra tam alàlan'i Mahome, izay taranakin'ny zanaka lahimatoan'i Abraham, ilay zanakin'ny mpanampiny (raha izay no ilazana azy).
3- Matanjaka ny tanan-dehibe satria ny ankamaroan'ny olona sy ny mpitondra any ary ny mpanefoefo rehetra any dia tsy ilay mpino an'Andriamanitra tokana fa amin'ny tena atao hoe secte (Illuminatie, franc-maçon, ....).
Farany, ny tena tiako hampitaina de izao, hajao ny anao fa aza manaratsy na manenjika ny hafa. fa arakaraka ny hanenjehanao ny hafa no mampahazo vahana sy mampatanjaka azy ireo.
Mankasitraka!
9. RBNIR ( 10/07/2016 05:36)
>>>lahindroy,
Ilay Andriamanitra "TENA MARINA" dia efa nitsinjo ny zanak'olombelona ka efa nanome "FAMANTARANA" mba hahafantaran'ny olona Azy marina tokoa

JESOSY no famantarana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra ary Iza marina tokoa Ilay tokony hivavahana.....

Andriamanitra dia tsy hita maso, ary noho izany dia maro ny olona no tsy mino ny fisiany ka tsy mandraharaha izay sitrapony,

Hoy anefa Izy indray andro tamin'ny olona (niteny tamin'ny alalan'ny mpaminaniny Isaia Izy tamin'izay) " Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony." (Isaia 7:11)

Nasainy nangataka famantarana ny olona.

Saingy.....hoy ny olona tamin'izany, "Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah" (Isaia 7:12)

Tsy sahy nangataka ny olona satria natahotra ny haka fanahy an'Andriamanitra

Dia Andriamanitra no voatery nanome ny famantarana ho an-tsika :
" Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?" (Isaia 7:13)
"Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]" (Isaia 7:14)
Io no famantarana nampanantenain'Andriamanitra ny olona : Hanan'anaka ny virijiny ka hiteraka.

Dia tanteraka tokoa io fanomezana famantarana io taty aoriana namana :" Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: " (Matio 1:22)
" Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra." (Matio 1:23)

Io famantarana io dia tsy inona fa : "ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany." (Matio 1:21)
I Jesosy namana no famantarana nomen'Andriamanitra an-tsika.

Nirahina hanao famantarana lehibe sady marobe Jesosy hanamporofoana fa tena misy tokoa Andriamanitra (Jereo ny boky Matio, Marka, Lioka ary Jaona) ao amin'ny testameta vaovao ao amin'ny Baiboly Masina fa ao no nanoratana ireo asa lehibe rehetra nataony.

Ary lehibe dia lehibe tokoa izany asa sy famantarana izany ka izay no mahatonga ny tantaran'i Jesosy mbola voarakitra foana na dia efa 2000 taona lasa aza izany rehetra izany.
Ataoko angamba fa ny ankamaroan'ny olona dia mahafantatra izany daholo ankehitriny.

Ireto avy anefa no tena antony nanirahana an'i JEsosy tety ka nanaovany ireny famantarana lehibe ireny :
1- Hoy Izy ao amin'ny Mat.7:21 "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra."
Antony voalohany : Hitaona ny olona rehetra mba hanao ny Sitrapon'Andriamanitra mba hahazoan'ny olona hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

2- " Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny." (Matio 11:21)
Araka io teny io dia ny mba hibebahan'ny olona no tena antony faharoa nanaovana ireny famatarana lehibe ireny.

Ireo ihany no antony nanirahana an'i Jesosy Tompo tety an-tany namana,
Ampahafantarana ny olona fa dia MISY TOKOA Andriamanitra ka tokony HIBEBAKA sy HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA avokoa ny olona rehetra.

Tsy misy antony hafa fa ireo ihany.

Fa maninoa tokoa moa? Satria hoy Jesosy Tompo :
"Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;" (Matio 25:31)
"Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;" (Matio 25:34)
"Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;" (Matio 25:41)
"fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;" (Matio 25:42)

Araka ireo teny nataon'i Jesosy Tompo ireo dia ho avy ny fotoana mbola hiverenany indray ka hisy FANAVAHANA LEHIBE SADY MAHATAHOTRA AMIN'IZAY,

Ny zava-doza dia ny anjaran'ireo izay voahavaka ho eo an-kaviany. AFO MAHARITRA MANDRAKIZAY NO ANJARA HO AZY.
Afo maharitra mandrakizay izay tsy natao ho an'ny olona tamin'ny voalohany fa hoe ho an'ny devoly sy ny anjeliny ihany, saingy taty aoriana dia voatendry hanana anjara any koa ny olona rehefa tsy MIBEBAKA SY MANAO NY SITRAPON ANDRIAMANITRA.

