ANTSO AVO HOAN'NY MALAGASY

41. tealala ( 15/07/2016 12:20)
aza ataonareo andrava ny lalàna fa rava iany ny lalàna e, ny didy voalohany alo dia efa io Andriamanitra ray Andriamanitra zanaka, fianakavin'Andriamanitra
42. tealala ( 15/07/2016 12:23)
io no fototr'ilay tsy misy kilema io, rehefa mandray azy enao dia avotra.
43. tealala ( 15/07/2016 12:27)
Ilay mandrakizay miteny hoe ty ny vahoakako, ianao miteny hoe diso lalana ireo fa i jesosy kristy aza nolaviny.
le fototr'areo kristianina ko amin'io na romanina na orhodox grika mo
miaramila romanina no namantsika an i Jesosy, le baibolinareo katolika romanina mba diniho iany ry RBNIR a, efa voadinikao daholo mo izany fa tsy ivakinao loha, ny anao rehefa misy manontany zavatra dia alefanao ny toko sy andinin'ny ao am Tstamenta vaovao satria Mk ... dia izay tsy misy fanazavana fa io efa voasotra io, tahaka ny hoe efa nandatsaka rà jesosy anavotra antsika dia avotra isika e.
44. RBNIR ( 15/07/2016 12:32)
misy secret ilay batisa (fialana amn'ny fanandevozan'ny ota)....
Afaka manantanteraka izay takin'ny lalàna amin'izay eo ambany fitarihany Fanahy Masina...
Tsy misy ezaka atao intsony....

Ianao mifikitra amin'ny fahiny : ny ota tsy afaka ny Fanahy Masina tsy miditra (satria bahanan'ny ota ny fitoerany) dia lasa miady amin'ny herin'ny tenanao mananatanteraka ny lalàna....dia avy eo mirehareha fatratra fa tena mpanompon'Andriamanitra....

Ny mampiavaka antsika : ianao tsy mangalatra noho ity teny ity : « Aza mangalatra. » (Eks. 20:15)

Izaho kosa tsy mangalatra satria efa olo-marina (olombaovao) tsy mpangalatra no natao nasolo ho ato anatiko noho ilay batisa....

Ianao manadio ny ety ivelany (ekeko fa mety tsy mpangalatra mihitsy ianao ary mahavita manome ny ampafolon'ny solila.....)....

Ny ao anatinao nefa jereo tsara fa mety tsy avy amin'ny fo no andoavanao ny ampahafolony ka mety vitanao izy ety ivelany fa saingy ny ao anatinao kosa mibontsina sy malahelo mafy....

Izaho kosa dia ny tao anatiko no efa nodioviny voalohany ka na inona na inona takiany, ny foko dia efa voavoatra hanome Azy ampitiavana izay rehetra takiny amiko....

Hoy Jesosy izay tamin'ireo olona nitovy taminao fahiny...« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana. » (Mat.23:25)

sy koa hoe « Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra. » (Mat.23:27)

IZAY NO TSIAMBARATELON'ILAY BATISA LAVINAO : FADIOVAM-PO.....REHEFA MADIO NY AO AMPO DIA MADIO HO AZY NY IVELANY REHETRA.... FA ADALA IZAY VARIANA MANADIO NY IVELANY FOTSINY KA DIA ADINONY NY AO ANATINY...

IZY ANEFA DIA « .....fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.» (Apok;2:23)



45. tealala ( 15/07/2016 12:47)
misy fitenin'ireo zandry kely ireo hoe :"Mba mi-acte f'aza mandrevy"
ny anao izay any anatinao any ihany, ny acte atao ko dia zavatra tsara fa tsy hoe ratsy a.. fa raha ohatra ka manome vola olona mahantra iray ianao io zao dia lasa ingahy misotro toaka dia ianao tafiditra amin'ilay nampisotro toaka azy ihany "l'enfer est pavé de bonnes intentions" hoy ny vahiny.
iza no mahita ny any anaty any e? tsy ny any anaty no tena izy fa ny zavatra ataonao aty ivelany ny fiatraikan'ny zavatra ataonao, inona n ratsy kokoa, tsy nanome an le mahantra sa ny nanome azy?
46. RBNIR ( 15/07/2016 12:57)
Rehefa madio ny ao anaty ao ry tealala tsy ho mpangalatra intsony ianao mandrakizay ary tsy ho mpijangajanga sy ny sisa fa avy dia fantatrao ny tokony atao a!!!

« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Hebreo 8:10)
« Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; » (Hebreo 8:11)

Io lalàna io dia lasa fiainanao io.....

Fitiavana no hipololotra ao anatinao ary ny hanao ratsy olona tsy ho vitanao intsony......;
47. RBNIR ( 15/07/2016 12:59)
AVERIKO HATRANY ANEFA !!! IZAY VITA BATISA TAHAKAN'I JESOSY IHANY (ARAKA ILAY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA) FA TSY HOE REHEFA VITA BATISA AKORY!!!

FANTARO NY BATISA ORIGINELLE!!!
48. tealala ( 15/07/2016 13:05)
rehefa mandray azy enao dia io efa voafintina io ilay finoanao ry RBNIR a.. tsy hoe enao tsy te angalatra any an tsainao any fa rehefa tsy mangalatra enao dia izay, fa tsy misy mahalala anie hoe izay any an tsainao any e. tsy dia ilaina ny mahalala ny any fa ny "acte" ataonao no izy, ohatrin'ny hoe tsy mpihinana kisoa ianao anefa tafihinana tampoka any amin'ireny fanasana ireny dia nihinana ihany ianao fa tsy hoe tao am-poko aho efa tsy te hihinana mihitsy.
49. tealala ( 15/07/2016 13:07)
sa aiza ho aiza amin'ilay famintinana io ary no diso e? ho an i RBNIR
50. tealala ( 15/07/2016 13:29)
Israely vaovao mo?
anaty testamenta vaovao zany dia nareo no Israely vaovao?
Mba tsy mitana ny teniny ko zao Andriamanitrareo zao ry RBNIR ka
51. rhaj0 ( 19/07/2016 11:44)
RBNIR:
AVERIKO HATRANY ANEFA !!! IZAY VITA BATISA TAHAKAN'I JESOSY IHANY (ARAKA ILAY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA) FA TSY HOE REHEFA VITA BATISA AKORY!!!

FANTARO NY BATISA ORIGINELLE!!!

giravy mihintsy ity RBNIR ity.. asa ahoana ny nanasana ny ati-dohany tao @ izany "tsisy-kilema" lavany ao izany.. Dia hono ho'a ry RBNIR, ilay Batisa Originelle anie tany @ renirano tany Moyen-Orient tany ee... Ohatra ny Moslimo izao miverina any @ ilay "originelle"-ny mihintsy rahefa manaja ny azy. Ka ny anao ve, ny batisanao tao, toa tsy nandehanao tany Moyen-Orient fa nilaozanao niafianao tao ambany tetezan'ny Bekiraro tao hono ??? :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2737