Minoa izay nolazain'i JEsosy Tompo namana ka hinoy ny fisian'ny Afo maharitra mandrak'izay.

Tian-tsika Jesosy ,
Ankehitriny dia mitaona an-tsika rehetra aho HIBEBAKA SY HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA.
10. rhaj0 ( 10/07/2016 13:58)
RBNIR:
Andriamanitra dia tsy hita maso

Taiza tao @ Baiboly no nanoratra an'io ry RBNIR, f'aza mba afangaroaro ny imagination-nao sy ny (imagination) ao @ Baiboly aaa...

Ny ao @ Baiboly izao, genesisy, dia hoe TOA NY ENDRIK'ANDRMNTRA ny olombelona.

ka "tsy hita maso" koa izany ny olombelona aa ????

Ka dia ameo kely toko aman'andininy ny @ izany "Andmntra-tsy-hita-maso" izany azany hoe ry RBNIR... raha tsy izany, dia mpamalan-kiram-Baiboly fotsiny ity ianao.
11. RBNIR ( 11/07/2016 05:43)
rhaj0:

Otran'izao ny fandehany : tamin'ny voalohany dia niseho sy niresaka tamin'ny olona Andriamanitra....(sahan'i edena) « Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny. » (Gen.1:29)

Taty aoriana dia olona notsongaina sisa no nisehoany nampianariny an'ireo didiny...
Ohatra i Abrahama « satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko. » (Gen.26:5)

Hatramin'ny nisehoany tamin'i Mosesy teo amin'ny tendrombohitra sinay, dia am-bava no nampianarany an'ireny didy sy lalàna ireny......

Ireny olona nofidiny (tahaka an'i Noa, Abrahama sns...) ireny kosa no mampianatra (am-bava) ireny didy ireny ary dia lovan-tsofina no nandraisan'ny olona tsotra ireny didy sy fitsipika ireny....

Maninona no tsy ny olona rehetra no isehoan'Andriamanitra....

1- Mitaky fahamasinana Andriamanitra.....Tato ohatra dia nasainy nanamasina ny tenany ny olona fa hiseho tamin'ny olona IZY....
« Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: » (Eks.19:10)
« ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay. » (Eks.19:11)
« Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa; » (Eks.19:12)

2- Mila madio fo « Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra, » (Mat.5:8)

3- Indraindray misy olona manohitra Azy isehoany satria tiany ho lasa fitaovana (vavolombelona) ho an'ireo tsy mety mino Azy......

Ohatra i paoly apostoly « Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asa.9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asa.9:4)

Amin'ireny fotoana ireny dia tsy miseho amin'ny tena endriny Andriamanitra fa matetika dia amin'ny hazavana izay tantin'ny nofon'ny olona fotsiny ihany......Tsy misy nofo mahazaka ny tena endriny marina...

Koa ho an'ny ankamaroan'ny olona dia tsy hita maso Andriamanitra fa vitsy dia vitsy no voafidy hahita Azy.....

12. stahtam ( 11/07/2016 07:54)

[quote=Rylant]
Mahafinaritra be le fomba fijerinareo, samy manana ny marina daholo!
mba misy tsetratsetra tsy artra kely fotsiny mba tiako ho lazaina sy hambara.
1- Raha ny zava-misy amin'izao fotoana izao de ny samy Mpino an'A/tra tokana rehetra iany no miady sy mifanenjika kanefa tokony hitambatra hanohitra ny tsy Mpino an'A/tra (Satanique)!
Iza moa le atao Mpino an'A/tra tokana.
a) Judaïsme na ny Hebraika ; b) Kristianina ; c) Musulman
Andriamanitra Mpahary tokana no samy hinoan'ireo fa ny fomba fijery na ny doctrine-ny no tsy mitovy. Ireo ilay atao hoe Religion monothéisme; trois religion, un seul Dieu.
Andriamanitra = Zanahary (Gasy) - Allah (Arabe) - Adonaï (Hébreu) - Jéhovah ou Iaveh (Anglais ou français, je sais pas). Tokana iany fa ny fiteny na dikan-teny avy amin'ny firenena samy hafa no mampiavaka azy.

2- Ilay we SECTE. Za Kristiana, fa manohitra mandrakariva ny fitenenana foana we Secte. Amiko dia fiangonana zandriny no fiantso azy ireny fa tsy secte.
Hazavaiko: Ny secte dia avy amin'ny teny Latin we SEKAR na s'écarter, s'éloigner, s'évader, se protester, izany hoe nisintaka na niala na niongotra ....
Raha manaraka tsara ny tantara isika, amiko dia ny Kristiana no tena secte voalohany satria ny Kristiana dia niala tamin'ny Finoana tokana nisy tamin'izany dia ny Hebraika na judaisme zany. Nitondra ny fivavahana Katolika othodoxe izy ireo satria we mpanaradia an'i Kristy, ary tao indray no niala ny katolika Romana, de tao am katolika romana ndray no nisintaka ny Protestant na we ni-protester zareo satria tsy mitovy ny fomba fijery.
Ny Musulman ndray, efa nisy fa tam 70ans après Jésus Christ zareo vao tena nipoitra tam alàlan'i Mahome, izay taranakin'ny zanaka lahimatoan'i Abraham, ilay zanakin'ny mpanampiny (raha izay no ilazana azy).
3- Matanjaka ny tanan-dehibe satria ny ankamaroan'ny olona sy ny mpitondra any ary ny mpanefoefo rehetra any dia tsy ilay mpino an'Andriamanitra tokana fa amin'ny tena atao hoe secte (Illuminatie, franc-maçon, ....).
Farany, ny tena tiako hampitaina de izao, hajao ny anao fa aza manaratsy na manenjika ny hafa. fa arakaraka ny hanenjehanao ny hafa no mampahazo vahana sy mampatanjaka azy ireo.
Mankasitraka!
[quote=stahtam]
Ny tsy fitovian-kevitra dia tsy maintsy misy rehefa samy hafa ny finoana arahina ka ahitsiko ny teninao hoe :"Andriamanitra Mpahary tokana no samy hinoan'ireo fa ny fomba fijery na ny doctrine-ny no tsy mitovy. Ireo ilay atao hoe Religion monothéisme; trois religion, un seul Dieu. Tokana iany fa ny fiteny na dikan-teny avy amin'ny firenena samy hafa no mampiavaka azy."
Rehefa doctrine tsy mitovy dia samy hafa izany no inoana, noho izany tsy ny ivavahan'ny kristiana na ny Silamo no ivavahan'ny Hebreo. Raha Jérémie no anaranao ka antsoiko hoe Jérôme dia holazainao va fa ianao ihany io fa ny dikan-teny fotsiny no mampiavaka azy?
"Andriamanitra = Adonaï (Hébreu)": ny Malagasy ihany no mahalala izany Andriamanitra izany satria izy rehefa mitso-drano dia miaraka @ zavatra hafa foana no anononany azy: "Dia samy hotahin'Andr... sy ny RAZ... e! ny Hebreo tsy mahalala izany fa tokana ihany no fantany sady tsy izany no anarany; raha anontanianao i Jakoba na i Abrahama hoe fantatrao ve "Andr..."?dia mino aho fa tsia no valiny, ka ahoana no maha iray ihany an'ireo?
13. Rylant ( 11/07/2016 11:45)

Mankasitraka tanteraka anao aloha ny tenako tamin'ny fanazavana nentinao!
Marina de tena marina tokoa ny hevitrao sy ny fomba fijerinao.
Raha azoko tsara aloha ny tianao ho lazaina de Ianao aloha Hebreo, manaja tanteraka za!
Rariny tanteraka raha toa ka hiaro ny anao ianao!
Ny ahy, araka ny efa nolazaiko hatrany amboalohany hoe: fikarohana sy fomba fijeriko ireo!
Samy manana ny safidiny ny tsirairay, ary mbola hamafisiko iany hoe samy manana ny doctorine-ny! tsy hiadiako hevitra zany fa zavatra lalina be tsy takatry ny sain'ny zanak'olombelona, ary mino aho fa samy hiaro ny azy avokoa ny tsirairay amin'izay!
Raha naka ohatra ianao tamin'i Jéremie, nataonao hoe Jérôme; Zavatra sasanangy samy hafa ne izany e!
Za zao raha haka ohatra de ireto: DAVID = DAHOUD - ABRAHAM=IBRAHIM - MOÏZE=MOSESY - MAHOME=MOHAMED sns...Mbola ampiako hoe JESOA=JESUS - YAVEH=YAHWEH
Zay ilay noteneniko hoe samy manana ny fomba filazany azy ny tsirairay arakaraky ny fireneny!
Mankasitraka tanteraka anao za Stahtam tamin'ny soso-kevitra sy fanitsiana natolotrao!
14. stahtam ( 11/07/2016 12:34)

Hoy ianao hoe:"Raha azoko tsara aloha ny tianao ho lazaina de Ianao aloha Hebreo": tsy mahalala izay fiaviako tany aloha elabe tany aho ka sarotra amiko ny hino izany resakao izany.
Hoy koa ianao: "Zay ilay noteneniko hoe samy manana ny fomba filazany azy ny tsirairay arakaraky ny fireneny!": ka raha miteny Barack Obama isika Malagasy dia ahoana no filazantsika azy? Tsy fantatro raha mino na manaiky ny 666 voalazan'ny Apokalypsy 13 ianao fa valeurs omen'ny anarana no mahatonga io isa io ka ny valeurs omen'ny anarana hoe Mosesy ve hitovy @ valeurs omen'ny anarana hoe Moise? tahaka izany koa ny hoe Jesoa sy Jesus.
15. rhaj0 ( 11/07/2016 12:39)
O ry RBNIR aa... raha mi-google Baiboly ianao, dia hahita fa... taty aoriana, dia lasa "invisible" i Andmntra.. fa t@ voanalohany izy izany (lahy) tahaka anao eeee... hi hi hi... dia fa maninona loatra koa azany no tsisy na tsy tiany ilay "transparency" eee... oops...kay moa invisible = transparent :-)

O ry Stahtam aa... Jerome sa Jeremia.. ianao ho'a tsy zatra @ io anarana fiantsoana io, fa zahay aty dia tolerant @ io eee.. Izay tian'ny tompon'anarana iantsoana azy dia OK... Tsy haiko hoe, ry Stahtam indray izany no sakay kely rano @ fiantsoana an'izao Andrmntra (imaginaire) izao, nefa Izy Andrmntra (imaginare) ao io azany toa tsy sarotiny akoriny, fa toa mihaino dia mamaly ihany... hono.
16. RBNIR ( 11/07/2016 12:55)
rhaj0:

O ry RBNIR aa... raha mi-google Baiboly ianao, dia hahita fa... taty aoriana, dia lasa "invisible" i Andmntra.. fa t@ voanalohany izy izany (lahy) tahaka anao eeee... hi hi hi... dia fa maninona loatra koa azany no tsisy na tsy tiany ilay "transparency" eee... oops...kay moa invisible = transparent :-)

???
17. Rylant ( 11/07/2016 13:05)
Hoy ianao hoe:"Raha azoko tsara aloha ny tianao ho lazaina de Ianao aloha Hebreo": tsy mahalala izay fiaviako tany aloha elabe tany aho ka sarotra amiko ny hino izany resakao izany.
Hoy koa ianao: "Zay ilay noteneniko hoe samy manana ny fomba filazany azy ny tsirairay arakaraky ny fireneny!": ka raha miteny Barack Obama isika Malagasy dia ahoana no filazantsika azy? Tsy fantatro raha mino na manaiky ny 666 voalazan'ny Apokalypsy 13 ianao fa valeurs omen'ny anarana no mahatonga io isa io ka ny valeurs omen'ny anarana hoe Mosesy ve hitovy @ valeurs omen'ny anarana hoe Moise? tahaka izany koa ny hoe Jesoa sy Jesus.
[/quote]

Ok! Mbola hamafisiko foana hatrany fa marina ny anao!
Raha azoko tsara ne izany de be valeur kokoa le amin'ny fiteny avy amin'ny firenena hafa, zany hoe tsy misy dikany avokoa zany sady tsy misy valeur le izy rehefa amin'ny foba fiteny hafa.
Tokony tsy hasiana ne zany ny fiteny hafa fa tokony izay fiteny be valeur araky ny fijerinao azy no ampiasaina eran-tany raha izany e!
Ny Olana misy mantsy zao de lasa variana any amin'ny "Forme" tanteraka ny fomba fijerin'ny rehetra fa tsy mijery na miraharaha ny "Fond" avokoa!
Miresaka ianao hoe: valeur omeny ny anarana le chiffre 666 ao @ Apokalipsy 13. Valeur le izy ho anao fa ny tena fond n'io chiffre io ko ve mba fantatrao marina hoe inonja marina moa io chiffre io. Toa chiffre zary hatahoran'ny olona rehetra ilay izy, nefa tsy fantany marina ny tena dikan'io chiffr'e io. raha toa ka nandinika sy nandalina marina io Bokin'ny Apôkalipsy io ianao de tokony ho fantatrao marina ny tena marina momba io chiffre io, fa tsy variana amin'ny valeur-ny fotsiny ianao fa hainao sy hitanao hatramin'ny Fond-ny io.
Farany: Marina be le teninao hoe tsy misy mahalala izay fihaviany tany aloha tany. Mbola reste ho mystère izany ho an'ny zanak'olobelona rehetra mihintsy.
Mankasitraka!
18. stahtam ( 11/07/2016 13:22)

Rylant:

Tsy fantatro koa ianao raha mino ny batisa na tsia, fa raha "fotsiny" ny forme araka ny filazanao, nahoana no mampiasa rano ny mpanao batisa fa angaha tsy ny fond no tena zava-dehibe. Nahoana no misy manova anarana eny @ tribonaly raha forme fotsiny izany? Rehefa hita va ny fond dia tsinontsinoavina ny forme? Fisainana samy manana ny azy angamba izany.
"Tokony tsy hasiana ne zany ny fiteny hafa fa tokony izay fiteny be valeur araky ny fijerinao azy no ampiasaina eran-tany raha izany e!": sao dia ny lalànan'ny fivavahana mihitsy no toherinao? Iza no manana zo hanova anaran'olona na anaran'izay ivavahana? Ny olombelona ve sa iza? Asa aloha!
19. Rylant ( 11/07/2016 13:54)
Ny hoe toheriko ve ny lalàn'ny fivavahana? Disobe ngamba ianao, manaja tanteraka ny fomba sy ny finoana ary ny lalàn'ny tsirairay ny tenako (côté spirituel no resahiko eto). araka ny efa nolazaiko tany amboalohany hoe hajao ny anao dia hanaja anao ny hafa. Misy tenin-dry zareo musulman zay (tsy aiko ny fomba hilazana azy na hoe teny, na koa hoe oha-pitenenana na koa hafa) manao hoe: Hampianaro ny hafa ny finoanao ary hajao sy hianaro ny an'ny hafa. Za tsy musulman, fa tiako io phylosophie anzareo io, ary respecrter-ko. Tsy haiko ny manaratsy ny hafa, na mino an'A/tra tokana izy, na tsy mino an'A/tra tokana, hajaiko ny finoany, hajaiko ny lalàny fa kosa ny fanajako azy tsy midika hoe, harahiko ny lalàny. Ny lalàn'ny fivavahana mino an'A/tra tokana kosa de hajaiko, na finoana inona io, na finoana inona!
Mino ny Batisa ve za? Voalazanao fa ny fond no tena zava-dehibe fa tsy ilay forme akory! Ianao ihany anie de nahavaly anle izy e! Mila fantarina tsara aloha ny fond hentin'ilay forme, izay vao hekena na tsia. Ny resaka fanovana anarana eny @ tribonaly, côté humain zany, ny olombelona anie @ maha-olobelona an'azy, izay tiany hatao no hataony ka fantany fa maha-tsara azy izany eo @fiainany andavanandro e! Tsy misy hidiran'ny côté spirituel mintsy zany. Nefa raha halalinina izany, forme fotsiny ihany koa ny fanovana anarana eny @ tribunal fa ny tena fond de ilay nomen'ny Ray Aman-dReninao fony ianao vao teraka. Ny fanovana an'iny dia midika fa tsy mankasitraka na manaja ny niandohanao ianao, ary raha ampidirina @ resaka spirituel zany de fahotana satria tsy manaja ny ray aman-dreninao ianao izany, mandika ny didy folo (manaja ny Rainao sy ny Reninao mba ho lava andro hiainana ianao).
Mankasitraka!
20. stahtam ( 12/07/2016 07:56)

[quote=Rylant]
Ny hoe toheriko ve ny lalàn'ny fivavahana? Disobe ngamba ianao, manaja tanteraka ny fomba sy ny finoana ary ny lalàn'ny tsirairay ny tenako (côté spirituel no resahiko eto). araka ny efa nolazaiko tany amboalohany hoe hajao ny anao dia hanaja anao ny hafa. Misy tenin-dry zareo musulman zay (tsy aiko ny fomba hilazana azy na hoe teny, na koa hoe oha-pitenenana na koa hafa) manao hoe: Hampianaro ny hafa ny finoanao ary hajao sy hianaro ny an'ny hafa. Za tsy musulman, fa tiako io phylosophie anzareo io, ary respecrter-ko. Tsy haiko ny manaratsy ny hafa, na mino an'A/tra tokana izy, na tsy mino an'A/tra tokana, hajaiko ny finoany, hajaiko ny lalàny fa kosa ny fanajako azy tsy midika hoe, harahiko ny lalàny. Ny lalàn'ny fivavahana mino an'A/tra tokana kosa de hajaiko, na finoana inona io, na finoana inona!
Mino ny Batisa ve za? Voalazanao fa ny fond no tena zava-dehibe fa tsy ilay forme akory! Ianao ihany anie de nahavaly anle izy e! Mila fantarina tsara aloha ny fond hentin'ilay forme, izay vao hekena na tsia.

[quote=stahtam]
Izaho ange tsy nilaza hoe tsy manaja fivavahana ianao, sanatria, fa hoy aho hoe: ilay lalàna mifehy ny fivavahana no voatohitra @ fomba firesakao satria:
1°) Toa te-hilaza ianao fa rehefa manome lanja ny forme dia manamaivana ny fond, diso izany eritreritrao izany; na hoe rehefa manome lanja ny fond dia hamaivanina ny forme. Ny fanomezana lanja ilay fond mihitsy no mahatonga ahy hanaja ny forme ary zavatra 2 tsy afa-misaraka ireo sady tsy misy tokony hotsinontsinoavina. Finoana ny fond, no miteraka fanajana ny forme ary aseho @ forme ny finoana ilay fond.
2°) hoy ianao: "Ny resaka fanovana anarana eny @ tribonaly, côté humain zany, ... Tsy misy hidiran'ny côté spirituel mintsy zany. Nefa raha halalinina izany, forme fotsiny ihany koa ny fanovana anarana eny @ tribunal fa ny tena fond de ilay nomen'ny Ray Aman-dReninao fony ianao vao teraka. Ny fanovana an'iny dia midika fa tsy mankasitraka na manaja ny niandohanao ianao, ary raha ampidirina @ resaka spirituel zany de fahotana satria tsy manaja ny ray aman-dreninao ianao izany, mandika ny didy folo (manaja ny Rainao sy ny Reninao mba ho lava andro hiainana ianao)."
Valiny : @ fivavahana dia tsy kitikitihim-poana ny anarana, izay ilay lalàn'ny fivavahana nambarako hoe toherinao. Ny fanovana anarana dia TENA côté spirituel 100%, ary TSY FOTSINY izany. Mifandray @ ho fiainan'ilay olona mitondra azy sy ny ho aviny iray manontolo ny anarana fa diso izany hoe: forme fotsiny na sitrapon'olombelon araka ny filazanao azy izany. Novan'i Mosesy hoe Hosea ny anaran'i Josoa (araka ny dikan-teny baiboly protestanta no anoratako azy) satria hifandray @ asa hiandraiketany aty aoriana izany (fitarihana ny Zanak'Israely ho any @ tany Kanana) fa tsy hoe tsy fanajan'i Mosesy ilay niandohan'i Josoa akory. Ny anaran'i Avram dia novana hoe Avraham satria ho lasa rain'ny firenena maro izy aty aoriana fa tsy hoe tsy manaja ilay niandohany akory ilay nanova. Ka ny forme izany dia tsy FOTSINY araka ny anambaranao azy fa tena lalàna tsy maintsy hajaina mihitsy mba hahatanteraka ny fond. Raha olona tsy manam-pahefana na nomena fahefana @ fanovana ilay anarana kosa no MANOVA izany dia izay vao lazaina hoe tsy fanajana na fanevatevana ilay izy(oh: Benyamin ovana hoe Banjamina; Kefas ovaina hoe Peter (English) dia ovaina hoe Pierre (Français) dia asa raha ho sahy hanova koa isika Gasy rehefa kelikely hoe: Vato).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.537